“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny didy hihamaro sy hameno ny tany,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Ny didy hihamaro sy hameno ny tany
Inona no fanantenana na tahotra anananao momba ny fananana zanaka? Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra manaraka ity ianao dia mivavaha mba hampahalalina kokoa ny fahatakaranao ireo tanjona masina izay tanteraka ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra rehefa misafidy ny hanan-janaka ny mpivady. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny mpivady manao asa amim-pinoana hanajana ilay didin’ Andriamanitra mba hihamaro sy hameno ny tany.
Fizarana 1
Inona no anjara asan’ny fananan-janaka ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena?
Eritrereto ireo hevitra samihafa efa renao nolazain’ny olona momba ny fananan-janaka. Nizara ny fomba fijerin’ny reny iray ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Maro ny feo eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izay manao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka na manoro hevitra ny hanemorana na hamerana ny zanaka ao anatin’ny fianakaviana iray. Vao tsy ela akory izay ireo zanako vavy no nampiseho ahy ny blaogy iray nosoratan’ny reny Kristianina iray (avy amin’ny antokom-pinoana hafa) manan-janaka dimy. Izao no nolazainy: “[Raha lehibe ato] amin’ ity kolontsaina ity, dia tena sarotra ny mahita ny fomba fijery ara-baiboly ny amin’ny maha-reny. … Ny toeran’ny zanaka dia ambany lavitra noho ny fandratoana fianarana. Ambany noho ny fitetezana izao tontolo izao, mazava ho azy. Ambany noho ny fahafahana mandeha mivoaka amin’ ny alina manao izay mahafinaritra anao. Ambany noho ny fanatsarana ny vatanao any amin’ ny toerana fikotranana. Ambany noho izay mety asa anananao na irinao ho azo.” Nampiany izany avy eo hoe: “Ny maha-reny dia tsy fialamboly, fa antso. Tsy manangona zanaka ianao satria hoe hitanao fa mahafatifaty noho ny hajia izy ireny. Tsy hoe zavatra azonao atao rehefa mba manam-potoana kely iny izany. Fa ny hanan-janaka no antony nanomezan’ Andriamanitra fotoana ho anao, “Motherhood Is a Calling (and Where Your Children Rank),” 14 jolay 2011, desiringgod.org]. (“Zanaka,” Liahona, nôv. 2011, 28)
Rehefa avy namorona an’i Adama sy i Eva Andriamanitra sy nampiray azy ireo tao anatin’ilay fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana dia nanome didy azy ireo.
Nohamafisin’ireo mpaminanin’ny andro farany izany manao hoe: “Ny didy voalohany izay nomen’ Andriamanitra an’i Adama sy i Eva dia momba izay mety haha-ray aman-dreny azy amin’ny maha-mpivady azy. Ambaranay fa ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao;” ChurchofJesusChrist.org).
Eritrereto ny antony ilana ny fanamafisana indray io didy io amin’izao androntsika izao. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny fanoherana mahery vaika indrindra ataon’i Satana dia mikendry izay tena manan-danja indrindra amin’ny drafitr’ Andriamanitra.” Tafiditra ao anatin’io fanoherana io ny fikatsahana “ny hampihemotra ny fananan-janaka indrindra fa izay avy amin’ny ray aman-dreny izay hitaiza zanaka ao amin’ny fahamarinana” (“Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 27).
