Seminera
Fizarana 13: Andro 4,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59


Fizarana 13: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59

Fampidirana

Nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 ny 7 Aogositra 1831, tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny Mpaminany Joseph Smith. Milaza ireo zavatra izay handrasany avy amin’ireo Olomasina izay namonjy an’i Ziona vao tsy ela ny Tompo ao amin’io fanambarana io ary anisan’izany ny fanajana ny andro Sabata araka ny tokony izy. Nohamafisin’ny Tompo ihany koa fa ireo izay mitandrina ny didiny dia hahazo fitahiana ara-panahy sy ara-nofo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:1–4

Nanoritsoritra ny fitahiana hatolony an’ireo Olomasina mahatoky ao Ziona ny Tompo

Nanao ny dia niaraka tamin’ny vondrona Olomasina teo amin’ny 1.448 km latsaka kely teo ho eo avy tany Kirtland, Ohio, nankany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, i Polly Knight, renin’i Newel Knight. Teny an-dalana nankany Missouri dia narary be Rahavavy Knight, fa tsy nanaiky ny hijanona izy ary naneho fa ny faniriany lehibe indrindra dia ny hanitsaka ny tanin’i Ziona ary halevina any. I Newel zanany dia nilaza fa, tamin’ny fotoana iray tamin’ilay dia, dia “nividy hazo fisaka mba hanamboarana vatam-paty izy sao dia maty alohan’ny hahatongavana any amin’ilay toerana—ny reniny, satria niharatsy fatratra ny toe-pahasalamany. Ny Tompo anefa dia nanatanteraka ny fanirian’ny fony ary velona mba hanitsaka io tanana io izy” (Scraps of Biography: Tenth Book of the Faith-Promoting Series [1883], 70; jereo ihany koa ny History of the Church, 1:199). Maty teo ho eo amin’ny roa volana taorian’ny nahatongavany tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri (Ziona) Rahavavy Knight.

  1. Nandray fanambarana izay voatahiry ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 tamin’ny andro nahafatesan’i Polly Knight ny Mpaminany Joseph Smith. Alaivo sary an-tsaina hoe nasaina nitondra lahateny nandritra ny fotoam-pandevenana ny Rahavavy Knight ianao. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:1–2 ary jereo ireo andian-teny izay azonao zaraina mandritra ny lahateninao izay mety hanohana ny namany sy ireo akaiky azy. Manorata farafahakeliny andian-teny roa izay manazava ny antony ifandraisan’izany amin’i Polly Knight ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Jereo fa ao amin’ny andininy 1, ny Tompo dia niteny tamin’ireo Olomasina, tahaka an’i Polly Knight, izay nankatò ny didiny fa tokony hankany amin’ny tanin’i Ziona amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy amin’ny voninahiny. Azonao atao ny manisy marika io andian-teny io ao anatin’ny soratra masinao. Andramo izao zavatra manaraka izao mba hahazoanao mahatakatra bebe kokoa ny fananana maso tsy mibanjina afa-tsy amin’ny voninahitr’ Andriamanitra:

Somary havokony kanefa asio lavaka kely ny totohondrinao (rehefa manomboka mifanaingina ny ratsan-tananao dia mety izany). Tampeno ny masonao ilany ary jereo ny sarin’ny Mpamonjy eo amin’ity pejy ity amin’ny alalan’ilay lavaka kely niforona teo amin’ny tananao. Rehefa izany dia sokafy ilay maso ilany ary jereo amin’ny alalan’ny masonao roa ilay sary. Jereo ny zavatra hafa rehetra amin’ilay faritra hitanao rehefa mijery amin’ny alalan’ny maso roa ianao. Inona no fahasamihafana misy rehefa mijery ilay sary amin’ny alalan’ny maso tokana ianao?

Sary
Jesoa Kristy

Raha atao fifanahafana izany, inona no mety ho dikan’ny fananana maso tsy mibanjina afa-tsy amin’ny voninahitr’ Andriamanitra?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:3–4 ary jereo ny fitahiana ara-batana (eto ambonin’ny tany) sy ny fitahiana ara-panahy izay hampanantenaina an’ireo izay mankatò amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy amin’ny voninahitr’ Andriamanitra. Jereo fa ao amin’ny andininy 4 ny Tompo dia mampanantena ny hitahy ny Olomasina mahatoky amin’ny alalan’ny “didy izay tsy vitsy.” Maninona araka ny hevitrao no mampanantena io fitahiana io ny Tompo raha toa kosa ka misy olona sasany tsy mihevitra ny didy ho toy ny fitahiana? Diniho ny fomba nitahiana anao noho ny fanarahanao ny didy.

  1. Manaova tsanganana roa amin’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo lohateny hoe Fitahiana ara-batana ny tsanganana iray ary Fitahiana ara-panahy ilay iray hafa. Ataovy lisitra ireo fitahiana hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 59:1–4 ao amin’ny tsanganana tokony hisy azy.

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny sisin’ny soratra masinao: Raha mitandrina ny didy amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy amin’ny voninahitr’ Andriamanitra isika, dia handray fitahiana sady ara-batana no ara-panahy. Jereo ny ohatra fanampiny momba ity fitsipika ity rehefa manohy ny fianarana nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:5–8

Manome didy ireo Olomasina ny Tompo

Sary
zatovovavy mitsiky

Notohizan’ny Tompo amin’ny fanomezana didy hafa ho an’ireo Olomasina ao Ziona ity fanambarana ity. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:5 ary asio marika ny didy voalohany izay nomen’ny Tompo: Tokony ho tia ny Tompo Andriamanitsika amin’ny fontsika rehetra, amin’ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra isika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny fitiavana ny Tompo amin’ny fonao rehetra, amin’ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra?

    2. Inona no mety ho fihetsika na zavatra ataon’ny olona izay mampiseho ny fitiavany an’ny Tompo amin’ny fony rehetra, amin’ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra?

Diniho hoe ahoana no fomba ahafahan’ity didy mikasika ny fitiavana an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, amin’ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra ity ho hisy fiantraikany amin’ny fomba fanarahantsika ny didin’ Andriamanitra rehetra. Zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao iray ny mikasika ny fotoana iray izay nampiova ny fanapahan-kevitra izay noraisinao noho ny fitiavanao ny Tompo. Azonao atao ny manontany an’ilay olona hiresahanao momba ny fomba nampiova ny fanarahany ny didin’ny Tompo noho ny fitiavany Azy.

Ao anatin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6–8 no ahitana ireo didy fanampiny nomen’ny Tompo ny Olomasina tamin’ity fotoana ity. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia diniho ny fomba ahafahan’ny fitandremana ireo didy ireo manome antsika fahafahana maneho ny fitiavantsika ny Tompo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6, ny Tompo dia niresaka momba ny famonoana olona ary nilaza fa isika dia tsy tokony “hanao zavatra toy izany.” Nahoana no “toy” ny famonoana olona ny fanalan-jaza? (Jereo ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004]4–5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19

Nampianatra ny Olomasina momba ny andro Sabata ny Tompo

Nanome didy iray izay afaka nanampy ny Olomasina hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana amin’ny fiainany sy hanatsara ny fifandraisany Aminy ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–10, ary fantaro ilay didy izay nomen’ny Tompo lanja ao amin’ireo andininy ireo.

Ny Tompo dia mampanantena, ao amin’ny andininy 9, fitahiana lehibe iray ho an’ireo izay miazona ny andro Sabata ho masina. Manaova famerenana ny andininy 9, ary fantaro ny fampanantenana izay nomen’ny Tompo. Afaka manampy ny fahafantarana fa ny “tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao” dia midika fahadiovana avy amin’ny fahotan’izao tontolo izao. Fenoy amin’ny teninao manokana sy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fampianarana avy amin’io andininy io, ity fitsipika manaraka ity: Raha toa isika ka , izany dia hanampy antsika mba .

Sary
Loholona Mark E. Petersen

Ny Loholona Mark E. Peterson izay tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza toy izao, mikasika ny fitandremana ny andro Sabata ho masina: “Ny fitandremantsika na ny tsy fitandremantsika ny andro Sabata dia fomba hoenti-mandrefy izay tonga lafatra ny toe-tsaina hananantsika manoloana ny Tompo sy manoloana ny fijaliany tao Getsemane, ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Izany dia na famantarana ny maha Kristianina antsika amin’ny alalan’ny fihetsika, na fampisehoana fa tsy lalim-paka loatra ny fiovam-pontsika hany ka manan-danja kely na tsy manan-danja amintsika mihitsy ny fahatsiarovana ny Sorompanavotany” (“The Sabbath Day,” Ensign, May 1975, 49).

