Institiota
Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miady amin’ny pôrnôgrafia


“Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miady amin’ny pôrnôgrafia,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Sary
olon-dehibe iray mitazana renirano

Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Miady amin’ny pôrnôgrafia

Nomen’ny Raintsika any An-danitra antsika ny vatantsika sy ny fahatsapana filana ara-nofo ho toy ny fanomezam-pahasoavana masina hanampiana antsika hanatontosa ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika. Fomba iray hakan’i Satana fanahy antsika tsy hampiasa tsara ireo fanomezam-pahasoavana ireo ny fanentanany antsika hijery pôrnôgrafia, izay “zavatra rehetra maneho an-tsary na an-tsoratra ka natao hanaitra ny filana ara-nofo” (Sujet de l’ Evangile, “Pornographie,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao hanana hery hanoherana ny fitarihana manimban’ny pôrnôgrafia na hahasitranana amin’izany.

Fizarana 1

Inona no ampianarin’ny Tompo mikasika ny fanoherana ny pôrnôgrafia?

Nampianatra momba ny fihanaky ny pôrnôgrafia ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Ny tena anton’ny fitomboan’ny olan’ny pôrnôgrafia dia satria ao anatin’izao tontolo izao ankehitriny dia hita eny rehetra eny ireo teny sy sary vetaveta : ahitana izany ireo horonan-tsary, ireo fandaharana amin’ny fahitalavitra, ireo tambazotra ifaneraserana, ireo hafatra an-tsoratra, ireo applications ao anaty finday, ireo dokam-barotra, ireo boky, ireo hira ary ireo resaka ifanaovana andavanandro. Noho izany dia tsy azo ihodivirana fa voahodidin’ireo hafatra mamoha fady tsy tapaka isika rehetra. (“Afaka amin’ny fandriky ny Pôrnôgrafia,” Liahona, ôkt. 2015, 32)

Manitsakitsaka ny fahamasinan’ny toetra tahaka ny an’ Andriamanitra ao amintsika sy ny vatantsika ary ny fananahantsika ny famokarana sy fampiasana ny pôrnôgrafia. Ny zavatra navoakan’ny Fiangonana vao tsy ela dia nilaza hoe: “Manafika ny fahasambarantsika miaraka amin’ny hafatra diso mikasika ny fananahana ny pôrnôgrafia. Ny firaisana ara-nofo madio dia afaka mitarika antsika hahita fahasambarana sy fifandraisana, saingy ny pôrnôgrafia dia mahatonga antsika ho irery sy mahatonga antsika ho malahelo. Mandoto ny hafa ny pôrnôgrafia, mandrisika ny filana fahafaham-po mifono fitiavan-tena ary mandiso ny fiheverana ny fananahana. Manimba antsika ara-batana sy ara-tsaina, ary ara-piarahamonina ary ara-panahy izany” (“How Does Using Pornography Affect Me?,” ChurchofJesusChrist.org).

Rehefa nanao ny Toriteny teo an-tendrombohitra ny Mpamonjy dia nanazava ny lalàna ambony kokoa izay antenainy fa hiainan’ny mpianany. Nampianatra toy izao Izy rehefa nampitandrina ny amin’ny fahotana ara-nofo hoe: “Na zovy na zovy no mijery vehivavy iray, ka mitsiriritra azy, dia efa nanao fijangajangana tao am-pony sahady izy” (Matio 5:28; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16).

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia naka io soratra masina avy ao amin’ny Matio io ary nampianatra mikasika ny fampiharana izany amin’ny fanoherana ny pôrnôgrafia:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Azo antoka fa tsy misy “didy,” raha afaka mampiasa izany teny izany isika, afaka miresaka mivantana kokoa momba ny fahotan’ny pôrnôgrafia sy manameloka izany mihoatra noho io andalan-tsoratra masina io! Tsy hay ny tsy hanontany tena raha toa i Kristy tany amin’ny mitataovovonan’ny fotoana ka mety nahita loza amin’ny andro farany tahaka izao, tsy mitovy fa tena mihoatra lavitra noho izay mety ho endrika vetaveta na mahamenatra mety ho nifanomezan’ny lehilahy na vehivavy iray tamin’ireo taonjato mialoha ny nisian’ny sary sy ny sarimihetsika ary mialoha ny internet. (“The Plague of Pornography” [address given at the Utah Coalition against Pornography, Mar. 12, 2016], utahcoalition.org)

Sary
zatovo iray mijery finday

Rehefa mamaky ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity ianao dia tadiavo ny zavatra hanasany antsika hotakarina eo amin’ireo ezaka ataontsika hiadiana amin’ny fakam-panahin’ny pôrnôgrafia.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Rehefa takatsika ny toetoetra sy ny tanjontsika eto an-tany sy ny maha-tempolin’ Andriamanitra ny vatantsika dia ho fantatsika fa faniratsirana ny mamela zavatra hiditra izay mety handoto ny vatantsika. Tena tsy fanajan-tena ihany koa ny mamela ny fijery na ny retsiky ny fahatsapana na ny fihainoana hameno ny atidohantsika amin’ireo fahatsiarovana izay tsy madio sy tsy mendrika. Tsy maintsy holalaintsika ny fahadiovam-pitondrantenantsika ka ialantsika ny “filana maro tsy misy antony sady mandratra izay mandentika [antsika] ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana” [1 Timoty 6:9]. Isika dia “[h]andositra izany zavatra izany; ka miezaka mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, [ary] fahalemem-panahy” [1 Timoty 6:11]—ireo toetra ireo no manorina ny maha-olona manontolo. (“Votre corps: un don magnifique à chérir,” Le Liahona, Août. 2019, 5–6)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana ny fomba hanampian’ny fahatakarana ny toetra tahaka ny an’ Andriamanitra ao amintsika sy ny tanjontsika sy ny an’ireo hafa hanohitra ny pôrnôgrafia?

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana no ahafahako manohitra ny fakam-panahin’ny pôrnôgrafia?

Miatrika fakam-panahy avokoa isika rehetra rehefa miezaka miaina fiainana mendrika. Tsarovy fa i Jesoa Kristy dia “nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa [nitoetra] tsy nanana ota” (Hebreo 4:15). Mahatakatra ny zavatra mahazo antsika Izy ary afaka manampy antsika hanohitra fakam-panahy.

Sary
Vehivavy iray mivavaka
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ao amin’ireo soratra masina ny Tompo dia nanome fitsipika izay azontsika ampiharina mba hiarovana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ny zava-dratsy toy ny pôrnôgrafia (jereo ny Almà 39:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46). Ohatra, samy niatrika fakam-panahy nitondra tany amin’ny fahotana ara-nofo i Josefa tany Egypta sy i Davida Mpanjaka. Vakio ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina na izy roa ary eritrereto ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ireo lehilahy roa ireo: Genesisy 39:7–12; 2 Samoela 11:1–5 (na azonao jerena ilay horonan-tsary “To Look Upon” [4:15], izay maneho ny zavatra niainan’i Davida). Hevero ny hamaky manontolo ny 2 Samoela 11 sy ny 2 Samoela 12:1–10, ary eritrereto ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny fiezahan’i Davida Mpanjaka hanafina ny fahotany.

Nanome torohevitra toy izao ny Filoha Oaks:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Ataovy izay rehetra azonareo atao hialana amin’ny pôrnôgrafia. …

Aza ekena na ny ambaratonga ambany indrindran’ny fakam-panahy aza. Sakano ny fahotana ary sorohy ny fotoana hifanatrehana amin’ny faharavana tsy azo ialana aterak’izany. Noho izany, ialao izany! Aza mitodika any intsony! Sorohy amin’ny fomba rehetra izany. Ampitodiho any amin’ny lalana mahasoa ny eritreritrareo. (“La Pornographie,” Le Liahona, Mai 2005, 90)

Ny olona sasany dia mampiasa sivana amim-pahendrena na loharano hafa ivelany mba hanampy azy ireo hisoroka ny pôrnôgrafia. Nampianatra ny Rahavavy Linda S. Reeves, izay tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha mikasika ny sivana lehibe indrindra ho antsika hoe:

Sary
Rahavavy Linda S. Reeves

Fitaovana tena manampy be ny logiciel manao sivana saingy ny sivana lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao, ilay hany tokana izay tena handaitra dia ny sivana manokana ao anaty, izay tonga avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona lalina sy maharitra momba ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika ho an’ny tsirairay amintsika. (“Fiarovana amin’ny Pôrnôgrafia—Tokantrano mifantoka amin’i Kristy,” Liahona, Mey 2014, 16)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ombam-bavaka ireo dingana azonao atao hanamafisana ny fanoheranao ny pôrnôgrafia.

Fizarana 3

Ahoana no ahafahako mandray ny herin’ny Mpamonjy mba ho sitrana amin’ny voka-dratsin’ny pôrnôgrafia?

Samy voafandriky ny pôrnôgrafia na ny lehilahy na ny vehivavy. Ho an’ny olona sasany ny pôrnôgrafia dia tsy hoe manome fahafaham-po ny filan’ny nofo fotsiny ihany. Fa izany dia nataony hamaliana ny filany faran’izay lalina. Izany dia mety ataony fomba hiatrehana ny adin-tsaina sy ny tsy fahazoan’aina, ny fanirery, ny fahasorenana, ny havizanana, ny fitaintainana, ny fiasan-tsaina na ny fahatsapana ho lavina na tsy asiana dikany.

Sary
lehilahy iray mieritreritra lalina

Rehefa tratran’ny hodinkodina manimban’ny pôrnôgrafia ny olona sasany dia manomboka mahatsapa ho menatra na very fanantenana ny amin’ny fahafahan’izy ireo hiova sy ho sitrana. Mety mahatsapa ho voafandrika izy ireo. Miezaka manafina ny fahotany ny olona sasany. Ho an’ireo izay voaratra noho ny fampiasan’ny olona iray hafa ny pôrnôgrafia, ny fahatsapana ho voafitaka na ho meloka na ny fahatsapana fahatezerana dia mety havesatra.

Nampianatra tamim-panomezan-toky ny Rahavavy Reeves mikasika ny hery manasitran’ny Tompo:

Sary
Rahavavy Linda S. Reeves

Raha toa ka tafalatsaka ao amin’ny fandriky ny pôrnôgrafian’i Satana ianareo dia tadidio fa be famindrampo ny Mpamonjy malalantsika. Mba tsapanareo ve ny halalin’ny fitiavan’ny Tompo anareo na amin’izao aza? Manana ny hery hanadiovana sy hanasitranana anareo ny Mpamonjy. (“Fiarovana amin’ny Pôrnôgrafia—Tokantrano mifantoka amin’i Kristy,” 15)

Sary
Touch of Faith (Fikasihana avy amin’ny finoana), nataon’i Simon Dewey
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Hitantsika ao amin’ny bokin’i Lioka ny mikasika ilay vehivavy iray izay nijaly nandritra ny 12 taona fa “narary nandeha ra” (Lioka 8:43), izay tsy sitran’ny dokotera sy ny olona rehetra izay nalehany. Vakio ny Lioka 8:43–48, ary eritrereto ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’io vehivavy io mikasika ny fikatsahana fanasitranana amin’ny alalan’ny Mpamonjy.

Raha niresaka mikasika io tantara io ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ity vehivavy mahatoky sy mifantoka ity dia nila nanao ny ezaka faran’izay tratrany mba hahazoany ny herin’ny Mpamonjy. …

Rehefa miandrandra ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo toy ireny olona mitady hilentika mitady vonjy sy mila rivotra ireny ianareo dia hahazo ny hery avy amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mahafantatra ny Mpamonjy fa tena miandrandra Azy marina ianareo, rehefa tsapany fa ny fanirianareo lehibe indrindra dia ny hisintona ny heriny ho eo amin’ny fiainanareo, dia hotarihin’ny Fanahy Masina ianareo hahafantatra mazava tsara ny zavatra tokony hataonareo [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63

Rehefa manao ezaka ara-panahy mihoatra noho izay efa vitanareo teo aloha ianareo dia hikoriana ao aminareo ny heriny. (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, May 2017, 41–42)

Raha toa ianao manana olana amin’ny pôrnôgrafia na voaratra noho ny fampiasan’olon-kafa pôrnôgrafia dia mila hery bebe kokoa noho ny herinao manokana ianao mba ho sitrana amin’ny vokatr’izany. Mila ny herin’ny Tompo ianao.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Makà fotoana kely handalinanao loharanom-pitaovana iray izay mahaliana anao ao amin’ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa?” ao amin’ity tahirin-kevitra hoenti-manomana ity. Mivonòna hizara ny zavatra ianaranao amin’ny mpianatra.

Hamoaka printy