Seminera
Fampahafantarana ireo Fotopampianarana Fototra


Fampahafantarana ireo Fotopampianarana Fototra

Ity manaraka ity no lisitr’ireo Fotopampianarana fototry ny filazantsara

  • Ny Andriamanitra

  • Ny drafitry ny famonjena

  • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

  • Fotoampitantanana sy apôstazia ary famerenana amin’ny laoniny

  • Mpaminany sy fanambarana

  • Fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana

  • Ôrdônansy sy fanekempihavanana

  • Fanambadiana sy fianakaviana

  • Ireo didy

Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia katsaho ny hahita, hahatakatra, hino, hanazava ary hampihatra ireo fotopapianarana fototry ny filazantsara ireo. Hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny fanaovana izany ary hampitombo ny fankasitrahanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ny laoniny. Hanampy anao ihany koa ho vonona kokoa hiaina ny filazantsara sy hampianatra ireo fahamarinana manan-danja ireo amin’ny hafa ny fianarana ireo Fotopampianarana fototra ireo. Misy fotopampianaran’ny filazantsara hafa ihany koa horesahina ato anatin’ity boky ity, na dia tsy voatanisa ao amin’io lisitr’ireo Fotopampianarana fototra io aza.

Hamoaka printy