Institiota
Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fiainantsika an-tany sy ny fanomezana ny vatana nofo sy taolana


“Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fiainantsika an-tany sy ny fanomezana ny vatana nofo sy taolana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Vehivavy mamakivaky saha iray

Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fiainantsika an-tany sy ny fanomezana ny vatana nofo sy taolana

Efa mba talanjona tamin’ny fahagagana amin’ny fanananao vatana nofo sy taolana sy ny zavatra rehetra vitany ve ianao? Eo ankilan’izany, efa nisy fotoana ve efa nahatsapanao fahasorenana noho ireo fanamby iainanao noho ny vatanao? Eo am-pandalinanao dia diniho ny fomba mampifandray ny vatantsika nofo sy taolana amin’ny tanjon’ny fiainantsika an-tany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana.

Fizarana 1

Zava-dehibe amin’ny fivoarako mandrakizay amin’ny fomba ahoana ny vatana nofo sy taolana ananako?

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ny vatana nofo sy taolana ananantsika (jereo ny Genesisy 1:26–27). Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny tanjon’ny fiainana an-tany sy ny fivoarana aorian’ny fiainana an-tany izay afaka miseho aorian’izany dia ny mba hahatonga ireo zanak’ Andriamanitra ho lasa tahaka Azy” (“Ilay drafitra lehibe,” Liahona, mey 2020, 94).

Noho izany dia inona no tokony hiainantsika eto amin’ny fiainana an-tany mba ho lasa tahaka an’ Andriamanitra? Singa roa manan-danja no voalaza ao amin’ity teny nambara manaraka ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ity: “Tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana [isika dia] … nanaiky ny [drafitr’ Andriamanitra] izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org)

Zazakely mitsiky
2:48

Tao anatin’ny fanambarana iray momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Abrahama dia nanehoana ny filankevitra tany an-danitra (jereo ny Abrahama 3:22–28). Tamin’izany fotoana izany izy dia nianatra fahamarinana iray manan-danja momba ny fiainantsika eto an-tany.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Abraham 3:24–26, dia tadiavo ny zavatra nianaran’i Abrahama momba ny iray amin’ireo tanjona nahatongavantsika teto an-tany sy nandray vatana nofo sy taolana. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny “toetrantsika voalohany” dia milaza ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, ary ny “toetrantsika faharoa” dia milaza ny fotoana manelanelana ny fahaterahantsika sy ny fitsarana farany.)

Ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny amin’ny fananana vatana nofo sy taolana ho isan’ny fisedrana na fitsapana antsika eto amin’ny fiainana an-tany:

Ny Loholona D. Todd Christofferson

Raha mandritra ny zavatra iainantsika eto an-tany kosa isika no nisafidy ny “hanao ny zava-drehetra tokony handidian’ny Tompo Andriamanintsika antsika” [Abrahama 3:25] dia ho nahatana ny “toetrantsika faharoa isika” [Abrahama 3:26]. Midika izany fa hasehontsika amin’ny alalan’ny safidintsika amin’ Andriamanitra (sy amin’ny tenantsika) ilay fanolorantenantsika sy ny fahaizantsika miaina ny lalàna selestialiny rehefa tsy eo anatrehany sy ao anatin’ny vatana iray miaraka amin’ny heriny sy ny filany ary ny faniriany isika. Afaka nifehy ny nofo ve isika mba hahatongavan’izany ho fitaovana fa tsy ho tompon’ny fanahy? Azo nankinina tamintsika ve nandritra izao fiainana izao sy mandrakizay ireo hery masina, ka tafiditra ao anatin’izany ny hery ahafahana mamorona aina? Nandresy manokana ny ratsy ve isika? Ireo izay nahavita izany dia “hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay” [Abrahama 3:26—ny endrika iray tena mampiavaka an’io voninahitra io dia ilay vatana nitsangana tamin’ny maty sy tsy mety maty ary feno voninahitra. Tsy mahagaga raha toa isika ka “nihoby” teo anatrehan’ireo tombontsoa sy fampanantenana mahafinaritra ireo [Job 38:7]. (“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 51)

Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny hahazo vatana tsy mety maty sy tonga lafatra tahaka ny an’ny Raintsika any An-danitra isika indray andro any (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22). Ity irery ihany no karazana vatana izay ahafahantsika “mandray ny fahafenoan’ny fifaliana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34; 138:17). Nampianatra ihany koa ny Mpaminany Joseph Smith fa mila ny fananana vatana nofo sy taolana ny tena fahasambarana:

Ny Mpaminany Joseph Smith

Tonga teto an-tany isika mba hanana vatana sy hanolotra izany amin’ny endriny madio eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny fitsipika lehiben’ny fahasambarana dia mifototra amin’ny fananana vatana. Tsy manana vatana ny devoly ary izay no fanasaziana azy. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 211)

Araka ny voamarika tany am-boalohany ao amin’ny filazana zaraina avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia zava-dehibe ihany koa ny fahazoana traikefa amin’ny fiainana an-tany amin’ny fivoarana mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fahatongavana ho lasa tahaka an’ Andriamanitra. Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny amin’ny hampitomboan’ny vatantsika nofo sy taolana ananantsika ny zavatra iainantsika eto an-tany.

Loholona David A. Bednar

Ny vatantsika dia manome fahafahana hahazo traikefa lalina sy mahery vaika, izay tsy afaka ny ho azo mihitsy nandritra ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Noho izany, ny fifandraisantsika amin’ny olona hafa, ny hery ananantsika ny hanaiky sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary ny fahafahantsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mihamafy amin’ny alalan’ny vatantsika. Mandritra ny [fiainana ety an-tany] isika dia miaina halemem-panahy, fitiavana, hatsaram-panahy, fahasambarana, alahelo, fahadisoam-panantenana, fanaintainana, eny fa na dia ireo zava-tsarotra avy amin’ny sakana ara-batana aza, izay manomana antsika amin’ny mandrakizay. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia misy ireo lesona tsy maintsy ianarantsika sy ireo traikefa tsy maintsy ananantsika araka izay faritan’ny soratra masina manao hoe “araka ny maha-nofo” (1 Nefia 19:6; Almà 7:12–13). (“Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena,” Liahona, mey 2013, 41)

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no hanazavanao ny maha-zava-dehibe ny vatantsika ao amin’ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana?

Fizarana 2

Nahoana no sarotra ny fahaizana mifehy ny sasany amin’ireo faniriako sy filako ara-nofo?

Vehivavy iray mivavaka

Nametrahan’ny Raintsika any An-danitra filana vitsivitsy ao amin’ny vatantsika mba hampitohizana ny fiainana sy hanatanterahana ny drafiny. Anisan’ny fitsapana antsika amin’ny fiainana an-tany ny “mamaritra raha toa ka afaka ny ho lasa voafehin’ny fanahy izay mitoetra ao anatiny ireo filan’ny vata[ntsika]” (Russell M. Nelson, “Your Body: A Magnificent Gift to Cherish,” New Era, Aug. 2019, 5).

Voataonan’ny maha-olona araka ny nofo isika rehetra. Ity no ampahany amin’ny maha-olona mety maty antsika izay mamela ny filantsika sy ny faniriantsika ara-nofo ho tsy voafehy sy mba handresena ny faniriantsika sy ny manome vahana ireo ezaka ataontsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Olona araka ny nofo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 41:11 sy ny 1 Korintiana 2:14, ary mariho ireo teny na andian-teny izay manoritsoritra ny fahalavoana ho amin’ny olona araka ny nofo.

Ny Loholona Bednar dia nanampy fanazavana momba ny olona araka ny nofo raha nampianatra hoe:

Loholona David A. Bednar

Amin’ny ampahany, ny olona araka ny nofo … dia velona tokoa ao anatin’ny tsirairay avy amintsika (jereo ny Môzià 3:19). Ny lehilahy na vehivavy araka ny nofo dia tsy mibebaka, olon’ny nofo sy manaram-batana (jereo ny Môzià 16:5; Almà 42:10; Mosesy 5:13), mamela ny zavatra handeha ho azy sy mpanao zavatra diso tafahoatra, ary mpieboebo sy tia tena. …

Koa satria zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra isika dia nandova hery masina ao anaty avy Aminy. Saingy mitoetra ao anatin’ny tontolo lavo isika amin’izao fotoana izao. Ireo singa fototra namoronana ny vatantsika dia lavo amin’ny toetrany voajanahary ary iharan’ny fanintonan’ny ota, ny faharatsiana, ary ny fahafatesana hatrany. Vokatr’izany, ny Fahalavoan’i Adama sy ny vokatr’izany ara-panahy sy ara-batana dia misy fiantraikany mivantana amin’ny ankapobeny amin’ny alalan’ny vatantsika. (“Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena,” 42–43)

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Misafidiana toetra iray an’ny olona araka nofo izay voafaritra ao amin’ny Almà 41:11 na 1 Korintiana 2:14 na ny teny nambaran’ny Loholona Bednar. Inona no fiantraikan’izany toetra izany amin’ny fisakaizana na fifandraisana amin’ny fianakaviana?

Fizarana 3

Ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy ahy handresy ny toetra maha-olona araka ny nofo?

Mamela sy manasitrana lehilahy voan’ny paralisisa i Jesoa

Nandritra ny toriteny nataony ho an’ny vahoakany i Benjamina Mpanjaka dia nizara ny zavatra nampianarin’ny anjely iray azy mikasika ny fanompoan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana nataony (jereo ny Môzià 3:5–19).

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 3:19, ary tadiavo ny fomba handresentsika ny toetra maha-olona araka ny nofo antsika. (Mariho fa eto amin’ity sahan-kevitra ity ny hoe manaiky dia midika hoe manaraka izay itaoman’ny Fanahy Masina, ary ny hoe olomasina dia milaza olona nohamasinina na lasa masina, olona manolo-tena ho an’ Andriamanitra.)

Vakio izao teny nambaran’ny Loholona Bednar sy ny Eveka Gérald Caussé ao amin’ny Eposkôpà Mpiahy izao ary diniho ny fomba azon’i Jesoa Kristy hanampiana anao handresy ny toetra maha-olona araka ny nofo ka ho lasa tahaka Azy kokoa:

Loholona David A. Bednar

Ny filana, ny faniriana, ny fironana, ary ny fihetseham-po tsy hay tohaina rehetra an’ny olona araka ny nofo dia azo toherina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Eto an-tany isika mba hampitombo toetra tahaka ny an’ Andriamanitra sy hifehy ny filan’ny nofo rehetra. (“Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena,” 43)

Eveka Gérald Caussé

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, dia tsy manadio ny fahotantsika fotsiny i Jesoa Kristy fa manome antsika ihany koa hery ahafahan’ ny mpianany “manaisotra ny maha-olona araka ny nofo,” [Môzià 3:19], mivoatra “andalana anampy andalana,” [2 Nefia 28:30] ary mampitombo fahamasinana mba hahafahan’izy ireo indray andro any ho lasa olona tanteraka araka ny endrik’i Kristy [jereo ny Môrônia 10:32–33], mendrika ny hiaina indray miaraka amin’ Andriamanitra ary handova ireo fitahiana rehetran’ny fanjakan’ny lanitra. (“Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona,” Liahona, mey 2020, 40)

sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Mieritrereta fifandraisana iray amin’ny fianakaviana izay tianao hatsaraina. Toetra inona an’ny olona araka ny nofo no manembatsembana izany fifandraisana izany? Ahoana no ahazoanao ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary hanaiky ny Fanahy Masina mba hamela ireny toetra ireny izao ka ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa?