“Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mikolokolo ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)
“Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay
Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mikoloko ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana
Ianao ve efa nahita mpivady niaina fanambadiana sambatra sy mafy orina ka efa nanontany tena hoe inona no fanalahidin’ny fahombiazan’izy ireo? Nahatsikaritra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Mitaky fotoana ny fanambadiana tsara. Mitaky ezaka izany. Mila manao asa ao anatin’izany ianao. Mila mamolavola izany ianao” (“Life’s Obligations,” Ensign, Feb. 1999, 4). Eo am-pandalinanao ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ato amin’ity lesona ity dia eritrereto izay azonao atao hiomananao manokana amin’ny fanambadiana sambatra na hikolokoloana kokoa ny fanambadiana izay misy anao.
Fizarana 1
Ahoana no hanangananay sy ny vadiko fanambadiana mitondra fifaliana sy maharitra mandrakizay?
Ao anatin’ity izao tontolo izao ity izay maro tokoa ny tokantrano mijaly na miafara amin’ny fisaraham-panambadiana dia betsaka ny mety manontany tena raha toa mbola tena azo tanterahina ho azy ireo izany fahasambarana anaty fanambadiana izany. Nanolotra izao hafatra mifono fanantenana izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Mamelà ahy hanambara amin’ny fomba tsy misy fisalasalana, sy marina ary hentitra fa tsy vitan’ny hoe misy izany fanambadiana sambatra izany, fa ny fanambadiana sambatra mihitsy no tokony ho izy fa tsy tranga maningana.
Izaho sy ny Rahavavy Holland no porofo mivaingana fa tsy hoe afaka ny ho sambatra fotsiny ianao fa afaka ho safononoky ny hasambarana.
Mila manao ezaka ianao ao anatin’izany fanambadiana izany. Ny zavatra tsara rehetra izay fantatro eto amin’ity izao tontolo izao ity dia mitaky ezaka.
Hanampy anao Andriamanitra. Amin’ireo zavatra rehetra eto amin’izao tontolo izao izay hanampiany anao dia hanampy anao Izy amin’ny fanambadianao sy ny fianakavianao satria zava-dehibe Aminy izany farafahakeliny tahaka ny maha-zava-dehibe izany aminao. (“You Asked—They Answered: Marriage and Family,” New Era, Aug. 2016, 3)
Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton tao amin’ny Fitopololahy ity mikasika ny zavatra izay mahatonga ny fanambadiana ho sambatra sy mandrakizay. Asio marika izay fitsipika hitanao.
Voalohany dia tsikaritro fa samy mandray ny fifandraisan’izy ireo ho toy ny vatosoa tsy voavidim-bola sy harena tsy hay sandaina ireo mpivady ao anatin’ny fanambadiana feno fifaliana. … Fantany fa tsy misy fifandraisana hafa afaka mitondra fifaliana lehibe toy izany, na mamokatra fahatsaran’ny tena manokana lehibe toy izany. …
… Miorina eo amin’ny fototry ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ny fampianarany ireo fanambadiana mandrakizay mahomby [jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org]. …
… Ny fanambadiana sambatra dia miantehitra amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana. …
Ny fanetrentena no ampahany manan-danja indrindra amin’ny fibebahana. Ny olona manetry tena dia tsy mikatsaka ny ho azy, tsy tia tena. … Ny fanetrentena dia midika hoe samy mikatsaka ny hitahy, hanampy, ary hifankahery ireo mpivady ary mametraka ny iray ho lohalaharana amin’ny fanapahan-kevitra rehetra. …
… Ny fanambadiana sambatra indrindra hitako dia ahitana taratra ny fankatoavana ny iray amin’ireo didy mahafaly indrindra—dia ny hoe “hiara-monina amim-pitiavana” isika [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45]. (“Ny fanambadiana: Mijere ary mianara,” Liahona, mey 2013, 83, 84, 85)
Fizarana 2
Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny ohatr’i Jesoa Kristy hanampy ahy hikolokolo ny fanambadiako?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ny lanjan’ny fikolokoloana ny fanambadiana:
Mitondra fahafahana lehibe kokoa hahazoana fahasambarana ny fanambadiana raha oharina amin’izay mety ho fifandraisana hafa eo amin’ny olombelona. Mbola misy ihany anefa ireo mpivady no tsy tody amin’ny fahafaha-manaony feno. Avelan’izy ireo hanjary hihen-danja ny fifankatiavany, tsy mifampiraharaha izy ireo, avelany ho takon’ireo zavatra mahaliana hafa na ireo fanenenana ny fahitana hoe manao ahoana no tena tokony ho fanambadiany. Tokony hahasambatra kokoa ny fanambadiana rehefa kolokoloina amim-pitandremana kokoa. (“Nourrir le mariage,” Le Liahona, May 2006, 36)
Ao anatin’ilay torolalana izay nomen’ny Apôstôly Paoly ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Efesosy dia nisy torohevitra mahakasika ny fanambadiana.
Ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy dia afaka manampy ny mpivady hanatanteraka ny “andraikitr’[izy ireo] be voninahitra ny hifankatia sy hifampikarakara” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Mety ho goavana ny ezaka sasany takina amin’ny fikolokoloana ny fanambadiana saingy ny sasany amin’ireo fihetsika mahomby sy manan-danja indrindra dia ireo “madinika sy tsotra” (Almà 37:6). Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tamin’izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ireo fanambadiana tsara dia naorina tsikelikely isan’andro mandritra ny fiainana manontolo” (“Ho fiderana ireo izay manavotra,” Liahona, mey 2016, 78).
Ny Filoha Linda K. Burton Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia nanome fanontaniana tsotsotra azontsika ampiasaina hanombantombanana ny ezaka ataontsika hikolokoloana ny fanambadiantsika:
Mety amin’ny ankamaroantsika ireto fanontaniana ireto, raha amboarina kely, na manambady isika na tokan-tena, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho toe-javatra misy ao amin’ny tokantranontsika.
Oviana ny fotoana farany niderako ny vadiko, na tamin’ny fotoana niarahanay samirery na teo anatrehan’ireo zanakay izany?
Oviana ny fotoana farany nisaorako azy, na nanehoako fitiavana taminy, na nitondrako azy am-bavaka tamin-kafanampo sy tamim-pinoana?
Oviana ny fotoana farany nitsaharako tamin’ny fitenenana zavatra izay fantatro fa mety handratra?
Oviana ny fotoana farany nialako tsiny sy nangatahako famelana tamim-panetrentena, ka tsy nanampy ireo andian-teny hoe “fa raha mba nanao an’izao mantsy ianao” na “fa raha mba tsy nanao an’izao mantsy ianao”?
Oviana ny fotoana farany nisafidianako ny ho faly toy izay ny hitaky hoe izaho no manana ny “rariny”? …
Hiaraka amiko ve ianareo amin’ny fikatsahana ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mifampahery amin’ny fomba tsaratsara kokoa amin’ny anjara asantsika izay mifameno, amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavy nanao fanekempihavanana antsika, izay zanak’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra be fitiavana? (“Hiara-hivoatra isika,” Liahona, mey 2015, 31–32)
Fizarana 3
Ahoana no fomba hifikirako amin’ny vadiko?
Nanome lalàna ankapobeny mikasika ny fitondrantena ny Tompo ao anatin’ny fanambarana nomena tamin’ny 1831 ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ao anatin’izany ilay didy hoe: “ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22.; jereo koa ny Genesisy 2:24; Matio 19:5).
Ao amin’ny soratra masina ny teny hoe mifikitra dia midika hoe mipetaka, miraikitra na mitambatra. “Avy amin’ny heviny ara-tsoratra masina dia hitantsika amin’izany fa Andriamanitra dia manantena antsika —hifikitra— amin’ny vadintsika na —hiraikitra— aminy” (Matthew O. Richardson, “Three Principles of Marriage,” Ensign, Apr. 2005, 22).
Nampianatra an’izao manaraka izao ny FIloha Spencer W. Kimball mikasika ilay andian-teny hoe “tsy amin’ny olona hafa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22):
Ny teny hoe: tsy amin’ny olona hafa dia manala ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra. Ny andefimandry noho izany no lasa lohalaharana eo amin’ny fiainan’ilay vady ary na ny fiainana ara-piarahamonina, na arak’asa na ara-pôlitika na tombontsoa na olona na zavatra hafa dia tsy hisy mihitsy hialoha ny toeran’ny vady andefimandry. (Le miracle du pardon [1969], 250)
Nanazava ny Loholona Clayton ny amin’ny fomba hampiharana ilay hoe mifikitra amin’ny andefimandrintsika rehefa mampiasa tambazotra ifaneraserana:
Mampianatra ireo mpaminany fa ny mpivady mahomby dia “tsy mifampivadi-pitokisana” [jereo Thomas S. Monson, “Ny herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2011, 68; Gordon B. Hinckley, “Life’s Obligations,” 4]. Ataon’izy ireo izay hijanonana ho mendrika tanteraka eo amin’ny fampiasany ny tambazotra ifaneraserana. Tsy mamela ny hisian’ny tsiambaratelo eo amin’ny zavatra iainany amin’ny fampiasany ny internet izy ireo. Mifampizara an-kalalahana ny mot de passe na teny fidirana ao amin’ny tambazotra ifaneraserana izy ireo. Tsy mijery ireo mombamomba ny olona hafa ao amin’ny internet izy ireo izay mety hanimba ny fitokisan’ny vadin’izy ireo. Tsy milaza na manao zavatra manakaiky ny tsy fahamendrehana mihitsy izy ireo, na ao amin’ny internet izany na ara-batana. (“Ny fanambadiana: Mijere ary mianara,” 84)
Mikasika ny fanaovana ny vady ho lohalaharana ambony indrindra dia nampianatra toy izao ny Filoha Nelson tamin’ny fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany iray. Na dia natao ho an’ny lehilahy manambady aza io torohevitra io dia miantefa ihany koa amin’ny vehivavy manambady izany.
Tiavo sy karakarao ny vadinao. Aoka ianao hiray fo sy saina aminy. Aoka ianao ho toy ny mpiara-miasa aminy. … Tsy misy zavatra mahaliana hafa eo amin’ny fiainana, izay tokony ho lohalaharana noho ny fanorenana fifandraisana maharitra mandrakizay miaraka aminy. Tsy misy zavatra hita ao amin’ny fahitalavitra, na ao amin’ny finday na ao amin’ny solosaina izay manan-danja kokoa noho ny mahasoa azy. Diniho hoe inona avy no ampiasanao ny fotoanao ary aiza no handanianao ny herinao? Hilaza bebe kokoa izay misy ny fonao izany. Mivavaha mba hirindra amin’ny fon’ny vadinao ny fonao. Katsaho izay hitondrana fifaliana ho azy. (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 68–69)