“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Famantarana ny herisetra sy ny fahasitranana aminy,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Famantarana ny herisetra sy ny fahasitranana aminy
Fahotana goavana ny herisetra. Ireo mpaminany sy apôstôly dia nampitandrina fa “ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany… dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrahan’ Andriamanitra indray andro any” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia tadiavo ny fomba ahafahana mahafantatra rehefa misy herisetra sy ny fomba ahafahan’ireo izay niharan’ny herisetra ho sitranin’ny Tompo.
Fizarana 1
Inona no atao hoe herisetra?
Mety hisy vokany isan-karazany ho antsika sy ho an’ny hafa ireo safidy ataontsika. Mampalahelo fa misy olona sasany mampiasa ny fahafahany misafidy ara-pitondran-tena hanaovana herisetra amin’ny hafa.
“Tsy dia misy loatra teny tokana hamaritana ny herisetra izay afaka ampiasaina amin’ny toe-javatra rehetra. Fa misy sokajiny arakaraka ny halehibeny kosa ny fihetsika feno herisetra. Io sokajy io dia manomboka amin’ny fampiasana teny manindrona indraindray ka hatramin’ny fanimbana lehibe” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.6.2.4, ChurchofJesusChrist.org). Ny herisetra dia mety hitranga amin’ny alalan’ny tsy firaharahiana na fampijaliana ny hafa amin’ny fomba ara-batana, ara-nofo, ara-pihetseham-po, na ara-bola.
Araka ny nomarihin’ny zavatra iray izay navoakan’ny Fiangonana hoe:
Mila antsika manao izay rehetra azontsika atao ny Tompo mba hisorohana ny herisetra sy hiarovana sy hanampiana ireo izay iharan’izany. Tsy misy olona natao hiaritra ny fihetsika misy herisetra. …
Ny niharan’ny herisetra dia tsy tokony hahazo tsiny velively noho ny fihetsika mandratra ataon’ny hafa, na iza na iza no manao herisetra aminy. Tsy meloka ny olona iharan’izany. (Gospel Topics, “Abuse,” topics.ChurchofJesusChrist.org)
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny andraikitsika amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika mba tsy hanao herisetra amin’ny olona, indrindra fa ny olona ao amin’ny fianakaviana.
Hatraiza no tokony hitandremantsika avo roa heny amin’ny maha-mpianatry ny Tompo Jesoa Kristy antsika. … Tsy misy antony tokony hampiharantsika herisetra na fanjakazakana tsy ara-drariny, na herisetra, na fanerena tsy araka ny moraly, na amin’ny endrika manao ahoana na manao ahoana, na ara-batana io, na noho ny toerana eo am-piangonana. …
Tranga maro loatra no ahitana lehilahy, vehivavy ary ankizy koa aza, izay mahatoky izao, kanefa meloka manao teny feno haratsiam-panahy, mandrava mihitsy aza, amin’ireo izay matetika voafehy tsara amin’izy ireo tamin’ny alalana ôrdônansy masina tao amin’ny tempolin’ny Tompo. Manana zo ny ho tiavina sy hahatsapa fiadanam-po ary hahita fiarovana ao an-tokantrano ny olona tsirairay. Miangavy aho, enga anie isika hiezaka hitsinjo io tontolo ao io. Ny fampanantenana amin’izany hoe mpampanjaka fiadanana dia hoe ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava ary fitahiana no hirotsaka aminao “tsy mitady fitaovam-pamoretana” mandrakizay mandrakizay [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:46]. (“Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2021, 37; jereo koa ny Efesiana 4:29–32)
Fizarana 2
Ahoana no ahafahako mahafantatra raha toa ka misy heritsetra mitranga?
“Misy famantarana iraisana izay tokony hojerena momba ny fomba fiantobohan’ny herisetra sy ny fitohizany” (Recognizing Patterns of Abuse (Famantarana ireo dingana mankany amin’ny herisetra),” abuse.ChurchofJesusChrist.org). Ny fahafantarana sy ny fahatakarana ireo famantarana ireo dia afaka mamela ny Tompo hiasa amin’ny alalanao mba hanampy amin’ny fanatsaharana ny herisetra na hisorohana ireo toe-javatra mety hitarika herisetra.
