Institiota
Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fiaraha-miasa mitovy lenta an’ny mpivady


“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fiaraha-miasa mitovy lenta an’ny mpivady,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
mpivady miaraka mahandro sakafo

Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fiaraha-miasa mitovy lenta an’ny mpivady

Ao anatin’ny fianakaviana ny lehilahy sy ny vehivavy dia nanakinan’ny Tompo “andraikitra samy hafa kanefa samy manan-danja [izay] mifameno” (M. Russell Ballard, “The Sacred Responsibilities of Parenthood,” Ensign, Mar. 2006, 29). Nampianatra ireo mpaminany fa “manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Horesahina lalindalina kokoa ireo andraikitra ireo mandritra ireo lesona roa manaraka.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako ho mpiara-miasa mitovy lenta amin’ny vadiko?

Afaka mianatra fahamarinana manan-danja isika momba ny fifandraisana tian’ny Tompo ho eo amin’ny mpivady avy amin’ny fomba nanoritsoritany ny fahariana an’i Eva araka ny voarakitra ao amin’ny bokin’i Mosesy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Mosesy 3:18, 21–23, ary eritrereto ny dikan’ny tandindona ampiasaina mba hanoritsoritana ny fahariana an’i Eva.

Sary
I Adama sy Eva, nataon’i Lowell Bruce Bennett

Ny fanoritsoritana ny fahariana an’i Eva avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama dia sariteny (jereo ny Spencer W. Kimball, “The Blessings and Responsibilities of Womanhood,” Ensign, Mar. 1976, 71). Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava tandindona iray maneho ny dikan’ilay taolan-tehezana:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny taolan-tehezana, izay hoe avy amin’ny ila, dia toa milaza fiaraha-miasa. Ilay taolan-tehezana dia sady tsy midika ho fanapahana no tsy midika ho fileferana ho ambany kokoa, fa midika kosa fifandraisana mira lentan’ny mpiara-miasa, mba hiara-hiasa sy hiara-hiaina. (“Lessons from Eve,” Ensign, Nov. 1987, 87)

Ny Filoha Linda K. Burton, filoha teo aloha an’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nampianatra izao manaraka izao momba ny dikan’ny hoe mpanampy sahaza:

Sary
Filoha Linda K. Burton

Ilay andian-teny hoe mpanampy sahaza dia midika hoe “mpanampy mety aminy, na mendrika azy, na mifanaraka aminy” [Genesisy 2:18]. Ohatra, mitovy endrika ny tanantsika roa kanefa tsy tena mitovy tanteraka. Raha ny marina dia samihafa tanteraka izy ireo, kanefa mifameno ary mifanentana tsara. Rehefa miara-miasa izy ireo dia matanjaka kokoa. (“(Hiara-hivoatra isika,” Liahona, mey 2015, 30)

Misy ireo zavatra inoana sy toetra ara-kolotsaina sy an’ny tena manokana izay afaka manakana antsika tsy ho mpiara-miasa mitovy lenta ao anatin’ny fanambadiana. Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanoritsoritra ny sasany amin’ireo toe-javatra ireo sy ny fomba handresena izany:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Ny lehilahy sasany dia manana ilay hevitra diso hoe maka aina ny lehilahy raha toa ka ny vehivavy kosa no manao ny ankamaroan’ny asa ao an-trano na koa hoe ny vehivavy sy ny zanaka dia mpiasan’ny lehilahy. Tsy mahafaly ny Tompo izany satria manakana ilay karazana fifandraisan’ny mpianakavy izay tsy maintsy hanjaka any amin’ny mandrakizay ary manakana ilay karazana fitomboana izay tokony hitranga eto an-tany raha te ho mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny mandrakizay isika. Halalino ny soratra masina dia ho hitanao fa i Adama sy i Eva, ireo ray aman-drenintsika voalohany, izay maodely ho antsika rehetra, dia niara-nivavaka sy niara-niasa (jereo ny Mosesy 5:1, 4, 10–12, 16, 27). Izany no tokony ho fomba fiainan’ny fianakaviantsika, dia ny mifanaja sy miara-miasa am-pitiavana. (“The Gospel Culture,” Ensign, Mar. 2012, 44)

Sary
mpivady miara-miasa ao an-dakozia
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fitahiana mety ho tonga eo amin’ny mpivady raha toa ka mifampitondra sy mifanohana toy ny mpiara-miasa mitovy lenta ny lahy sy ny vavy?

