Institiota
Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay


“Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay

Mahakasika antsika rehetra ny fotopampianarana momba ny fianakaviana. Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hasaina hanombatombana ny fatokiany ny fahendren’ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ho an’ny fianakaviana. Handinika ny zavatra azony atao ihany koa ireo mpianatra mba hanorenana tontolo anjakan’ny fitiavana sy omban’ny fahatakarana ny hafa ary fanajana tahaka ny an’i Kristy rehefa miresaka momba ny fotopampianarana momba ny fianakaviana.

Fanamarihana: Raha azo atao dia mifandraisa amin’ireo mpianatra izay nisoratra anarana hanao ity taranja ity mialoha ny andro voalohany hianaran’izy ireo, dia asao izy ireo hamaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ity lesona lesona voalohany ity. Alaivo antoka fa manana ny tahadikan’ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana avokoa ny mpianatra hafa rehetra rehefa manomboka ny fotoam-pianarana ianao. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny kilasy dia ampiasao ilay tahiri-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hahafahan’ny mpianatra mahita ny hanampian’izany azy ireo hiomana sy hampitombo ny traikefan’izy ireo amin’ny fianarana. Aza misalasala mandany 5 hatramin’ny 10 minitra any am-piandohan’ity lesona ity mba hifankahafantaran’ny tsirairay sy hiarahabana ireo mpianatra ho ao amin’ny taranja.

Sosokevitra enti-mampianatra

Afaka matoky ny fitiavana sy ny fahendren’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika.

Ho fampidirana ity taranja ity dia azonao aseho ny mpianatra ny fanoroam-pejy na ny fandaharam-pianarana ho an’ny tapany voalohany amin’ny taranja. Mba hahalalana tsara kokoa ny zavatra ilain’ireo mpianatrao dia asao izy ireo hanoratra fanamarihana fohy sady tsy mitonona ny anarany aminao mikasika ireo lohahevitra tena mahaliana azy ireo na tiany ho takatra bebe kokoa. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo mba hanoratra izay fanontaniana antenain’izy ireo fa ho voavaly ato amin’ity taranja ity. Angony ny valin-teny omen’izy ireo ary diniho izany rehefa manomana ireo lesona manaraka ianao.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mamantatra ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny mahaliana azy ireo. Hanana faniriana bebe kokoa ireo mpianatra ny hianatra rehefa mahatsapa izy ireo fa natao hanolotra ny zavatra ilainy sy ny mahaliana azy ireo ny lesona. Omeo fahafahana ireo mpianatra mba hiresaka ny zavatra mahaliana azy ireo sy ireo fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fianakaviana. Arakaraka izay valin-tenin’ireo mpianatra eo dia araho ny Fanahy mba hahafantarana ny fotoana hanantitranterana sy hiresahana ny zavatra mahaliana azy ireo sy ny fanontaniana ananan’izy ireo mandritra ny fianarana ilay taranja.

Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza ireo olona sasany izay atokisanao, nahoana?

  • Inona no zavatra hatokisanao an’ireo olona ireo?

Alamino ho vondrona tsitelotelo ny mpianatra. Omeo ny tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay dia angataho izy ireo hanaraka ireto toromarika manaraka ireto.

Matoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 1

Asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba hamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka hitady ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manampy azy ireo hatoky Azy Ireo: 2 Nefia 26:24; Môzià 4:9; ary Isaia 55:8–9. Dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana vao hitanao amin’ny fanirianao hatoky Azy Ireo?

  • Oviana ianao no efa niaina na nahita maso ny lanjan’ny fatokisana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Matoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Hazavao fa iray amin’ireo porofo lehibe indrindra amin’ny fitiavana sy ny fahendren’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fotopampianarana momba ny fianakaviana mandrakizay. Ny fatokisantsika Azy Ireo sy ny drafitry ny Ray dia afaka manampy antsika hitety ireo fomba fijery isan-karazany an’izao tontolo izao ny mikasika ny fianakaviana.

Omeo tahadikan’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org) ny mpianatra. Asao ireo mpianatra hisafidy andiam-pehezan-teny vitsivitsy mba hovakina sy hanamarihana andian-teny izay manoritsoritra ireo fitahiana sy fifaliana tian’ny Ray any An-danitra ho azy ireo sy ny fianakaviany. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nomarihin’izy ireo sy ny antony.

  • Amin’ny fomba ahoana ny fanirianao ho an’ny fianakavianao no mifanaraka amin’ny fanirian’ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakavianao?

  • Inona no lanjan’ny fatokiana ny fahendrena sy ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izay ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manoloana ny fahendrena sy ny fomba fijery ananan’izao tontolo izao?

Mijoroa ho vavolombelona na asao ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona momba ny fahendren’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy fanirian’Izy ireo ho an’ny fianakaviantsika ankehitriny sy amin’ny ho avy.

Afaka mamorona tontolo anjakan’ny fitiavana sy fanajana isika.

Mampisehoa sarin’ny fianakavianao. Mizarà zavatra vitsivitsy tianao momba ny fianakaviana sy ny fomba sasany mampiavaka ny toe-javatra iainan’ny fianakvianao.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Inona no manamarika anao amin’ny zavatra nampianarin’ny Loholona Andersen? (Azonao ampiana ireo mpianatra hahita izao fahamarinana manaraka izao: Satria tsy mitovy ny fianakaviana rehetra dia mila miresaka ny lamin’ny Tompo ho an’ny fianakaviana amim-pieritreretana sy amin’ny fomba feno fahatakarana ny hafa isika.)

Azonao asaina ireo mpianatra mba hizara ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fitiavana sy ny fahatakarana ny hafa ary ny fangorahana ho an’ny hafa izay niaina olana manokana na olam-pianakaviana. (Afaka mahita ohatra ianao ao amin’ny fizarana hoe “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ho an’ny tahirin-kevitra fanomanana ny fianarana.)

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra handray an-tsoratra ny fahatsapana ananan’izy ireo momba izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona ny zavatra azoko atao mba hanampiana ny hafa hahatsapa hoe tiana sy hajaina rehefa miresaka lohahevitra momba ny fianakaviana sy lohahevitra saro-pady hafa? (Raha nandalina ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireo mpianatra, dia mety efa noraketin’izy ireo ny sasany amin’ireo hevitra momba ireo fanontaniana ireo. Afaka manome fotoana azy ireo ianao mba hamerenana hijery ny zavatra nosoratan’izy ireo.)

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny sasany amin’ireo hevitra noraketin’izy ireo.

Azonay hazavaina amin’ny teninao manokana fa mandritra ity taranja ity ireo mpianatra dia hifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana maro izay mila ny fanampian’ny Fanahy Masina vao takatra. Noho ny maha-samy hafa ny toe-java-misy iainan’ny tena manokana sy eo amin’ny fianakaviana, dia hila ny fanambarana ho an’ny tena manokana ireo mpianatra mba hahatakarana ny fomba hampiharana ireo fampianarana. Koa satria ny sasany amin’ireo fahatsapana matanjaka indrindra ananantsika dia mifandray amin’ny fianakaviana, ny fahafahantsika hifampianatra sy hianatra avy amin’ny Fanahy dia mitaky ny hananantsika tontolo anjakan’ny fitiavana sy omban’ny fahatakaraka ny hafa ary fanajana tahaka ny an’i Kristy. Asao ireo mpianatra hanao ny anjaran’izy ireo mba hitondra ny anjara birikiny amin’izany tontolo izany.

Azonao atao ny mamarana ny kilasy amin’ny fanehoana amin’ireo mpianatra ny fomba hidirana amin’ny tahirin-kevitra ho fanomanana. Angataho izy ireo mba handinika ny fomba ahafahan’ny fandalinany manokana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mialoha ny kilasy manampy ny iray kilasy mba hianatra lalina kokoa ny fotopampianarana momba ny fianakaviana. Asao izy ireo mba hiomana amim-pahatokiana ho amin’ny kilasy tsirairay.

Ho an’ny lesona manaraka

Amporisiho ireo mpianatra mandritra ny fandalinana ho an’ny kilasy manaraka mba hitady ny antony mahatonga ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo tsy azo hozongozonina amin’ny ny finoan’izy ireo ny fotopampianarana momba ny fianakaviana izay resahina ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana, na dia manohitra io fotopampianarana io aza ny fehin-kevitra malaza.

Hamoaka printy