“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manabe zanaka ao anatin’ny fitiavana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Manabe zanaka ao anatin’ny fitiavana
Tsy mora ny eo amin’ny toeran’ny ray na ny reny. Saingy tsy irery anefa isika. Fony ny Loholona Bradley D. Foster tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe: “Tian’ny Raintsika any An-danitra hahomby isika satria raha ny tena marina, rehefa dinihina tokoa dia zanany aloha izy ireo talohan’ny naha-zanatsika azy ireo” (“Tsy misy aloha loatra na tara loatra izany,” Liahona, nôv. 2015, 51). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny ny Ray any An-danitra ny amin’ny fomba hitaizanao ny zanakao amin’izao fotoana izao na izay ho zanakao.
Fizarana 1
Ahoana no hanabeazako ny zanako amim-pitiavana?
Nanambara ireo mpaminanin’ny andro farany hoe: “Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanolotra fomba iray ahafahan’ny ray aman-dreny manatanteraka io andraikitra io:
Eo amin’ny fifandraisana amin’ny ankohonana, ny fitiavana dia tena tononina mihitsy hoe f-o-t-o-a-n-a na fotoana. Ny fanokanana fotoana ho an’ny tsirairay no fanalahidin’ny filaminana ao an-tokantrano. (“Of Things That Matter Most,” Liahona, Nov. 2010, 22)
Afaka manokana fotoana manan-danja iarahana ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny fomba maro. Fony tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany ny Filoha Susan W. Tanner dia nampianatra hoe:
Ny fifandraisana feno fitiavana dia mitaky fotoana hiresahana, hilalaovana, hiomhezana, hiasana tsy tapaka ary mitohy. Mino aho fa ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia mila mandray anjara amin’ny zavatra mahazatra iainan’ny tsirairay isan’andro. (“Did I Tell You … ?,” Liahona, mey 2003, 75)
Na mety ho mora amin’ny ray aman-dreny aza ny manao asa iray, ny “fotoana hiasana” dia afaka manome fotoana lehibe azo araraotin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka hiarahana miresaka. Ny fiarahana miasa dia afaka manampy ny ray aman-dreny ihany koa hampianatra ny zanany ny lanjan’ny asa ary hisoroka ny fidonanaham-poana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:31).
Ny Filoha Uchtdorf dia nizara fomba hafa ahafahan’ny ray aman-dreny manokana fotoana hiarahana amin’ireo zanany:
Satria “tsy misy fahombiazana hafa afaka manonitra ny tsy fahombiazana” [J. E. McCulloch, Home: The Savior of Civilization (1924), 42] [eo anivon’ny fianakaviantsika] dia tsy maintsy mametraka ny fianakaviantsika ho laharam-pahamehana isika. Manorina fifandraisana lalina sy feno fitiavana eo anivon’ny fianakaviana isika amin’ny alalan’ny fiarahana manao zavatra tsotra toy ny fiarahanny fianakaviana misakafo sy ny takarivan’ny mpianakavy ary ny fiarahana miala voly fotsiny. (“Of Things That Matter Most,” 21–22)
Araka ny nomarihin’ny Filoha Uchtdorf, ny fanaovana fialamboly mahasoa dia afaka manampy amin’ny fahombiazan’ny fifandraisan’ny fianakaviana (jereo koa ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,””). Ireo zavatra iainana ireo dia afaka manampy amin’ny “famoronana fifandraisana manan-danja izay manome … ny ankizy fananana ny maha-izy azy izay mafonja kokoa noho izay mety ho hitany amin’ireo mpiray vondrona aminy na any an-tsekoly na any amin’ny toerana hafa” (M. Russell Ballard, “What Matters Most Is What Lasts Longest,” Liahona, Nov. 2005, 43).
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fitsipika izay afaka mitarika ny ray aman-dreny amin’ny fisafidianana fialamboly hatao miaraka amin’ireo zanany:
Rehefa misafidy ny fomba hiarahana isika amin’ny maha-fianakaviana iray, dia tokony hitandrina mba tsy handany ny fotoana ananana amin’ireo zavatra izay zara raha tsara ka hamela fotoana kely dia kely ho an’ny zavatra izay tsara kokoa na tsara indrindra. Nitondra ny fianakaviany tany amin’ireo karazana dia atao mandritra ny fialan-tsasatra rehefa fahavaratra ny namako iray, ka anisan’izany ny fitsidihana ireo toera-manan-tantara. Rehefa nifarana ny fahavaratra dia nanontany ilay zanany lahy mbola zatovo izy hoe iza tamin’ireny fialamboly mahafinaritra natao nandritra ny fahavaratra ireny no nankafiziny indrindra. Nianatra avy tamin’ilay valinteny ilay raim-pianakaviana, ary nianatra toy izany koa ireo izay noresahany momba izany. “Ny zavatra tiako indrindra nandritra ity fahavaratra ity,” hoy ilay zazalahy namaly, “dia ilay alina iray nitsorantsika sy ianao teo amin’ny bozaky ny tokotany sady nijery ny kintana no niresaka.” Mety ho tsara ho an’ny ankizy ireo fialamboly tena mahafinaritra iarahan’ny fianakaviana iray manontolo manao saingy tsy tsara kokoa foana noho ny fotoana iarahan’ny ray na reny be fitiavana manokana amin’ny iray amin’ny zanany izany. (“Good, Better, Best,” Liahona, Nov. 2007, 105)
Fizarana 2
Ahoana no ahafahako mifehy ny zanako amim-pitiavana?
Anisan’ny zavatra sarotra amin’ny maha-ray aman-dreny ny fifehezana ny zanaka. Afaka mianatra amin’ny Tompo isika amin’io sehatra io, izay nampiseho ny fomba fifehezana amim-pitiavana. Ohatra, rehefa nanemotra ny fanorenana ny tempolin’i Kirtland ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nofaiziny izy ireo. (Fanamarihana: Ny hoe faizina dia fehezina na ahitsy.)
Eritrereto ny fomba ahafahan’izao torohevitra avy amin’ny Filoha Tanner izao manampy ny ray aman-dreny hifehy ny zanany amin’ny fomban’ny Tompo.
Matetika ny hoe mifehy, izay midika hoe “mampianatra,” dia afangaro amin’ny hoe tsikera. Ny ankizy, toy ireo olona avy amin’ny sokajin-taona rehetra, dia mivoatra eo amin’ny fitondran-tena izay avy amin’ny fitiavana sy ny fankaherezana fa tsy avy amin’ny fikarohana ireo fahadisoana natao. (“Did I Tell You … ?,” 74)
Ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoro hevitra ny ray aman-dreny mba hitandrina amin’ny fomba hifehezan’izy ireo. (Fanamarihana: Na dia niresaka tamin’ireo ray aza izy dia miantefa amin’ny reny ihany koa ny toroheviny.)
Rehefa manitsy ny raim-pianakaviana iray dia tsy maintsy mitandrina tsara mba tsy hisy na zavatra mitovitovy amin’ny herisetra aza, izay tsy azo omena rariny na oviana na oviana. Rehefa mitondra fanitsiana ny ray anankiray dia tsy maintsy ny fitiavana no manosika azy hanao izany ary ny Fanahy Masina no mpitarika azy:
“Manitsy eo no ho eo amin’ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavana sesehena amin’ ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao;
“Mba hahafantarany fa ny fahatokianao dia mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:43–44].
Ny fanitsiana araka ny fomban’ Andriamanitra dia tsy dia any amin’ny fanasaziana loatra fa miompana amin’ny fanampiana ny olon-tiana iray eo amin’ny lalana mankany amin’ny fifehezan-tena izany. (“Ny ray,” Liahona, May 2016, 95)
Rehefa manampy zanaka hianatra avy amin’ny fihetsika tsy mety nataony ary hanitsy izany dia tokony hapetraky ny ray aman-dreny ny voka-dratsin’ny zavatra ataony. Mila mitandrina tsara ireo ray aman-dreny mba tsy hanohy ireo fomba famaizana izay mety ho ekena ao amin’ny kolontsaina nefa tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Tompo.
Nanome torohevitra fanampiny ny Filoha Russell M. Nelson:
Rehefa mila fanitsiana ny ankizy iray dia afaka manontany tena ianao hoe: “Inona no azoko lazaina na atao izay mety handresy lahatra azy hisafidy lalana tsara kokoa?” Rehefa manao fanitsiana izay ilaina dia ataovy mangina, mitokana sy amim-pitiavana izany, ary tsy eo imason’ny olona. Raha ilaina ny fibedesana, dia manehoa avy hatrany fitiavana be dia be mba tsy hijanonan’ny lolom-po. Mba haharesy lahatra dia mila tena avy amin’ny fo ny fitiavanao ary mila mifototra amin’ny fotopampianarana sy fitsipika marina ny fampianaranao. (“Salvation and Exaltation,” Liahona, May 2008, 9–10)
Fizarana 3
Ahoana no hampianarako ny zanako hitia sy hanompo ny hafa?
Nanamafy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao androntsika izao fa “manana andraikitra masina ny ray aman-dreny … hampianatra [ny zanany] hifankatia sy hifanompo” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,””). Fony tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany ny Filoha Bonnie L. Oscarson dia nanome izao torohevitra manaraka izao momba ny fitiavana sy ny fanompoana ny olona ao amin’ny fianakaviana izy:
Atombohy any an-tokantranonareo sy eo anivon’ny fianakavianareo ny asa fanampoana ataonareo. Ireo no fifandrasaina izay afaka ny ho mandrakizay. Na dia, tsy tonga lafatra aza ny toe-javatra iainan’ny fianakavianao, na angamba raha toa ka tena izany tokoa, dia afaka mahita fomba hanompoana sy hampitrakana sy hampatanjahana olona ianao. Atombohy any amin’izay misy anao izany dia tiavo araka ny maha-izy azy izy ireo ary miomana ho an’ilay fianakaviana izay tianao hananana amin’ny ho avy. (“Ireo filàna fanampiana eo anoloantsika,” Liahona, nôv. 2017, 27)
I Satana dia mikatsaka ny handrava ny fitiavana sy ny asa fanompoana azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana iainana ao an-tokantranony. Ny fomba iray hanaovany izany dia ny famporisihana hifanditra.