Institiota
Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Misafidy namana mandrakizay


“Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Misafidy namana mandrakizay,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Sary
lehilahy iray sy vehivavy iray miresaka eny am-pandehandehanana

Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Misafidy namana mandrakizay

Nanoro hevitra toy izao ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Aoka ianareo —hazoto hirotsaka— [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27] amin’ireo hetsika ara-panahy sy ara-piarahamonina izay mifanaraka amin’ny tanjonareo hanambady any amin’ny tempoly” (“Misafidiana amim-pahendrena,” Liahona, nôv. 2014, 47). Eo am-pandalinanao ny tahirin-kevitra ho an’ity lesona ity dia hevero ny fomba hanampian’ny finoana ny Tompo anao rehefa mikatsaka sy misafidy ary mitia ny vadinao mandrakizay ianao.

Fanamarihana: Ny fampiarahana dia manana dikany samihafa ao anatin’ireo kolontsaina samihafa. Ho an’ny tanjon’ity lesona ity, ny fampiarahana dia entina ilazana lehilahy iray sy vehivavy iray manokana fotoana hiarahana, manaraka ireo fenitry ny filazantsara ary miaraka amin’ny eritreritra hampivoatra fifandraisana izay mitondra mankany amin’ny fanambadiana amin’ny farany.

Fizarana 1

Afaka manampy ahy hampivoatra fifandraisana izay mitondra mankany amin’ny fanambadiana amin’ny fomba ahoana ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

Ny fampiarahana dia mety sady hahafinaritra no hiteraka olana. Manome fahafahana hifankahafantarana izany sy hananana traikefa ary hianarana lesona manan-danja momba ny tenantsika sy ireo fifandraisana. Noho ny maha-manan-danja ny fanambadiana dia tsy tokony hahagaga raha mety miaina fanoherana isika rehefa mampiaraka amin’olona sy miomana amin’ny fanambadiana. Ianao ve na ny olona fantatrao efa niaina ireto zavatra manaraka ireto izay afaka manemotra na mampiato ny fivoarana mankamin’ny fanambadiana mandrakizay?

  • Fahatahorana ny ho voailika

  • Tebiteby eo anatrehan’ny fiarahamonina

  • Tsy fisian’ny fahafahana manao zavatra na olona azo iarahana

  • Havizanana ara-pihetsehampo vokatry ny fifandraisana tsy nahomby

  • Ahiahy ara-bola

  • Tsy fifantohana afa-tsy amin’ny fianarana na amin’ny asa

  • Tahotra ny hanolo-tena

  • Tsy fananana fahatokiana mikasika ny fanambadiana

Fony ny Filoha Julie B. Beck tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanamarika izy fa tanora maro no “tsy dia manisy lanja intsony ny fanorenana fianakaviana mandrakizay. Maro no tsy mandray ny fanorenana fianakaviana ho asa mifototra amin’ny finoana” (“Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, Mar. 2011, 14; nampiana fanamafisana).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Ohabolana 3:5–6; 2 Nefia 22:2, ary hevero ny fomba hanampian’ny finoana ny Tompo anao rehefa mikatsaka sy misafidy ny namanao mandrakizay.

Miraharaha fatratra momba ireo zavatra iainanao amin’ny fitadiavana sy fisafidianana namana mandrakizay ny Tompo. Hanampy anao Izy rehefa mampihatra finoana Azy ianao. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny fomba fiantefan’ny finoantsika ny Mpamonjy eo amin’ny fampiarahana sy ny fanambadiana:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Minoa fa ny finoanao dia misy ifandraisany amin’ny fiainam-pitiavana satria tena izay tokoa no izy. Toy ny mampananontanon-doza ihany ny fanasarahanao ny fampiarahana amin’ny maha-mpianatra. I Jesoa Kristy ihany, ilay Fahazavan’izao tontolo izao no hany jiro ahafahanao mahita amim-pahombiazana ilay lalan’ny fitiavana sy ny fifaliana. (“How Do I Love Thee?,” New Era, Oct. 2003, 8)

Sary
lehilahy iray sy vehivavy iray miresaka eo amin’ny seza lava iray

Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fandraisana andraikitra marina. Rehefa nampianatra andian’Olomasin’ny Andro Farany tany aloha tany ny Tompo izay naniry te hahafantatra ny sitrapony ho azy ireo dia nanantena antsika Izy hampiasa ny fahafahantsika misafidy amin’ny fanaovana asa amim-pinoana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28, ary eritrereto ny fomba azonao ampiharana ny torolalan’ny Tompo eo anatrehan’ireo ezaka ataonao amin’ny fitadiavana namana mandrakizay.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany avy eo dia niresaka momba ny fomba handrosoantsika amim-pinoana sy amim-paharetana:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Ahoana ny amin’ireo izay diso fanantenana ny amin’ny fitadiavana izay ho namany mandrakizay? Voalohany indrindra, aza milavo lefona. Mandehana manatrika fiaraha-mientana, mifaneraserà amin’ny olona ary ataovy izay rehetra azonao atao. Fantatro fa mety hanahirana ny fampiarahana. Ny fanilihana no anisan’ny zavatra iray maharary indrindra izay azontsika iainana.…

… Tadiavo ireo fomba tsotra indrindra ahafahana miaraka. … Ny tanjona dia ny hahafantarana olona iray manokana sy hianarana mampitombo fifandraisana manan-danja amin’ny lehilahy raha vehivavy ianao ary vehivavy raha lehilahy ianao. (“The Reflection in the Water” [Church Educational System fireside for young adults, Nov. 1, 2009], ChurchofJesusChrist.org)

Tsy ary ho tanteraka haingana araka izay mety hanantenantsika azy foana ireo fampanantenan’ Andriamanitra, tonga araka ny fotoany sy ny fombany izy ireny. … [Saingy] ireo fampanantenan’ny Tompo dia azo antoka lalandava na dia angamba tsy haingana loatra aza. (“Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 58)

Rehefa nanompo tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Loholona Marlin K. Jensen dia nampianatra momba ny ampahany manan-danja ao amin’ny fifandraisana izay tokony hovolavolain’ireo lehilahy sy vehivavy mandritra ny fampiarahana:

Sary
Loholona Marlin K. Jensen

Ny finamanana dia … ampahany manan-danja sy mahafinaritra ao anatin’ny sarizoro sy ny fanambadiana. Ny fifandraisana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay manomboka amin’ny finamanana ary avy eo mihamatotra mankamin’ny fifankatiavana ary amin’ny farany mankamin’ny fanambadiana dia mazàna ho lasa finamanana maharitra mandrakizay. (“Friendship: A Gospel Principle,” Ensign, May 1999, 64)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao atao na hotohizanao atao mba hampiharana kokoa ny finoanao ny Tompo eo amin’ireo ezaka ataonao hiarahana amin’olona sy hanambadiana? Raha manambady ianao dia ahoana no nampiharanao ny finoanao ny Tompo teo amin’ireo ezaka nataonao nitadiavana ny namanao mandrakizay?

Fizarana 2

Inona avy ireo toetra tokony hokatsahiko sy hovolavolaiko ho fiomanana amin’ny fanambadiana?

Efa nanao ny lisitr’ireo toetra izay antenainao mba hananan’izay ho andefimandrinao ve ianao? Rehefa mampiaraka ny lehilahy sy ny vehivavy dia zava-dehibe ny mitady fotoana maro hiarahana mba hahalalana ny toetran’ny tsirairay sy ny maha-izy azy ary ny soatoaviny. Nanoro hevitra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Rehefa mifankafantatra amin’olona dia fantaro ny zavatra rehetra azonareo fantarina momba ny andaniny sy ny ankilany. Fantaro ny fianakavian’ny tsirairay raha azo atao. Tsy mifanipaka ve ny tanjonareo? Mitovy ve ny fahatsapanareo mikasika ireo didy, ny Mpamonjy, ny fisoronana, ny tempoly, ny fitaizana zaza, ny antso ao amin’ny fiangonana ary ny fanompoana ny hafa? Efa nandinika ny fihetsiky ny tsirairay ve ianareo rehefa misy adin-tsaina, rehefa manoloana ny fahombiazana na ny tsy fahombiazana, rehefa mifehy tena mba tsy ho tezitra ary rehefa miatrika ny lafy ratsin’ny zava-misy? Moa ve ilay olona hifankafantaranao mampietry ny hafa sa mankahery azy ireny? Moa ve ny fomba fihetsiny sy ny fiteniny ary ny fitondrantenany amin’ilay hitiavanao hiaraha-miaina isan’andro? (“Miatrika ireo fanamby apetrak’izao tontolo izao ankehitriny,” Liahona, nôv. 2015, 45–46)

Manan-danja lavitra noho ireo toetra izay antenainao any amin’ny andefimandrinao ireo toetra izay ilainao ampitomboina manokana. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika izany, hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny tanora sasantsasany dia toa manana lisitr’ireo toetra tiany hananan’ilay namana sy mandrefy ny zavatra tadiavin’izy ireo: “Manana ny zavatra rehetra tadiaviko ve ianao?” Raha manantena ny hanana namana mandrakizay izay manana toetra ara-panahy sasantsasany ianao dia tokony hiezaka ny hanana ireo toetra ara-panahy ireo ao aminao manokana. Ary avy eo hahasarika ilay olona manana ireo toetra ireo ianao. (Ao amin’ny “Understanding Heavenly Father’s Plan,” ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40)

Raha nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ny Rahavavy Carole M. Stephens dia nampianatra nitovy tamin’izany koa:

Sary
Rahavavy Carole M. Stephens

Halalino ny fiainan’ny Mpamponjy ary miezaha hitovy kokoa Aminy. Raha afaka mampitombo ireo toetran’i Kristy ireo eo amin’ny fiainanao ianao ary mikatsaka ny hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy dia ho vonona tsara ny ho vady ianao. (Tafasiry niaraka tamin’ny Loholona Holland, Rahavavy Stephens, ary ny Loholona Hallstrom [worldwide young single adult broadcast, Mar. 8, 2016], facetoface.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
Mpivady maka sary manoloana ny rian-drano iray

Raha zava-dehibe amintsika ny mampitombo ireo toetran’i Kristy sy ny mitady izany eny amin’izay ho andefimandry amin’ny ho avy, dia mila mitandrina isika mba tsy hampivelatra ireo kisary tsy marina andrasantsika amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa. Nampianatra ny Loholona Hales hoe: “Tsy misy amintsika no manambady olona fanaperana; olona manana fahafahanahivoatra no vadintsika” (“Miatrika ireo fanamby apetrak’izao tontolo izao ankehitriny,” 46).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no heverinao fa toetran’i Kristy manan-danja indrindra izay tianao hanan’ny vadinao? Inona no ataonao hampitomboina ireo toetra ireo ao aminao?

Fizarana 3

Amin’ny fomba ahoana no ahafahako manapa-kevitra ny amin’izay olona ho vadiko?

Tokony ho fanapahan-kevitra feno fitandremana sy azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny fisafidianana izay ho vady. Nizara soso-kevitra ny Filoha Thomas S. Monson izay hitany tao anatin’ny takelaka iray tao an-tranon’ny dadatoany sy nenitoany manao hoe: “Safidio izay ho tianao; ary tiavo izay nosafidinao” (“Ny herin’ny Fisoronana,” Liahona, mey 2011, 68).

Mety hanampy ny mahafantatra fa isika dia tsy mitady ilay hany olon-tokana voatendry ho tiavina. Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Ny hoe —Silam-panahy— dia angano sy nofinofy ” (“Oneness in Marriage,” Ensign, Oct. 2002, 42). Nanazava ny Loholona Hales fa rehefa mandray fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainana isika anisan’izany ny fanambadiana dia, “manantena antsika mba hampiasa ny fahafahantsika misafidy sy handinika izany ao an-tsaintsika araka ny fitsipiky ny filazantsara ary hanolotra ny fanapahan-kevitra eo Aminy ao anatin’ny vavaka ny Ray any An-danitra” (“Ny Fanahy Masina,” Liahona, mey 2016, 105).

Tian’ny Tompo ny tsirairay hanao ny ezaka tsara indrindra vitan’izy ireo sy hieritreritra eo am-panapahana hevitra ny amin’izay ho vady ary hikatsaka fanamafisana fanambarana mikasika ilay fanapahan-kevitra. Ireo fitsipiky ny fandraisana fanambarana ireo sy ny maro hafa dia nampianarina an’i Oliver Cowdery tany amin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23 sy ny 9:7–9. Eo am-pamakianao izany dia tadiavo ireo fitsipiky ny fandraisana fanambarana izay mety hanampy olona iray raha hanapa-kevitra ny hanambady olona iray manokana izy. (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; 11:12–14.)

Sary
vehivavy iray mandohalika mivavaka
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Manorata fehezan-teny mamintina ny zavatra nianaranao avy amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo mikasika ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Tompo.

Hamoaka printy