Institiota
Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fahazoana fifaliana ao amin’ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy


“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fahazoana fifaliana ao amin’ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
I Jesoa miarahaba ankizy kely iray

Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fahazoana fifaliana ao amin’ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Eritrereto vetivety ireo fotoana izay nahatsapanao fifaliana sy fiadanana teo amin’ny fiainanao. Fony izy mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nampianatra ny Loholona Richard J. Maynes hoe: “Ny fifaliana ananantsika eto amin’ity fiainana ity dia hifandray mivantana amin’ny hoe mifantoka tanteraka amin’ireo fampianarana sy ohatra ary ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy ve ny fiainantsika” (“Ny fifaliana avy amin’ny fananana fiainana mifantoka amin’i Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 28). Rehefa mandalina ianao ho fiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana ny fanorenanao ny fiainanao manokana sy ny fiainam-pianakavianao eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany no afaka mitondra fifaliana sy fiadanana ary filaminana bebe kokoa ho anao na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainanao.

Fizarana 1

Ahoana no ahafako sy ny fianakaviako manorina fototra ara-panahy eo amin’i Jesoa Kristy?

Rehefa manorina trano dia tandremana tsara ny fototra iorenany sy ny tany hipetrahany. Ny fototra azo antoka dia tsy hampihozongozona ny trano ary hiaro azy amin’ny herin’ny natiora sy ny fampiasana azy mafy isan’andro. Inona no ifandraisan’ izany foto-kevitra izany aminao eo am-panorenanao ny fiainanao sy ny fiainam-pianakavianao?

Sary
mpanorina trano manomana ny fototra hanorenana trano iray

Nampianatra ny zanany momba ny filana manorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany Helamàna.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Helamàna 5:12, ary tadiavo ny fomba ahafahan’ny fanorenana eo amin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika” mampatanjaka antsika eo anatrehan’ireo hery mitarika izay mitondra loza eo amin’ny fiainantsika sy ny an’ny fianakaviantsika.

Rehefa mamaky ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao dia tadiavo ny fomba ahafahantsika manorina ny fototry ny fiainantsika manokana sy ny an’ny fianakaviantsika eo amin’i Jesoa Kristy:

Sary
Loholona David A. Bednar

Ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana no biriky fanorenana izay ampiasaintsika mba hanorenana ny fiainantsika eo ambonin’ny fanorenan’i Kristy sy ny Sorompanavotany. Mifamatotra tsara amin’ny fomba azo antoka amin’ny Mpamonjy isika rehefa mandray ireo ôrdônansy amim-pahamendrehana ary miditra ao anatin’ireo fanekempihavanana, ka mahatsiaro sy manaja amim-pahatokiana ireo fanolorantena masina ireo, ary manao izay tratra mba hanana fiainana mifanaraka amin’ireo adidy izay nekentsika. Ary io fatotra io no loharanon’ny hery ara-panahy sy ny tsy fiovaovana eo amin’ny toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika. (“Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony,” Liahona, mey 2015, 48)

Fony izy nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Loholona Donald L. Hallstrom dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fanorenana eo ambonin’ny fanorenan’i Jesoa Kristy:

Sary
Loholona Donald L. Hallstrom

Efa misy avokoa ny fitaovana rehetra ilainao hanorenana na hanamboarana na hanamafisana ny fototra iorenanao. … Tafiditra ao amin’izany ny vavaka tsy tapaka sy tsara, ny fandalinana isan’andro ny filazantsara amin’ny alalan’ny soratra masina, fandraisana anjara amim-pahazotoana amin’ireo fivoriana ato amin’ny Fiangonana, indrindra amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo omban’ny tena finiavana, sy fanompoana tsy tapaka tsy misy fitiavan-tena, ary fitandremana amim-pahazotoana ny fanekempihavanana.

Fitaovana iray manan-danja koa ny torohevitry ny mpaminany velona. (“Jesus Christ: Our Firm Foundation,” Ensign, Apr. 2016, 61)

Sary
fianakaviana iray miara-mandalina ny soratra masina
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Eritrereto ny sasany amin’ireo fomba tena mahomby nentinao na nentin’ny fianakavianao niorina teo ambonin’ny fanorenan’i Jesoa Kristy. Tanisao ao anatin’ny kahie iray na application fandraisana naoty ireo fahazarana na fomba vitsivitsy izay azonao zaraina ao an-dakilasy.

Fizarana 2

Inona avy ireo fitahiana mety ho azoko sy ny fianakaviako rehefa misafidy ny hanorina ny fototray eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany izahay?

Nanambara ireo mpaminanin’ny andro farany hoe: “Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mieritrereta fampianarana iray nataon’i Jesoa Kristy izay nitondra fifaliana teo amin’ny fiainanao manokana na teo amin’ny fiainan’ny fianakavianao. Mitadiava andalan-tsoratra masina izay misy io fampianarana io. Tongava ao am-pianarana amim-pahavononana hizara ny zavatra hitanao.

Rehefa misafidy ny hanorina ny fiainany eo amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ny vondron’olona iray, toy ny fianakaviana, dia afaka hiaina fitahiana lehibe izy ireo. Izany no anisan’ny antony mahatonga ny foto-kevitr’i Ziona, izay vahoaka “iray fo sy iray saina, ary [mitoetra] amim-pahamarinana” (Mosesy 7:18), ho tena mahafinaritra sy mahery vaika tokoa. Ny iray amin’io karazana vahoaka io dia hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa avy nitsidika ireo mponina tao Amerika ny Mpamonjy dia nanolo-tena hiaina ny fampianarany ireo vahoaka.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino ny 4 Nefia 1:1, 11–13, 15–18 ary tadiavo ireo fahamarinana nosafidin’ny vahoaka mba hiainana sy ny fiantraikan’ny fiainana ireo fahamarinana ireo teo amin’izy ireo.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Taiza no nahitanao ohatra maneho ireo karazana fitahiana voasoritra ao amin’io andinin-tsoratra masina io? Mety ho tahaka ny ahoana raha miaraka miasa ny fianakaviana iray mba hanorenana fiainana eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany? Ahoana no ahafahanao manomboka amin’izao fotoana izao hikatsaka io fiainana io, na ahoana no ahafahanao manohy ny fikatsahana izany?

Sary
fianakaviana iray miaraka mandeha an-tongotra

Fizarana 3

Inona avy ireo sakana mety hanakana ahy sy ny fianakaviako tsy hanorina fototra eo amin’i Jesoa Kristy?

Nilaza fomba entin’ny fahavalo hanakanana antsika tsy hanorina ny fiainantsika eo amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona Richard G. Scott

Hanao izay rehetra tratran’ny heriny i Satana sy ny tafiny hanakanana anao tsy handray ireo ôrdônansy takina hananana fianakaviana fakan-tahaka. Hiezaka ny hanelingelina anao izy tsy hampifantoka ny sainao sy ny fonao amin’ny fanorenana fianakaviana matanjaka amin’ny alalan’ny fitaizana ny zanakao araka izay takin’ny Tompo.

… Manana fitaovana mahery vaika ampiasaina hanoherana ireo olona tsara i Satana. Fisarihana ny saina hieritreritra zavatra hafa izany. Ataony izay hahatonga ny olona tsara hameno ny fiainana amin’ny “zavatra tsara” mba tsy hisy toerana ho an’ny zavatra manan-danja intsony ao anatin’izany. (“First Things First,” Ensign, May 2001, 7)

Eritrereto ireo “zavatra tsara” sasany izay hitanao nanelingelina ny fifantohan’ny olona amin’ny zavatra manan-danja eo amin’ny fiainany manokana sy ny an’ny fianakaviany.

Ny sasany amintsika dia mety manana fomba amam-panao ara-kolontsaina na fomba amam-panaon’ny fianakaviana izay manakana antsika tsy hanorina ny fototsika mafy eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39). Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Mba hanampiana ny mpikambana manerana izao tontolo izao dia mampianatra antsika ny Fiangonana mba hamela izay fomba amam-panaon’ny tena manokana na an’ny fianakaviana izay mifanohitra amin’ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny kolontsain’ny filazantsarany. (“The Gospel Culture,” Ensign, Mar. 2012, 42)

Diniho ireo sakana hafa mety manakana anao na ny fianakavianao tsy hanorinta tanteraka ny fototrareo eo amin’ny Mpamonjy.

Sary
Fototry ny Tempolin’i Salt Lake

Taorian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny asa nataon’ireo mpiasa misahana ny fanorenana mba hanamafisana sy hanavaozana ny fototra sy ny rafitry ny Tempolin’i Salt Lake dia nilaza izao manaraka izao ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Gary E. Stevenson

Ny fanaovana fandinihan-tena lalina dia mety haneho fa isika sy ny fianakaviantsika koa dia hahita tombontsoa raha hanaovana asa fanamboarana sy fanavaozana, toy ny fanamafisana ny fiarovana amin’ny horohoron-tany! Afaka manomboka izany dingana izany isika amin’ny fanontaniana hoe:

“Tahaka ny ahoana ny fototra iorenako?”

“Inona avy no ao anatin’ireo vato fehizoro matevina sy maharitra ary matanjaka izay mandrafitra ny fototra iorenako manokana, izay iorenan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako?”

“Inona avy ireo singa fototry ny toetrako ara-panahy sy ara-pihetseham-po izay hanome fahafahana ahy sy ny fianakaviako hijanona ho mafy orina sy tsy ho voahozongozona, ka hahatohitra mihitsy ireo horohoron-tany mahery vaika sy misafotofoto izay azo antoka fa hitranga amin’ny fiainanay?” (“Fanorenana tsara ho amin’ny andro ho avy,” Liahona, mey 2020, 50)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Manaova asa

Saintsaino ireo fanontaniana napetraky ny Loholona Stevenson. Ahoana no ahafahanao manorina amin’ny fomba feno kokoa ny fototrao, izay ahitana ireo laharam-pahamehanao, ireo soatoavinao, ny fandraisanao fanapahan-kevitra, ny fampiasanao ny fotoanao, sy ny sisa, eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Manorata tanjona na drafitra iray azonao ezahina tratrarina amin’ity herinandro ity.

Hamoaka printy