Seminera
Fizarana 32: Andro 1, Ny rafitra sy ny fandaharan’asan’ny Fiangonana


Fizarana 32: Andro 1

Ny rafitra sy ny fandaharan’asan’ny Fiangonana

Fampidirana

Koa satria mitohy miitatra ny Fiangonana dia nanentana ny fanahin’ ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo mba hanangana rafitra sy fandaharan’asa ao anatin’ny Fiangonana mba hitahiana ireo Olomasina. Rehefa tafatsangana ireo rafitra sy fandaharan’asa ireo tamin’ny voalohany dia tsy dia tena nilaina be tahaka ny amin’izao fotoana izao izany, kanefa rehefa nitombo ny Fiangonana dia nanjary manan-danja tao amin’ny asa famonjena an’ireo zanak’ Andriamanitra ataon’ny Fiangonana izany.

Manampy antsika hiomana sy handroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana

Eritrereto ny fomba nitahian’ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana ny fiainanao.

Inona no mety holazainao fa tanjon’ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana tahaka ny Zatovolahy sy Zatovovavy? Manampy ireo izay mandray anjara ao anatin’ny fikambanana iray amin’ny fomba ahoana ny fahalalana tanjon’izany fikambanana izany?

Vakio ny Mosesy 1:39, ka tadiavo ny tanjon’ny Ray any An-danitra amin’ny zavatra rehetra izay ataony. Tsarovy fa ny tsy fahafatesana dia milaza ny fiainana mandrakizay ao amin’ny toetra nitsangana tamin’ny maty. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny olona rehetra dia hitsangana amin’ny maty na inona na inona faharatsiana na fahamarinana nataony teto an-tany. Ny fiainana mandrakizay dia milaza ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Ray any An-danitra amin’ny maha-fianakaviana ka tonga tahaka Azy.

Raha toa ka ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny zanany no tanjon’ny Ray any An-danitra, inona kosa no tanjon’ny Fiangonana?

Satria ny tanjon’ny Ray any An-danitra dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny zanany dia mitovy amin’izany ny tanjon’ny Fiangonana. Natsangan’ny Ray any An-danitra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanampiana ny zanany hahazo ny fiainana mandrakizay.

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba sasany hanampian’ny Fiangonana ny Ray any An-danitra amin’ny fanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny zanany.

Manana rafitra maro ny Fiangonana—izay antsoina hoe vondrona mpanampy ny fisoronana—sy fandaharan’asa hafa izay manampy antsika handroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Miezaha manome anarana ny sasany amin’izy ireo.

Mety ho Zatovovavy, Zatovolahy, Kilonga, Fikambanana Ifanampiana, ary Sekoly Alahady ny anarana nomenao ary fandaharan’asa toy ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara ary ny takarivan’ny mpianakavy.

Mba hahitana ny fomba hanampian’ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana antsika hianatra sy hivoatra ao amin’ny filazantsara mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay dia vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mikasika ny fandaharan’asan’ny seminera sy institiota ity fanambarana ity, kanefa azo ampiharina amin’ireo vondrona fanampiny sy fandaharan’asa hafa ato amin’ny Fiangonana ihany koa ny fitsipika izay ampianariny.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Tsy misy fanehoana tsara kokoa ny fanomanana araka ny faminaniana an’ity vahoaka teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana raha tsy ny fanombohan’ny fandaharan’asan’ny seminera sy institiota. Natomboka ireo fandaharan’asa ireo rehefa nahafinaritra nefa tsy tena nilaina be. Nanana fotoana hiroboroboana sy hitomboana izy ireny mba ho lasa [fiarovana] ho an’ny Fiangonana. Ankehitriny izy ireny dia lasa fanomezan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena ny Isiraely amin’izao fotoana hahitana olana betsaka izao” (“Teach the Scriptures” [lahateny ho an’ny mpanaben’ny DFF, ôkt.14,1977], 3; si.lds.org).

Nanentana ny fanahin’ireo mpitarika ny Tompo mba hanangana fandaharan’asa sy rafitra maro ato amin’ny Fiangonana mba hanomanana antsika ho amin’ireo fitsapana sy olana atrehintsika mandritra ity fiainana an-tany ity sy mba hanampiana antsika hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Eo am-pamakianao ny tsirairay amin’ireo famintinana ara-tantara ireto dia tadiavo ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no nanombohan’ilay rafitra na fandaharan’asa? (Asio marika ny valin’ity fanontaniana ity.)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hanomanan’izany antsika hiatrika ireo fitsapana sy olana amin’ny androntsika?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’izany antsika antsika hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay?

Sekoly Alahady

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady

Nahatsapa ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay antsoina hoe Richard Ballantyne tamin’ny taona 1849 fa nila toerana hianarana ny filazantsara ny ankizy mandritra ny andro sabata. Ireo Olomasina tao Grande Bretagne dia vonona ny hanokatra kilasin’ny Sekoly Alahady, ary Rahalahy Ballantyne dia nanomboka ny kilasin’ny Sekoly Alahady voalohany tao Utah izay tao amin’ny paroasiny tao Salt Lake City ny volana desambra 1849. Fotoana kely taorian’izay ireo paroasy hafa dia nanomboka nanao izany ihany koa fa samy nanana ny fandaharam-pianarany avy. Ny taona 1867, ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia namorona ny Deseret Sunday School Union. Hatramin’ny taona 1870 dia nihoatra ny kilasy 200 ny Sekoly Alahady tafatsangana. Ankehitriny ireo paroasy sy sampana dia manana kilasin’ny Sekoly Alahady maromaro.

Zatovovavy

Sary
zatovovavy telo

Nivory tao an-tranony niaraka tamin’ireo zanany vavy ny Filoha Brigham Young tamin’ny 28 nôvambra 1869 ka nangataka azy ireo mba ho mpitarika hanampiana ny mitovy taona amin’izy ireo mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara, ho maotina amin’ny fomba fitafiny sy ny fihetsiny ary hiala amin’ireo fironana sy fitondrantenan’izao tontolo izao. Ny taona 1870 no nanorenana ny rafitry ny zatovovavy voalohany mba hanatanterahana ireo tanjona ireo. Nanjary fantatra tamin’ny hoe Fikambanana Ifampivoaran’ny Zatovovavy (Young Women’s Mutual Improvement Association: YWMIA) izany rafitra izany izay niova ho Zatovovavy taty aoriana. Tamin’ny fiatombohan’ny taona 1970 ireo mpitarika dia nanolotra ny fandaharan’asa Mon Progrès Personnel. Ny taona 1985 dia natolotra ny soatoavina sy ny lohahevitry ny Zatovovavy.

Zatovolahy

Sary
zatovolahy roa

Natsangana tamin’ny 10 jona 1875 teo ambany fitarihan’ny Filoha Brigham Young ny Fikambanana Ifampivoaran’ny Zatovolahy (Young Men’s Mutual Improvement Association: YMMIA). Io rafitra io dia natao mba hanampiana ireo zatovolahy hivelatra ara-panahy sy ara-tsaina ary koa mba hanome azy ireo fiaraha-mientana hialana voly. Ny taona 1913 ny Fiangonana dia niara-niasa tamin’ny skoto (Boys Scouts Of America) tao Etazonia. Natsangana ny firaha-miasa amin’ny fandaharan’ny skoto maneran-tany rehefa azo natao izany. Ny anaran’ny fikambanana dia nivoatra ihany koa, tamin’ny voalohany dia niova hoe ny Fisoronana Aharôna–MIA, dia avy eo ny Fisoronana Aharôna ary farany Ny Zatovolahy. Tamin’ny taona 2001, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nanomboka ny fandaharan’asa Devoir Envers Dieu.

Kilonga

Sary
ankizy efatra mihira

Tamin’ny 1877, i Aurelia Spencer Rogers dia “nahatsapa mafy fa misy zavatra ho atao mikasika ny fitondrantenan’ireo zazalahy teo amin’ny fiarahamonina izay nihazakazaka malalaka nanerana ny tanàna andro sy alina. Nahatsapa izy fa maro tamin’ireo ankizy ireo no tsy nampianarina ireo fitsipika fototra sy ireo soatoavina [mba hanomanana azy ireo] na amin’ny fahalalana na amin’ny toetra mba hitondrana ny filazantsara handroso hatrany, eny na koa mba ho lasa ray aman-dreny tsara sy olom-pirenena vanona” (“History of Primary,” lds.org/callings/primary/getting-started/history-of-primary). Nihaona tamin’i Eliza R. Snow izy, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’izany fotoana, ary nahazo fahazoan-dalana avy tamin’ny Filoha John Taylor izy ireo mba hanangana ny rafitra Kilonga tao Farmington, Utah, teo ambany fitarihan’i Eveka John Hess. Nahitana zazalahy sy zazavavy 224 ny fivorian’ny Kilonga voalohany izay natao tamin’ny 25 aogôsitra 1878. Tamin’ny taona 1880 dia voantso ny filohan’ny Kilonga maneran-tany, ary nanomboka natsangana tany amin’ny paroasy maro ireo kilasin’ny Kilonga.

Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara

Sary
kilasin’ny tanora

Nanangana Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana sy akademian’ny Fiangonana ary namorona kilasy fianarana ny filazantsara ny Fiangonana tamin’ny taona 1888 mba hanolorana fototra ara-panahy ho an’ny fianarana momba ny fivavahana ho an’ireo izay tsy nanatrika ny akademian’ny Fiangonana. Tamin’ny 1912 dia nanolotra drafitra mba hamelana ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana hanatrika ireo kilasy fianarana ny filazantsara ho ampahany amin’ny fianaran’izy ireo i Joseph F. Merrill, profesora iray sady mpikamban’ny Fiangonana. Nantsoina hoe seminera izany, ary ny kilasy voalohany dia natao tao amin’ny Granite High School tao Salt Lake City, Utah izay nahitana mpianatra 70 nisoratra anarana. Raha nielipatrana ny fandaharan’asan’ny seminera, dia fandaharan’asa mitovy amin’izany ihany koa no natsangana mba ho an’ireo tanora amin’ny taona tokony ianarana any amin’ny oniversite. Nantsoina hoe Institiota Fianarana Filazantsaran’ny Olomasin’ny Andro Farany izany, ary ny kilasin’ny institiota voalohany dia nanomboka ny taona 1926 tao Moscow, Idaho. Ny fiatombohan’ny taona 1950 dia nanomboka ny fandaharan’asan’ny seminera vao maraina tao Californie, ny fandaharan’asa fianarana seminera any an-trano dia nanomboka ny taona 1960, ary ny seminera sy institota fianarana filazantsara dia nitohy sy niitatra hatrany maneran-tany.

Takarivan’ny Mpianakavy

Sary
fianakaviana miaraka amin’ny soratra masina

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampianatra fa ny fandaharan’asan’ny Fiangonana dia tokony ho “fanampin’ireo fampianarana sy fampiofanana ataontsika any an-trano. Tsy hisy na dia ankizy iray amin’ny zato aza no handeha lalan-diso, raha mirindra araka ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tontolo iainana, ny ohatra ary ny fanofanana ao an-tokantrano” (“Worship in the Home,” Improvement Era, des. 1903,138). Ny taona 1909 nyTsatòkan’ny Granite tao Salt Lake City, Utah dia nanomboka ny fandaharan’asa fanao isa-kerinandro amin’ny takariva iray ao an-trano, izay nolazain’ny Filoha Smith fa nentanim-panahy. Ny taona 1915 ny Fiadidiana Voalohany dia nanome sosokevitra ny hanaovana eraky ny Fiangonana ny takarivan’ny mpianakavy isam-bolana. Ny Fiadidiana Voalohany dia nampanantena hoe: “Raha manaraka io torohevitra io ny Olomasina [izany hoe ny hanaovana ny takarivan’ny mpianakavy], dia mampanantena izahay fa fitahiana lehibe no ho vokatr’izany. Ny fitia ao an-tokantrano sy ny fankatoavana ny ray aman-dreny dia hitombo. Ny finoana dia hivelatra ao am-pon’ny tanoran’i Isiraely, ary hahazo hery izy ireo mba hiady amin’ny fitaoman-dratsy sy ny fakam-panahy izay misy eo amin’izy ireo” (ao amin’ny James R. Clark, natambatra, Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 6 vols. [1965–75], 4:339). Dimampolo taona taty aoriana dia namoaka ireo boky torolalana ho an’ny fianakaviana mba hampiasaina amin’ny fampianarana ny filazantsara isan-kerinandro ny Fiangonana. Tamin’ny 1970 dia notoindroin’ireo mpitarika ny Fiangonana ny alatsinainy hariva mba hanaovana ny takarivan’ny mpianakavy ary nampilaza izy ireo fa tsy misy hetsika ataon’ny Fiangonana amin’io hariva io.

Niasa tsy nifampiankina ny rafitra sy ny fandaharan’asan’ny Fiangonana tsirairay tany am-boalohany. Raha niitatra be ny Fiangonana ny taona 1950, dia nahita ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa ilaina ny hanombantombanana ny fomba hahatratran’ireo rafitra na fandaharan’asa ny tanjon’ny Fiangonana. Nanapa-kevitra izy ireo ny hanambatra sy handrindra ny rafitra sy ny fandaharan’asa rehetra ao amin’ny Fiangonana amin’ny fitantanana sy ny fifantenana fandaharam-pianarana. Izany fiovana izany dia nanampy ireo fandaharan’asa sy rafitra mba hiatrika tsaratsara kokoa ireo filàna manahirana an’ny Fiangonana miroborobo sy ny fampatanjahana ny fianakaviana. Eo ambanin’izany ezaka mifandray izany, ireo rafitry ny Fiangonana rehetra dia miasa eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay mihazona ny fanalahidy hiahiana.

Ankoatra izany, teo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia natsangana mba hanara-maso, handanjalanja ary hampifandray ireo fitaovana rehetra navoakan’ny Fiangonana ny Departemantan’ny Fampifandraisana iray. Natao izany mba hanampiana amin’ny fitandremana ny Fotopampianarana ho madio ka tsy ho diso ny fahatakarana ireo fampianaran’ny Fiangonana.

Saintsaino hoe afaka manampy anao hanatanteraha ny tanjon’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany ny fananana ireo vondrona fanampiny ato amin’ny Fiangonana izay mitambatra sy mifandray eo ambany fitarihan’ny Fisoronana.

  1. Saintsaino izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mandray anjara amin’ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana isika dia mandray ireo fitahiana azo avy amin’izy ireny. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no nitahy ny fiainanao ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana?

    2. Ahoana no nitahy ny fiainanao ny fandaharan’asa Devoir envers Dieu na ny Mon Progrès Personnel?

  2. Manorata tanjona iray na roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hampivoarana ny fandraisanao anjara ao amin’ireo vondrona fanampiny sy ireo fandaharan’asa ato amin’ny Fiangonana. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy anao hieritreritra momba ireo tanjona izay hapetraka: Ahoana no handraisanao anjara feno kokoa ao amin’ny Zatovolahy na ny Zatovovavy? Amin’ny Sekoly Alahady? Amin’ny takarivan’ny mpianakavy? Amin’ny seminera?

  3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hanampiana anao hiomana handray ny fisoronana Melkizedeka na hifindra ho ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny alalan’ny fandraisanao anjara ao amin’ireo vondrona fanampiny sy ireo fandaharan’asa ireo?

  4. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny lesona “Ireo Rafitra sy Fandaharan’asan’ny Fiangonana ” ary nahavita izany ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy