Institiota
Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manabe zanaka ao anatin’ny fahamarinana


“Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manabe zanaka ao anatin’ny fahamarinana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
fianakaviana iray miaraka mandalina ny filazantsara

Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manabe zanaka ao anatin’ny fahamarinana

Mety ho mavesatra ny manabe zanaka mba ho mafy orina ara-panahy amin’ity izao tontolo izao ankehitriny ity. Na izany aza dia miantefa amintsika amin’izao androntsika izao ny fampanantenana iray nomen’ny Mpamonjy ny Nefita hoe: “Ary hampianarin’ny Tompo avokoa ny zanakao; ary ho lehibe ny fiadanan’ny zanakao” (3 Nefia 22:13). Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia diniho ny fomba ahafahanao manatanteraka ny “[andraikitrao] masina … ny hitaiza ireo [zanakao] … amim-pahamarinana” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Fizarana 1

Inona no andrasan’ny Tompo amiko amin’ny maha ray na reny ahy?

Tany am-piandohan’ity fotoampitantanana ity i Jesoa Kristy dia nampianatra ny ray aman-dreny momba ny andraikitr’izy ireo hitaiza ny zanany ao amin’ny fahamarinana. Hoy ny nambarany: “Efa nodidiako ianareo hitaiza ny zanakareo ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40). Avy eo ny Mpamonjy dia nananatra ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana mba handamina ny tranon’izy ireo sy mba “hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano” (andininy 50; jereo ny andininy 41–50).

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nilaza koa ny ilana ny finiavan’ireo ray aman-dreny miezaka mampianatra ny filazantsara ao an-tokantrano. Nohamafisin’izy ireo koa fa ny fianarana ny filazantsara dia tokony “hifantoka amin’ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana” (David A. Bednar, “Nomanina mba handray ny zavatra rehetra ilaina,” Liahona, mey 2019, 101; jereo ihany koa ny pejy 102–4).

Fony izy nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany, ny Filoha Tad R. Callister dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Tad R. Callister

Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia isika no tokony ho mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ny zanatsika sy ho ohatra ho azy ireo—tsy ny eveka na ny ao amin’ny Sekoly Alahady, na ny ao amin’ny Zatovovavy, na ny Zatovolahy, fa ireo ray aman-dreny. Amin’ny maha-tompon’andraikitra antsika voalohany amin’ny fampianarana azy ireo dia azontsika ampianarina azy ireo ny herin’ny Sorompanavotana sy ny tena fisiany marina—ny mikasika ny hoe iza marina izy ireo ary inona ilay hoavy araka an’Andriamanita miandry azy—ary rehefa manao izany isika dia manome fototra mafy mba hiorenan’izy ireo. Raha ny marina dia ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. (“Ny ray aman-dreny: mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ireo zanany,” Liahona, nôv. 2014, 32–33)

Sary
ray aman-dreny mampianatra ny zanany
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25, 28 ka hevero ny hanisy marika ireo fahamarinana izay maha-tompon’andraikitra ny ray aman-dreny ny hanampy ny zanany hahatakatra izany.

Rehefa avy nilaza ireo andininy ireo ny Rahavavy Cheryl A. Esplin, mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, dia nilaza hoe:

Sary
Rahavavy Cheryl A. Esplin.

Mihoatra noho ny fizarana fampahalalana fotsiny ny fampianarana ny zanatsika mba hahatakatra. Izany dia midika hoe manampy ny zanatsika hampiditra ilay fotopampianarana ao am-pony amin’ny fomba izay hahatonga izany ho lasa ampahan-javatra manorina ny maha-izy azy mihitsy ary hita taratra eny amin’ny toetrany sy ny fihetsiny mandritra ny fiainany manontolo. (“Mampianatra ny zanatsika mba hahatakatra,” Liahona, mey 2012, 10)

Fony nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany ny Filoha Joy D. Jones dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Joy D. Jones

Tsy afaka miandry izay hitrangan’ny fiovam-po eo amin’ny zanatsika fotsiny isika. Ny fiovam-po kisendrasendra dia tsy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy hitranga ho azy fotsiny izany fahatongavana tahaka ny Mpamonjintsika izany. Ny fitiavana sy ny fampianarana ary ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny nahim-po dia afaka manampy ny zanaka hanomboka hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina dieny mbola kely. Ny Fanahy Masina dia ilaina amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo zanatsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny fiovam-pon’izy ireo ao Aminy. Irintsika “hotsaroa[n’izy ireo] mandrakariva Izy, mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:79]. (“Fifanakalozan-kevitra manan-danja,” Liahona, mey 2021, 12–13)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany “hampiditra ilay fotopampianarana ao am-pony amin’ny fomba izay hahatonga izany ho lasa ampahan-javatra manorina ny maha-izy azy mihitsy”? Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany hahatsapa sy hianatra avy amin’ny Fanahy Masina?

Fizarana 2

Inona no fomba fanao afaka manampy ahy hitarika ireo zanako ho any amin’ny Mpamonjy?

I Nefia sy ny vahoakany dia nazoto nikatsaka ny hanampy ny zanak’izy ireo hianatra momba ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 25:26 ary eritrereto ny fomba ahafahan’ny ray aman-dreny amin’izao androntsika izao manaraka ny ohatr’ireo Nefita ireo.

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome torohevitra hitarihana ny ray aman-dreny amin’ny fanampiana ny zanany hianatra momba ny Mpamonjy sy hianatra avy Aminy.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Misy sarin’ny Mpamonjy ve ao an-tokantranontsika? Moa ve miresaka matetika amin’ireo zanatsika momba ireo fanoharana nataon’i Jesoa isika? “Ny tantaran’i Jesoa dia toy ny rivotra mifofofofo mamakivaky ny afom-pinoana ao am-pon’ny zanatsika” [Neil L. Andersen, “Tell Me the Stories of Jesus,” Liahona, mey 2010, 108]. Rehefa mametraka fanontaniana aminao ireo zanakao dia eritrereto amim-pandinihana tsara ny hampianatra ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy. Ohatra, raha manontany ny zanakao hoe: “Dada a! Nahoana isika no mivavaka?” Dia azonao valina hoe: “Tsara izany fanontaniana izany. Tadidinao ve i Jesoa rehefa nivavaka? Andeha hiresaka momba ny antony nivavahany sy ny fomba nivavahany isika.” (“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 89)

Miantefa amintsika koa ilay torohevitra nomen’i Mosesy ny Isiraelita manao hoe: “Ampianaro tsara ny zanakao [ny didy] ary resaho izany na mipetraka ao an-tranonao hianao na mandeha any an-dalàna, na mandry na mifoha” (Depteronomia 6:7).

Naneho ny fanahin’ny torohevitra nomen’i Mosesy ny Filoha Jones raha nampianatra hoe:

Sary
Filoha Joy D. Jones

Ny fanalahidy [iray] hanampiana ny ankizy hahatohitra ny fahotana dia ny manomboka mampiditra ao amin’izy ireo amim-pitiavana dieny mbola kely ireo fotopampianarana sy fitsipika fototry ny filazantsara, avy ao amin’ny soratra masina, ireo fanekem-pinoana, ny kiboky Ho zatovo mahery, ireo hiran’ny kilonga, sy ny fihirana ary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana, izay hitarika ny ankizy ho any amin’ny Mpamonjy.

Mitondra amin’ny fahafenoana sy tsy fiovaovan’ny ao anaty ary soatoavina ara-pitondrantena matanjaka, na raha lazaina amin’ny teny hafa hoe fahafenoana ara-panahy, ny famoronana fahazarana tsy tapaka hanao vavaka, fandalinana ny soratra masina, takarivan’ny mpianakavy, ary fitsaohana amin’ny Sabata. …

Ry anadahy sy rahavavy isany, tazony akaiky ireo madinikareo, akaiky tokoa ka ho hitany ny fitondrantenanareo ara-pivavahana isan’andro ary hijery anareo mihazona fampanantenana sy mitandrina fanekempihavanana izy ireo. “Mpaka tahaka be ny ankizy, koa omeo zavatra tsara halaina tahaka izy ireo” [olona tsy fantatra]. (“Taranaka mahatohitra fahotana,” Liahona, mey 2017, 88–89)

Sary
ray aman-dreny mandalina soratra masina miaraka amin’ny zanany
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Makà minitra vitsy hiraketana fihetsika na fahazarana tsara azonao atomboka na tohizina ny fampivoarana azy izao ka hampitombo ny fahafahanao hitaiza ny zanakao ao amin’ny fahamarinana. Fomba fanao ara-panahy inona no tianao haorina miaraka amin’ny fianakavianao amin’ny ho avy?

Fizarana 3

Inona no azoko atao raha toa ka miala amin’ny lalan’ny filazantsara ny olona iray ao amin’ny fianakaviana?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

Anisan’ny zavatra mamparary ny fon’ny ray aman-dreny ao Ziona ny zanaka iray izay miala eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Eritreretin’ny ray aman-dreny miaina izany lalina tsy an-kiato ao an-tsaina sy ao am-po ny fanontaniana toy ny hoe “Nahoana?” na “Inona no tsy nety nataoko” sy ny hoe “Ahoana izao no hanampiana io zanako io?” (“Faithful Parents and Wayward Children: Sustaining Hope While Overcoming Misunderstanding,” Ensign, Mar. 2014, 28)

Sary
I Lehia sy i Saria

Takatr’i Lehia sy i Saria ny hararin’ny fo rehefa miala eo amin’ny lalan’ny filzantsara ny zanaka.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 8:37–38 hitadiavana ny fomba niezahan’i Lehia nanampy an’i Lamana sy i Lemoela rehefa avy nahita ny fandavan’izy ireo ny Tompo tao anaty fahitana izy.

Jereo tsara ny fomba nitorian’i Lehia na nampianarany ny zanany tamim-pitiavana. Ny loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny zavatra azontsika atao raha toa ka misy olona ao amin’ny fianakaviana miala eo amin’ny lalan’ny filazantsara:

Sary
Loholona Ulisses Soares

Sarotra ny mahatakatra ireo antony rehetra izay nahatonga ny olona sasany hanjohy lalana hafa. Ny tsara indrindra azontsika atao ao anatin’ireny toe-javatra ireny dia ny mitia sy mamihina azy ireo fotsiny, mivavaka ho an’izay hahasoa azy ireo, ary mikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hahafantarana ny zavatra tokony hatao sy holazaina. Ifalio amin-kitsimpo miaraka amin’izy ireo ny fahombiazany; meteza ho namany ary tadiavo izay tsara ao aminy. Tsy tokony hilavo lefona amin’izy ireo na oviana na oviana isika fa tokony hanao kosa izay hampaharitra ny fifandraisantsika aminy. Aza atao mihitsy ny manosi-bohon-tanana na mitsaratsara azy ireo. Tiavo fotsiny izy ireo! Ilay fanoharana momba ilay zanaka adala dia mampianatra antsika fa rehefa tonga saina ny zanaka dia matetika izy ireo no maniry ny hody. Raha mitranga amin’ny olon-tianareo izany dia fenoy fangorahana ny fonareo, mihazakazaha eny aminy, fihino ny vozony, ary orohy izy, tahaka ny nataon’ny rain’ilay zanaka adala [jereo ny Lioka 15:20].

Farany ataovy hatrany izay hananana fiainana mendrika, aoka ianareo ho ohatra tsara ho azy ireo amin’ireo zavatra inoanareo, ary manakaikeza bebe kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Mahafantatra sy mahatakatra ireo alahelontsika sy fijaliantsika lalina Izy, ary Izy dia hitahy ireo ezaka ataonareo sy ny fanolorantenantsika ho an’ireo olon-tiantsika, raha tsy eto amin’ity fiainana ity dia any amin’ny fiainan-ko avy. (“Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 8)

Sary
ray sy zanakalahy mifamihina
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona koa ny ohatra hafa avy amin’ny soratra masina momba ana ray aman-dreny marin-toetra izay nanan-janaka niala teo amin’ny lalan’ny filazantsara? (Eritrereto ohatra i Lehia sy ireo zanany Lamana sy i Lemoela na i Almà sy i Almà zanany.) Inona no azonao ianarana avy amin’ireo zavatra nataon’ireo ray aman-dreny ireo izay afaka mitarika anao amin’ny fiatrehana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay mety mivily lalana?

Hamoaka printy