Institiota
Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny toetra mandrakizay sy ny tanjon’ny maha lahy na ny maha vavy


“Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny toetra mandrakizay sy ny tanjon’ny maha lahy na ny maha vavy,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
andian-tanora eny amoron-dranomasina

Lesona 7: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny toetra mandrakizay sy ny tanjon’ny maha lahy na ny maha vavy

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny maha lahy na ny maha vavy antsika, izay ampiasaina ato amin’ity lesona ity ho midika ny toetra ara-biôlôjika maha lahy na maha vavy antsika tamin’ny vao teraka (raha tsy hoe lazaina fa tsy izay), “amin’ny ankapobeny mamaritra ny hoe iza isika, nahoana isika no eto an-tany ary inona no tokony hataontsika sy hahatongavantsika” (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, June 2006, 83). Eo am-pandalinanao ny tahirin-kevitra ho an’ity lesona ity dia hevero ny fomba ahafahan’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena manampy anao hahatakatra kokoa ny maha zava-dehibe ny maha ianao anao sy ny tanjonao mandrakizay amin’ny maha zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra anao.

Fanamarihana: Saropady ho an’ny olona maro ny resaka maha lahy na ny maha vavy. Ireto tahirin-kevitra ireto dia natao mba hanampiana anao hahatakatra ny fotopampianaran’ny Ray any An-danitra momba ny maha lahy na ny maha vavy ary hitrandrahana ny fomba hampiharana izany amin’ireo toe-java-misy amin’izao tontolo misy antsika izao. Katsaho ny fanampian’ny Fanahy mba hahatakarana ny hafatra nataon’ Andriamanitra ho anao rehefa mandalina ianao.

Fizarana 1

Ahoana no hahamafy kokoa ny fahatakarako ny maha lahy na ny maha vavy rehefa mahatakatra kokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra aho?

Milaza ilay fanambarana momba ny fianakaviana hoe: “Ny olombelona rehetra—ny lahy sy ny vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Ny teny hoe maha lahy na maha vavy dia mety hisy dikany hafa ho an’ny olona sasany. Araka ny hazavaina ao amin’ny boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: “Ny dikan’ny hoe maha lahy na maha vavy tiana horesahina ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia ny toetra ara-biôlôjika maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.6.23).

Hoy ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fahariana antsika:

Sary
Loholona Richard G. Scott

Ny [fahariana ny lehilahy sy ny vehivavy] dia natao ara-panahy tany amin’ny fisiana talohan’ny nahaterahana raha mbola niaina teo anatrehan’ny Rainao any An-danitra ianao. Efa nisy ny maha lahy na maha vavy anao talohan’ny nahatongavanao teto an-tany. (“The Joy of Living the Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1996, 73)

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa ny “fahariana ny [lehilahy sy ny vehivavy] ho mandeha tsiroaroa dia zava-dehibe amin’ny drafitry ny famonjena” (ao amin’ny “General Conference Leadership Meetings Begin,” Oct. 2, 2019, newsroom.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
lehilahy sy vehivavy mandeha tongotra

Ny fahatakarana ny ray aman-drenintsika any an-danitra dia afaka manampy antsika hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika ary manampy antsika hahita tsara kokoa ny maha zava-dehibe ny maha lahy na ny maha vavy antsika ao anatin’izany drafitra izany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Genesisy 1:26–27, ary diniho ny dikan’ny hoe nohariana araka ny endrik’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra.

Diniho ny antony maha manan-danja ny maha lahy na ny maha vavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ireto misy fahamarinana vitsivitsy azonao saintsainina:

Ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia zava-dehibe amin’ny fahatongavana tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra. Ny toetry ny fiainana mandrakizay, na ny fisandratana, dia ny fitohizan’ny fianakaviana mandrakizay mandrakizay. Tsy tratra izany fahafahana izany raha tsy “amin’ny alalan’ny hery famoronana izay tsy afa-misaraka amin’ny fitambaran’ny lahy sy ny vavy nakamban’ny fanambadiana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19)” (Dallin H. Oaks, ao amin’ny “General Conference Leadership Meetings Begin”).

“Efa tendrin’ Andriamanitra fa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia samy ilaina mba hitondrana ireo zanaka ho eto amin’ny fiainana an-tany ary mba hanolorana ny rafitra tsara indrindra hitaizana sy hamelomana ireo zanaka” (David A. Bednar, “Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, June 2006, 83; jereo koa ny Genesisy 1:28).

Nomen’ny Ray any An-danitra hery samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy mba hanampiana azy ireo hanatanteraka an’ireo sy ireo andraikitra masina hafa ao amin’ny drafiny. Ny lehilahy dia mila ny vehivavy ary ny vehivavy dia mila ny lehilahy mba hivoatra sy hahatratra ny anjara fenon’izy ireo mandrakizay. Nampianatra ny Loholona Bednar hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ireo toetoetry ny fanahy lahy sy ny fanahy vavy dia mifameno sy mifandavorary, ka noho izany, ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiara-hivoatra mankany amin’ny fisandratana. …

Noho ny antony masina, ny fanahin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia samihafa, miavaka tsara, ary mifameno.

… Nilaina ny fikambanan’ny hery miavaka ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetsehampo ananan’ny lahy sy ny vavy mba hampiharana ny drafitry ny fahasambarana. Raha ny lehilahy irery na ny vehivavy irery dia tsy ho afaka hanatanteraka ireo tanjona nahariana azy ireo. …

… Raha mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fahalavorarian’ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana ireo toetra miavaka ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena zava-dehibe koa ireo toetra ireo eo amin’ny fitaizana sy fikolokoloana ary fampianarana ny zanaka. (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” 83–84)

Nampianatra ihany koa ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy Rahavavy Ruth L. Renlund hoe:

Sary
Ny Loholona Dale G. Renlund sy Rahavavy Ruth L. Renlund

Nohariana ny fanahy lahy sy vavy mba hifameno. Izany no mahatonga ny maha lahy na ny maha vavy tsy afaka miova mandritra ny mandrakizay, satria izany no fototry ny fanomezana faratampony azon’ny Ray any An-danitra omena, dia ny karazana fiainana ananany. (“The Divine Purposes of Sexual Intimacy,” Ensign, Aug. 2020, 16)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ny anjara asan’ny maha lahy na ny maha vavy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Ahoana no ahafahan’ny drafitry ny famonjena manampy anao hahatakatra fa “ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay”? (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”).

Fizarana 2

Ahoana no ahatakarako kokoa ireo fanontaniana momba ny maha lahy na maha vavy?

Sary
tanora vavy roa miresaka

Mety tsikaritrao fa amin’izao androntsika izao dia misy hevitra maro momba ny maha lahy sy maha vavy ary ny maha izy ny olona. Ny olona sasany dia manasaraka ny filazana hoe maha lahy na maha vavy sy ny toetra ara-biôlôjika maha-lahy na maha-vavy. Mety hiresaka momba ny fahatsapany ny tenany ho lahy na vavy izy ireo, izay mety manondro ny fahatsapan’ny olona iray ny maha-lahy na maha-vavy azy na dia zavatra tsy mitovy amin’ny toetra ara-biôlôjika maha-lahy na maha-vavy azy aza izany. (Mariho fa samy hafa amin’ny fironana mikasika ny filana ara-nofo izany, dia ny fifanintonana ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-nofo amin’ny hafa. Ny fironana mikasika ny filana ara-nofo dia horesahintsika ao amin’ny lesona manaraka.)

Ny kolontsaina sy ny fenitra ara-tsôsialy ary ny fitaizana dia misy fiantraikany amin’ny fahatakaran’ny olona iray hoe lehilahy na vehivavy izy. Noho ireo antony ireo sy ny hafa koa indraindray, dia mety hiteraka fikorotanan-tsaina ho an’ny olona sasany na mety handratra mihitsy aza ny zavatra atao mamaritra mampiavaka ny lehilahy sy ny vehivavy. Ohatra, ny olona sasany dia mety hatahotra hoe tsy mifanaraka amin’ny zavatra andrasana amin’ny toetra ara-biôlôjika maha lahy na maha vavy azy ny zavatra mahaliana azy sy ny zavatra hainy. Tsy voatery hidika akory izany hoe misaraka ny toetra ara-biôlôjika maha-lahy na maha-vavy azy sy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy ny tenany. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa singa maro no manome ny maha isika antsika manontolo, ka tafiditra amin’izany ny maha isika antsika araka an’ Andriamanitra, ny toetra ara-biôlôjika maha lahy na maha vavy antsika, ireo toetra nomena, ny fahaizantsika manao zavatra, ireo faniriana ary ireo safidy ataontsika.

Na dia takatsika aza ireo fahamarinana mandrakizay momba ny maha lahy na maha vavy, ireo zava-misy sarotra eo amin’ny fiainantsika dia mety hiteraka fanontaniana na toe-javatra sarotra. Eritrereto ireto zavatra manaraka ireto:

  • Noho ny antony tsy tena takatra dia misy olona sasany amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainany “miaina fahasorenana noho ny fahatsapana tsy fitoviana eo amin’ny toetra ara-biôlôjika maha-lahy na maha-vavy azy sy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy ny tenany. Noho izany izy ireo dia mety hahatsapa ny tenany ho transgenres. Tsy manana hevitra ijoroana mikasika ireo antony mahatonga ny olona hahatsapa ny tenany ho transgenres ny Fiangonana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany38.6.23).

  • Ny olona sasany dia mety tsy ahazo aina na sorena amin’ireo zavatra andrasana ara-kolontsaina na ara-tsôsialy mifandray amin’ny toetra ara-biôlôjika maha lahy na maha vavy azy ireo.

  • Araka ny voamarika ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, “Amin’ny tranga izay tena mahalana dia misy zaza teraka izay tsy fantatra mazava tsara na lahy izy na vavy” (38.7.7). Tsy hay fantarina ny fitaovam-pananahany noho ny tsy fahatomombanan’izany. Mety hisy fiantraikany na tsia amin’ny fahatsapany ny maha lahy na maha vavy an’ilay olona io toe-javatra io, sy ny fomba handraisan’ny ray aman-dreny na ireo mpanoro hevitra ara-pahasalamana azy.

Araka ny fanamarihana ao amin’ny zavatra iray navoakan’ny Fiangonana mikasika ny lohahevitra hoe transgenre, ny olona izay manao ny tenany ho transgenre dia “miatrika fanamby sarotra.” “Tokony hahazo ny fitiavan’i Kristy tahaka ny zanak’ Andriamanitra rehetra izy ireo ary tokony ho raisina amim-pitandremana sy amin-katsaram-panahy ary amim-pangorahana” (“Transgender: Do I Belong as a Member of the Church?,” ChurchofJesusChrist.org). Aza avela hibaiko ny fomba fifandraisantsika amin’ny hafa ny tsy fahatakarana na ny fitsarana diso, fa afaka “miezaka mijery ny hafa amin’ny alalan’ny mason’i Kristy isika” (“Transgender: What Can I Do to Show Christlike Love?,” ChurchofJesusChrist.org).

Sary
tanora miresaka
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no fomba ahaizako misaina sy mihaino rehefa miresaka momba ny maha-lahy na maha-vavy amin’ny hafa sy rehefa mandinika ny zava-misy saropady eo amin’ny olona hafa izay mety ho fantatro na hifandray amiko?

Fizarana 3

Ahoana raha toa ka manana fanontaniana momba ny fahatsapako ny maha lahy na maha vavy ahy aho?

Raha manana fanontaniana momba ny maha lahy na maha vavy anao ianao na manana fahatsapana ho tsy mitovy amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy anao ny maha lahy na maha vavy anao, dia fantaro fa tian’ny Rainao any An-danitra sy ny Mpamonjy anao ianao. Eo foana Izy Ireo ho anao. Diniho ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany manampy sy mankahery anao. Ireo loharanom-pahalalana momba ny Transgenre izay navoakan’ny Fiangonana dia mizara ireto fahamarinana sy fampahatsiahivana manan-danja ireto:

Manana fahatakarana tonga lafatra ny toe-javatra miavaka iainantsika ny Mpamonjy. Noho isika mety maty dia voafetra ny fahatakarantsika. Afaka manambara miaraka amin’i Nefia isika fa “fanta[tsika] fa tia ireo zanany [Andriamanitra]; na dia eo aza izany, dia tsy fanta[tsika] ny hevitry ny zava-drehetra” (1 Nefia 11:17). (“Transgender: Does the Savior Really Understand What I’m Going Through?,” ChurchofJesusChrist.org)

Tsy ny olona rehetra manodidina anao no tonga lafatra amin’ny fanehoana fitiavana, na fangorahana, na firaharahiana. Amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mora ny mahita fanafintohinana na manafintohina. Mety mahatonga antsika ho mora tohina tsy nahy noho ny teny diso toerana na fanehoan-kevitra diso ireo fanamby goavana. Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mianatra sy eo an-dalam-pivoarana avokoa isika rehetra. (“Transgender: Do I Belong as a Member of the Church?,” ChurchofJesusChrist.org)

Nampianatra ihany koa ny Rahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany hoe:

Sary
Rahavavy Michelle D. Craig

Samy hafa endrika sy ahitana tsy fitoviana ireo Olomasin’ny Andro Farany, saingy “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” [2 Nefia 26:33]. … Na iza ianao na iza, na inona na inona olana atrehanao, dia voasa ho eo amin’ny latabatry ny Tompo ianao. (“Fahafahana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 21).

Matokia fa ny fitahian’ny filazantsara rehetra dia misy ho an’izay misafidy ny hankatò ny didin’ Andriamanitra. “Afaka manome fanantenana an’ Andriamanitra ianao ary mitandrina izany” sy “mandeha ao amin’ny fahazavany sy mandray anjara ao amin’ny Fiangonany” na mahatsapa na tsy mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy ny maha lahy na maha vavy (“Transgender: How Can I Contribute to the Lord’s Kingdom?,” ChurchofJesusChrist.org).

Ny Boky torolalan’ny Fiangonana dia manamarika fa “ireo olona transgenres izay tsy manaraka fitsaboana, na fandidiana na ny fanovana ny mombamomba ny tena entina hiovana ho lahy na hiovana ho vavy ka mendrika dia afaka mandray antso ao amin’ny Fiangonana, sy fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary ireo ôrdônansin’ny tempoly” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.6.23). (Fanamarihana: “Tafiditra ao anatin’ny fanovana ny mombamomba ny tena ny fanovana ny fomba fitafy na fihaingo, na fanovana anarana na solon’anarana entina hanehoana ny tena ho olona hafa amin’ny toetra maha-lahy na maha-vavy ny tena tamin’ny nahaterahana” [Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.6.23].) Raha te hahatakatra kokoa ny momba izany ianao dia miresaha amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao.

Na dia tsy mifanohitra amin’ny fitsipika na ny fotopampianaran’ny Fiangonana aza dia mety hametra ny fahafahanao mahatratra ny tanjonao mandrakizay ny filazana ny tenanao ampahibemaso ho transgenre. Hoy ny fampitandremana nomen’ny Filoha Oaks hoe:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Mitandrema amin’ny fomba amaritanao ny tenanao. … Ny hany toetra tokana tokony hamaritra antsika dia ny hoe zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra isika. Izany fahamarinana izany dia ambony lavitra noho ny toetra hafa rehetra. (“How to Define Yourself,” New Era, June 2013, 48)

Zanak’ Andriamanitra afaka ny hahazo ny fiainana mandrakizay ny tsirairay avy amintsika. Ny anarana fiantsoana hafa rehetra … dia zavatra mandalo na tsy manan-danja raha jerena amin’ny fomba fijery mandrakizay. Aza misafidy ny hanome anarana ny tenanao na mieritreritra ny tenanao amin’ny fomba izay manisy fetra ny tanjona izay azonao ezahina tratrarina. (“Hitondra mankaiza izany?Ensign, May 2019, 62)

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ihany koa izao fanomezan-toky izao:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Manana fanomezam-pahasoavana ny tsirairay, manana talenta ny tsirairay ary afaka mitondra anjara biriky ao amin’ilay drafitra masina navelatra isaky ny taranaka tsirairay. … Maro dia maro aminareo no manao ny tsara indrindra vitanareo. Ary rehefa mijoro hiaro ny drafitr’ Andriamanitra mba hampisandratra ny zanany ianareo izay mizaka ny enta-mavesatra indrindra eto amin’ny fiainana an-tany, dia vonona ny hiara-dia isika rehetra. Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany dia honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha handray kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany. (“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?,” Liahona, mey 2015, 52)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ato amin’ity lesona ity sy ny finoana an’i Jesoa Kristy manampy anao na ny olona iray fantatrao miresaka momba ireo fanontaniana mahakasika ny maha lahy na maha vavy?

Hamoaka printy