Fizarana 2

Inona no dikan’ny hoe mitarika ao amin’ny fianakaviana?

Nanendry andraikitra manokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny Tompo ao amin’ny fianakaviana izay mitovy ny hasarobidiny sy lanjany” (Quentin L. Cook, “Fitiavana lehibe ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra,” Liahona, mey 2019, 79). Ho resahina ao amin’ireo lesona manaraka ireo andraikitra ireo. Saingy ohatra iray amin’izany izao andraikitra masina manaraka izao izay nomen’ny Tompo ny lehilahy sy ny ray: “Araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Raha tsy eo ny lahy na ny ray dia ny vavy na ny reny no mitarika ao an-tokantrano (jereo ny Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 79).

Sary
ray sy reny mamaky soratra masina miaraka amin’ireo zanany

Diniho ny fomba hampitomboan’ireto fahamarinana manaraka ireto ny fahatakaranao ny fomba hitarihan’ny ray ny fianakaviany am-pitiavana sy am-pahamarinana:

Ny fiahiana ny fianakaviana dia andraikitra hanampy hitarika ireo olona ao amin’ny fianakaviana hiverina honina eo anatrehan’ Andriamanitra. Izany dia tanterahIna amin’ny fanompoana sy fampianarana amin-katsaram-panahy sy halemem-panahy ary amin’ny fitiavana madio, manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 20:26–28). Ny fiahiana ny fianakaviana dia ahitana ny fitarihana ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny fanaovana tsy tapaka vavaka sy fandalinana filazantsara ary ireo endrika fitsaohana hafa. Miasa ao anatin’ny firaisan-kina ireo ray aman-dreny rehefa manatanteraka ireo andraikitra ireo. (“Ray aman-dreny sy zanaka,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 2.1.3)

Ny Apôstôly Paoly dia nampianatra mikasika ny andraikitry ny lehilahy mba hitarika tsy am-pitiavan-tena rehefa nilaza izy hoe: “Ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana. … Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy” (Efesiana 5:23, 25). Rehefa avy niresaka ny Efesiana 5:23 ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanamafy ny maha ohatra tonga lafatra ny Mpamonjy amin’ny fomba fitarihana:

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Izany no ohatra tokony harahintsika amin’ny anjara asa ananantsika amin’ny fitarihana ny tokantrano. Tsy mahita ny Mpamonjy mitarika ny Fiangonana amin’ny fomba lozabe sy feno haratsiana isika. Tsy mahita ny Mpamonjy manamavo na manamaivana ny fitondrany ny Fiangonany isika. Tsy mahita ny Mpamonjy mampiasa hery famoretana mba hanatanterahana ireo tanjony isika. Na aiza na aiza isika dia tsy mahita ny Mpamonjy manao zavatra ankoatra izay mankahery, mampatanjaka, mampionona sy manandratra ny Fiangonana. Ry rahalahy, lazaiko aminareo amim-pahendrena tanteraka fa Izy no maodely tsy maintsy arahintsika rehefa mitarika ara-panahy ao amin’ny fianakaviantsika isika. (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 196)

Tao anatin’ny taratasy iray nentanim-panahy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fanehoana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy rehefa mitarika ny hafa. Mihatra amin’ny fitarihana ao amin’ny fianakaviana ihany koa ireo toetra ireo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–43 ary hevero ny hanisy marika ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitanao.

Sary
sary famantarana, raketo

Raketo ny eritreritrao

Misafidiana iray amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy hitanao na nomarihinao, dia raketo izay zavatra tonga ao an-tsainao momba ny iray na mihoatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana no manan-danja io toetra io rehefa mitarika fianakaviana? Ahoana no hanampian’io toetra io ahy ho mpiara-miasa mitovy lenta amin’ny vadiko? Oviana i Jesoa Kristy no naneho io toetra io tamin’ny andraikitra maha mpitarika Azy? Mivonòna hizara ny eritreritreo mandritra ny fotoam-pianarana.

Fizarana 3

Ahoana no fomba hifampilan’ny mpivady hevitra rehefa mitarika ny fianakaviany?

Mety tsy mazava ny dikan’ny hoe “mitarika ny fianakaviana.” Ohatra, misy olona sasany mandika vilana ny zavatra lazain’ny andinin-tsoratra masina toy ny Genesisy 3:16 (ny Tompo milaza amin’i Eva fa i Adama no “hanapaka” azy) hoe ny lehilahy dia mety ho mpanapaka na mpifehy, izay diso. Io toromarika avy amin’ny Tompo io kosa dia mahakasika ny andraikitry ny lehilahy mba hitarika amim-pitiavana sy amim-pahamarinana. Araka ny nampianarin’ny Filoha Gordon B. Hinckley momba ny dikan’io andian-teny io, izany dia ny “andraikitra fitantanana [ananan’ny lehilahy] mba hamelona, hiaro, hampahery ary hisoroka ny loza mety hitranga amin’ny vadiny” (“Daughters of God,” Ensign, Nov. 1991, 99; jereo ihany koa ny Spencer W. Kimball, “The Blessings and Responsibilities of Womanhood,” Ensign, Mar. 1976, 72).

Mahakasika ny fomba fanao tsy mety ataon’ny lehilahy manjakazaka sy mifehy ny vadiny dia nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

Moa ve amin’ny kolontsainao ny lehilahy dia mitana toerana manjakazaka sy mandidididy, ka mandray ireo fahapahan-kevitra manan-danja rehetra ho an’ny fianakaviana? Mila amboarina izany fomba izany mba hiasan’ny mpivady toy ny mpiara-miasa mitovy lenta, mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny firaisan-kina ho azy ireo sy ny fianakaviany. Tsy misy fianakaviana haharitra ao anatin’ny tahotra na fanerena. Mitarika fifandirana sy fikomiana izany. Ny fitiavana no fototry ny fianakaviana sambatra. (“Removing Barriers to Happiness,” Ensign, May 1998, 86)

Tokony hiara-midinika amim-panetrentena sy fanajana ary hatsaram-panahy ny mpivady rehefa mandray fanapahan-kevitra ho an’ny fianakaviany. Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Quentin L. Cook

Mandray ireo fanapahan-kevitra manan-danja indrindra ny mpivady ao amin’ny filankevitry ny fianakaviana amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo. Manapa-kevitra izy ireo mikasika ny fomba ampianarana sy ifehezana ny ankizy, ny fomba handaniana ny vola, ny toerana ipetrahana, ary ireo fanapahan-kevitra maro hafa momba ny fianakaviana. Atao miaraka ireo rehefa avy nangataka fitarihana avy amin’ny Tompo. (“Ny Tompo no fahazavako,” Liahona, mey 2015, 64)

Sary
mpivady miara-mandohalika mivavaka

Ataovy ao an-tsaina ireto fahamarinana manan-danja fanampiny mifandraika amin’ny fiaraha-midiniky ny mpivady sy hampivelatra ny fitoviana lenta ao amin’ny fanambadiana ireto:

  • Ny mpivady dia tokony hanana “zo mira lenta hilaza ny heviny sy hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra” (L. Whitney Clayton, “Ny fanambadiana: Mijere ary mianàra,” Liahona, mey 2013, 84).

  • Ny vehivavy dia ilaina mba “hiteny amin’ny maha -mpiara-miasa mitondra anjara biriky sy feno azy- [Spencer W. Kimball, “Privileges and Responsibilities of Sisters,” Ensign, Nov. 1978, 106] rehefa miray hina amin’ny [vadiny] amin’ny fitantanana ny [fianakaviany]” (Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 97).

  • Ny mpivady dia “manana hery mitovy … handraisana fanambarana ho an’ny fianakavian’izy ireo.” (Quentin L. Cook, “Fitiavana lehibe ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra,” Liahona, mey 2019, 79).

  • Afaka mihazona filankevitry ny mpianakavy ireo ray aman-dreny miaraka amin’ireo zanany mba hiara-hidinika momba ireo fanapahan-kevitra na fanamby izay mety mitranga amin’ny fianakaviana manontolo (jereo ny M. Russell Ballard, “Ireo filankevitry ny mpianakavy,” Liahona, mey 2016, 63–65).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Amin’ny fomba ahoana ny fiarahana midinika amim-pahamarinana no mitahy ny mpivady sy ireo zanany?

Hamoaka printy