Institiota
Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fahazoana fifaliana ao amin’ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy


“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fahazoana fifaliana ao amin’ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fahazoana fifaliana ao amin’ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

“Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hitrandraka ny fomba ahafahan’izy ireo manorina ny fototry ny fiainany manokana sy ny an’ny fianakaviany eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Hasaina izy ireo hamantatra ireo sakana izay mety hanakana azy ireo tsy hanao izany sy ny fomba handresena izany.

Sosokevitra hoenti-mampianatra

Ny fanorenana ny fiainantsika manokana sy ny an’ny fianakaviantsika eo amin’ny fanorenan’i Jesoa Kristy dia miaro sy mampatanjaka antsika.

Hevero ny hampiseho ny sarin’ny tempolin’i Philadelphie Pennsylvanie izay nampiarahina eto. Ampahatsiahivo ny mpianatra ny tanjon’ny fototry ny trano iray (jereo ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Sary
Tempolin’i Philadelphie Pennsylvanie

Iaraho mamaky ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Donald L. Hallstrom ity, izay nanoritsoritany ny ezaka nataon’ny injeniera hananganana fototra mafy ho an’ny tempolin’i Philadelphie Pennsylvanie.

Sary
Loholona Donald L. Hallstrom

Ity rafitra ity dia … handalovan’ny rivotra manimba sy rano misosoka any any ambany tany. Ireo toe-javatra mahery vaika ireo raha tsy voatily dia mety hanimba mafy na handrava mihitsy aza an’io trano manana ny hajany io.

Raha nahafantatra fa hamely tsy tapaka ilay tempoly ireo hery ireo dia namolavola drafitra ireo injeniera ary nandavaka lavaka lalina 10 m any ambanin’ny fototr’ilay rafitra iray manontolo ny mpiasa mpiantoka ny asa. Nolavahana tao anaty granita avy any Pennsylvanie ilay lavaka mba hanome fototra tsy azo hozongozonina izay hanaovana ny fanorenana. Avy eo dia miraikitra amin’ilay vato granita amin’ny alalan’ny vatofantsika ny andry fototra sy ny fototra mba hahatohitra na dia rivotra mahery sy rano misosoka mahery vaika any ambany tany. Milentika 15 hatramin’ny 53 metatra any anaty granita ireo vatofantsika ireo.

Manome izany fampahalalana izany amin’ny antsipiriany aho mba hampianarana izao: rehefa manorina ny fiainantsika maharitra (ary antenaina fa ho mandrakizay) isika izay tsy tahaka ny fanorenana rafitra iray (izay tsy maharitra), dia matetika tsy miraharaha loatra ny haitao sy ny fanorenana ny fototra iorenantsika. Vokatr’izany dia tena tandindomin’ny hery mampidi-doza isika ary mora voahozongozon’izany. (“Jesus Christ: Our Firm Foundation,” Ensign, Apr. 2016, 58)

Asao ireo mpianatra hihazona ao an-tsaina ny famariparitana ny fototr’io tempoly io rehefa miaraka mamerina mamaky ny Helamàna 5:12 ianareo.

  • Inona no ampianarin’io andininy io momba ny anton’ny ilan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana manorina fototra ara-panahy eo amin’i Jesoa Kristy? (Ampio ireo mpianatra hahita fitsipika tahaka izao manaraka izao: Rehefa manorina ny fotor’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia tsy hanana hery handravana azy ireo i Satana.)

  • Inona avy ireo “rivo mahery, … zana-tsipika ao amin’ny tadio, … havandra, … sy ny tafiotra mahery” izay entin’ny fahavalo manohitra fianakaviana amin’izao androntsika izao?

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana manorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevira dia asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar sy ny Loholona Hallstrom, miaraka amin’ilay sahanasa “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no zavatra niainanao na niainan’ny fianakavianao izay nahitana ny fanampian’ny fanorenana fototra eo amin’i Kristy teo amin’ny fiatrehana na fandresena ireo karazana tafiotra maro?

Ny fiainana ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia mitondra fifaliana eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana.

Asehoy izao teny nalaina avy tao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana izao: “Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho ireo mpianatra mba handray anjara. Mitadiava fomba hamporisihana ireo mpianatra handray anjara ao an-dakilasy. Samy manana ny fototra niaviany, ny zavatra mahaliana azy, ny fanantenany, ary olana iainany ny mpianatra tsirairay izay mitondra zavatra fanampiny amin’ireo heviny na fanontaniany. Ny fomba fijery mampiavaka ny mpianatra dia afaka mitahy ny hafa ao amin’ny kilasy amin’ny fomba manokana. Ny fihainoana tsara ireo mpianatra rehefa mandray anjara izy ireo dia afaka manampy anao koa hanombantombana ny zavatra ilainy sy ny olany.

Asao ireo mpianatra hanokatra ao amin’ny andinin-tsoratra masina hitany fa misy fampianaran’i Jesoa Kristy izay nitondra fifaliana teo amin’ny fiainany manokana sy ny an’ny fianakaviany rehefa nampihatra izany izy. (Jereo ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Mety mila manome ireo mpianatra minitra vitsy ianao hitadiavana andinin-tsoratra masina iray.)

Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Asao ireo mpianatra hizara ny andinin-tsoratra masin’izy ireo miaraka amin’ny valiny homen’izy ireo an’izao fanontaniana manaraka izao (azonao atao ny mampiseho sy manoratra ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe):

  • Amin’ny fomba ahoana no hitahian’ny fanarahana io fampianaran’ny filazantsara io ny isam-batan’olona na ny fanambadiana na ny fianakaviana iray?

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany avy amin’ny fifanakalozan-kevitra tao amin’ny vondrona nisy azy.

Asao ireo mpianatra mba hamerina hamaky amim-pahanginana ny 4 Nefia 1:1, 11–13, 15–18, ary hitady ireo teny na andian-teny izay maneho ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay nosafidin’ireo olona ireo mba hiainana. Asao hizara ny zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Inona no fitahiana mety ho azon’ny fianakaviana iray rehefa miezaka ny hiaina miaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy? Taiza no efa nahitanao ireo karazana fitahiana ireo?

  • Inona avy ireo fomba sasany hataon’ny fahavalo mba hanakanana antsika tsy handray ireo fitahiana ireo? (Raha ilaina dia asao ireo mpianatra hamerina hamaky ny ohatra ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Asehoy izao teny manaraka nambaran’ny Loholona Bradley D. Foster manaraka izao, izay Fitopololahy teo aloha:

Sary
Loholona Bradley D. Foster

Tsy voatery ho ratsy ny zavatra mahavarimbariana iray vao hahomby (“Mother Told Me,” Liahona, mey 2010, 99)

  • Inona avy ireo zavatra mahavarimbariana sasantsasany izay mety tsy voatery ho ratsy saingy afaka manakana antsika tsy hiorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany? Inona no efa nataonao hampihenana na hanalana ny iray na ny maro amin’ireo zavatra mahavarimbariana ireo eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no fitahiana mety tsy ho azon’ny olona raha miorina amin’ny zavatra toy ny fomba amam-panao ara-kolontsaina, na fialamboly, na vola ny fanorenany?

Eritrereto ireo fomba azonao hanampiana ireo mpianatra hanao zavatra manan-danja araka ny zavatra nianarany tato amin’ity lesona ity. Ohatra, azonao omena minitra vitsy ireo mpianatra hamakiana ny teny nambaran’ny Loholona Gary E. Stevenson sy ny sahanasa hoe “Manaova asa” ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Avy eo dia asao ireo mpianatra hanoratra izay eritreritra fanampiny tian’izy ireo hampifandraisina amin’ny tanjony na ny drafiny.

Azonao faranana amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fifaliana niainanao teo amin’ny fiainanao manokana sy ny an’ny fianakavianao izany rehefa nanorina ny fototrareo teo amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ianareo.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana nahitan’izy ireo mpivady niara-niasa toy ny mpiara-miasa mitovy lenta. Afaka mieritreritra koa fotoana izay mety nahitany mpivady tsy niaraka niasa toy ny mpiara-miasa mitovy lenta izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra handalina ireo loharanom-pitaovana ho an’ny lesona manaraka miaraka amin’ireo ohatra ireo ao an-tsaina ary hamaritra ny karazana fiaraha-miasa tian’izy ireo hananany ao anatin’ny fanambadiany.

Hamoaka printy