Institiota
Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra


“Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
Mpivady vao mandeha eo ivelan’ny tempoly

Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra

Ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia manomboka amin’ny filazana manetriketrika hoe “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Mba efa nandinika ve ianao hoe nahoana ireo mpaminany sy ireo apôstôly ary mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana no tsy mitsahatra mampianatra io fahamarinana io? Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia diniho ny fomba ahafahan’ny fampiharana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao amin’ny fijerinao ny fanambadiana.

Fizarana 1

Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra ny fanambadiana no manampy ahy hahatakatra ny drafiny ho ahy?

Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay dia niova ny fijerin’ny fiaraha-monina maro ny fanambadiana. Inona avy ireo hevitra renao tato ho ato?

Tsy ela akory taorian’ny nananganana ny Fiangonana dia naniry ny hitorian’ireo misiônera ny filazantsara tamin’ireo mpikambana tao amin’ny vondron’olona mpivavaka nisy azy teo aloha, i Leman Copley, dia ireo Shakers izany. Nandà ny fanambadiana ny Shakers fa nino kosa ny fiainana natao ho an’ny fitovoana tanteraka. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith momba izany sy ny finoana hafa ka nahazo fanambarana iray.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–16, ary tadiavo ny zavatra nambaran’ny Tompo momba ny fanambadiana.

Araka ny ampiasana azy ao amin’ny andininy 15, ny hoe manendry dia midika hoe mandidy na manangana amin’ny alalan’ny herin’ny fahefana ambony. Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray raha nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Ny fianakaviana miorina eo amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia manolotra toerana tena tsara ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra hivelatra—toerana ilaina ho an’ny fahaterahan’ny zanaka izay tonga ao anatin’ny fahadiovana sy ny tsy fananan-tsiny avy amin’ Andriamanitra, ary tontolo ho an’ny fianarana sy fiomanana izay ho ilain’izy ireo mba hananana fiainana an-tany mahomby sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. …

… Tany am-piandohana dia [Andriamanitra] no nahary an’i Adama sy i Eva araka ny endriny, izay lahy sy vavy ary nampitambatra azy ireo ho mpivady. … Samy manana izay endrik’ Andriamanitra izay ny olona tsirairay, saingy ao anatin’ny fanambadian’ny lehilahy sy vehivavy hitambatra ho iray angamba no hahatanterahantsika ny dikany feno tanteraka fonosin’ilay hoe namboarina araka ny endrik’ Andriamanitra—lahy sy vavy. Tsy misy amintsika, na olona mety maty hafa, afaka manova io lamina masin’ny fanambadiana io. Tsy zavatra noforonin’olombelona izany. Tena “avy any ambony, avy any amin’ Andriamanitra” tokoa ny fanambadiana toy izany [jereo ny Dietrich Bonhoeffer, Letters and Papers from Prison, navoakan’i Eberhard Bethge (1953), 42–43] ary tena ampahan-javatra iray ao amin’ny drafitry ny fahasambarana toy ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana. (“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?,” Liahona, mey 2015, 52)

Ny fanambadiana araka ny lalàn’ Andriamanitra no fifandraisana masina indrindra misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy iray. Nanazava ny Filoha Howard W. Hunter hoe:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

Tsy feno ny lehilahy raha tsy misy vehivavy. Tsy misy mahafeno ny antony nahariana azy izy ireo raha tsy eo ny iray [jereo ny 1 Korintiana 11:11; Mosesy 3:18]. Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17]. Amin’ny alalan’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana irery ihany no ahafah’izy ireo manatanteraka ny fahafenoan’ireo fitahiana mandrakizay [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–19]. (“Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, Nov. 1994, 49)

Ireo izay miditra sy mitandrina ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana dia afaka mahazo ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4). Any no ahafahantsika “manatenteraka ny fahafenoan’ireo fitahiana mandrakizay,” izay fantatra ihany koa amin’ny hoe fisandratana na fiainana mandrakizay. (Hianatra misimisy kokoa momba ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ianao ao amin’ny lesona 10.)

Sary
Mpivady vao, mifampitantana

Avereno tadidianao ny zavatra nianaranao tao amin’ny lesona teo aloha momba ny toetry ny fiainana mandrakizay. Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Manome antsika ilay fomba handovana ny fiainana mandrakizay ny drafitry ny Ray, ilay fiainana iainan’ny ireo ray aman-dreny any an-danitra. Ao anatin’ilay drafitra dia, “tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy” [1 Korintiana 11:11]. Ny tena fototry ny fiainana mandrakizay dia ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izay lafin-javatra tena manan-danja mba hahatongavantsika tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra. (“Ny drafitry ny famonjena: Harem-pahalalana masina mba hitarika antsika,” Liahona, ôkt. 2015, 29)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no hanazavanao ny antony mahatonga fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ho tendrin’ Andriamanitra sy zava-dehibe amin’ny drafitra mandrakizainy?

Fizarana 2

Ahoana raha toa ka tsy manambady aho amin’ity fiainana ity na rava ny fanambadiako?

Noho ny toe-javatra maro isan-karazany dia tsy manambady mihitsy ny olona sasany eto amin’ity fiainana ity na dia nanana faniriana tsara aza. Ho an’izay manambady dia ravan’ny fisarahana ny fanambadiany. Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niresaka momba ireo toe-javatra raha nampianatra hoe:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Ny sasany amin’ireo izay mihaino ity hafatra ity dia mety miteny hoe: “Dia ahoana izany ny amiko?” Fantatray fa Olomasin’ny Andro Farany mendrika sy mahafinaritra maro no tsy manana ireo fahafahana tsara indrindra sy ireo zavatra tena ilaina ho an’ny fivoaran’izy ireo ankehitriny. Manakantsakana ny zavatra tsara tokony hitranga sy manemotra ny fahatanterahan’ireo fitahiana nampanantenaina ny maha-tokan-tena, ny tsy fananan-janaka, ny fahafatesana, ary ny fisaraham-panambadiana. … Saingy ireo sakantsakana ireo dia mandritra ny fotoana voafetra ihany. Ny Tompo dia nampanantena fa any amin’ny mandrakizay dia tsy hisy fitahiana holavina amin’ireo zanakalahy sy zanakavavy izay nitandrina ny didy, izay marina tamin’ny fanekempihavanana, ary maniry ny hanao ny marina. (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 75)

Na dia tsy iainana feno amin’ity fiainana ity aza ireo fitahiana mandrakizay dia mbola afaka mahatsapa ny fahasambarana sy afaka manatratra tanjona ireo izay tsy manambady. (Mbola horesahina amin’ny lesona any aoriana ity lohahevitra ity.) Afaka miaina fifaliana maharitra sy fitomboana manan-danja ny tsirairay ary mitondra ny anjara biriky ilaina amin’izao mba ho mpandray anjara mavitrika ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy ny fanjakany.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no hozarainao amin’ireo izay mahatsapa fa very ny fahafahany mahazo fahasambarana sy fiainana mandrakizay satria tsy manambady?

Fizarana 3

Amin’ny fomba ahoana ny fampiharana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no manampy ahy handresy ny tahotra sy hiaina fifaliana ao anatin’ny fanambadiana?

Eritrereto ireo fanontaniana na fanahiana ananao na ny olona manodidina anao momba ny fanambadiana. Niresaka momba ny antony iray mahatonga ny olona hanemotra ny ezaka ataony mba hanambady ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Quentin L. Cook

Ny sasany dia manemotra ny fanambadiana mandra-pahavitany fianarana mandra-pahitany asa. Raha toa ka eken’ny rehetra eny amin’izao tontolo izao izany fomba fisainana izany, dia tsy maneho finoana sady tsy mifanaraka amin’ny torohevitr’ireo mpaminany maoderina no tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarana azo itokiana tsara. (“Misafidiana amim-pahendrena,” Liahona, nôv. 2014, 47)

Sary
Tanora iray mandinika ny masoandro milentika

Matetika dia ampitomboin’ny fahavalo ny tahotra na ny fisainan’ny olombelona na ireo sembatsembana izay mihazona ny olona tsy hiroso amin’ny fanambadiana. Ny olona sasany dia matahotra mialoha na ao anatin’ny fanambadiana satria nahita ireo olana avy amin’ny fisaraham-panambadiana. (Ao anatin’ny lesona any aoriana ianao dia hianatra fitsipika izay afaka manampy anao hanamafy orina ny fanambadianao ary hisoroka ny fisaraham-panambadiana.)

Inona no afaka manampy anao hijery amim-patokiana ny fanambadiana?

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Ohabolana 3:5–6; 2 Timoty 1:7; Ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36. Eritrereto ny fomba azo ampiharana ireo fampianarana ireo amin’ny fomba fijerinao ny fanambadiana.

Nampianatra ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Filoha Jean B. Bingham

Indraindray isika dia matahotra ny hatoky satria tsy takatsika ny fitiavana sy ny faniriana feno ananan’ Andriamanitra mba hanampy antsika. Kanefa rehefa mandalina ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy isika dia mahatakatra fa ny hany tanjon’Izy Ireo dia ny fahasambarana sy ny fivoarantsika mandrakizay [jereo ny Mosesy 1:39]. (“Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 86)

Rehefa manambady ny olona ka manohy mampihatra finoana izy mivady dia hanohy hitarika azy ireo sy hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nampianatra ny Loholona Hugh W. Pinnock raha tao amin’ny Fitopololahy hoe: “Nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanambadian[‘i Adama sy Eva] Andriamanitra, ary dia misahirana sy tokony hirotsaka an-tsehatra tahaka izany koa Izy amin’ny fanambadiana rehetra ankehitriny” (“Making a Marriage Work,” Ensign, Sept. 1981, 37). Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia te hanampy anao hahomby amin’ny fanorenana fanambadiana mandrakizay.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Ny Filoha Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia nanazava hoe: “Tokony hanontany isika tsirairay avy hoe: Ahoana no hijanonako eo afovoany fa tsy hiankina amin’ny fahalalako? Ahoana no ahafantarako sy anarahako ny fitarihan’ny Mpamonjy rehefa mandresy lahatra tokoa ny fitarihan’izao tontolo izao? Ahoana no anorenako fahatokiana ny Mpamonjy ato anatiko?” (“Matokia an’i Jehovah fa aza miankina amin-javatra hafa,” Liahona, mey 2017, 6). Raketo an-tsoratra ny eritreritrao momba ireo fanontaniana napetraky ny Filoha Cordon izay mifandray amin’ny fanambadiana. Eritrereto ihany koa raha toa ka misy zavatra mihazona anao tsy hiroso (na tsy hazoto mandroso lalina) amin’ny fanambadiana mandrakizay.

Hamoaka printy