Fampahafantarana ny fandaharam-pianaran’ny seminera ho an’ny mpianatra any an-trano
Ny fandaharam-pampianaran’ny seminera ho an’ny mpianatra any an-trano dia novolavolaina mba hanampiana anao hanamafy orina ny fahatakaranao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hampihatra ny fampianarana ao anatin’izany eo amin’ny fiainanao andavanandro amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. Mandritra ny fandalinana ataonao amin’ity taom-pianarana ity dia ho vitainao aloha ireo vakiteny asaina atao avy ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina ho an’ity taranja ity, dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary avy eo dia hamita ireo lesona tsirairay ianao. Hihaona amin’ny mpampianatra seminera iray ianao indray mandeha isan-kerinandro mba hanoloranao ny asanao sy hanatrehanao ny kilasy fanao isan-kerinandro.
Ny seminera dia fandaharam-pampianarana ara-pivavahana atao isan’andro. Ny fandalinanao soratra masina ombam-bavaka dia tokony ho zavatra atao isan’andro. Tokony hanao ny asa nampanaovina anao ao amin’ny seminera ianao isaky ny andro fianarana na dia tsy manatrika kilasin’ny seminera isan’andro aza. Misy fizarana 32 natao ho vitainao mandritra ny fianarana ity taranja ity. Ny rindran-damina famakiana no mampiseho izay tokony hohalalininao ao amin’ny fizarana tsirairay. Ny mpampianatra anao no hanampy anao hahafantatra ny fe-potoana hamitana ny fizarana tsirairay. Ireo lesona tsirairay ato amin’ity boky fandalinana ity dia tokony ho vita ao anatin’ny 30 minitra, ankoatra ny fandalinanao soratra masina isan’andro.
Tokony hanana diary anankiroa fandalinana soratra masina ianao (na kahie fandraisana naoty roa), ankoatra ny diarinao manokana, ary ao anatin’izany no hanoratanao ireo asa nasaina natao ao amin’ireo atrik’asa ato amin’ny boky fandalinana. Isaky ny herinandro izay hihaonanao amin’ny mpampianatra anao dia tokony homenao azy ilay diary fandalinanao soratra masina izay misy ireo asa nampanaovina vita avy tamin’ireo atrik’asa ao amin’ny boky fandalinana notanterahinao tamin’io herinandro io. Hamaky izany ny mpampianatra anao sy hitsara ireo asa nampanaovina ary hamerina izany diary fandalinana soratra masina izany aminao ny herinandro manaraka. Azonao soratana amin’ny taratasy mitokana nosintonina avy ao amin’ny fampirimana taratasy ny valinteninao ary alefanao ireo pejy vitanao tamin’izany herinandro izany. Avy eo rehefa averin’ny mpampianatra anao ireo pejy ireo dia azonao averina ao amin’ilay kahie indray izany.
Fampiasana ity boky torolalana ity ho an’ny fandaharam-pianaran’ny seminera isan’andro
Ity boky ity dia azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra ampiasaina amin’ny fandaharam-pianaran’ny seminera isan’andro mba hanatsarana ny lesona na rehefa manenjika lesona tsy vita. Na izany aza anefa dia tsy natao homena ny mpianatra seminera mianatra isan’andro izy ity. Raha mila manenjika lesona iray ny mpianatra iray mba hahafahany mahazo fahamendrehana dia azon’ny mpampianatra atao ny mangataka azy mba hamita ilay lesona ao amin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny mpianatra any an-trano izay mifandray amin’ilay lesona tsy tratrany.
Fampiasana ny Boky Fandalinana ho an’ny mpianatra amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano
Fampahafantarana ny Lahatsoratry ny Soratra Masina
Ny fampahafantarana dia manome fampahalalana ny zava-miseho sy ny famintininana ny lahatsoratry ny soratra masina ho an’ny lesona tsirairay.
Andinin-tsoratra masina natambatra sy famintinana ny zava-miseho na ny fampianarana
Ny andinin-tsoratra masina natambatra dia maneho ireo fiatoana miseho ho azy rehefa misy fiovana eo amin’ny zavatra mitranga na ny lohahevitra. Ny tsirairay amin’izany dia arahin’ny famintinana fohy ny zava-mitranga na fampianarana ao amin’ireo andininy.
Fotopampianarana sy fitsipika
Rehefa misy fotopampianarana sy fitsipika mivoaka ho azy avy amin’ny lahatsoratry ny soratra masina dia voasoratra amin’ny tarehintsoratra matevina izy ireny ao amin’ny lesona mba hanampiana anao hamantatra izany.
Fanampiana amin’ny fandalinana
Ny fanampiana amin’ny fandalinana dia manome hevi-baovao ary manazava ireo fampiharana izay afaka manatsara ny fandalinana ataonao sy ny fahatakaranao ny soratra masina.
Soratra Masina Fehezina
Ny andinin-tsoratra masina fehezina tsirairay amin’ireo 25 hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia voaboasana manokana ao amin’ny lesona misy azy mba hanampiana anao hanatevina ny fifehezana azy.
Firaketana ny Valiny ao amin’ny Boky Fandalinana
Indraindray ianao dia hangatahina hanoratra ny valinteny eo amin’izay faritra banga ao amin’ny boky na ao anaty tabilao iray.
Asa ampanaovina ao amin’ny diary fandalinana soratra masina
Ireo asa ampanaovina ao amin’ny diary fandalinana soratra masina dia natao hosoratana ary homena ny mpampianatra anao isan-kerinandro mba hanaovany tatitra aminao. Ny fandinihanao am-pitandremana ireo valinteninao dia hanampy anao hanana traikefa manan-danja rehefa mianatra sy mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina ianao.