Seminera
Fizarana 2: Andro 4, Joseph Smith—Tantara 1:55–65


Fizarana 2: Andro 4

Joseph Smith—Tantara 1:55–65

Fampidirana

Rehefa avy nandray torolalana avy tamin’ny anjely Môrônia nandritra ny efa-taona i Joseph Smith, dia nampandraiketina azy ireo takela-bolamena, ary nanomboka nandika ny Bokin’i Môrmôna izy. Nahazo lalana i Martin Harris hampiseho amin’ny manampahaizana maro tao New York ny sasantsasany tamin’ireo endri-tsoratra nadika avy tao amin’ny takelaka sy ny dikantenin’izany. Mariho ny fahamatoran’i Joseph Smith raha nandray ny andraikiny mikasika ireo takelaka.

Joseph Smith—Tantara 1:55–58

Niaina trangan-javatra manan-danja maro i Joseph tao anatin’ny fahatanorany

Mieritrereta trangan-javatra manan-danja izay nitranga teo amin’ny fiainan’ireo zatovo fantatrao. (Mety ho anisan’izany ny tsodranon’ny patriarika, ny asa, ny fianarana, ny fiovana eo amin’ny fiainam-pianakaviana na koa aza fahafatesan’ireo olon-tiana.) Inona no zava-nitranga nanan-danja izay nitranga taminao tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa? Ahoana no fahatsapanao ny fiantraikan’io tranga io teo amin’ny toetranao sy ny hoavinao?

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:55–58, ary tadiavo ireo zava-nitranga manan-danja teo amin’ny fiainan’i Joseph izay niseho talohan’ny nandraisany ireo takela-bolamena avy tany amin’ny anjely Môrônia.

Zava-dehibe ny mahafantatra fa nandritra izany fotoana izany dia maty i Alvin zokin’i Joseph. Io tranga io dia nanana anjara toerana teo amin’ny fanambarana maro ho avy izay hianaranao any aoriana kely amin’ity taona ity (jereo ny F&F 137:1–6).

Ny tranga manan-danja iray hafa nandritra izany fotoana izany ihany koa dia ny fanambadiany an’i Emma Hale. Nanao fanamarihana mikasika ny fanambadian-janany an’i Emma i Lucy Mack Smith, renin’ny Mpaminany hoe: “Nahafaly anay ny safidy nataony, ary tsy hoe nanaiky ny hanambadiany azy fotsiny izahay, fa nangatahanay izy mba hitondra an’i Emma ho aty an-trano ary hiara-honina aminay” (History of Joseph Smith by His Mother, natontan’i Preston Nibley 1958, 93).

Joseph Smith—Tantara 1:59–62

Nahazo ireo takelaka i Joseph ary nanomboka nanao ny fandikanteny

Eritrereto hoe nankinin’ny rainao taminao ny Bokin’i Môrmôna voalohany izay navoaka (izay mitentina 180.000 dôlara eo ho eo amin’ny sandam-bola ankehitriny). Manao ahoana no ho fikarakaranao izany boky izany raha toa ka takatrao ny sandany ara-bola? Ahoana no ho fikarakaranao an’izany raha toa ka fantatrao fa io no Bokin’i Môrmôna farany sisa misy amin’ireo navoaka tany am-piandohana?

Nanankinana zavatra tena manan-danja i Joseph Smith. Diniho izay azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehony rehefa mandalina ny tantarany ianao. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:59, ary jereo ireo zavatra manan-danja nankinin’ny anjely Môrônia tamin’i Joseph (asio marika ao amin’ny soratra masinao ireo zavatra ireo).

Inona no andraikitra noraisin’i Joseph mikasika ireo zavatra ireo? Fenoy ity fitsipika manaraka ity raha miainga avy amin’ny fampanantenana nataon’i Môrônia tamin’i Joseph, araka izay voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:59: Rehefa mandray andraikitra amin’izay nomen’ny Tompo antsika isika ary mitahiry izany, dia Izy.

Ny fomba iray ahafahanao manohy izany dia hoe “hanolotra ny fiarovany sy ny fanampiany Izy.”

Sary
Nandray ireo Takela-bolamena i Joseph Smith

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:60, ary jereo izay nitranga rehefa azon’i Joseph ireo takela-bolamena. Rehefa mamaky ianao, dia jereo ny fomba nanatanterahan’ny Tompo ny fampanantenany rehefa nahatoky tamin’ny andraikitra nomena azy i Joseph.

Rehefa avy nandray ireo takelaka avy tamin’i Môrônia i Joseph Smith dia nafeniny tao anaty vatan-kazo bouleau efa ratsy tany amin’ny 5 kilaometatra latsaka niala ny tranony izany tamin’ny voalohany. Mba hahatakaranao ny fomba nanoloran’ny Tompo ny fiarovany sy ny fanampiany rehefa nampiasa ny heriny rehetra i Joseph Smith mba ho tompon’andraikitra amin’ireo takela-bolamena, dia vakio ity fanazavana nataon’ny renin’i Joseph Smith ity mikasika ny zava-nitranga fotoana fohy taorian’ny nandraisany ireo takelaka tany amin’ny Havoana Komôrà:

Sary
Lucy Mack Smith

“Naka izany tany amin’ny toerana miafina nisy azy i Joseph raha nandeha tany, dia nofonosiny tamin’ny palitaony vita amin’ny rongonim-bazaha izany, napetrany tao ambany heliny ary nitodi-doha hody izy.

“Rehefa avy nandeha kelikely izy dia nieritreritra fa ho azo antoka kokoa ny miala amin’ny arabe ka hanivaka any anaty ala. Rehefa nandeha kelikely taorian’ny nandaozany ny arabe izy dia tonga teo amin’ny hazo lehibe iray izay nazeran’ny rivotra, ary rehefa nandingana vatan-kazo voakapa iray izy dia nisy lehilahy nipoitra avy tao aoriany ka nively azy mafy tamin’ny basy. Nihodina i Joseph ary namely azy, dia nihazakazaka araka izay faran’ny heriny izy. Valonjato metatra lavidavitra kely an’izany dia nisy nanafika azy indray tamin’ny fomba mitovy tamin’ny teo aloha; nasiany tamin’ny fomba nitovy tamin’ny teo aloha ilay lehilahy dia nihazakazaka indray izy; ary mialoha ny nahatongavany tao an-trano dia nisy nanafika fanintelony izy. Folaka ny ankihibeny raha namely ilay iray farany izy, izay tsy tsikariny anefa raha tsy nahita ny trano izy, rehefa nitsambikina teny amin’ny zoron’ny fefy mba haka aina. Vantany vao nahazo aina izy dia nitsangana ary niditra tao an-trano. Mbola tsy nahateny tanteraka noho ny tahotra sy ny harerahana tamin’ny fihazakazahana izy” (History of Joseph Smith by His Mother, 108).

Na dia tsy mora tamin’i Joseph Smith mihitsy aza ny niaro ireo takela-bolamena, dia jereo ny fomba nitahian’ Andriamanitra sy nankaherezany azy ka nahafahany nanatontosa ny andraikiny. Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome torohevitra mikasika ny fametraham-pitokisana masina nomen’ny Tompo anao:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Aoka ianareo hanam-pahendrena eo anatrehan’ny zavatra izay omen’ny Tompo anareo. Fametraham-pitokisana izany. …

“Enga anie ny fiainanareo mba hahitana taratra ny fitomboan’ny fankatoavana araka ny tokony ho izy toy izay hoe mirona any amin’ny fanaovana an-tsirambina. Manantena aho fa hieritreritra sy hahatsapa ary hiakanjo sy hanao asa amin’ny fomba izay mampiseho fanajana fatratra ireo zavatra masina, ireo toerana masina ary ireo fotoana masina ianareo” (“A Sense of the Sacred,” New Era, June 2006, 31).

Eritrereto ny sasany amin’ireo andraikitra masina izay nomen’ny Ray any An-danitra antsika, toy ny fanajana ny vatantsika, ireo fanekempihavanan’ny batisa sy any amin’ny tempoly, ny fahefana sy ny andraikitra ao amin’ny fisoronana, ireo fifandraisana ao amin’ny Fiangonana, ary ny fandidiana hizara ny filazantsara. Diniho raha toa ianao tsy miraharaha sy manao tsinontsinona an’ireo zavatra nankinina aminao ireo amin’izao fotoana izao na tompon’andraikitra ny amin’izany. Diniho hoe inona avy ireo fitahiana izay mety ho azonao raha toa ianao ka miezaka mitandrina ireo andraikitrao masina amim-pitandremana bebe kokoa.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo andraikitra izay tsapanao fa nomena anao ary ireo fitahiana izay mety ho azonao rehefa manao izany amim-pitandremana ianao.

Mba hahitana fa nanohy nitahy an’i Joseph sy Emma Smith hatrany ny Tompo noho ny fahatokian’izy ireo, dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:61–62. Ahoana no fomba nitahian’ny Tompo ny Mpaminany sy ny vadiny tamin’io fotoana io?

Joseph Smith—Tantara 1:63–65

Nampiseho ireo endri-tsoratra teo amin’ireo takelaka tamin’ny olona manam-pahaizany tany New York i Martin Harris

Alaivo sary an-tsaina hoe nomena lalana ianao haka tahaka ny sasany amin’ireo tena endri-tsoratra tao amin’ireo takela-bolamena. Ho ataonao inona io tahadika io? Inona no ho nataonao raha toa ianao ka te hanaporofo amin’ny namana iray fa tena efa tany amin’ny vanim-potoana fahiny tokoa ireo takela-bolamena, tena araka izay efa voalazanao foana?

Sary
endri-tsoratra avy amin’ireo takelaka

Ny sary etsy ambony dia ohatra iray amin’ireo endri-tsoratra izay voasoratra tao amin’ireo takela-bolamena. Tamin’ny 1827 i Joseph Smith dia nanao tahadika an’ireo endri-tsoratra sasantsasany tamin’ny taratasy iray. Nangataka i Martin Harris raha toa ka afaka maneho ireo endri-tsoratra ireo amin’ny manam-pahaizana izay manam-pahalalana mikasika ny fiteny sy ny sivilizasiôna fahiny. Mety nahatsapa i Martin Harris fa ny fanamarinana omen’ny manam-pahaizana momba ireo endri-tsoratra dia hanampy ny vadiny izay tsy nankasitraka ny hanampian’i Martin an’i Joseph Smith teo amin’ny fandikan-teny. Mety nanantena ihany koa i Martin Harris fa ny fanamarinana fa hoe tena izy ireo endri-tsoratra dia afaka hanampy azy hanangona vola hiantohana ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Tsy fantatsika raha mitovy tamin’ilay nasehon’i Martin Harris tamin’ny manam-pahaizana ity tahadika aseho eto ity satria maromaro ny tahadikan’ny endri-tsoratra izay natao.

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity:

    Joseph Smith—Tantara 1:63–65

    Isaia 29:10–12

Ny Joseph Smith—Tantara 1:63–65 dia manome ny fitantarana ny fihaonan’i Martin Harris tamin’ireo manam-pahaizana. Efa naminany momba io tranga io Isaia mpaminany fahiny. Vakio ireo andinin-tsoratra masina ireo, avy eo dia vakio ny Isaia 29:10–12. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia fintino eo amin’ny tabilao mifanaraka amin’izany izay voalaza ao. Rehefa voafenonao ireo tsanganana roa ao amin’ilay tabilao dia mitadiava zavatra hitovizan’ny tantaran’i Martin Harris sy ny faminanian’i Isaia, ary avy eo dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay zavatra hitanao.

Sary
Joseph Smith sy Martin Harris

Inona no fahamarinana ianarantsika mikasika ny fahalalan’ Andriamanitra mialoha ny zava-drehetra sy ny faminanian’ireo mpanompon’ny Tompo avy amin’ny faminanian’i Isaia sy ny tantaran’ny nanehoan’i Martin Harris ireo endri-tsoratra tamin’ireo manam-pahaizana?

Mety hanam-paniriana ianao ny hanoratra ity fanambarana fahamarinana manaraka ity eo akaikin’io tantara io ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:63–65: Ho tanteraka avokoa ny faminanian’ny mpanompon’ny Tompo. Mahatadidy andinin-tsoratra masina fehezina iray ve ianao izay mampianatra io fahamarinana io ihany koa?

Ny andinin-tsoratra masina fehezina roa izay mampianatra fa ho tanteraka avokoa ny faminanian’ireo mpanompon’ny Tompo dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38 sy ny Amôsa 3:7. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:65 ireo andininy ireo.

Rehefa avy nampiseho ireo endri-tsoratra tamin’ny Profesora Anthon sy Dr. Mitchell i Martin Harris dia niverina tamim-pahavononana indray tany Palmyra mba hanampy amin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna.

  1. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina fehezan-teny vitsivitsy izay mamintina ny zavatra nianaranao tamin’ny lesona androany sy ny antony mahatonga izany ho manan-danja aminao. Diniho ny hizarana izay nosoratanao amin’ny fianakavianao na ny namana iray.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Joseph Smith–Tantara 1:55–65 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy