Seminera
Fizarana 29: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–35


Fizarana 29: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–35

Fampidirana

Tamin’ny 3 nôvambra 1831, roa andro taorian’ny nitarihan’ny Tompo an’i Joseph Smith mba hamoaka ny Bokin’ny Didy (jereo ny F&F 1, sasin-tenin’ny fizarana), dia nahazo ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 ny Mpaminany. Nampidirina ho tovana iray tao amin’ny edisionan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ny taona 1835 ity fanambarana ity ary nomena laharana fizarana iray taty aoriana. Ireo izay niasa tamin’ny soratanana tamin’ny voalohany dia nanasokajy ilay fanambarana ho boky farany indrindra miaraka amin’ny fizarana 1 an’ireo fanambarana ho tafiditra ao amin’ny edisiôna 1835. Horesahina ao anatin’ny lesona roa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133. Ity lesona ity dia mahafaoka ny didin’ny Tompo mba hiomanan’ny vahoakany sy hanomanana ny hafa ho amin’ny Fiaviany Fanindroany. Mahafaoka ireo faminaniana momba ireo zavatra hitranga mifandraika amin’ny Fiaviany Fanindroany sy ny fanjakana mandritra ny arivotaona ihany koa izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–15

Mandidy ny vahoakany ny Tompo mba hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany

Sary
Jesoa Kristy

Efa nisy fotoana ve ianao tany am-pianarana ka tonga saina fa nanadino niomana ho amin’ny fanadinana iray? Ahoana no fahatsapanao, na ahoana araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao?

Ahoana no fahatsapanao rehefa fantatrao fa niomana tsara ho amin’ny fanadinana iray ianao?

Mieritrereta momba ireo zavatra manan-danja hitranga amin’ny hoavy izay tokony hiomananao dieny izao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–3 ka tadiavo ny zavatra hitranga iray izay tsy maintsy hiomanantsika sy ny anton’izany.

Mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe “hidina eto amin’izao tontolo izao miaraka amin’ny ozona ho fitsarana” (F&F 133:2) dia milaza ny fanatanterahan’ny Tompo ny sazy ho an’ireo ratsy fanahy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ilay andian-teny hoe “hampitanjaka ny sandriny masina” (F&F 133:3) dia milaza ny fanambaran’ny Tompo ny tanjany sy ny heriny amin’izao tontolo izao. Ilay andian-teny hoe “ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’Andriamaniny” (F&F 133:3) dia midika fa ny olona rehetra dia hahita ny fanafahana izay hatolotr’ Andriamanitra ho an’ireo izay manaraka Azy.

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133, dia mieritrereta momba ny antony maha-manan-danja ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ireo fiomanantsika ho amin’izany.

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:2, inona no hitranga amin’ireo tsy manana an’ Andriamanitra, na ratsy fanahy, amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany? Valio ilay fanontaniana amin’ny alalan’ny famenoana izao Fotopampianarana manaraka izao amin’ny zavatra iray izay nianaranao avy tamin’ity andinin-tsoratra masina ity: Amin’ny Fiaviany Fanindroany, i Jesoa Kristy dia ho tonga .

Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ny ratsy fanahy sy tsy manana an’ Andriamanitra dia tsy ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa niomana isika?

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa ampanaovina manaraka ireto:

    1. Soraty izao andian-teny manaraka izao: dia manampy antsika hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–16 ka tadiavo ireo andian-teny izay azo ampiasaina mba hamenoana ny banga. Mitanisà andian-teny dimy farafahakeliny eo ambanin’ilay banga ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

    2. Misafidiana iray amin’ireo andian-teny izay hitanao tao amin’ny asa nampanaovina a. Hazavao ny antony maha-manan-danja izany asa izany amin’ny fanomanana antsika ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

    3. Hazavao ireo fitahiana izay horaisinao ankehitriny amin’ny alalan’ny fampiharana ilay asa hitanao tao amin’ny asa ampanaovina b.

Ivereno ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:5, 7, 14. Asio marika ireo andian-teny mitovy izay tsikaritrao ao amin’ny andininy tsirairay.

Toerana iray nahitana faharatsiana lehibe ny tanànan’i Babylona tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Azo raisina ho tandindon’ny faharatsiana sady tandindon’ny maha-avy amin’izao tontolo izao i Babylona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no mety ho hevitry ny nandidian’ny Tompo antsika mba handeha hiala an’i Babylona?

    2. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika miala amin’ny Babylona? Ahoana no mety hanomanan’ireo zavatra ireo antsika amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Jereo izay nampianarin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:15 momba ny fomba tokony handaozantsika an’i Babylona. Milaza ny Tompo fa rehefa tonga ny Mpampakatra (jereo ny andininy 10), dia tsy hisy intsony fotoana hanatontosana faingana ireo zavatra izay tokony natao teo aloha. Mitovy tamin’ilay hafatra nampianarina tao amin’ny fanoharana momba ireo virjiny folo izany (jereo ny Matio 25:1–13; jereo ihany koa ny F&F 45:56–57). Niezaka faingana mba ho vonona ny dimy tamin’ireo virjiny rehefa natao ny filazana fa ho avy ny Mpampakatra, kanefa tara loatra izany.

Mariho ihany koa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:15 ny zavatra izay nampitandreman’ny Tompo mba tsy ho ataontsika rehefa mandeha miala an’i Babylona isika. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Saintsaino izay eritreretinao fa hevitry ny hoe “tsy hiherika” (F&F 133:15) rehefa avy nanaisotra ny tenantsika tamin’ireo fitaomana amin’ny fahotana sy araka izao tontolo isika. Ny hoe tsy miherika dia milaza ny fiezahana mba hanadino tanteraka ny faharatsiana sy ny fanaon’izao tontolo izao ka tsy hiverina amin’ireo fomba teo aloha intsony. Ity andinin-tsoratra masina ity dia fampitandremana iray ho antsika mba tsy halahelo ka hiverina amin’ny fomba fiainantsika teo aloha avy eo.

