Institiota
Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manabe zanaka ao anatin’ny fitiavana


“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manabe zanaka ao anatin’ny fitiavana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manabe zanaka ao anatin’ny fitiavana

“Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hanatanteraka ny andraikitra masina sahanin’izy ireo amin’ny maha-ray aman-dreny azy ireo mba hitia ny zanany. (Ny lesona manaraka kosa dia hifantoka amin’ny fitaizana ny zanaka ao anatin’ny fahamarinana.) Hasaina ihany koa ireo mpianatra mba hamaritra ny fomba ahafahany mitia sy manompo ny fianakaviany amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy kokoa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny ray aman-dreny dia natao hitaiza ny zanany amim-pitiavana.

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanontaniana ireo mpianatra ny zavatra hitany nataon’ny ray aman-dreniny na ny ray aman-dreny hafa ka tian’izy ireo hatao rehefa mitaiza ny zanany izy ireo. Rehefa avy mizara ny mpianatra vitsivitsy dia amporisiho ny iray kilasy hitady ireo fahamarinana ato amin’ity lesona ity sy ny lesona manaraka izay azon’izy ireo arahina rehefa lasa ray aman-dreny izy ireo.

Asehoy ity fanambarana manaraka avy amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ity: Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana.

Azonao apetraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalina kokoa io fahamarinana io:

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahanao maneho fitiavana ny zanakao? (Hevero ny hamaky ireo fanambarana momba ny fotoana sy ny fialamboly mahafinaritra izay nambaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny fandaniana fotoana sy ny niasana ary ny fanoloran-tena amina fialamboly mahafinaritra niaraka tamin’ny ray aman-dreninao?

Hazavao fa tafiditra ao amin’ny fitaizana zanaka ao anatin’ny fitiavana ny fifehezana azy ireo raha ilaina. Zarao ho vondrona kely maromaro ny kilasy ary manendre mpitarika iray isaky ny vondrona. Omeo ny tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny mpitarika ny vondrona tsirairay ary omeo toromarika izy ireo mba hanaraka ireo torolalana izay omena. (Azonao amboarina ny tantara mba hitombina kokoa ho an’ny mpianatrao.)

Mifehy zanaka amin’ny fomban’ny Tompo

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 21

Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba haka sary an-tsaina hoe ray na reny izy. Angataho izy ireo hisafidy iray amin’ireto toe-javatra manaraka ireto mba hifanakalozana hevitra miaraka.

  1. Rehefa nody avy niantsena niaraka tamin’ireo zanakao ianao, dia nahita ny zanakao vavy enin-taona nihinana vatomamy nangalariny tao amin’ilay fivarotana.

  2. Matetika mampijaly ny zandriny 9 taona ny zanakao lahy 14 taona. Amin’ny ankapobeny rehefa tsy eo ianao no mitranga izany. Mitomany ilay zanakao nampijaliana manatona anao ary milaza aminao fa miteny zavatra ratsy aminy indray ny zokiny lahy.

  3. Niandry miafy ny zanakao vavy 17 taona hiverina hody avy niaraka tamin’ireo namany ianao. Efa nihoatra ny ora tokony hodiany izy vao tonga tao an-trano.

Angataho ny vondrona misy anao mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mampifandray ny tenany amin’ny toe-javatra izay nofidiny izy ireo:

Mifehy zanaka amin’ny fomban’ny Tompo

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa vitan’ny mpianatra ny sahanasa dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra tao amin’ny vondrona nisy azy ireo. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra dia hamafiso ity fahamarinana manaraka ity: Raha hanaraka ny fomba fifehezana avy amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy entanin’ny fitiavana isika (jereo ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

Raha ilaina dia anontanio ny mpianatra ny tsy mampitovy ny fomba fifehezan’ny Tompo sy ny fomba fifehezana zanaka izay eken’ny kolontsaina na fianakaviana sasany.

  • Oviana no efa nahitanao olona nifehy zanaka tamin’ny fomba feno fitiavana? Inona no nianaranao avy tamin’izany zavatra niainana izany?

Manatsara ny fampianarana sy ny fianarana

Asao ireo mpianatra hisaintsaina. Ny hoe misaintsaina dia midika hoe mandinika lalina zavatra iray. Matetika izany no atosiky ny vavaka. Rehefa mianatra misaintsaina ireo mpianatra dia matetika ny Fanahy no hanambara fahamarinana amin’izy ireo ary hampianatra azy ireo ny zavatra ilain’izy ireo manokana mba hianarana sy hahatsapana zavatra.

Asehoy izao toromarika sy fanontaniana manaraka izao, ary omeo fotoana misimisy ireo mpianatra hisaintsainana izany (mety te hirakitra ny eritreriny ihany koa izy ireo):

  • Eritrereto ny fotoana izay nanitsian’ny Tompo anao na nitaoman’ny Fanahy Masina anao hiova. Inona no azonao ianarana momba ny fifehezana ny zanaka avy amin’ireo zavatra niainana ireo? Oviana no tsaroanao ny Ray any An-danitra naneho fitiavana anao tamin’ny fotoana izay nilanao izany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

Ny ray aman-dreny dia natao hampianatra ny zanany mba hifankatia sy hifanompo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Môzià 4:14–15.

  • Inona no andraikitra masina sahanin’ny ray na reny izay nohamafisin’i Benjamina Mpanjaka? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asehoy izao teny nambara manaraka izao avy ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana: Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny hampianatra [ny zanany] hifankatia sy hifanompo.)

  • Ahoana no nampianaran’ny ray aman-dreninao anao hitia sy hanompo ny mpiray tampo aminao na olona hafa ao amin’ny fianakaviana?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo hieritreritra fotoana iray izay nanompoan’ny Mpamonjy olona iray tamim-pitiavana ary avy eo dia hanoratra ny fomba ahafahany mitia sy manompo mpikambana iray ao amin’ny fianakaviana amin’izany fomba izany na amin’ny fomba hafa tahaka ny an’i Kristy (jereo ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. (Eritrereto ihany koa ny hizara ohatra izay anao manokana.)

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hirakitra ny eritreriny mifanaraka amin’ilay fanontaniana izay tsapany fa tena manan-danja ho azy ireo:

  • Amin’ny fomba ahoana no hanarahanao ny ohatra sy ny fampianaran’ny Ray any An-danitra amin’ny fitaizana zanaka na izay ho zanaka amim-pitiavana?

  • Milazà fomba iray tahaka ny an’i Kristy izay ahafahanao mitia sy manompo mpiray tampo, na ny ray aman-dreninao na mpikambana iray ao amin’ny fianakaviana?

Eritrereto ny hamarana ny kilasy amin’ny fanasana mpianatra iray hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba izany fitsipiky ny filazantsara izany. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na tamin’ny fomba ahoana no nitaizana azy ireo dia afaka misafidy ny hitaiza ny zanany amim-pitiavana ary hampianatra azy ireo hifankatia sy hifanompo izy ireo.

Ho an’ny lesona manaraka

Azonao apetraka amin’ny mpianatra any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana na ao anatina hafatra iray any aoriana ireto fanontaniana manaraka ireto mba hiomanan’izy ireo amin’ny lesona manaraka:

  • Inona ireo traikefa ara-panahy nanananao rehefa nihalehibe ianao ka nampian’ny ray aman-dreninao ianao mba hanana izany? Inona no traikefa ara-panahy antenainao hananana miaraka amin’izay ho zanakao?

Hamoaka printy