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome antsika fomba fijery araka an’ Andriamanitra mikasika ny lanjan’ny fananan-janaka (jereo ohatra ny Salamo 127:3 sy ny Matio 19:13-15). Nampianatra ny Loholona Andersen hoe:
Tena voninahitra lehibe ho an’ny mpivady izay afaka manan-janaka ny manome vatana ho an’ireo fanahy zanak’ Andriamanitra ireo. …
Rehefa ateraky ny mpivady ny zaza iray, dia manatanteraka ny ampahan’ny drafitry ny Raintsika any an-danitra izy ireo, dia ny hitondra zanaka ho ety an-tany. Hoy ny Tompo hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” [Mosesy 1:39]. Mialoha ny tsy fahafatesana, dia tsy maintsy misy ny fiainana an-tany. (“Ankizy,” 28)
Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo fa ny fananan-janaka dia anisan’ny tanjon’ny fiainana an-tany:
Ny tanjon’ny fiainana an-tany dia ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra bebe kokoa amin’ny fahazoana vatana , sy ny fampiasana ny fahafahana misafidy ary ny fandraisana ny andraikitra izay an’ireo ray aman-dreny any an-danitra ihany teo aloha, dia ny andraikitra maha-vady sy maha-ray aman-dreny izany. …
… Anisan’ny tanjona iray eo amin’ny fiainana an-tany ny mba hahafahantsika manokana mamerina izany fiainam-pianakaviana izany, saingy amin’ity fotoana ity dia mba ho ray aman-dreny fa tsy zanaka fotsiny. …
Tian’ny Ray any An-danitra … hankatò ilay didiny voalohany isika dia ny “hihamaro sy hameno”—tsy hoe hanatanteraka ny drafiny fotsiny fa mba hahita ilay fifaliana izay natao mba homen’ilay drafiny ho an’ireo zanakalahiny sy zanakaviny koa. (“The Opportunities and Responsibilities of CES Teachers in the 21st Century” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 26 feb. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
Fizarana 2
Ahoana no hanapahanay mivady ny fotoana hananan-janaka sy ny isan’ny zanaka tianay hananana?
Miatrika fanontaniana manan-danja ireo mpivady hoe rahoviana no tokony hanan-janaka ary firy no tokony hananana?
Niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fakana hevitra amin’ny Tompo ny Loholona Andersen eo am-pandraisana ireo fanapahan-kevitra ireo:
Ny hoe rahoviana no hanan-janaka na firy ny isan’ny zaza hateraka dia fanapahan-kevitra manokana ataon’ny mpivady sy ny Tompo. Fanapahan-kevitra masina izany—fanapahan-kevitra tokony hatao amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo ary tanterahina amim-pinoana lehibe. …
Ry rahalahy sy anabavy, tsy tokony hifampitsara isika eo amin’io andraikitra masina sy an’ny tena manokana io. (“Ankizy,” 28, 30)
Ny olona sasany izay manana faniriana marina ny hanan-janaka dia mety tsy hanana izany fahafahana izany mandritra ity fiainana ity. Raha ny mikasika izany dia nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Andersen:
Ny fiterahana dia mety ho lohahevitra mahavaky fo ho an’ ireo mpivady izay mahafantatra fa izy ireo dia tsy afaka ny hanana ireo zanaka izay efa nantenain’izy ireo mafy, na ho an’ny mpivady izay nihevitra ny hanana fianakaviana misy zanaka maro kanefa dia fianakaviana kelikely kokoa no azony.
Tsy afaka ny hanana fanazavana foana ireo zava-tsarotra lalovantsika eto amin’ny fiainana an-tany isika. Indraindray ny fiainana dia toa tena miangatra izany—indrindra rehefa hoe ny faniriantsika lehibe indrindra dia ny hanao araka izay handidian’ny Tompo. Amin’ ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia manome antoka anareo aho fa marina ity fampanantenana ity: “Ireo mpikambana mahatoky izay sendra ny toe-javatra tsy mamela azy ireo handray ny fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny maha-ray aman-dreny eto amin’ity fiainana ity dia handray ireo fitahiana rehetra nampanantenaina any amin’ny mandrakizay, raha mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra” [Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.1.4, ChurchofJesusChrist.org]. (“Ankizy,” 30)
Fizarana 3
Miantraika amin’ny safidintsika amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny fahamasinan’ny aina ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra?
Tamin’ny alalan’ireo mpaminany velona ny Tompo dia nanantitrantitra ny maha-masina ny fiainan’ny olombelona sy ny zo ananan’ireo zanaka rehetra, tafiditra ao anatin’izany ireo izay mbola tsy teraka:
Hizingizininay ny fahamasinan’ny fiainana sy ny maha-zava-dehibe izany eo amin’ny drafitra mandrakizay an’Andriamanitra. …
… Natao ho teraka ao anatin’ny fanambadiana ny ankizy, ary hotezain’ny ray sy ny reny izay manaja ny voady nataony tamin’ny fanambadiana amim-pahatokiana tanteraka. (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”)
Raha mikasika ny fahamasinan’ny fiainana dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Tsy misy olona mamihina zaza tsy manan-tsiny, mijery ireo masony mahafatifaty, mitsapa ireo ratsantanana keliny, ary manoroka ny takolak’izany zaza izany ka tsy haneho fanajana lalina ny fiainana sy ny Mpahary antsika. Avy amin’ny fiainana no ahatongavan’ny fiainana. Tsy tongatonga ho azy izany. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra izany. (“Abortion: An Assault on the Defenseless,” Ensign, Oct. 2008, 37)
Ireo fanambarana ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia manohitra fomba fanao maro izay eken’ny besinimaro ankehitriny, toy ny fanalan-jaza sy ny fananan-janaka ivelan’ny fanambadiana. Raha ny mikasika ny fanalan-jaza, any amin’ny toerana maro eto amin’izao tontolo izao, dia raisina ho azo ekena izany, ary fanalan-jaza an-tapitrisany no tanterahina isan-taona.
Ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia nanolotra izao toromarika manaraka izao momba ny fanalan-jaza:
Nandidy ny Tompo hoe: “Tsy … hamono olona [ianao], na hanao zavatra toy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6). Ny Fiangonana dia manohitra ny fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka noho ny fikatsahana izay maha-metimety ny tena na maha-metimety eo amin’ny fiaraha-monina. Ny mpikambana dia tsy mahazo manaiky ny ho alana zaza, na hanatanteraka izany, na hanao izay hahatontosana izany, na hanaiky ny hanaovana izany, na hamporisika ny fanaovana izany. Ny hany toe-javatra mety maningana amin’izany dia rehefa:
Vokatry ny fanararaotana ara-nofo na ny fivadiana amin’ny olom-pady (mpianaka na mpianadahy) ilay vohoka.
Manapa-kevitra ny mpitsabo iray manam-pahaizana manokana momba izany fa tandindomin-doza ny aina sy ny fahasalaman’ilay renim-pianakaviana.
Manapa-kevitra ny mpitsabo iray manam-pahaizana manokana momba izany fa misy fahasamponana lehibe eo amin’ilay zaza ao an-kibo ka tsy hahafahan’ilay zaza hiaina aorian’ny fahaterahany.
Kanefa na dia ireo toe-javatra maningana ireo aza dia tsy tonga dia manamarina avy hatrany ny fanalan-jaza. Tena zava-doza ny fanalan-jaza ka tsy tokony hoheverina ny hanaovana izany raha tsy efa niresaka tamin’ny evekan’izy ireo ny olona iray tompon’andraikitra ary nahazo fanamafisana avy amin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka. (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.6.1)
Ny ray aman-dreny sasany tsy vita fanambadiana dia misafidy ny fanalan-jaza satria mahatsapa ho tsy afaka manolotra ho an’ny zanany ny “fifandraisana azo antoka sy feno fikolokoloana ary tsy miova” izay ilainy izy ireo. Amin’izany toe-javatra izany ny fananganan-jaza dia afaka ny ho “fanapahan-kevitra tsy misy fitiavan-tena sy feno fitiavana … hitahy ilay zaza sy ny ray aman-dreny niteraka azy ary ireo ray aman-dreny izay hanangana azy eto amin’ity fiainana ity sy mandritra ny mandrakizay” (Fanambarana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 4 ôkt. 2006, araka ny voalaza ao amin’ny Ensign, 4 ôkt. 2008, 37).