Institiota
Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Firesahana amim-panantenana sy amim-pangorahana momba ny fahasalamana ara-tsaina


“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Firesahana amim-panantenana sy amim-pangorahana momba ny fahasalamana ara-tsaina” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
vehivavy roa mifamihina

Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Firesahana amim-panantenana sy amim-pangorahana momba ny fahasalamana ara-tsaina

Ny fahasalamantsika ara-tsaina sy ara-pihetsehampo dia miantraika amin’ny eritreritsika, ny fitondrantenantsika, ny fahaizantsika miarina, ary maro hafa. Na dia miezaka mafy ny hihazona ny fahasalamantsika ho tsara aza isika, dia mety hisedra olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina toy ny fitebitebena sy ny harerahan-tsaina. Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanatsarana ny fahasalamanao ara-tsaina. Eritrereto ihany koa ny fomba ahafahanao ho tahaka ny Mpamonjy rehefa miresaka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ny hafa izay mety miaina ireo karazana olana ireo na mety manana eritreritra ny hamono tena.

Fizarana 1

Inona no azoko atao mba hitsinjovako bebe kokoa ny fahasalamako ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy?

Samy mandalo andro na vanim-potoana ahatsapana ho malahelo na mitebiteby na miahiahy avokoa isika rehetra. Zava-dehibe ny mitsinjo ny fihetseham-pontsika sy ny antony mahatonga antsika hanana izany fihetseham-po izany ary manao izay tsara indrindra azontsika atao mba hifehezana ireo fihetseham-po ireo amin’ny fomba mahasalama.

Raha nandeha nanerana ny tanin’i Isiraely ny Mpamonjy dia azo antoka fa nahatsapa ny vesatry ny asa fanompoana niandraiketany Izy. Nampianatra ireo Apôstôliny Izy ary nanana faharetana tamin’ny fahalemen’izy ireo. Maro ireo nibosesika nikatsaka Azy mba hijery ireo fahagagana nataony sy mba hositraniny. Tsy nitsahatra nitady hirika hanaratsiana Azy eo imasom-bahoaka ireo fahavalony. Nesoina Izy, nalaina baraka, nolavina, ary nisy namadika. Tena “lehilahin’ny alahelo, sy zatra fahoriana” tokoa Izy (Isaia 53:3).

Matetika i Jesoa no nandeha tamin’ireo toerana izay ahafahany ho irery ary mifandray amin’ Andriamanitra (jereo ny Matio 14:22–23; Marka 1:35; 6:31, 46; Lioka 5:16). Ny fanarahana ny ohatra nasehony dia afaka mampatanjaka ny fahasalamantsika ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy. (Fanamarihana: Amin’ny toe-javatra sasany izay isedrana olana lehibe amin’ny fahasalamana ara-tsaina na eritreritra ny hamono tena, dia tsara kokoa ny miaraka amin’ny olona hafa toy izay irery.)

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanontany ireo tanora hoe:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Manana fotoana manokana mangina ve ianao? …

… Satria mihamazava sy maresaka ary tototra izao tontolo misy antsika izao dia mihamanana fanamby goavana isika amin’ny fahatsapana ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika. Raha tsy misy fotoana mangina ny fiainanao, moa ve afaka manomboka mikatsaka izany ianao anio alina? (“Mitonia, ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” [fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 4 mey 2014], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
tanora iray misaintsaina
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mitadiava toerana mangina hisaintsainana ny fahasalamanao ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-panahy amin’ny alalan’ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Moa ve maka fotoana aho isan’andro hanamafisako ny fifandraisako amin’ Andriamanitra? Moa ve aho mavitrika mikatsaka fomba hampiroboroboana fifandraisana mahasoa amin’ny fianakaviako sy ireo namako? Moa ve aho manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, mihinana sakafo ara-pahasalamana, ary mahazo torimaso ampy? Moa ve aho manana asa tsara ary manokana fotoana hanaovana fialam-boly mahasoa?

  2. Manao ahoana ny fiahiako ny fahasalamako ara-pihetseham-po? Fantatro ve raha misy fahatsapana manokana ananako sy ny anton’izany? Manana fomba ara-pahasalamana hiadiana amin’ny fihetseham-po ratsy ve aho? Rehefa mitebiteby na miahiahy aho, moa ve aho manana fomba ara-pahasalamana hiato sy haka aina?

  3. Mety ho voatahy amin’ny fomba ahoana ny fiainako raha toa ka mandeha milamina ary misaintsaina ny fahasalamako ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-panahy?

Hevero ny hihaino ilay hira “Slow Down” (6:07), izay ataon’i Sissel sy ny Amboarampeo ary ny ôrikesitra an’i Tabernakely ao Temple Square.

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hahatakarana kokoa izany hoe manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina izany?

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia nanasitrana olona nanana fahoriana isan-karazany Izy (jereo ny Matio 4:23). Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “Azo antoka fa ireo fanasitranana ireo dia nahitana ireo narary ara-pihetseham-po, na ara-tsaina, na ara-panahy” (“He Heals the Heavy Laden,” Liahona, Nov. 2006, 6).

Sary
Tanana manasitrana, nataon’i Adam Abram

Araka ny nambara teo aloha, isika rehetra dia mandalo fotoana na andro ahatsapantsika ho tototra na malahelo na be fanahiana. Raha manana fahasahiranana amin’ireo na mitovy amin’ireo isika mandritra ny fotoana mitohy, na raha manomboka manelingelina ny fiainantsika andavanando ireo fahatsapana ireo dia zava-dehibe ny mitady fanampiana (jereo ny “How can I tell if I’m just having a hard time right now or if I’m struggling with a mental health challenge?,” ChurchofJesusChrist.org).

Na dia mety hiteraka fijaliana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy aza ny fitondrantena feno fahotana dia zava-dehibe ny tsy hanaovantsika ireo fanamby ireo ho vokatry ny fahotana na tsy fahampian’ny finoana. Misy zanaka sasany mahatoky indrindra an’ny Tompo miaina olana ara-pahasalamana, toy ny fanahiana mafy na ny fahaketrahana ara-pahasalamana. Na dia tsy mahay na inona na inona momba ny aretin-tsaina aza isika dia fantatsika fa sarotra izany. Ny aretin-tsaina dia mety avy amin’ny tsy fifandanjana ara-tsimika any anaty atidoha, na antony ara-pototarazo sy tontolo iainana, na trangan-javatra nandona mafy, na ratra any amin’ny atidoha, na fampiasana zava-mahadomelina. Amin’izao androntsika izao dia “olona iray amin’ny efatra no voan’ny aretin-tsaina na aretina ara-pihetseham-po ao anatin’ny fiainany” (Bonnie L. Oscarson, “5 Resources to Help Youth Facing Emotional and Mental Illness,” 21 nôv 2017, ChurchofJesusChrist.org).

Raha voan’ny aretin-tsaina ianao, ny fifadian-kanina sy ny fivavahana mba ho afaka, ny fikatsahana tsodranon’ny fisoronana, ary ny fandehanana any amin’ny tempoly dia matetika mitondra hery sy fahasitranana. Amin’ny fotoana hafa dia mety tsy hijanona ilay aretina. Raha izany no mitranga dia fantaro fa tsy very foana ny ezaka ataonao (jereo ny 2 Korintiana 12:7–10). Mizaha anao ny Tompo ary afaka manamasina io zavatra iainana io izy ho tombontsoa anao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7).

Eritrereto ny ahafahan’ireto fitsipika manaraka ireto manampy anao amin’ny ezaka ataonao hihazonana na hanatsarana ny fahasalamanao ara-tsaina:

  • Mifantoka foana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Indrindra rehefa sarotra ny mahatsapa ny fitaoman’ Izy Ireo dia safidio ny hanao asa amim-pinoana Azy Ireo. Eritrereto ireo fotoana nahatsapanao ny fitaoman’ Izy Ireo. Tsarovy fa afaka manampy foana ny Mpamonjy satria “nidina ambanin’ny zava-drehetra” Izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6). Takany tsara ny famoizam-po sy ny fahadiasoam-panantenana iainan’ireo izay marary saina. Nijoro ho vavolombelona ny mpaminany Almà fa i Jesoa Kristy dia mahafantatra “araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12).

  • Zarao amin’ireo olona lalainao ny zavatra iainanao. Ny fihazonana ny aretin-tsaina ho tsiambaratelo dia mety hampitombo ny fahatsapana ho irery ary manakana anao tsy hahazo ny fanampiana ilaina sy manavotra aina. Ny fanampiana ny hafa hahatakatra ny zavatra iainanao dia hampitombo ny fahafahan’izy ireo manampy anao.

  • Mikatsaha fanampiana amin’ireo matihanina ara-pahasalamana. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Raha toa mbola mahavalaka ny fandehan-javatra dia mitadiava ny torohevitry ny olona azo antoka izay nahazo fiofanana manokana voamarina momba izany, sy matihanina ary manaja ny soatoavina. Aoka ho marin-toetra amin’izy ireo ianao mikasika ny tantaranao sy ny olana mahazo anao. (“Tahaka ny vilany ariana,” Liahona, nôv. 2013, 41)

Raha toa ka manana havana na mahafantatra olona ianao izay marary saina, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ireo fitsipika ireo manampy anao hanohana azy ireo.

Raha misy olona mizara olana momba ny fahasalamana ara-tsaina aminao dia henoy am-pitiavana izy ary fadio ny fitsaratsarana. Araka ny nampianarin’i Rahavavy Reyna I. Aburto, avy ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Rahavavy Reyna I. Aburto

Ny fihainoana amim-pitiavana dia iray amin’ireo fanomezana izay azontsika atolotra, ary isika dia mety ho afaka hanampy amin’ny fitondrana na fanesorana ireo rahona mavesatra izay manempotra ireo olon-tiantsika sy namantsika [jereo ny Romana 2:19; 13:12] ka amin’ny alalan’ny fitiavana asehontsika dia afaka indray hahatsapa ny Fanahy Masina sy hahita ilay hazavana avy amin’i Jesoa Kristy izy ireo. (“Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 58)

Sary
olona mihazona tanan’olona iray hafa
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ny fomba entin’ny fikatsahana ny hahatakatra tsaratsara kokoa ireo olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina mampitombo ny faharetanao sy ny fangorahanao amin’ireo izay miaina izany. Hevero ny hijery ilay horonan-tsary “Tahaka ny vilany ariana” (11:36), izay manolotra tantara manokana momba ana olona izay niaina tao anatin’ny aretin-tsaina, ary koa ilay torohevitra avy amin’ny Loholona Holland.

Fizarana 3

Inona no azoko atao mba hanampiana amin’ny fisorohana ny famonoana tena na hanampy an’ireo izay namoy olona lalaina noho ny famonoana tena?

Ny aretin-tsaina mahery dia anisan’ny antony mahatonga ny famonoana tena. “Maro amin’ny olona mikasa ny hamono tena no tsy maniry ny ho faty; te hohamaivanina amin’ny fijaliana ara-batana, ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po, na ara-panahy izay lalovany fotsiny ihany izy ireny” (“Preventing Suicide and Responding after a Loss,” ChurchofJesusChrist.org).

Sary
tanora mipetraka miforitra

Raha toa ianao na ny olona iray izay fantatrao manana eritreritra ny hamono tena dia mikatsaha fanampiana avy hatrany. Mety ho tafiditra amin’izany ny fandehanana any amin’ny efitrano fandraisana vonjy taitra any amin’ny hôpitaly na miantso laharan-tariby ho an’ny vonjy taitra. (Tadiavo ireo rohy ho n’ny laharana fanampiana manerana izao tontolo izao ao amin’ny “In Crisis? Talk Now,” ChurchofJesusChrist.org.)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 18:8–9 ary eritrereto ny fomba ahafahan’io andinin-tsoratra masina io mitarika anao amin’ny fanampiana ireo izay sahirana amin’ny olan’ny fahasalamana ara-tsaina na eritreritra mamono tena. (Aorian’ny famakiana ilay andinin-tsoratra masina dia mety ho hitanao manampy ny mamaky ny lahatsoratra “How to Help Someone in Crisis” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

Rehefa misy olona manala ny ainy dia mety hahatsapa alahelo tsy azo tambitambazana isika. Nanamarika ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa mety ho elabe ny fahasitranana rehefa avy namoy olona namono tena. Avy eo izy dia nanome izao torohevitra manaraka izao:

Sary
Loholona Dale G. Renlund

Miezaha fotsiny mamita ny ampitso dia avy eo ny andro manaraka izay, dia ny andro manaraka izay. … Hanampy antsika amin’izany ny Tompo. … Eo foana Izy isan’andro. (“Grieving after a Suicide” [horonan-tsary], ChurchofJesusChrist.org)

I Jesoa Kristy dia manana fahatakarana sy fangorahana ary fitiavana tonga lafatra. Azontsika havela eo am-pelatanany ary tokony ho izany ny fitsarana rehetra. Nampianatra ny Filoha Ballard hoe:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Mazava ho azy fa tsy fantatsika ny zavatra manontolo manodidina ny famonoana tena tsirairay. Ny Tompo ihany no mahalala ny antsipirian-javatra rehetra, ary Izy no hitsara ny asantsika teto ambonin’ny tany.

Rehefa mitsara antsika [ny Tompo] dia tsapako fa hoeritreretiny avokoa ny zavatra rehetra: ny fototarazontsika sy ny toetrantsika ara-boajanahary, ny toetoetry ny saintsika, ny faharanitan-tsaintsika, ireo fampianarana noraisintsika, ireo fomba amam-panaon’ireo razambetsika, ny fahasalamantsika, sy ny sisa. (“Suicide: Some Things We Know, and Some We Do Not,” Ensign, Oct. 1987, 8)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Diniho ny azonao atao mba hisorohana ny famonoana tena. Mba hahazoana hevitra dia diniho ny torohevitra natolotry ny Rahavavy Carol F. McConkie, mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, ao amin’ny horonantsary “Preventing Suicide” (1:43).

Hamoaka printy