Seminera
Fizarana 15: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–66


Fizarana 15: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–66

Fampidirana

Nifindra monina avy tany Kirtland, Ohio nankany Hiram, Ohio izay teo amin’ny 48 kilometatra mianatsimo atsinanana an’i Kirtland teo ho eo, ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fianakaviany tamin’ny 12 Septambra 1831. Nanao izany izy ireo mba hankatoavana ireo torohevitra nomen’ny Tompo (jereo ny F&F 63:65). Nifindra monina niaraka tamin’ny fianakavian’i John sy Alice Johnson, izay vao niova fo tao amin’ny Fiangonana ny Mpaminany sy ny fianakaviany. Ny antony lehibe iray nahatonga an’io fifindrana monina avy tany Kirtland io dia ny fanohizana ny asa fandikana araka ny fitaomam-panahy ny Baiboly (izay antsoina matetika hoe Dikantenin’i Joseph Smith, na DJS). Vantany vao tany Hiram dia nanohy izany asa izany i Joseph. Nandray ny fanambarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 tamin’ny 30 Ôktôbra 1831,ny Mpaminany Joseph Smith. Ao amin’io fanambarana io dia mampianatra ny Tompo fa ny filazantsara dia hiely manerana izao tontolo izao ho fanomanana ny Fiaviany Fanindroany ary ny Olomasina dia tokony hivavaka mba hitombo hatrany ny fanjakan’ Andriamanitra.

Natao batisa tamin’ny 20 Aogositra 1831 i William E. McLellin. Voatendry ho lasa loholona izy tao aoriana kelin’izany ary niaraka tamin’i Hyrum Smith nandritra ny herinandro vitsivitsy nitory ny filazantsara. Nanao ny dia nankany Ohio ho famonjena fihaonamben’ny Fiangonana iray izy tamin’ny volana Ôktôbra. Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy tany. Tamin’ny alalan’ny Mpaminany no nanomezan’ny Tompo torolalana sy fampitandremana an’i William mba hijanonany ho mahatoky sy handraisany, indray andro any, ny fiainana mandrakizay. Io fanambarana io dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65

Manambara ny Tompo fa handrakotra ny tany ny filazantsara

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo zavatra izay hivavahanao matetika.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 dia fanambarana momba ny vavaka. Rehefa mandalina an’io fanambarana io ianao, dia hahita torohevitra avy amin’ny Tompo mikasika ny zavatra izay tokony hivavahantsika—indrindra noho ny fahitantsika ny fahatanterahan’ny zavatra izay natao faminaniana fa hitranga amin’ny andro farany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:1–2 ary jereo ny fomba famariparitan’ny Tompo momba ny fielezan’ny filazantsara manerana izao tontolo izao. Azonao atao ny manisy marika ny toerana izay voalazan’ny Tompo fa hielezan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Jereo fa ny Tompo dia nilaza hoe “ankinina amin’ny olona eto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (F&F 65:2). Ilay andian-teny manao hoe “ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra” dia mikasika ny fahefan’ny fisoronana izay miahy sy manome lalana ny fitantanana sy ny fanaovana ôrdônansin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana. Amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo no hitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana ny ezaka ataontsika hitory ny filazantsara.

Sary
Milaza ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara i Daniela

Inona no zavatra fantatrao mikasika ny filazan’i Daniela ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara, izay hita ao amin’ny Daniela 2 ao amin’ny Testamenta Taloha?

Asa raha tadidinao fa ny Mpanjaka Nebokadnezara dia sahiran-tsaina tamin’ny nofy iray izay nataony ary ny Tompo dia nanambara ilay nofy sy ny heviny tamin’ny mpaminany Daniela. Tao amin’ilay nofy, dia nisy sary lehibe iray izay naneho ny fanjakana ara-pôlitika maro isan-karazany izay ravan’ny vato nendahina tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana. Tany amboalohany dia kely ilay vato, fa avy eo dia nitombo izany ary nandrakotra ny tany manontolo. (Jereo ny Daniela 2:31–45.)

Ilay andian-teny manao hoe “ny fanjakan’ Andriamanitra” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2 dia mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany —Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:5–6). Azonao atao ny manoratra an’io eo akaikin’ny andininy 2.

Vakio ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ary jereo ny zavatra noteneniny momba ny fanjakan’ Andriamanitra:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Olom-pirenena ao amin’ny fanjakana lehibe indrindra eto an-tany isika—fanjakana tsy tarihin’ny fahendren’ny olombelona fa tarihin’i Jesoa Kristy Tompo. Tena misy tokoa izany. Azo antoka ny hoaviny. Io ilay fanjakana izay noresahan’i Daniela—vato iray, izay sariteny ihany, izay tokony hendahina hiala amin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahin-tànana ka hikodiadia ary hanenika ny tany. (Jereo ny Dan. 2:34–35.)

