Institiota
Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny toetrantsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra


“Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny toetrantsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Vehivavy miandrandra mijery hazo

Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny toetrantsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra

Ny sasany amin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra ananantsika dia mifandray amin’ny fiaviantsika sy ny hoavintsika, hoe iza marina isika ary afaka ny ho tahaka ny ahoana isika. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia diniho ny fomba itondranao ny tenanao sy fomba itondranao ny hafa. Ahoana no mety hiovan’izany raha toa ka mahatsiaro mandrakariva ny toetranao sy ny anjaranao araka an’ Andriamanitra ianao?

Fizarana 1

Iza moa aho?

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Raha tsy mahatakatra ny toetoetr’ Andriamanitra ny olona, dia tsy mahatakatra ny toetoetrany izy”(Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 40). Ny soratra masina dia manome fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny hoe iza Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Asan’ny Apôstôly 17:29, Hebreo 12:9, ary 1 Jaona 3:2, ka tadiavo hoe iza Andriamanitra sy ny zavatra azontsika ianarana momba ny fifandraisantsika Aminy.

Ny Filoha DieterF. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra izao mahakasika ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Noharian’ilay Andriamanitra Tsitoha isika. Raintsika any An-danitra Izy. Fanahy zanany ara-bakinteny isika. Vita tamin’ny akora sarobidy indrindra sy voafantina indrindra avy any an-danitra isika, ka araka izany dia mitondra akora maha-andriamanitra ao anatintsika.

Eto an-tany anefa dia lasa voataonan’ny zavatra maloto sy tsy masina ny eritreritsika sy ny asantsika. Mandoto ny fanahintsika ny fahalotoan’izao tontolo izao ka mahatonga ny fahafantarana sy ny fahatsiarovana ny tena toetrantsika sy ny tanjotsika ho sarotra.

Saingy tsy afaka manova ny tena maha-isika antsika izany rehetra izany. Mijanona eo ihany ny fahamasinana fototry ny toetrantsika. (“Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody,” Liahona, mey 2016, 104)

0:30

Nanambara ireo mpaminany sy apôstôly fa “ny olombelona rehetra— ny lahy sy ny vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Diniho ny fomba hampitomboan’ireto fahamarinana manaraka ireto ny fahatakaranao ny ray aman-dreninao any an-danitra:

Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia tandindon’ilay Ray sy Renin’izao rehetra izao ary zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ara-bakiteny. …

Ny olona fony izy fanahy, dia nateraky ny ray aman-dreny tany an-danitra ary notaizana mandra-pahalehibeny tany amin’ilay fonenana mandrakizain’ny Ray talohan’ny nahatongavany teto an-tany tao anatin’ny vatana [nofo sy taolana] mety maty. (“Gospel Classics: The Origin of Man,” Ensign, Feb. 2002, 29, 30)

Nanambara ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Hadinontsika fa manana Ray any An-danitra sy Reny any An-danitra isika izay misahirana mafy, ary mety mihoatra noho ny ray aman-drenintsika eto an-tany aza. Hadinontsika fa miezaka tsy tapaka manampy antsika ny hery avy any an-koatra mba hanampiana antsika rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika” [Harold B. Lee, “The Influence and Responsibility of Women,” Relief Society Magazine, Feb. 1964, 85]. (Gospel Topics, “Mother in Heaven,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Nampianatra ihany koa ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Voalohany ary mialoha ny zavatra rehetra dia fanahy zanak’ Andriamanitra ianao, ary ho izany hatrany” (“Children of Heavenly Father” [Brigham Young University devotional, Mar. 3, 2020], 2, speeches.byu.edu). Nampianatra ny Filoha Uchtdorf fa ilay fahamarinana fa hoe fanahy zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny isika dia “tokony hanova ny fomba fiheverantsika ny tenantsika, sy ireo rahalahy sy anabavintsika, ary ny fiainana mihitsy.” (“Fomba efatra iantsoana antsika,” Liahona, mey 2013, 58).

sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Valio ao anaty kahie na application fandraisana naoty ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakarana ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra amin’ny fomba fandraisantsika ny tenantsika sy ny hafa? Oviana ianao no efa niaina zavatra izay nahafahanao nijery ny olona mihoatra ny fitondran-tena na ny fihetsika manafintohina asehony ka nijery ny toetra araka an’ Andriamanitra ao aminy?

  • Milazà ohatra vitsivitsy avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho ny fahatakarany ny toetra araka an’ Andriamanitra ao amin’ny hafa. Ahoana no ahafahanao maka tahaka Azy bebe kokoa amin’ny fomba itondranao ny hafa?

Mivonòna hizara ny sasany amin’ireo eritreritrao ao an-dakilasy.

Fizarana 2

Inona no fiovana entin’ny fahafantarako fa zanak’ Andriamanitra aho?

Hevero ny hampisseho ity teny manaraka ity izay nolazain-dRahavavy Michelle D. Craig, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany:

Rahavavy Michelle D. Craig

Rehefa takatrao kokoa ny tena maha-izy anao sy ny tanjonao ary ny fanahinao lalina dia hisy fiantraikany kokoa amin’ny zava-drehetra eo amin’ny fiainanao izany. (“Maso hahita,” Liahona, nôv. 2020, 16)

Ny zavatra iray niainan’i Mosesy taorian’ny niresahany mivantana tamin’ Andriamanitra sy nianarany ny toetrany araka an’ Andriamanitra dia maneho ny hery afaka entin’io fahalalana io eo amintsika.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Mosesy 1:3–6, 12–16 ka tadiavo ny fomba nahazoan’i Mosesy hery rehefa nanaiky ny toetrany araka an’ Andriamanitra izy?

Resin’i Mosesy i Satana, nataon’i Joseph Brickey

Resin’i Mosesy ny fakam-panahy nataon’i Satana

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto tsara ny fomba nanampian’ny fahatakarana ny maha-avy amina ray aman-dreny any an-danitra anao sy ny toetranao araka an’ Andriamanitra nanampy anao hanohitra ireo lainga sy fankam-panahy ataon’ny fahavalo.

Fizarana 3

Inona no anjarako araka an’ Andriamanitra?

Zaza miana-mamindra voalohany

Eritrereto ny zavatra nianaranao sy ny fitomboanao tao anatin’ny 10 taona lasa. Amin’ny maha-zanakalahy na zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra anao, dia manana fahafahana mahagaga ny hitombo ianao. Eny tokoa, manana anjara araka an’ Andriamanitra ianao. Jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo,” ChurchofJesusChrist.org.)

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Romana 8:16–17 ary tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Paoly apôstôly momba ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra.

Ny mpiray lova dia olona izay mandray lova mitovy amin’ny mpandova hafa. Amin’ny maha-Zanaka Lahimatoa tonga lafatra an’ny Ray an’i Jesoa Kristy, dia zon’i Jesoa Kristy ny mandova izay rehetra an’ny Ray. Ireo izay mankatò sy mandray ireo fitahiana feno entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy koa dia handova izay rehetra ananan’ny Ray [jereo ny Romana 8:14–18; Galatiana 3:26–29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21-22). Midika izany fa isika rehetra dia afaka ny ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra.

Ny Foloha Russell M. Nelson dia nanampy nanazava ny dikan’ny hoe anjarantsika araka an’ Andriamanitra:

Filoha Russell M. Nelson

Isika dia tokony hiomana amin’ny anjarantsika araka an’Andriamanitra, dia voninahitra sy tsy fahafatesana ary fiainana mandrakizay. Afaka ny ho antsika daholo ireo fitahiana avy any an-danitra ireo, amin’ny alalan’ny fahatokiantsika. (“The Creation,” Ensign, May 2000, 86)

Any amin’ny lesona any aoriana ianao dia hianatra bebe kokoa momba ny hanatanterahan’i Jesoa Kristy izany amintsika mba hanatratrarantsika ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay antsika. Araka ny nampianarin’ny Filoha Uchtdorf hoe mandeha tsikelikely izany:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Samy efa nahita zaza miana-mandeha isika rehetra. Mandroso kely izy aloha dia mivembena. Ary mianjera. Moa ve itezerantsika izany andrana izany? Mazava ho azy fa tsia. Ray toy ny ahoana no hanasazy zaza iray noho ny fianjerany? Amporisihana izy, sy itehafana ary deraina, satria isaky ny mandingana kely indray mandeha ilay zaza dia miha mitovy amin’ireo ray aman-dreniny.

… Raha ampitahaina amin’ny fahatanterahan’Andriamanitra isika dia tsy mihoatra lavitra noho ny zazakely miambakavaka sy tsy mahatoky tena. Saingy tian’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana isika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa, ary izany … no tokony ho tanjontsika mandrakizay koa. Takatr’ Andriamanitra tsara raha hoe tsy ao anatin’ny indray mipi-maso isika no tonga amin’izany fa amin’ny alalan’ny dingana iray isaky ny mandeha. (“Anarana efatra iantsoana antsika,” Liahona, mey 2013, 58)

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fiovana entin’ny zavatra nambaran’ny Filoha Uchtdorf amin’ny fomba fijerinao ny dingana miambakavaka ataonao, izay dingana toy ny an’ny zazakely? Ahoana no hanasanao ny Tompo mba hanampy anao hanohy handroso hatrany?