Institiota
Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana


“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

mpivady eo ivelan’ny Tempolin’i Manila Filipina

Lesona 10: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana

Nianatra isika tao amin’ny lesona 6, fa tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana. Nampianatra ihany koa ny Filoha Russell M. Nelson fa ny fanambadiana selestialy no “karazana fanambadiana ambony sy maharitra indrindra izay azon’Ilay Mpahary antsika natolotra ireo zanany,” izay mitondra “fahasambarana lehibe kokoa noho ny fifandraisana hafa rehetra” (“Celestial Marriage,” Ensign , Nov. 2008, 92, 93). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia saintsaino ny fihetseham-ponao manokana mikasika ny fanambadiana mandrakizay sy izay azonao atao mba hiainana izany amim-pahamendrehana.

Fizarana 1

Nahoana aho no tokony hiezaka hanana fanambadiana mandrakizay?

Rehefa mieritreritra ireo fanambadian’olona izay fantatrao ianao dia mety manontany tena hoe inona no tsy mampitovy ny fanambadiana any amin’ny tempoly amin’ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana.

Mino isika fa “ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ireo fifandraisan’ny mpianakavy mandrakizay dia azo notanterahina tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy … dia nahatonga ny fitsanganan’ny maty ho tena misy ho an’ny rehetra ary nanome fahafahana an’ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotany sy mandray ka mitandrina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana lehibe mba hahazo ny fiainana mandrakizay” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40). Tao anatin’ny andro farany ny Tompo dia namerina amin’ny laoniny ny fahefana sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavanana izay hahafahan’ny fanambadiana mandrakizay hiorina.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131: 1–4, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Joseph Smith mikasika ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay. (Fanamarihana: Ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny voninahitra selestialy dia ny fiainana mandrakizay na ny fisandratana.)

Araka ny nampiasana azy ao amin’ny andininy 2, ny teny hoe vaovao dia midika fa vao naverina tamin’ny laoniny ny fanekempihavanana amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Maharitra mandrakizay ihany koa ny fanekempihavanana satria mandrakizay ary efa nisy hatramin’ny “fiantombohan’ny fanorenana izao tontolo izao” izany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:5). Efa tao anatin’ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy i Saraha fony fahagola izany.

Mianatra isika ao amin’ny Bible Dictionary fa “voalohany indrindra dia nandray ny filazantsaran’ny batisa i Abrahama (fanekempihavanan’ny famonjena izany). Avy eo dia nomena azy ny fisoronana ambony ary niditra tao anatin’ny fanambadiana mandrakizay izy (dia ny fanekempihavanan’ny fisandratana), ka nahazo fahatokian-tena tamin’ny alalan’izany fa hanana fitomboana mandrakizay [taranaka tsy hita isa]” (Bible Dictionary, “Abraham, covenant of”).

Nampanantena an’i Abrahama ny Tompo hoe: “Hahamaro ny taranakao [Aho], ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina” (Genesisy 22:17). Tafiditra ao anatin’ny fanambadiana selestialy ny “fanomezam-pahasoavan’ny fananana zanaka ao amin’ny … voninahitra selestialy” (Joseph Smith, ao amin’ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume D-1, 1551 [josephsmithpapers.org]).

Mbola nampanantena an’i Abrahama koa ny Tompo fa ireo fitahiana ireo dia homena ireo taranany eto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:29–31; Abrahama 2:6–11). Ny ampahany amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama mifandray amin’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fitomboana mandrakizay dia havaozina amin’ny olona tsirairay izay miditra ao amin’ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:2). Raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia ampanantenaina ireo fitahiana mitovy amin’ny an’i Abrahama isika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana ny fanambadiana.

eEfitrano famehezana ao amin’ny Tempoly ao Roma, Italie

Rehefa fehezina any amin’ny Tempoly ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra izy ireo sy amin’izy samy izy. Izany dia ahitana ny fanekempihavanana ny hifampatoky sy hatoky an’ Andriamanitra lalandava, ny hiaina tahaka ny fomban’i Kristy, ny hanaja ny fanekempihavanana rehetra izay nataon’izy ireo ary ny ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany.

fanekempihavanan’ny fanambadiana naseho an-tsary tamina telozoro

Hevero hoe io sary io dia mifandray amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay. Mahakasika io fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana io, ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Loholona David A. Bednar

Ny Tompo Jesoa Kristy no teboka ifantohana ao anatin’ny fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana. Mariho anie ny fomba nametrahana ny Mpamonjy eo amin’ny tendron’ny telozoro, ary ny vehivavy eo amin’ny zorony iray etsy ambany ary ny lehilahy eo amin’ny zorony iray hafa etsy ambany. Izao dia saintsaino ny zavatra mitranga eo amin’ny fifandraisan’ilay lehilahy sy ilay vehivavy rehefa samy “manatona an’i Kristy” amim-pahazotoana izy ireo ary miezaka ny “hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32). Noho ny Mpanavotra sy amin’ny alalan’ny Mpanavotra dia mifanatona kokoa ilay lehilahy sy ilay vehivavy. (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, June 2006, 86)

mpivady tanora mifampitantana eo ivelan’ny tempoly
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Raha azo atao dia ifanakalozy hevitra amin’olona iray efa vita famehezana tamin’ny vadiny tany amin’ny tempoly toy ny ray aman-dreny, ray aman-drenibe, mpitarika ao amin’ny Fiangonana na namana ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha toa ka manambady ianao dia afaka manao io fifanakalozan-kevitra io miaraka amin’ny vadinao. Aoka ho vonona hizara ny zavatra izay nianaranao ianao rehefa mandeha mianatra.