Sary
zanaka sy ray mandeha manalavitra

Nandidy antsika ny Tompo mba handao ny faharatsiana ka tsy hiherika.

Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 15 izao fahamarinana manaraka izao: Tsy ho vonona amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika raha toa ka miverina amin’ny faharatsiana na ny fahotana teo aloha.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no azon’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany atao mba “tsy hiherika” rehefa miezaka ny hitombo ara-panahy sy manatona bebe kokoa ny Mpamonjy izy ireo?

Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:9 fa nandidy ny vahoakany mba hivondrona amin’ny toerana ara-bakiteny misy an’i Ziona ny Tompo. Tadidio fa i Ziona ihany koa dia maneho ny olo-marina—ireo izay madio am-po sy miray hina ary manolo-tena ho amin’ireo fikasan’ Andriamanitra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: inona no famporisihana izay homenao ny olona iray izay nandao an’i Babylona (ny faharatsiana sy ny fanaon’izao tontolo izao) ka miezaka ny hanatona bebe kokoa an’i Ziona (ny fahamarinana) mba hanampiana azy hijanona ho mahatoky?

Raha toa ka tsy teo ianao tamin’ny andro nampilazan’ny mpampianatrao momba ny fanadinana manan-danja iray, inona no antenainao fa ho ataon’ny mpiara-mianatra iray ho anao?

Nampianatra ny Olomasina ihany koa ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–15 fa anisan’ny tafiditra ao amin’ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny Fiaviana Fanindroany ny fanampiana ny hafa mba hiomana koa. Karazana asa inona no fariparitan’ny Tompo ao amin’ny andininy 8–10?

Raha nampiantefa ny fanamarihany amin’ireo olona azo haroso ho misiônera ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny andraikitra manan-danja iray izay mihatra amin’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana ihany koa:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. …

“Ho fahafahana masina hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy ny asa fitorianao ary hanampy amin’ny fanomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. …

“… Azo lazaina fa voaomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izao tontolo izao vokatry ny asan’ny Tompo ataon’ireo mpitory ny filazantsarany” (“Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–51).

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto: Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no manampy anao hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany koa ny fanampianao ny hafa mba hiomana ho amin’izany? Inona ireo fitahiana fanampiny izay hankafizinao eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa hiomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany?

    2. Avereno jerena izay nosoratanao momba ny fiomanana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Manorata zavatra iray izay tsapanao fa tokony hataonao mba hanomanana tsaratsara kokoa ny tenanao sy hanampiana ny hafa ho amin’ny Fiaviana Fanindroany. Manorata drafitra iray momba ny fomba hanatanterahanao izany tanjona izany.

Avereno vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:16, ka tadiavo ny zavatra hanampy antsika mba ho vonona hihaona amin’ny Tompo rehefa tonga Izy. Fenoy izao fitsipika manaraka izao amin’ny alalan’ny famenoana ny banga amin’ny teny izay hitanao: Rehefa isika, dia miomana hihaona amin’ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no manampy antsika hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany ny fibebahana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:17–35

Ny Tompo dia manambara ireo tranga sasany izay hiaraka amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny fanjakany mandritra ny arivo taona

Mampilaza ny zavatra hitranga sasantsasany izay mifandray amin’ny Fiaviany Fanindroany sy ny fanjakany amin’ny Arivotaona ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:17–35. Vakio ireo andinin-tsoratra masina ireo ary asio marika ny zavatra hitranga rehetra izay manaitra anao. Inona ireo zavatra hitranga izay mahaliana anao indrindra ny hanatri-maso izany?

Anisan’ireo zavatra hitranga izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:21–29 ny fiverenan’ny sasany amin’ireo foko verin’i Isiraely. Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Hiverina tahaka ny olon-drehetra ireo Foko Folo: amin’ny alalan’ny fanekena ny Bokin’i Môrmôna sy ny finoana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tsy afaka hiaraka hisy fikambanam-piangonana miavaka sy tsy miankina roa amin’ny fotoana iray eto ambonin’ny tany raha tsy hoe amin’ny andro iray izay ahafahana mitantana ny Fiangonana amin’ny toerana iray. Ny Filohan’ny Fiangonana dia mihazona ireo fanalahidy izay hitarihana ireo Foko folo avy any amin’ireo tany avaratra mankany Palestina fireneny. Izy, fa tsy izy ireo, no hitarika ny fiverenan’izy ireo” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 520–21).

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:30–35 dia mamariparitra ny sasany amin’ireo fitahiana mifandray amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany izay azon’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Noho ireo fampanantenana izay nataon’ny Tompo tamin’i Efraima (zanakalahin’i Josefa) sy ny fokony dia ny taranak’i Efraima no hangonina voalohany amin’ny andro farany. Nankinina tamin’izy ireo ny filazantsara naverina tamin’ny laonina sy ny fahefan’ny fisoronana ary ireo fanalahidy izay mamela azy ireo hitarika ny asa fanangonana ny taranak’i Isiraely. Ny tanjon’ny Tompo faratampony dia ny hanampy ny fianakavian’ Andriamanitra manontolo mba hosatrohina voninahitra sy hahazo ireo fitahiana rehetra izay azo amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny Filazantsara.

Afaka miandrandra amim-pifaliana ny Fiaviany isika ary koa mankafy ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fiainana araka ny fahamarinana amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fibebahana sy fanomanana ny tenantsika sy ny hafa ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–35 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy