“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mandalina ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay
Tongasoa eto amin’ny fampianarana ny Fianakaviana mandrakizay! Ireo fahamarinana izay hianaranao mandritra ity fampianarana ity, rehefa ampiarahana amin’ny fanoavana asa mifanaraka amin’izay fitaomam-panahy tsapanao, dia afaka ny hanampy anao sy ny fianakavianao hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy handray ireo fitahiana rehetra iriny ho anao. Ho afaka manampy kokoa ny hafa ihany koa ianao hanao torak’izany.
Rehefa mandalina ireto tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 1 manaraka ireto ianao dia eritrereto ireo fitahiana sy fifaliana tian’ny Ray any An-danitra hiainan’ny zanany rehetra sy ny ifandraisan’izany amin’ny fianakaviana.
Fanamarihana: Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia hanome fahalalana fototra manan-danja hoentina miatrika ny fotoam-pianarana. Ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona tsirairay mialoha ny fotoam-pianarana dia hanampy anao hiaina zavatra manan-danja kokoa eo amin’ny fianarana rehefa mamonjy fotoam-pianarana ianao.
Fizarana 1
Inona no fahasamihafana entin’ny fatokiana ny fitiavana sy ny fahendrena tonga lafatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako manokana sy ny an’ny fianakaviako?
Maro ireo fanehoan-kevitra sy fampahalalana manodidina antsika mahakasika ny lohahevitra momba ny fianakaviana. Indraindray dia mifanohitra ankitsirano amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fomba fijery izay eken’ny fiaraha-monina momba ny fianakaviana. Arakaraka ny hahafantarantsika bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny toetran’Izy Ireo no hatokisantsika bebe kokoa ny fampianarana sy ny torohevitr’Izy Ireo, ka tafiditra amin’izany ny momba ny fianakaviana. Rehefa manao izany isika dia afaka mianatra ny mijery zavatra tahaka ny fijerin’Izy Ireo azy, dia amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Eritrereto ny mety ho fiantraikan’ireo famaritana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba fijerinao ireo olana sy fanontaniana saro-pady mahakasika ny fianakaviana. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Amin’ny maha-Rainao Azy, ny tanjony dia ny hahasambatra anao mandrakizay, ny hivoaranao tsy tapaka, ny hitomboan’ny fahaiza-manaonao. Ny faniriany dia ny hizara aminao izay rehetra ananany. (“Obtaining Help from the Lord,” Ensign, Nov. 1991, 86)
Fizarana 2
Ahoana no ahafahantsika manorina tontolo azo antoka hiresahana malalaka momba ireo olana saro-pady?
Eritrereto ny toe-javatra-misy iainan’ny fianakavianao sy ny fifandraisana ao aminy ary ny fanamby atrehany. Inona no maha-samy hafa ny fianakavianao amin’ny fianakaviana hafa izay fantatrao? Ny sasany amin’ireo fahatsapana matanjaka indrindra ananantsika dia mifandray amin’ny fianakaviana. Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fotopampianarana momba ny fianakaviana isika dia tokony hotsaroantsika fa mety ho samy hafa amin’ny antsika ny toe-javatra iainan’ny fianakavian’ny hafa. Ny fahatsiarovana izany dia afaka manampy antsika ho be fitiavana sy hahay mihaino ary ho feno fanajana kokoa rehefa miresaka momba ny fotopampianarana momba ny fianakaviana. Rehefa manao izany isika dia ho vonona kokoa ny hoampianarin’ny Fanahy Masina lalina kokoa momba ny fianakaviana sy ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra
Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miezaka isika ny ho lasa tahaka Azy kokoa amin’izay rehetra lazaintsika sy ataontsika. Mila fanazarana ny mihaino ny hafa sy ny mianatra ary mizara fahamarinana amin’ny fomba feno fitiavana sy omban’ny fahatakarana ny hafa ary feno fanajana. Rehefa maneho fiantrana isika amin’ny firesahana zavatra saro-pady mahakasika ny fianakaviana, dia mitovy amin’ny Mpamonjy isika izay. Rehefa manam-paniriana isika dia afaka manampy antsika ny Fanahy Masina mba hahalala ny anjarantsika amin’ny fanorenana sy fihazonana tontolo fianarana anjakan’ny fitiavana sy fanajana ary tsy fanavakavahana.
Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:
Fa ny fiangaviana hataoko anio kosa dia ho an’ireo ankizy sy zatovo ary tanora amana hetsiny maro izay tsy avy amin’ireo izay lazaiko hoe, tsy mahita teny tsaratsara ilazana azy aho afa-tsy ny hoe, fianakaviana “tonga lafatra.” Tsy ireo tanora izay niaina fahafatesana na fisarahan’ny ray aman-dreny na fihenan’ny finoan’ny ray aman-dreniny fotsiny no resahiko, fa ireo zatovolahy sy zatovovavy an’aliny manerana izao tontolo izao koa izay manaiky tanteraka ny filazantsara saingy tsy manana reny na ray tonga miaraka aminy any am-piangonana.
Miditra ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny finoana lehibe ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany ireo. Manantena izy ireo fa hanorina fianakaviana tonga lafatra ao anatin’ny fiainan’izy ireo manokana amin’ny ho avy. Ho avy ny fotoana hahatongavan’izy ireo ho ampahany manan-danja ao anatin’ny tafiky ny misiônerantsika sy ao anatin’ny tanorantsika marin-toetra ary ao anatin’ireo izay mandohalika eo amin’ny alitara mba hanangana ny fianakaviany manokana.
Hanohy ny fampianarana ny lamin’ny Tompo ho an’ny fianakaviana isika, saingy eo anatrehan’ireo mpikambana an-tapitrisany maro amin’izao fotoana izao … , dia mila maneho hatsaram-panahy sy fangorahana bebe kokoa hatrany isika. …
… Andeha isika hieritreritra azy ireo, handray tsara azy ireo, hamihina azy ireo ary hanao izay rehetra azontsika atao hahamafy orina ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy. (“Na zovy na zovy no mandray azy ireo, dia mandray Ahy,” Liahona, mey 2016, 49–50, 52)