“Tsy olombelona mety maty no nanangana ity fanjakana ity. Voatsangana tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany. Ary hatramin’ny niantombohany tamin’ny taon-jato faha sivy ambin’ny folo, dia nandroso tahaka ny vongan-dranomandry mikodiadia izay mihangeza izany” (“Pillars of Truth,” Ensign, Jan. 1994, 4).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no mahatonga anao hilaza fa mitranga amin’izao fotoana izao ny faminanian’i Daniela? Ahoana no anamafisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

    2. Midika inona aminao ny maha-mpikamban’ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany anao?

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia eritrereto ny fomba mety hamenoanao ilay fehezanteny farany:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Moa ve ianareo efa nieritreritra hoe inona no antony nandefasana anareo tety an-tany amin’izao fotoana manokana izao? Tsy teraka nandritra ny fotoan’i Adama sy Eva ianareo, na nandritra ny fotoana nanjakan’ireo farao tany Egypta, na nandritra ny fiankohonan’i Ming. Tonga teto an-tany amin’izao fotoana izao ianareo, taonjato roapolo taorian’ny fiavian’i Kristy voalohany. Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny fisoronan’ Andriamanitra, ary efa noraisin’ny Tompo eo an-tanany ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany indray amim-boninahitra. Andro hisian’ny fahafahana manao zavatra sy andron’ny fihazonana andraikitra manan-danja lehibe izao. Andronareo izao.

“Efa naneho ny finoanareo an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny batisanareo ianareo. … Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny …” (“Fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Liahona, mey 2011, 49).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:3–4 ary jereo ny andraikitra hazoninao amin’ny maha-mpikamban’ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany anao.

Ilay andian-teny manao hoe “omaninareo ny fanasan’ny Zanakondry” ao amin’ny andininy 3 dia mikasika ny andraikitra hazonintsika mba hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:3–4: Manana ny andraikitra ny hiomana sy hanomana ny hafa amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo Fanindroany isika.

Nijoro ho vavolombelona mikasika an’io fahamarinana io ny Loholona Andersen. Nofaranany tamin’ireto teny ireto ilay fehezanteny farany ao amin’ilay teny nambara tetsy ambony: “Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany” (“Fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” 49).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Rehefa mandinika ny andraikitra hazoninao ny hiomana sy hanomana ny hafa amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ianao dia inona no fahatsapana sy eritreritra hanananao?

    2. Jereo fa isika dia “ampahafantatra eny anivon’ny olona ny asan’[ny Tompo] mahatalanjona,” araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:4. Inona ireo fomba sasany hanatanterahanao an’io?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:5–6 ary asio marika ny zavatra miisa telo farafahakeliny izay tokony hivavahantsika hatrany.

Ahoana no fomba hanampian’ny vavaka ataonao momba an’ireo zavatra ireo amin’ny fiomananao sy ny fanomananao ny hafa amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity. Jereo ny zavatra izay nangatahan’ny Filoha Monson mba hivavahantsika hatrany ary diniho ny fomba mety hanampian’izany karazana vavaka izany an’izao tontolo izao hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Mangataka aho ny hitohizan’ny vavakareo sy ny finoanareo ho an’ireo izay any amin’ny faritra izay mbola voafetra ny fitaomantsika ary mbola tsy azo atao ny mizara amim-pahalalahana ny filazantsara amin’izao fotoana izao. Hisy fahagagana mety hitranga rehefa manao izany isika” (Tonga soa ato amin’ny Fihaonambe,” Liahona, nôv. 2009, 6).

  1. Araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 dia manorata zavatra iray izay hataonao ho fanomanana ny tenanao sy ho fanomanana ny hafa amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66

Manome torohevitra an’i William E. McLellin mba hijanonany ho mahatoky hatramin’ny farany ny Tompo.

Nivavaka miafina i William E. McLellin, nangataka ny Tompo mba hanambarana ny valin’ny fanontaniana manokana miisa dimy amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Nitaky fanambarana i William, nefa tsy nilaza ireo fanontaniana akory. Ny 29 Ôktôbra 1831, rehefa nanonona ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 ny Mpaminany Joseph Smith dia hitan’i William fa novaliana daholo ny fanontaniany.

Na dia tsy nitoetra ho mahatoky aza i William E. McLellin dia nanoratra izy 10 taona taty aorian’ny fotoana nialany tamin’ny Fiangonana fa tsy afaka mandà ny maha-Mpaminany mandray tsindrimandry an’i Joseph Smith izy. Izao no zavatra nolazainy, mikasika an’io fanambarana io: “Mijoro ho vavolombelona aho ankehitriny, amin’ny tahotra an’ Andriamanitra, fa ny fanontaniana rehetra izay lasa teny an-tsofin’ny Jehovah Tompon’ny maro, dia novaliana ary afa-po tanteraka tamin’izany ny tenako. Noraisiko ho tenivavolombelona amin’ny fitaomam-panahy noraisin’i Joseph izany. Ary hatramin’izao fotoana izao aho dia mandray izany ho toy ny porofo ho ahy, izay tsy azoko lavina” (ao amin’ny edisiona Jan Shipps sy John W. Welch, eds., The Journals of William E. McLellin, 1831–1836 [1994], 57).

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 ianao dia jereo ireo fampanantenana mifono fankaherezana izay nomen’ny Tompo an’i William E. McLellin. Jereo ihany koa ireo teny mitondra fanitsiana sy fampitandremana.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireo fampanantenana sy ny iray amin’ireo fampitandremana izay nomen’ny Tompo an’i Rahalahy McLellin. Soraty ihany koa ny laharan’ny andinin-tsoratra masina ahitana an’ izany. Rehefa izany dia manorata fehezan-teny iray na roa izay manazava ny zavatra ampianarin’ilay fampanantenana sy ilay fampitandremana momba ny Tompo.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–66 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy