“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fibebahana sy famelan-keloka ao amin’ny fiainam-pianakaviana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Fibebahana sy famelan-keloka ao amin’ny fiainam-pianakaviana
Afaka manasa ny herin’ny Tompo isika mba hanasitrana sy hanamafy orina ireo fifandraisana amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fibebahana sy famelan-keloka. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fibebahana manatsara ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana. Handinika ny fomba ahafahan’izy ireo mahazo ny fanampian’ny Tompo ihany koa izy ireo mba hamelana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay mety nanafintohina na nandratra azy ireo.
Fanamarihana: Indraindray ilay ratra izay nataon’ny olona ao amin’ny fianakaviana dia amin’ny endrika herisetra. Ho resahina amin’ny lesona manaraka ny fahasitranana amin’ny herisetra.
Soso-kevitra enti-mampianatra
Afaka manatsara ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana ny fibebahana ataontsika manokana.
Asehoy eny amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny manaraka ireto (hevero ny hanamboatra ireo fehezan-teny ireo mba hifanaraka tsara amin’ny filan’ireo mpianatrao):
-
Zava-dehibe ny hifantohana amin’ny hanaovana izay hibebahan’ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana matetika.
-
Raha misy olona ao amin’ny fianakaviana diso kokoa noho isika, dia tokony hiandry an’io olona ao amin’ny fianakaviana io hifona sy hiova isika vao manao izany.
-
Mora foana ny mibebaka amin’ireo fomba mety handratrantsika ireo olona ao amin’ny fianakaviana.
-
Tsy maninona ny mampijaly ireo olona ao amin’ny fianakaviana raha mitady ny hampahatezitra antsika izy ireo.
Atombohy ny lesona amin’ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy ireo fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Angataho ireo mpianatra mba handinika raha toa ka marina na diso ny fehezan-teny tsirairay (aza angatahina hizara ny valin-teniny ireo mpianatra). Rehefa avy nanana fotoana ampy dia hazavao fa diso avokoa ireo fehezan-teny rehetra ireo.
-
Ahoana no hanitsianao ny tsirairay amin’ireo fehezan-teny ireo mba hahatonga izany ho marina?
-
Nahoana no mety ho sarotra ny mibebaka rehefa mandratra olona ao amin’ny fianakaviana isika? Ahoana no hanampian’ny Tompo antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hibebaka?
Azonao atao ny mampiseho ny iray amin’ireo sarin’ny fanoharana momba ny zanaka adala avy ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary angataho ny mpianatra iray hamintina ilay fanoharana. Hevero ny hijery ny Lioka 15:17–24 ary hanontany ireo mpianatra ireo fitsipika hitany avy amin’io fanoharana io momba ny fibebahana ao amin’ny fiainam-pianakaviana.
-
Inona no azontsika ianarana momba ny Ray any An-danitra avy amin’ilay ray ao amin’io fanoharana io? Ahoana no ahafahan’io fahalalana io mihatra amin’ny fomba fijerintsika ny fibebahana?
-
Oviana no efa nahitana fanambadiana na fianakaviana voatahy noho ny fibebahan’ny olona iray ao anatiny? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana na tsiambaratelo.)
Ny Tompo dia afaka manampy antsika hamela ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay nanafintohina antsika.
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra fotoana izay mety nahatafintohina azy ireo na nanaovan’ny olona ao amin’ny fianakaviana zavatra nandratra. Azonao angatahina ihany koa izy ireo mba hisaintsaina hoe nanao ahoana hatreto ny fahafahan’izy ireo namela izany olona izany.
-
Nahoana indraindray no sarotra ny mamela heloka olona ao amin’ny fianakaviana izay nanao tsy nety tamintsika?
Iaraho jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8–11, ary angataho ny iray kilasy ny fahamarinana ianaran’izy ireo avy amin’ireo fampianaran’ny Tompo momba ny famelan-keloka. Mety ho anisan’ny fahamarinana hitan’ireo mpianatra ny tahaka izao manaraka izao: Ny Tompo dia mitaky ny hamelantsika ny heloky ny olon-drehetra.
Azonao asaina ireo mpianatra hisafidy andiam-pehezan-teny na fehezan-teny vitsivitsy nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hodinihina fohy. Manontania avy eo hoe:
-
Amin’ny fomba ahoana ireo fampianarana ireo no manampy olona hamela heloka olona ao amin’ny fianakaviana izay nanao tsy nety taminy?
Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra dia hevero ny hampiseho ny teny nolazain’ny Loholona Massimo De Feo ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hamaky izany miaraka amin’ny mpianatra. Azonao omena minitra vitsy ireo mpianatra hisaintsainana ny zavatra efa nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ny sorona nataon’ny Mpamonjy no manampy antsika hamela ny hafa?
Hevero ny hampiasa ny tantaran’i Jakoba sy Esao mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalina kokoa momba ny famelan-keloka ao anatin’ny fiainam-pianakaviana, na mamoròna rafi-tantara anao manokana izay afaka manampy ireo mpianatra hihevitra ireo fahatsapana sy ahiahy ary safidy mifandraika amin’ny firavonana amin’ny havana iray izay nanafintohina antsika na tafintohina amintsika.
Raha azo atao dia asehoy ity sary manaraka ity:
Angataho ireo mpianatra hanazava ny zavatra fantany momba an’io tantaran’i Jakoba sy Esao io sy ny zavatra nihatra tamin’ny fifandraisana nisy teo amin’ireo mpirahalahy ireo. Raha ilaina dia azonao ampitomboina ny fahatakaran’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fizarana ny sasany amin’ireto antsipirian-javatra manaraka ireto:
Hevero ny hizara ny kilasy ho mpianatra tsiroaroa na vondrona madinika. Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Genesisy 33:1–11, ary hitady ny zava-nitranga rehefa nihaona i Jakoba sy i Esao. Angataho ny mpianatra tsirairay hisafidy na ny fomba fijerin’i Jakoba na ny fomba fijerin’i Esao ary haka sary an-tsaina hoe niaina ireo tranga voarakitra ao amin’ireo andininy ireo avy amin’izany fomba fijery izany.
Rehefa nanana fotoana ampy dia angataho ireo mpianatra hifanakalo hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy na ny vondrona misy azy, amin’ny fampiasana ny zavatra nianarany raha naka sary an-tsaina io fihaonana io avy amin’ny fomba fijerin’i Jakoba sy i Esao.
-
Inona no mety ho eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa nanatona ka niresaka tamin’ny rahalahinao ianao?
-
Inona no nataonao mba hihavana indray amin’ny rahalahinao? Inona no fitsipika azonao ianarana avy amin’io?
Raha vantany vao vitan’ny mpianatra ity sahanasa ity dia hevero ny hifanakalo hevitra ny sasany amin’ireo fanontaniana manaraka ireo miaraka amin’ny iray kilasy:
-
Inona no fitsipika hitanao ao amin’ny ohatr’i Jakoba sy i Esao? Amin’ny fomba ahoana no ahitanao ny tanan’ny Tompo ao amin’io tantara io?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ Andriamanitra anao hamaha fifandirana na hamela olona iray ao amin’ny fianakavianao? (Ampahatsiahivo ny mpianatra ny tsy tokony hizarany zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana.)
Asao ireo mpianatra handinika am-pahanginana ny fomba mety hitiavan’ny Ray any An-danitra ny hampiharan’izy ireo ny fitsipiky ny fibebahana na ny famelan-keloka amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fianakaviany amin’izao fotoana izao. Amporisiho izy ireo hanao zavatra avy amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony. Azonao omena fotoana ireo mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny lanjan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka ao anatin’ny fianakaviana.
Ho an’ny lesona manaraka
Hazavao fa indrisy ny olona sasany dia misafidy ny hanararaotra. Amporisiho ireo mpianatra handalina am-pitandremana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo manasitrana na manampy ny hafa ho sitrana amin’ny vokatry ny herisetra.