Aza atao ambanin-javatra mihitsy ny maha goavana ny herisetra mihatra aminao na olona hafa. “Raha toa ka niharan’ny herisetra ianao na ny olona iray izay fantatrao dia mikatsaha fanampiana avy hatrany avy amin’ireo manampahefana sivily, na ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, na ireo sampan-draharaha miaro ny ankizy, na ireo sampan-draharaha miaro ny olon-dehibe” (“In Crisis? Talk Now,” abuse.ChurchofJesusChrist.org).
Fizarana 3
Ahoana no ahafahako mahazo fahasitranana raha niharan’ny herisetra aho?
Miaritra ratra lalina ireo nianjadian’ny herisetra. Ny fanaintainana sy ny ratra nahazo azy ireo dia mety hitarika fanamby ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ara-panahy ary ara-batana.
Napitandrina ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Raha toa ka efa niharan’ny herisetra ianao, Satana dia hiezaka ny handresy lahatra anao fa tsy misy ny vahaolana. … Ny tetik’adiny dia ny hanao ny zavatra rehetra hampisarahany anao amin’ny Rainao sy ilay Zanany. Aza avela handresy lahatra anao i Satana hoe tsy azo ampiana ianao. (“To Heal the Shattering Consequences of Abuse,” Liahona, mey 2008, 41)
I Jesoa Kristy, ilay Mpitsabo Lehibe, dia afaka manome fanantenana sy fanasitranana faratampony ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Nampianatra hatrany ny Loholona Scott hoe:
Ny safidim-pitondran-tena dia singa manan-danja ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarana. Takany fa hampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba tsy tokony hampiasana azy ireo zanany ara-panahy, ka hiteraka olana goavana amin’ny hafa. Ny sasany moa dia nivadi-pitokisana, tahaka ny ray iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay manararaotra zaza tsy manan-tsiny. Koa satria marina tanteraka ny Raintsika any An-danitra, dia tsy maintsy misy fomba handresena ireo voka-dratsin’ny fampiasana ny fahafahana misafidy izay manimba toy izany na ho an’ny niharan-doza na ho an’ny nahavanon-doza. Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ilay Zanany Malala, dia i Jesoa Kristy, izany fahasitranana azo antoka izany, mba hanitsiana izay tsy rariny. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny heriny hanasitrana dia manome ny niharan-doza ny fomba handresena ireo voka-dratsin’ny asa tsy marina ataon’ny hafa.
Ny fanasitranana dia mety hiantomboka amin’ny eveka iray na filohan’ny tsatòka, na mpanoro hevitra matihanina iray izay mieritreritra momba ny fiadanan’ny hafa. Raha tapaka ny tongotrao dia tsy hanapa-kevitra ny hitsabo izany amin’ny fahaizanao manokana ianao. Mety hitondra soa ihany koa ny fanampian’ny matihanina ho an’ny herisetra goavana. Misy fomba maro ny fiantombohan’ny fahasitranana, saingy tsarovy fa ny fanasitranana feno dia avy amin’ny Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, ilay Mpampianatra sy Mpanavotra antsika. Manàna finoana fa rehefa miezaka dia afaka manasitrana ny fijalianao vokatry ny herisetra ny Sorompanavotany tonga lafatra sy mandrakizay ary tsy manam-petra. (“To Heal the Shattering Consequences of Abuse,” 40, 42)
Ny Mpaminany Isaia dia niresaka momba ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy ny heriny manasitrana.
Mba hahatakarana tsara kokoa ilay andian-teny hoe “namana ho solon’ny lavenona” (andininy 3), dia mety hanampy ny mahafantatra fa raha ny fomban-drazan’ireo Isiraelita dia mandraraka lavenona eo amin’ny lohany izy ireo mandritra ny fotoana malahelo na mahakivy. Ny Tompo dia nampanantena ny hanolo ireo lavenona ireo ho lasa namana, na satro-boninahitra na fehin-doha tsara tarehy. Ireo izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy dia afaka miaina io fanomezana masin’ny fahasitranana sy fitiavana io.
Nilaza ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:
Na inona na inona zavatra efa nozakaintsika dia [i Jesoa Kristy] no loharanon’ny fanasitranana Ireo izay niaina izay mety ho karazana fanararaotana, … dia azo sitranina avokoa amin’ny alalan’ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao. Na izany aza dia tsy hiditra Izy raha tsy asaina. Tokony hanatona Azy isika dia hamela Azy hanatanteraka ny fahagagana avy Aminy. (“Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 86)