Ahoana ny fomba hanehoanao ny fitiavanao ny Tompo amin’ ny andro Sabata?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nahafahan’ny fitandremanao ny andro Sabata ho masina nitondra na hitondra hery ho anao mba hahatonga anao madio sy hijanona madio avy amin’ny fahotan’izao tontolo izao.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–15 dia manampy antsika hahatakatra ny tanjon’ny Sabata sy ny zavatra azontsika atao mba hitandremana izany ho masina. Vakio tsara ny andininy 9–15 ka jereo ny hevi-baovao izay ahafahantsika mitandrina ny andro Sabata ho masina. Ohatra, ianao dia mety nahita ao amin’ny andininy 9 fa ny hoe “mandeha ho any amin’ny trano fivavahana” (mandeha any am-piangonana) dia zavatra iray manan-danja amin’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina. Jereo hoe hevi-baovao firy hafa no mety hitanao rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao. (Mety hanampy ny fahafantarana fa ny andian-teny manao hoe “hanatanterahanao ny fanompoanao” ao amin’ny andininy 10 dia midika fitsaohana na fampisehoana fitiavana sy fahatokiana. Ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 12bihany koa dia manazava fa ny teny hoe fanatitra dia entina milaza hony fanolorana “fotoana, talenta na fananana hoentina manompo an’ Andriamanitra na ny hafa”; matetika ny teny hoe fananana dia midika hoe vola na harena hafa izay atolotra ho an’ny Fiangonana.)

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hevi-baovao miisa enina farafahakeliny izay hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–15 momba ny fitandremanana ny andro Sabata ho masina. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny zavatra tokony ataontsika na ny toe-tsaintsika na ny antony nametrahan’ny Tompo an’io andro masina io. Rehefa feno ny lisitra nataonao, dia diniho ny zavatra niova tamin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo noho ny fitandremanao ny andro Sabata amin’ny iray amin’ireo sokajy ireo.

Ny Tompo dia mampanantena, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:15–19,fitahiana ho an’ireo izay manaja ny andro Sabata masina.

  1. Soraty ny tanjona manokana iray izay hotanterahinao ho fanampiana anao hitandrina ny andro Sabata ho masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20–24

Manapaka ny fitahiana eto an-tany sy maharitra mandrakizay eo amin’ireo mahatoky ny Tompo

Ahoana ny fomba notahian’ Andriamanitra anao tato ato? Inona ny fitahiana azonao izay nahatsapanao fankasitrahana indrindra? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20–21 ary fantaro ny zavatra tsapan’ Andriamanitra manoloana ny fitahiany antsika sy ny tokony ho fihetsika asehontsika. Midika inona aminao ny fahafantarana fa Andriamanitra dia faly rehefa mitahy anao?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21 dia mampianatra antsika fa manafitohina an’ Andriamanitra isika rehefa tsy maneho ny fankasitrahantsika Azy ary tsy mitandrina ny didiny. Ilay fanafitohina sy fisafohana asehon’ Andriamanitra eo amin’ity andininy ity dia manaporofo fa tiantsika Izy. Tsy faly Izy rehefa tsy mankasitraka isika na tsy mankatò satria ireo fihetsika ireo dia manalavitra antsika Aminy.

Diniho ny fomba hanaratsiantsika ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra rehefa tsy misaotra Azy noho ny fitahiana isika.

Nofaranan’ny Tompo tamin’ny filazana indray ny faniriany hanampy antsika amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy io fanambarana io. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23–24, ary jereo ny fomba hitahian’ny Tompo an’ireo izay mitandrina ny didiny.

Diniho androany na rahampitso ny fomba maro izay notahian’ Andriamanitra anao noho ny fitandremanao ny didiny. Jereo ireo toe-javatra izay hahafahanao mampiseho ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao Azy.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy