“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manabe zanaka ao anatin’ny fahamarinana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Manabe zanaka ao anatin’ny fahamarinana
“Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany … amim-pahamarinana” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra azon’izy ireo atao hanampiana ny zanak’izy ireo hianatra momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Hitrandraka ny fomba hanampiana ireo olona lalaintsika izay niala teo amin’ny lalan’ny filazantsara koa ny mpianatra.
Sosokevitra enti-mampianatra
Mandidy ny ray aman-dreny ny Tompo mba hitaiza ny zanany amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana.
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra mba handinika ireo fitaomana amin’izao andro izao izay mety hampahasarotra ny fitaizana zanaka mba ho mafy orina ara-panahy. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny.
Asao ireo mpianatra hamerina hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25, 28 sy 93:40 ary hanoratra fehezan-teny mamintina amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra andrasan’ny Ray any An-danitra amin’ireo ray aman-dreny. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Rehefa avy nizara ny famintinany ireo mpianatra dia asehoy izao fahamarinana avy amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana izao: Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amin’ny fahamarinana.
-
Nahoana no zava-dehibe ho an’ny ray aman-dreny ny ho “mpampianatra voalohany ny filazantsara [ho an’ireo zanany] sy ho ohatra” ho azy ireo? Jereo koa ny Tad R. Callister, “Ny ray aman-dreny: mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ireo zanany,” Liahona, nôv. 2014, 32). (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hamaky ireo fanambarana nataon’ny Filoha Tad R. Callister sy ny Filoha Joy D. Jones ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Amin’ny fomba ahoana no handrebireben’i Satana ny ray aman-dreny amin’io andraikitra masina io?
-
Inona no azon’ny fianakaviana atao mba hahomby amin’ny fanaovana tsy tapaka ny vavaky ny mpianakavy sy fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina ary ny takarivan’ny mpianakavy?
Iaraho vakina ilay teny nambaran’ny Rahavavy Cheryl A. Esplin ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.
-
Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany “hampiditra ilay fotopampianarana ao am-pony amin’ny fomba izay hahatonga izany ho lasa ampahan-javatra manorina ny maha-izy azy mihitsy”? (“Mampianatra ny zanatsika mba hahatakatra,” Liahona, mey 2012, 10). Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany hahatsapa sy hianatra avy amin’ny Fanahy Masina?
-
Tamin’ny fomba ahoana ny ray na reny na olona iray mitana izany toerana izany no nanampy anao, na tamin’ny alalan’ny teny na tamin’ny alalan’ny ohatra, hahafantatra sy hanaraka ny Mpamonjy? (Hevero ny hiara-hamaky ny 2 Nefia 25:26 sy ireo teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen sy ny Filoha Joy D. Jones ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
Asao ireo mpianatra mba hijery ny zavatra nosoratany ho valin’ny fanontaniana napetraka tamin’izy ireo ao amin’ny “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Mangataha mpianatra vitsivitsy izay mazoto hizara ny zavatra nosoratany mba hanao izany. Amporisiho ireo mpianatra mba hirakitra an-tsoratra izay eritreritra na fahatsapana fanampiny nananany hatreto izay mifandray amin’izany.
Tokony hitia sy hivavaka ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay miala eo amin’ny lalan’ny filazantsara isika.
Asao ireo mpianatra mba handinika hoe toy ny ahoana raha toa ka misafidy ny hiala ny lalan’ny filazantsara ny iray amin’ireo zanany. Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny mety ho fahatsapana nananan’i Lehia ny amin’ny fahasamihafana teo amin’ny famalian’ireo olona tao amin’ny fianakaviany ilay fanasana hihinana amin’ilay hazon’aina. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny.
-
Inona koa ny ohatra hafa avy amin’ny soratra masina momba ana ray aman-dreny marin-toetra izay nanan-janaka niala teo amin’ny lalan’ny filazantsara? Inona no azonao ianarana avy amin’ireo zavatra nataon’ireo ray aman-dreny ireo izay afaka mitarika anao amin’ny fiatrehana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay mety mivily lalana?
Iaraho vakina ilay teny nambaran’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Loholona Soares momba ny zavatra tokony hatao rehefa misy olona ao amin’ny fianakaviana miala eo amin’ny lalan’ny filazantsara? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Raha toa ka misy olona ao amin’ny fianakaviana miala eo amin’ny lalan’ny filazantsara dia tokony hanohy hitia sy hivavaka ho azy isika ary hikatsaka ny fanampian’ny Tompo.
-
Oviana ianao no nahita olona ao amin’ny fianakavianao nampihatra ny fampianaran’ny Loholona Soares? Inona no fiantraikan’ny zavatra nataon’izy ireo?
Hevero ny hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
Ny olona sasany dia mety tsy hahatsapa fanantenana loatra ny hahazo izany fifaliana mandrakizay izany. Mety misy ray aman-dreny, zanaka, rahalahy, ary anabavy izay nanao safidy toa tsy hahamendrika ny hahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay. …
Nisy mpaminanin’ Andriamanitra iray nanolotra torohevitra ho ahy indray andro ka izany dia nitondra fiadanana ho ahy. Nanahy aho hoe ny safidin’ny sasany dia mety tsy hahatonga ny fianakavianay ho mandrakizay. Nilaza izy hoe: “Tsy ny tena olana no mampanahy anao. Miaina mba ho mendrika ny fanjakana selestialy fotsiny ianao dia hahafinaritra kokoa mihoatra noho ny azonao eritreretina ny fandaminana ny fianakavianao.” (“The Hope of Eternal Family Love,” Ensign, Aug. 2016, 4, 5)
-
Amin’ny fomba ahoana no hanomezan’io fampianarana io fanantenana sy fankaherezana ho an’ireo izay manana olona lalaina niala teo amin’ny lalan’ny filazantsara?
Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa ny Tompo dia vonona hanampy antsika rehefa miezaka mitaiza ny zanatsika ao amin’ny fahamarinana isika.
Ho an’ny lesona manaraka
Hevero ny hampiseho ity teny nambaran’ny Loholona Andersen manaraka ity:
Maro tokoa ireo olona, tanora sy antitra izay mahatoky sy mifikitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na dia tsy tena mifanaraka tsara amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana aza ny zavatra iainan’izy ireo ankehitriny (“Ny masom-pinoana,” Liahona, mey 2019, 36)
Asao ireo mpianatra eo am-pandalinan’izy ireo ny tahirin-kevitra ho an’ny lesona manaraka mba hitady ireo fampianarana izay afaka mitahy ny fianakaviana na ny isam-batan’olona izay fantany izay tsy araka ny nantenainy ny fiainam-pianakaviany.