  • Toy ny ahoana izany hoe voafehy tany amin’ny tempoly izany aminao?

  • Hatraiza izao no fitahiana noraisinareo mivady noho ny fidirana tamin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo ezaka nataonareo tsirairay hanatonana an’ Andriamanitra nanampy anareo mivady hifanakaiky kokoa?

Fizarana 2

Inona ireo safidy ilaiko atao ho an’ny fanambadiako mba ho lasa mandrakizay?

Nanambara ny Tompo fa raha tsy manambady amin’ny alalan’ny lalàny ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray (miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana) sy amin’ny alalan’ny fahefany, ny fanambadian’izy ireo dia “tsy manan-kery rehefa maty izy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15). Ny maha-voafehy any amin’ny tempoly fotsiny koa anefa dia tsy miantoka ny maha-mandrakizay ny fanambadiana.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20, ary hevero ny hanasiana marika izay zavatra takina ankoatra ny fanaovana ny famehezana any amin’ny tempoly mba hananana fanambadiana mandrakizay.

mpivady falifaly mifampitantana

Mety tsikaritrao ao amin’ny andininy 19 fa ny fanambadiana any amin’ny tempoly dia tsy maintsy “fehezin’ny … Fanahy Masin’ny fampanantenana” mba ho lasa mandrakizay. Mianatra isika avy amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina fa “ny Fanahy Masina dia ny Fanahy Masin’ny Fampanantena (Asan’ny Apostoly 2:33). Hamafisiny ho azo ekena amin’ Andriamanitra ireo asa marina sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekena nataon’ny olona. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia vavolombelona manambara amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy ary notandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany” (“Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Raha toa ny mpivady ka “mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19) dia hamafisin’ny Fanahy Masina amin’ Andriamanitra amin’ny maha-Fanahy Masin’ny Fampanantenana azy fa mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo ary lasa mandrakizay ny fanambadian’izy ireo. Ny mpivady dia samy tsy maintsy manaja amim-pahatokiana ireo fepetran’ny fanekempihavanan’ny famehezana azy ireo mba hahafahana “mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana.” Nampianatra mikasika ny maha-manan-danja ny fanajana ireo fanekempihavanana ireo ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ny Loholona Robert D. Hales

Araka ny nampianarina tao amin’ity soratra masina ity [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19], tsy tonga dia misy fotsiny amin’izao ny fifamatorana mandrakizay vokatr’ireo fanekempihavanan’ny famehezana ataontsika any amin’ny tempoly. Ny fitondrantenantsika eto amin’ity fiainana ity no hamaritra hoe ho lasa iza isika any amin’ireo mandrakizay rehetra izay ho avy. Mba hahazoana ny fitahiana avy amin’ny famehezana izay nomen’ny Raintsika any An-danitra antsika, dia mila mitandrina ny didy sy mitondra tena amin’ny fomba izay hahatonga ny fianakaviantsika haniry ny hiara-hiaina amintsika any amin’ny mandrakizay isika. (“The Eternal Family,” Ensign, Nov. 1996, 65)

Eo am-piezahantsika ho lasa ilay olona tsara indrindra azontsika hahatongavana sy eo am-piezahantsika hitandrina ireo fanekempihavanantsika dia afaka mibanjina ny ohatr’i Jesoa Kristy isika. Nampianatra ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Ronald A. Rasband

I Jesoa Kristy Mpamonjintsika no ohatra lehibe ho antsika raha resaka fanaovana sy fitandremana fampanantenana sy fanekempihavanana. Tonga teto an-tany Izy nampanantena hanao ny sitrapon’ny Ray. Nampianatra fitsipiky ny filazantsara tamin’ny fiteny sy fihetsika Izy. Nanonitra ny fahotantsika Izy mba hahafahantsika miaina indray. Nanaja ny tsirairay tamin’ireo fampanantenany Izy.

…Tsy fahazarana ny fitandremana ny fampanantenana; toetra iray maha-mpianatr’i Jesoa Kristy izany. …

Ny fanontaniako anio dia hoe: moa ve isika manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika sa izy ireny fanolorantena tsy atao amin’ny fo indraindray, zara raha atao ka dia mora tsy tanterahina? (“Manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika,” Liahona, nôv. 2019, 53, 54)

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahanao hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana sy fampanantenana masina izay nataonao tamin’ Andriamanitra? Inona ihany koa no azonao atao mba hitandremana ireo fanekempihavanan’ny famehezana na hiomanana amin’ny fitandremana izany?