Institiota
Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay


“Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

fianakaviana mandeha eo anoloan’ny tempoly

Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay

Eritrereto ny zavatra nianaranao sy niainanao tao anatin’ny fandalinanao ny fianakaviana mandrakizay nandritra ity taranja ity. Inona no fiantraikan’ireo fampianarana ireo teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ireo fanirianao ary ireo zavatra ataonao? Rehefa mandalina ity lesona farany ity ianao dia eritrereto ny zavatra mety ho tian’ny Tompo hataonao mba hahafahanao miaina amim-panantenana bebe kokoa eo am-piezahanao manorina sy manamafy orina ny fianakavianao mandrakizay.

Fizarana 1

Nahoana aho no afaka manana fanantenana ny amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa afaka manana fanantenana isika ny hanorina fianakaviana mandrakizay:

Filoha Henry B. Eyring

Isika rehetra dia manantena ny hiaina fifaliana ao anaty fianakaviana feno fitiavana. Ho an’ny sasany amintsika dia fahatsapana mbola tsy niainantsika izany—fahatsapana izay fantatsika fa tena misy kanefa tsy mbola tsapatsika. Mety efa hitantsika izany teo amin’ny fiainan’ny hafa. Ho an’ireo sasany amintsika dia toa tena misy sy sarobidy kokoa ny fifankatiavan’ny fianakaviana rehefa nosarahin’ny fahafatesana amin’ny zanatsika na ny renintsika na ny raintsika na ny rahalahintsika na ny anabavintsika na ny ray aman-drenibe izay tiantsika sy malalantsika isika. …

… Raha notahiana isika ka nahita ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny dia afaka misafidy ny hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izay hahatonga antsika ho mendriky ny fiainana mandrakizay. Raha maharitra amin’izany fahatokiana izany isika dia hanamafy ny fanantenana sy ny fahatokiantsika ny Fanahy Masina fa ao amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika ary hiaina miaraka amin’ny fianakaviana mandrakizay any amin’ny fanjakana selestialy. (“The Hope of Eternal Family Love,” Ensign, Aug. 2016, 4)

Ny finoantsika ny drafitry ny Raintsika any An-danitra sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany dia afaka manome fanantenana antsika fa afaka manorina fianakaviana mandrakizay isika. Te hanampy antsika ny Tompo, ary amin’ny alalan’ny heriny dia afaka mandresy ireo fanamby isika. Ao amin’ny Testamenta Vaovao isika dia mamaky ny fomba nahalasa bevohoka an’i Elizabeta na dia efa nihoatra ny taona ahafahana mitondra vohoka aza, sy i Maria, virijiny iray, izay lasa renin’ny Zanak’ Andriamanitra. Samy niatrika toe-javatra samy hafa ireo vehivavy tsirairay ireo, saingy samy nahatakatra izy ireo fa “tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37).

sary famantarana, raketo

Raketo ny eritreritrao

Mitadiava ohatra avy ao amin’ny soratra masina na zavatra niainan’ny fianakavianao momba ny fomba hanampian’ny Tompo ireo izay matoky Azy sy mikatsaka ny fanampiany. Manokana minitra vitsy hiraketana ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anaty kahie na application fandraisana naoty:

  • Fahamarinana inona momba ny Tompo no ampianarin’ilay olona ao amin’io tantara io anao fa tokony hotsaroanao?

  • Inona no mety ho torohevitra omen’ilay olona anao mba hataonao amin’ny fiezahanao manorina fianakaviana mandrakizay?

Fizarana 2

Ahoana no hananako fanantenana ny amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay raha toa ka tsy avy amin’ny fianakaviana matanjaka amin’ny fanarahana ny Mpamonjy aho?

Tsy niaina na nahita ny fomban’ny fianakaviana marina teo amin’ny fianakaviany ny sasany amin’ireo tanora. Ny sasany dia nahita ny fanambadian’ny ray aman-dreniny nifarana tamin’ny fisaraham-panambadiana. Ireo izay niaina izany na toe-javatra sarotra hafa dia mety hanontany tena raha toa ka tena afaka manorina fianakaviana mandrakizay tokoa izy ireo.

vehivavy mitazana eo am-baravarankely

Ny Loholona Yoon Hwan Choi ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra momba ny fiovana mety hoentin’ny safidintsika eo amin’ny fianakaviantsika mandrakizay:

Loholona Yoon Hwan Choi

Isan’ny ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay iray isika rehetra. Ny anjara asantsika dia afaka ny ho kihon-dalana izay ahafahan’ny fiovana lehibe hitranga amin’ny fomba tsara na ratsy. …

… Ao ireo taranaka niaina talohantsika sy aoriantsika izay miankina amintsika mba hanarahany an’i Kristy, mba hahafahantsika ho lasa fianakavian’ Andriamanitra mandrakizay. (“Aza mijery ny manodidina anao, fa miandrandrà!Liahona, mey 2017, 91, 92)

Ny mpaminany Abrahama dia ohatra mahery vaika amin’ny fomba ahafahantsika misafidy ny ho “kihon-dalana” tsara ho an’ny fianakaviantsika. Ny sasany tamin’ny fianakavian’i Abrahama, tafiditra amin’izany ny rainy, dia nisitaka tamin’ny didin’ny Tompo. Nisafidy ny hanompo andriamanitra diso izy ireo. (Jereo ny Abrahama 1:5–6.)

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Abrahama 1:2, ary tadiavo ny zavatra nirin’i Abrahama sy nosafidiny na dia teo aza izany toe-javatra izany.

Rehefa nanandrana ny hanao soroana an’i Abrahama ho an’ny andriamanitra disony ireo mpisorona ratsy fanahy dia navotan’ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga i Abrahama. Taty aoriana dia notarihiny ho amin’ny tany iray hafa i Abrahama sy ny havany. Raha tany izy ireo dia nampanantena fitahiana lehibe an’i Abrahama ny Tompo, anisan’izany ireo fitahian’ny fianakaviana mandrakizay. (Jereo ny Abrahama 1:7–18; 2:3–4, 8–11.)

Tahaka an’i Abrahama, afaka mikatsaka ireo fitahian’ny fianakaviana mandrakizay isika ary mandray ny fanampian’ny Tompo amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra nisy ny fianakaviana teo aloha.

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ny Loholona D. Todd Christofferson

Milaza izahay, ho an’ireo zanaka izay manana olana eo amin’ny toe-javatra ara-pianakaviana misy azy, fa tsy latsa-danja noho izany ianareo. Indraindray ny olana dia famantarana iray fa matoky anareo Andriamanitra. Afaka manampy anareo Izy, na mivantana na amin’ny alalan’ny hafa, mba hiatrehanareo izay olana mitranga aminareo. Afaka ny ho lasa taranaka iray ianareo, ary angamba ilay taranaka voalohany indrindra ao amin’ny fianakavianareo, izay hahitana marina ny fahasambarana sy ireo fomba notendren’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviana ary hitahy ireo taranaka rehetra hafa aorianareo. (“Ny ray,” Liahona, mey 2016, 96)

fianakaviana miara-mivavaka

Nizara ny zavatra niainany manokana tamin’ny fisafidianana ny hanorina fianakaviana mandrakizay ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlekin’ny Apôstôly Roambinifolo: Vakio ny teny etsy ambany na henoy izany, manomboka eo amin’ny mari-potoana 25:47 ka mifarana amin’ny 28:15.

Loholona David A. Bednar

Miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka mamorona fianakaviana mandrakizay ianao, na dia tsy avy ao amin’ilay karazana tokantrano Olomasin’ny Andro Farany izay miseho indraindray ao amin’ny fonon’ny [gazetibokin’ny Fiangonana] ireny aza ianao. Tsarovy foana ny hoe: manomboka aminao izany!

Ilay hoe tsy niaina fomban’ny fianakaviana marina tao amin’ny tokantranon’ny fahazazako mihitsy no nampisy faniriana mafy tato anatiko hiasa amim-pahazotoana miaraka amin’i Susan mba hahazoana antoka fa misy fomba toy izany foana ao amin’ny tokantrano niarahanay natsangana. Rehefa nifampila hevitra izahay roa sy nangataka fanampiana tao amin’ny vavaka nataonay, dia nentanim-panahy izahay ary voatahy nanampy ireo zanakay hianatra ireo fitsipiky ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny. Tsy ray aman-dreny tonga lafatra tokoa izahay saingy nahazo ny fanomezana ara-panahy nilainay ary nahita hery lehibe [“Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141].

Tsy ao anatin’ny fandriky ny zavatra niainantsika tamin’ny lasa izaho sy ianao. Tsy lavon’ireo toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana na gadran’ny tontolo manodidina antsika tanteraka isika. Ny Fanahy Masina dia hampianatra antsika ny zavatra rehetra izay tokony hataontsika, anisan’izany ny rafi-pahamarinan’ny fianakaviana izay tsy nandraisantsika anjara teo aloha. Manomboka aminao izany! Ary miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia vitanareo izany.

Ny sasany aminareo efa torotoro fo noho ny havana na mpitarika manan-kaja izay tsy nanaja ny fanekempihavana masin’ny fanambadiana. Mety manontany tena ianareo hoe: “Raha toa ka nofehezina tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreniko na mpivady hafa izay fantatro ary tsy nahomby ny fanambadian’izy ireo, inona no fanantenana mety hananako fa haharitra mandrakizay ny fanambadiako?”

Ho anao izay niaina ratram-po noho ny fisaraham-panambadiana tao amin’ny fianakavianao na nahatsapa ny fangirifirian’ny faharavam-patokisana, dia tsarovy fa manomboka aminao indray izany! Mety nisy masombỳ iray simba tao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakao, saingy ireo masombỳ marina hafa sy ny sisa tavela amin’ilay rojo kosa anefa dia manan-danja mandrakizay. Afaka manampy hery ao amin’ny rojo misy anao ianao ary mety hanampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ilay masombỳ simba mihitsy aza. Hotanterahina tsirairay izany asa izany. (“Masombỳ matanjaka” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 10 sept. 2017], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ireo zanakao amin’ny hoavy (na amin’izao). Fomban’ny fianakaviana marina toy ny ahoana no mety ho tian’izy ireo hatombokao na tohizanao? Misy fomba ratsy tian’izy ireo hajanonao ve? Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy anao eo am-panaovanao izany?

Fizarana 3

Inona no nianaranao sy niainanao tamin’ny fandalinanao ny fianakaviana mandrakizay?

Ety am-pamaranana ity taranja ity dia eritrereto ny zavatra nianaranao momba ny maha zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny dafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny famonjena sy ao amin’ny fiainanao manokana.

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny maha zava-dehibe ny fianakaviana hoe:

Filoha M. Russell Ballard

Ry rahalahy sy ranabavy, ny anton-javatra tena manan-danja indrindra eo amin’ ny fiainantsika manontolo dia ny fianakaviantsika. Raha toa isika ka manolo-tena hanatanteraka izany tanjona izany dia hivoatra ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika ary ho lasa ohatra sy hazavana mpitarika ho an’ny olona rehetra eto an-tany isika amin’ny maha-olona sy amin’ny maha-fiangonana antsika. (“Mba ho hita indray izay very,” Liahona, mey 2012, 98)

ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Avereno jerena ny lohatenin’ireo lesona tato amin’ity taranja ity. Eo am-panaovanao izany dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fiantraikan’ity taranja ity teo amin’ny fahatakaranao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

  • Inona no anisan’ireo zavatra noraisinao manan-danja indrindra tamin’ity taranja ity?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nandritra ity taranja ity? Nihamafy tamin’ny fomba ahoana ny fifandraisanao amin’ Izy Ireo?