Institiota
Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miady amin’ny pôrnôgrafia


“Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miady amin’ny pôrnôgrafia,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Miady amin’ny pôrnôgrafia

Afaka miaro ahy amin’ny fihanaky ny fitarihan’ny pôrnôgrafia ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ato amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hasaina mba hamaritra ny zavatra azon’izy ireo atao handraisana io fanampiana avy amin’ Andriamanitra io. Hijery ihany koa izy ireo ny fomba ahafahany mikatsaka ny herin’ny Tompo mba ho sitrana amin’ny vokatry ny pôrnôgrafia.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny fahatakarana ny fananantsika toetra tahaka ny an’ Andriamanitra sy ny tanjontsika dia manampy antsika hanohitra ny pôrnôgrafia.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Hazony ho mamporosika amin’ny tsara sy mitondra fanantenana hatrany ny tontolon’ny lesona. Ny tontolo izay ahafahanao sy ny mpianatrao mifampiresaka momba ny fampianarana ny filazantsara dia afaka misy fiantraikany amin’ny toe-pon’ireo mpianatra hafa sy ny traikefa amin’ny fianarana. Zava-dehibe ny miresaka lohahevitra toy ny pôrnôgrafia amin’ny fomba hanekena ny faharatsiany ka tsy atao am-pihorohoroana. Ny fomba hitondrana ny lesona dia afaka manampy ireo izay nanana fiantraikany ratsy tamin’ny pôrnôgrafia hahatsapa fanantenana amin’ny hery manasitran’i Jesoa Kristy.

Asehoy ity teny nambara manaraka ity ary asao ny mpianatra hamaly:

Mihanaka ny pôrnôgrafia. Inona ireo antony izay omen’ny olona sasany mba hanamarinana ny fanaovana pôrnôgrafia?

(Mety hanome ny sasany amin’ izao soso-kevitra izao ny mpianatra: Fahazarana izany; tsy voatohatro izany; tsy mandratra olon-kafa izany; voajanahary izany; fialam-boly fotsiny izany; ny fianarana sasany dia manoro hevitra fa manampy amin’ny fampivoarana ny filana ara-nofo izany sy ny fifandraisana ara-nofo.)

Asehoy ity teny nambara manaraka ity izay nataon’ny Loholona Tad R. Callister tamin’izy tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy :

Sary
Loholona Tad R. Callister

Tamin’ny fivoriam-piofanana vao tsy ela ho an’ny Manampahefana Ambony dia nisy fanontaniana nipetraka hoe: “Ahoana ny fomba hanampiantsika ireo izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia?”

Nitsangana ny Loholona Russell M. Nelson ary namaly hoe, “Ampianaro azy ireo ny maha-izy azy sy ny tanjony.” (“Our Identity and Our Destiny” [Brigham Young University Education Week devotional, Aug. 14, 2012], speeches.byu.edu)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny fahatakarana ny toetra tahaka ny anAndriamanitra ananantsika sy ny tanjontsika dia afaka manampy antsika hanohitra ny pôrnôgrafia.

  • Ahoana ny fomba hanampian’ny fahatakarana ny fananantsika toetra tahaka ny an’ Andriamanitra sy ny tanjontsika manokana sy ny an’ireo hafa hanohitra ny pôrnôgrafia? Inona no azontsika atao mba hahatakarantsika kokoa ny maha-izy antsika sy ny tanjontsika?

  • Inona avy ireo fitsipika sy fampiharana ary loharano izay miaro ny tenanao amin’ny pôrnôgrafia? (Ataovy ho isan’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ny hanasana ny mpianatra hitodika amin’izay nianarany avy ao amin’ny fizarana 2, ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)

Afaka manasitrana ny tsirairay amin’ny voka-dratsin’ny pôrnôgrafia i Jesoa Kristy.

Raha azo atao dia asehoy ny sarin’ilay vehivavy narary nandeha ra izay manakatra ny Mpamonjy ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana. Asao ny ankizy iray mba hitantara ny zavatra niainan’io vehivavy io araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka 8:43–48.

  • Raha toa ka ianao no teo amin’io toe-javatra niainan’io vehivavy io dia ahoana no mety ho fahatsapanao taorian’ny taona maro izay nijalianao?

  • Inona no azon’ireo izay mikatsaka ny ho sitrana amin’ny vokatry ny pôrnôgrafia hianarana avy amin’ny ohatr’io vehivavy io? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Rehefa mazoto isika manatona ny Tompo amim-pinoana, dia hanampy antsika ho sitrana amin’ny vokatry ny pôrnôgrafia Izy.)

  • Nahoana no ilaina ny manatona an’i Jesoa Kristy eo amin’ireo ezaka ataontsika handresy ny pôrnôgrafia na ny ratra nataon’olona iray izay miaina ao anaty pôrnôgrafia?

Hevero ny hanasa mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson hita ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.

  • Mampiova inona ny fahavononan’ny olona iray hanao izay rehetra ilaina mba ho sitranin’ny Tompo?

Azonao hazavaina fa isika dia afaka mikatsaka amim-paharetana ny hanampy ny hafa izay miaina ny vokatry ny pôrnôgrafia sy mijery ny dia atrehan’izy ireo amin’ny fomban’i Kristy. Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Izao aho dia hilaza teny fohy momba ny fomba hitondrantsika ireo izay efa voafandriky ny pôrnôgrafia. Mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika tsirairay avy. Mila ny fangorahantsika sy ny fitiavantsika ireo izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia rehefa manaraka ireo fitsipika sy ireo dingan’ny fahasitranana izay ilainy izy ireo. Aza melohina izy ireo. Tsy ratsy akory izy ireo na hoe tsy misy fanantenana intsony ny aminy. Zanakalahy sy zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra izy ireo. Amin’ny alalan’ny fibebahana araka ny tokony ho izy sy feno dia mety ho lasa madio sy tsy misy pentina ary mendrika ny fanekempihavanana sy ny fitahiana azo any amin’ny tempoly rehetra izay nampanantenain’ Andriamanitra izy ireo. (“Afaka amin’ny fandriky ny Pôrnôgrafia,” Liahona, Ôkt. 2015, 37)

Arindrao ho ao anaty vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra. Manendre mpitarika iray isaky ny vondrona ary omeo tahadikan’ity taratasy zaraina ity ny mpitarika tsirairay. Asao ireo mpianatra mba hanaraka ny torolalana ao amin’ny taratasy zaraina.

Manampy olona iray ho sitrana amin’ny vokatry ny pôrnôgrafia

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay—Lesona 14

Jereo miaraka ireto rafi-tantara manaraka ireto ary misafidiana anankiray mba hifanakalozana hevitra:

  1. Mamboraka ny mpiray efitrano iray fa vao avy nijery pôrnôgrafia vao voalohany mihitsy izy ireo.

  2. Nilaza tamin’ny namana iray ny sakaizany omaly alina fa manana olana amin’ny pôrnôgrafia izy.

  3. Mijery pôrnôgrafia matetika ny namana iray ary nanandrana niala imbetsaka saingy tsy nahomby na dia teo aza ireo fahatsapany ho nanao izay azony natao rehetra mba hialana amin’izany.

  4. Mizara aminao ny namana iray fa ralehilahy vadiny dia manana olana amin’ny pôrnôgrafia ary tsy hainy ny fomba hanampiana azy. Manimba ny fanambadian’izy ireo izany ary mahatsapa ho kivy izy.

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto

  • Alaivo sary an-tsaina hoe manatona anao io olona io mba hitady fanampiana. Raha mampiasa ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana sy ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa?” dia inona no torohevitra homenao io olona io?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’io olona io mandray ny fanampian’ny Tompo eo amin’io toe-javatra io?

Manampy olona iray ho sitrana amin’ny vokatry ny pôrnôgrafia

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra iray na roa hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo.

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hieritreretany sy hanoratany ny valintenin’izy ireo ho an’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no azoko atao hahazoana ny herin’ny Tompo ho fiarovana amin’ny pôrnôgrafia sy handraisana ny fanampiany mba hahasitranana amin’ny vokatr’izany?

  • Ahoana no ahafahako manampy amim-pitiavana olona iray izay sahirana amin’ny vokatry ny pôrnôgrafia?

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanomezan-toky ho an’ny mpianatra mikasika ny fahamarinan’ireo fitsipika izay hita tao anatin’ny lesona.

Ho an’ny lesona manaraka

Azonao aseho amin’ny mpianatra ny asa atao anaty fifanakalozan-kevitra any amin’ny faran’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ho an’ny lesona manaraka ary entano izy ireo hanomboka hieritreritra momba ny olona izay mety ho resahan’izy ireo ho an’io asa atao io.

Hamoaka printy