Institiota
Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fiaraha-miasa mitovy lenta an’ny mpivady


“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fiaraha-miasa mitovy lenta an’ny mpivady,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fiaraha-miasa mitovy lenta an’ny mpivady

Hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva no efa nataon’ny Tompo ho mpiara-miasa mitovy lenta ny mpivady. Nohamafisin’ireo mpaminany velona io fitsipika io amin’izao androntsika izao. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ireo fampianaran’ny filazantsara momba ny fitoviana lenta an’ny mpivady sy ny fitarihana ny fianakaviana. Hasaina ihany koa ireo mpianatra mba hamaritra ny zavatra azon’izy ireo atao amin’izao mba hitovy lenta amin’ny vadiny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Natao hitovy lenta ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fanambadiana.

Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny fanehoana na fizarana tahadikan’ity teny nambaran’ny Filoha Jean B. Bingham, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany manaraka ity. Asao ireo mpianatra hamaky ilay teny nambara ary hitady ny fomba hikatsahan’ny fahavalo ny hanimba ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

Sary
Filoha Jean B. Bingham

Fantatr’i Losifera fa raha toa ka afaka manimba ny firaisan-kina tsapan’ny lehilahy sy ny vehivavy izy, raha afaka mampisavorovoro antsika momba ny lanjantsika eo amin’ Andriamanitra sy ireo andraikitsika araka ny fanekempihavana izy, dia hahomby izy amin’ny fandravana fianakaviana, izay rantsana manan-danja amin’ny mandrakizay.

Mandrisika fifampitahana i Satana ho fitaovana hamoronana fahatsapana ho ambony na ambany, manafina ilay fahamarinana mandrakizay fa ireo tsy fitoviana voajanahary eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia avy amin’ Andriamanitra ary manana lanja mitovy. … Ny tanjony dia ny hampitsiry ady mahery vaika fa tsy fankalazana ny fandraisana anjara miavaka ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifameno sy mampisy firaisan-kina. (“Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 60–61)

  • Inona no fanamby mety ho tonga ao amin’ny fanambadiana raha toa ka mahatsapa ho ambany na ho ambony noho ny vadiny ny lehilahy na ny vehivavy?

Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ny Mosesy 3:18, 21–23 ary manontania hoe:

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nanoritan’ny Tompo ny fahariana ara-batana an’i Eva, araka ny voarakitra ao amin’io tantara io? (Raha ilaina dia tariho ao amin’ireo fanazavan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireo mpianatra. Ampio ireo mpianatra hitady fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity: Ao anatin’ny fanambadiana dia nataon’ny Ray any An-danitra hifanampy ho toy ny mpiara-miasa mitovy lenta ny mpivady.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa an’io fahamarinana io dia hevero ny haneho zavatra maromaro izay mahavita zavatra rehefa misy namana. Mety ho tafiditra amin’ireo zavatra ireo ny lelany roa amin’ny hety, forosety sy antsy, zavamaneno izay mila fitaovana roa vao mandeha (toy ny lokanga), kiraro na fonon-tanana, écouteurs na casque, sy ny sisa. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny mety hitranga raha toa ka singa iray amin’ireo ihany no ampiasainy hanaovana ny zavatra tokony hataony.

  • Inona no mampitovy ireo zavatra ireo amin’ny mpivady miara-miasa?

  • Inona no fitahiana mety ho tonga eo amin’ny mpivady raha toa ka mifampijery sy mifanohana toy ny mpiara-miasa mitovy lenta ny lahy sy ny vavy?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ekeo amin’ny fomba tsara ny valin-tenin’ny mpianatra. Rehefa manome valin-teny ny mpianatra iray dia ankasitraho amin’ny fomba tsara izany. Mety hoe “misaotra” tsotra fotsiny izany na fanehoan-kevitra momba ilay valin-teny. Ny famaliana toy izany dia hanampy ny mpianatra hahatsapa ho henoina sy manan-danja. Mampahazo aina kokoa ny mpianatra mba hizara valin-teny na eritreritra na traikefa amin’ny manaraka izany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa namaky izy ireo tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana hoe nanendry andraikitra manokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny Tompo ao amin’ny fianakaviana izay mitovy ny hasarobidiny sy lanjany” (Quentin L. Cook, “Fitiavana lehibe ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra,” Liahona, mey 2019, 79). Toy izany koa ireo mpaminany dia nampianatra hoe: “Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Azonao tenenina fa maro amin’ireo andraikitra ireo no ho resahina ao amin’ireo lesona ho avy. Saingy mba hiresahana ohatra iray dia asehoy ity fahamarinana manaraka ity: “Araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–43 dia milaza toetra maro tahaka ny an’i Kristy izay afaka mifandray amin’ny fitarihana ny fianakaviana. Angataho ireo mpianatra hijery io andinin-tsoratra masina io sy ny zavatra nosoratany ho valin’ny sahanasa ao amin’ny “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany amin’ny mpianatra rehetra. Dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity avy eo:

  • Inona no ohatra momba ny fitoviana lenta sy ny fitarihana amim-paharinana ao amin’ny fianakaviana izay efa hitanao na renao?

Tokony hifampidinika ny mpivady rehefa mandray fanapahan-kevitra ho an’ny fianakaviany.

Ity rafi-tantara manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hamakafaka ny fahatakarany ny fitoviana lenta an’ny mpivady sy ny fitarihana ny fianakaviana. (Eritrereto ny fomba azonao hampifanarahana araka izay mety ity toe-javatra ity mba hahitana taratra bebe kokoa ny kolontsainao na mba hifanaraka amin’ny zavatra manokana mety hilain’ny mpianatrao.)

Diniho ity rafi-tantara manaraka ity miaraka amin’ny kilasy na ao anaty vondrona kely, ary ifanakalozy hevitra ireo fanontaniana any amin’ny faran’ny taratasy zaraina.

Ny tantaran’i Nicolas sy i Elena

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 17

Mpivady tamim-pahasambarana nandritra ny folo taona i Nicolas sy i Elena ary manan-janaka telo izy ireo. Samy maniry ny hiorenan’ny fianakaviany eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy roa, ary samy miezaka manatanteraka ny andraikitra nanendren’ Andriamanitra azy ireo ao amin’ny fianakaviany izy ireo.

Tahaka ny mpivady rehetra dia misy tsy fitovian-kevitra i Nicolas sy i Elena. Matetika dia resaka vola no tsy mampitovy hevitra azy ireo. Miasa amin’ny fotoana feno any ivelany i Nicolas. Afaka mikarakara ireo zanany sy ny tranony amin’ny fotoana feno i Elena ankoatra ny fanaovana asa kely eny indraindray. Mino i Nicolas fa ny andraikiny amin’ny maha mpitarika azy ao an-tokantranony, sy ny maha mpampiditra vola betsaka kokoa azy, dia midika fa izy no tokony hanana teny farany amin’ny fomba tokony handaniana ny volan’izy ireo. Mahatsapa i Elena fa tokony hanana fahefana kokoa izy amin’ireo fanapahan-kevitra momba ireo zanany satria izy no miaraka amin’izy ireo kokoa noho i Nicolas. Tamin’ny fotoana iray tany amin’ny lasa, tsy niteny tamin’i Nicolas akory, dia nandany ny volan’izy ireo tamin’izay itiavany azy izy.

Vao tsy ela i Nicolas sy i Elena no nifanakalo hevitra ny amin’izay hatao amin’ny vola izay voangon’izy ireo. Te hampiasa izany hividianana fiara i Nicolas izay hanamora ny fandehanany miasa sy mba hivezivezen’ny fianakaviany. Tian’ny Elena hampiasaina hikarakarana ny zanak’izy ireo ilay vola mba hiala sasatra hamangy havana sy hiala voly miaraka mialoha ny hahalehibe ireo zanany.

Navesatra teo amin’i Nicolas sy i Elena ny tsy fitovian-kevitr’izy ireo saingy tsy maintsy manapa-kevitra.

  • Inona no holazainao fa fanamby lehibe indrindra atrehan’i Nicolas sy i Elena amin’ny fanapahana hevitra momba izay hatao amin’ilay vola?

  • Inona araka ny eritreritrao no ilain’izy ireo takarina kokoa momba ny fitoviana lenta sy ny fitarihana raha mikasika ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an’ny fianakaviany? (Jereo ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Raha ianao no Nicolas na Elena, ahoana no hiresahanao ny vadinao mba hiarahana midinika momba io fanapahan-kevitra io amin’ny fomban’i Kristy?

Ny tantaran’i Nicolas sy i Elena

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nanana fotoana ampy hifanakalozana hevitra momba ilay rafi-tantara ireo mpianatra dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana ny fiarahana midinika amim-pahamarinana no mitahy ny mpivady sy ireo zanany?

Hamaranana ny lesona dia asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary omeo fotoana ampy ireo mpianatra handinihana amim-pahanginana sy hanoratana izay fahatsapana mety ho voarainy.

  • Fihetsika na toetra na fomba fanao inona tahaka ny an’i Kristy no azoko ampiroboroboana na hamafisina mba hanampy ahy hampivelatra ny fitoviana lenta ao amin’ny fanambadiako? Ahoana no hikatsahako ny fanampian’ny Tompo amin’ny ezaka ataoko?

Ho an’ny lesona manaraka

Ekeo miaraka amin’ny mpianatra fa matetika ny tena mampanahy ny mpivady rehefa mandinika ny fanambadiana sy ny zanaka izy ireo dia ny fomba ahafahan’izy ireo manome izay ilainy ara-bola. Amporisiho ireo mpianatra mba handalina ombam-bavaka ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka ary hihaino ireo bitsika izay mety hanampy azy ireo hanao safidy ara-bola am-pahendrena sy ho lasa mizaka tena kokoa.

Hamoaka printy