Institiota
Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay


“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
Mpivady sambatra miaraka amin’ny zanak’izy ireo

Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay

Tongasoa eto amin’ny fampianarana ny Fianakaviana mandrakizay! Ireo fahamarinana izay hianaranao mandritra ity fampianarana ity, rehefa ampiarahana amin’ny fanoavana asa mifanaraka amin’izay fitaomam-panahy tsapanao, dia afaka ny hanampy anao sy ny fianakavianao hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy handray ireo fitahiana rehetra iriny ho anao. Ho afaka manampy kokoa ny hafa ihany koa ianao hanao torak’izany.

Rehefa mandalina ireto tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 1 manaraka ireto ianao dia eritrereto ireo fitahiana sy fifaliana tian’ny Ray any An-danitra hiainan’ny zanany rehetra sy ny ifandraisan’izany amin’ny fianakaviana.

Fanamarihana: Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia hanome fahalalana fototra manan-danja hoentina miatrika ny fotoam-pianarana. Ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona tsirairay mialoha ny fotoam-pianarana dia hanampy anao hiaina zavatra manan-danja kokoa eo amin’ny fianarana rehefa mamonjy fotoam-pianarana ianao.

Fizarana 1

Inona no fahasamihafana entin’ny fatokiana ny fitiavana sy ny fahendrena tonga lafatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako manokana sy ny an’ny fianakaviako?

Maro ireo fanehoan-kevitra sy fampahalalana manodidina antsika mahakasika ny lohahevitra momba ny fianakaviana. Indraindray dia mifanohitra ankitsirano amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fomba fijery izay eken’ny fiaraha-monina momba ny fianakaviana. Arakaraka ny hahafantarantsika bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny toetran’Izy Ireo no hatokisantsika bebe kokoa ny fampianarana sy ny torohevitr’Izy Ireo, ka tafiditra amin’izany ny momba ny fianakaviana. Rehefa manao izany isika dia afaka mianatra ny mijery zavatra tahaka ny fijerin’Izy Ireo azy, dia amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Sary
Tanora iray mandalina ny soratra masina
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 26:24; Môzià 4:9; ary Isaia 55:8–9, ka mitadiava fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hatoky Azy Ireo. Hevero ny hanisy marika izay hitanao.

Eritrereto ny mety ho fiantraikan’ireo famaritana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba fijerinao ireo olana sy fanontaniana saro-pady mahakasika ny fianakaviana. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

Amin’ny maha-Rainao Azy, ny tanjony dia ny hahasambatra anao mandrakizay, ny hivoaranao tsy tapaka, ny hitomboan’ny fahaiza-manaonao. Ny faniriany dia ny hizara aminao izay rehetra ananany. (“Obtaining Help from the Lord,” Ensign, Nov. 1991, 86)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Tao anatin’ny ezaka mba “hampitandrina sy hampahafantatra” ny famitahan’izao tontolo izao, dia namoaka fanambarana momba ny fianakaviana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1995 (jereo ny Gordon B. Hinckley, “Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nov. 1995, 100). Vakio ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org), ary diniho ny zavatra ampianarin’izany momba ireo fitahiana sy fahasambarana irin’ny Ray any An-danitra ho anao sy ny ho an’ny fianakavianao. Azonao asiana marika ireo porofon’ny fitiavany sy ny faniriany ny fahasambaranao.

Sary
Fianakaviana taranaka maro
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ireo olana sy fanontaniana misy eo amin’ny fiarahamonina amin’izao izay resahin’ireo fahamarinana voalaza ao amin’ilay fanambarana ho an’izao tontolo izao. Inona no lanjan’ny fatokiana ny fahendrena sy ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izay ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manoloana ny fahendrena sy ny fomba fijery ananan’izao tontolo izao momba ireo lohahevitra ireo?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahantsika manorina tontolo azo antoka hiresahana malalaka momba ireo olana saro-pady?

Eritrereto ny toe-javatra-misy iainan’ny fianakavianao sy ny fifandraisana ao aminy ary ny fanamby atrehany. Inona no maha-samy hafa ny fianakavianao amin’ny fianakaviana hafa izay fantatrao? Ny sasany amin’ireo fahatsapana matanjaka indrindra ananantsika dia mifandray amin’ny fianakaviana. Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fotopampianarana momba ny fianakaviana isika dia tokony hotsaroantsika fa mety ho samy hafa amin’ny antsika ny toe-javatra iainan’ny fianakavian’ny hafa. Ny fahatsiarovana izany dia afaka manampy antsika ho be fitiavana sy hahay mihaino ary ho feno fanajana kokoa rehefa miresaka momba ny fotopampianarana momba ny fianakaviana. Rehefa manao izany isika dia ho vonona kokoa ny hoampianarin’ny Fanahy Masina lalina kokoa momba ny fianakaviana sy ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra

Sary
Kilasy mifanakalo hevitra
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho antsika amin’ny fananana fiantrana ho an’ny olona amin’ny toe-piainana rehetra. Vakio ny Môrônia 7:45–48. Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nanehoan’ny Mpamonjy fiantrana anao, ary eritrereto ny fiovana nentin’izany ho anao.

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miezaka isika ny ho lasa tahaka Azy kokoa amin’izay rehetra lazaintsika sy ataontsika. Mila fanazarana ny mihaino ny hafa sy ny mianatra ary mizara fahamarinana amin’ny fomba feno fitiavana sy omban’ny fahatakarana ny hafa ary feno fanajana. Rehefa maneho fiantrana isika amin’ny firesahana zavatra saro-pady mahakasika ny fianakaviana, dia mitovy amin’ny Mpamonjy isika izay. Rehefa manam-paniriana isika dia afaka manampy antsika ny Fanahy Masina mba hahalala ny anjarantsika amin’ny fanorenana sy fihazonana tontolo fianarana anjakan’ny fitiavana sy fanajana ary tsy fanavakavahana.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Fa ny fiangaviana hataoko anio kosa dia ho an’ireo ankizy sy zatovo ary tanora amana hetsiny maro izay tsy avy amin’ireo izay lazaiko hoe, tsy mahita teny tsaratsara ilazana azy aho afa-tsy ny hoe, fianakaviana “tonga lafatra.” Tsy ireo tanora izay niaina fahafatesana na fisarahan’ny ray aman-dreny na fihenan’ny finoan’ny ray aman-dreniny fotsiny no resahiko, fa ireo zatovolahy sy zatovovavy an’aliny manerana izao tontolo izao koa izay manaiky tanteraka ny filazantsara saingy tsy manana reny na ray tonga miaraka aminy any am-piangonana.

Miditra ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny finoana lehibe ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany ireo. Manantena izy ireo fa hanorina fianakaviana tonga lafatra ao anatin’ny fiainan’izy ireo manokana amin’ny ho avy. Ho avy ny fotoana hahatongavan’izy ireo ho ampahany manan-danja ao anatin’ny tafiky ny misiônerantsika sy ao anatin’ny tanorantsika marin-toetra ary ao anatin’ireo izay mandohalika eo amin’ny alitara mba hanangana ny fianakaviany manokana.

Hanohy ny fampianarana ny lamin’ny Tompo ho an’ny fianakaviana isika, saingy eo anatrehan’ireo mpikambana an-tapitrisany maro amin’izao fotoana izao … , dia mila maneho hatsaram-panahy sy fangorahana bebe kokoa hatrany isika. …

… Andeha isika hieritreritra azy ireo, handray tsara azy ireo, hamihina azy ireo ary hanao izay rehetra azontsika atao hahamafy orina ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy. (“Na zovy na zovy no mandray azy ireo, dia mandray Ahy,” Liahona, mey 2016, 49–50, 52)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Diniho ireo zavatra niainanao manokana sy ny fiovana azonao entina rehefa miresaka ireo lohahevitra saro-pady momba ny fianakaviana amin’ny fomba feno fiantrana. Raketo ny zavatra azonao atao mba hanampiana ny hafa hahatsapa hoe tiana sy hajaina rehefa miresaka lohahevitra toy izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Hamoaka printy