Seminera
Fizaran 20: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93


Fizarana 20: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93

Fampidirana

Ny 6 mey 1833, ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93. Toy izao no nanazavan’i Jesoa Kristy ny tanjon’ny tapany voalohany tamin’ity fanambarana ity (F&F 93:1–20): “Omeko anareo ireo teny ireo hahazoanareo mahatakatra sy mahafantatra ny fomba ivavahanareo sy izay ivavahanareo, mba hahazoanareo manatona ny Ray amin’ny anarako ary mandray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany” (F&F 93:19). Ireo andininy ireo dia horesahina amin’ny antsipiriany bebe kokoa amin’ny fotoana hihaonanao amin’ny mpampianatrao isan-kerinandro. Ity lesona ity dia miompana indrindra amin’ny zavatra nambaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21–53. Hita ao amin’ireo andininy ireo ny torolalana nomen’ny Tompo momba ny fomba handraisana fahamarinana sy fahazavana sy ny filana ny hoe “mazoto sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano” (F&F 93:50).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–20

Ny Tompo dia manambara ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–20 no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy, sy ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra, ary ny fomba ahafahantsika mandray ny “fahafenoan’ny voninahitry ny Ray” tahaka ny nataony (F&F 93:16).

Sary
I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa

Nizara fijoroana ho vavolombelona mafonja momba an’i Jesoa Kristy i Jaona Mpanao Batisa.

Ny Apôstôly Jaona dia mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny fotoana nanombohan’i Jesoa Kristy ny asa fanompoany teto an-tany. Nitantara ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jaona Mpanao Batisa momba ny Mpamonjy izy ao amin’ny filazantsaran’i Jaona ao amin’ny Testamenta Vaovao. Toy izao no fanazavana nomen’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika io fampidirana io fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jaona mpanao Batisa io:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Fantatsika avy amin’ireo fanambarana nomena tamin’izao andro farany izao fa ny boky ao amin’ny tapany voalohany amin’ny filazantsaran’i Jaona (ilay Apôstôly, sy Mpanambara, ary Mpianatra Malala) dia i Jaona mpanao Batisa no tena nanoratra azy. Tamin’ny alalan’ny fanambarana no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith ny ampahany tamin’ny zavatra nosoratan’i Jaona Mpanao Batisa ary nampanantena izy ny hanambara ny ambiny amin’izany rehefa mahatoky tsara sy mendrika ny handray izany ny olona. (F. & F. 93:6–18.) [Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:15] dia manondro hoe iza marina moa ilay tena Jaona resahina eto. …

“… Tsy isalasalana fa i Jaona Apôstôly no nihazona ny rakitsoratr’i Jaona Mpanao Batisa tamin’izy (Jaona Apôstôly) nanoratra ny filazantsarany (izany hoe ny boky hoe “Ny Filazantsara Nosoratan’i Jaona” ilay izy ao amin’ny Testamenta Vaovao ). Noho izany dia i Jaona Apôstôly no nandika mivantana na tamin’ny teniny manokana ny zavatra izay nosoratan’ilay mpaminany teo aloha izay mitovy anarana aminy. Raha tsy hoe angaha nambaran’ny Tompo tamin’ilay nanoratra ny filazantsara ireo teny izay noraketin’i Jaona mpanao Batisa izay nanomana ny lalana teo alohany” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1966–73], 1:70–71).

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:6–17, ny Tompo dia nanome fampahalalana avy amin’ny rakitsoratr’i Jaona mba hanampiana antsika hahatakatra bebe kokoa ny momba Azy. I Jaona dia nampianatra fa i Jesoa Kristy dia nitombo tamin’ny fahasoavana niampy fahasoavana mandra-pandraisany ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray.

Isika ihany koa dia afaka mandray ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray rehefa manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21–39

Ny Tompo dia mampianatra ireo mpanompony ny amin’ny fomba handraisana fahamarinana sy fahazavana

Inona avy ireo andraikitra sasantsasany sahanin’ny lahimatoa na vavimatoa ao amin’ny fianakaviana.

Sary
Jesoa Kristy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21–23, ka tadiavo ny zavatra nambaran’i Jesoa Kristy mikasika Azy.

Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mampianatra izao Fotopampianarana manaraka izao: I Jesoa Kristy no Lahimatoa amin’ireo fanahy rehetra zanaky ny Ray any An-danitra.

Satria i Jesoa Kristy no fanahy zanaka Lahimatoan’ny Ray dia Izy no “voatondro ho mpandova” (Hebreo 1:2) ny zavatra rehetra izay ananan’ny Ray. Saingy tiany samy hahazo izany lova izany ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Manana fahafahana ny ho “mpiray lova amin’i Kristy” (Romana 8:17) isika ka isaina ho ao anatin’ny “fiangonan’ny Lahimatoa” (F&F 93:22); jereo koa ny F&F 76:51–54). Ny Lohona Bruce R. McConkie dia nampianatra fa “ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay tena manolo-tena ho an’ny fahamarinana ka mandray ireo ôrdônansy ambonin’ny fisandratana no lasa mpikamban’ny Fiangonan’ny Lahimatoa” (Mormon Doctrine, ed. faha-2 [1966], 139). Amin’izay lafiny izay dia afaka mahazo ny zava-drehetra izay ananan’ny Ray koa isika (jereo ny F&F 76:55; 84:37–38).

Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:22, isika dia tsy maintsy ateraka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy mba ho isan’ireo mpandray anjara amin’ny voninahitry ny Lahimatoa. Ny hoe ateraka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia midika hoe ateraka ara-panahy indray ary voadio amin’ny fahotana rehetra amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana.

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny antony maha-zava-dehibe aminao ny mahatakatra ny anjara andraikitr’i Jesoa Kristy amin’ny maha-lahimatoan’ny Ray Azy. Azonao atao ihany koa ny mirakitra ireo zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa mandinika ianao hoe inona tokoa moa no dikan’ny anjara andraikiny aminao amin’ny maha-lahimatoan’ny Ray Azy.

Jereo fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21 i Jesoa Kristy dia nilaza fa Izy dia “niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana.” Araka ny voalazan’ny andininy 23, iza ihany koa ireo niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:23 dia miantefa amin’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Azonao atao ny manolo amin’ny anaranao ilay teny hoe ianareo ao amin’io andininy io. Afaka manoratra ny anaranao eny amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao ianao sy manisy tsipika eo ambanin’ilay teny hoe ianareo.

Nampianarin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika ary nanana fahafahana ny hanaiky na handà ny fahamarinana fony isika niara-niaina tamin’izy ireo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24–26, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo.

Soraty eo amin’ny toerana navela ho malalaka ny zavatra nianaranao tamin’ny famaritan’ny Tompo ny atao hoe fahamarinana ao amin’ny andininy faha 24:

Diniho ny fomba namaritana an’i Satana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:25. Diniho tsara ny zavatra ataony mba hitarihana antsika amin’ny alalan’ny familiviliana ny fahalalantsika ny fahamarinana na ny fampihenana izany. Ataovy ny fampitahana ka saintsaino ny zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy ao amin’ny andininy faha 26.

Hadihadio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36–37, ka tadiavo ireo fitsipika fanampiny nambaran’ny Tompo momba ny fahazavana sy ny fahamarinana. Azonao atao ny manisy marika ny fehezan-teny hoe “ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina, na amin’ny teny hafa, fahazavana sy fahamarinana” ao amin’ny andininy 36 Tsarovy fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia manana ny fahafenoan’ny voninahitra, anisan’izany ny fahafenoan’ny faharanitan-tsaina, na fahazavana sy fahamarinana. Saintsaino ny tombontsoa azontsika amin’ny fandraisana fahazavana sy fahamarinana eo amin’ny fiainantsika. Ny iray amin’izany tombontsoa izany dia ny hoe afaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fandraisana fahazavana sy fahamarinana. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 36.)

Sary
Ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy
  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny antony maha-manan-danja aminao ny hoe afaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fandraisana fahazavana sy fahamarinana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:27–28, ka tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataontsika handraisana fahamarinana sy fahazavana. Soraty ao anatin’ilay boribory miendrika atody eo amin’ny ankavanan’ilay kisarisary miaraka aminy ny fitsipika iray izay mampianatra ny fomba andraisantsika fahamarinana sy fahazavana.

Sary
fahazavana sy haizina amin’ny alalan’ny kisarisary

Afaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fandraisana fahazavana sy fahamarinana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no manampy antsika handray fahamarinana sy fahazavana ny fankatoavantsika ireo didy?

    2. Oviana ianao no nahatsapa hoe nandray fahamarinana sy fahazavana noho ny fitandremanao ny didy?

Fony isika niara-niaina tamin’ Andriamanitra mialoha ny nahaterahantsika teto an-tany dia efa ny nananantsika ny fahafahana misafidy —fahafahana misafidy sy fandraisana andraikitra manokana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29–32, ka tadiavo ny fiantraikan’ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy eo amin’ny fahafahantsika mandray fahazavana sy fahamarinana.

Araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 31–32, inona no voka-dratsiny rehefa misafidy ny tsy handray fahamarinana sy fahazavana isika?

Ireo andininy ireo dia manampy antsika hahatakatra fa mametraka ny tenantsika eo ambany fanamelohana sy manakana ny fivoarantsika ara-panahy isika rehefa manda ny handray ny fahazavana izay omena antsika.

Mety hamoy ny fahazavana sy fahamarinana izay efa noraisintsika ve isika? Hadihadio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39 hahitanao valiny iray ho an’io fanontaniana io.

Soraty ao anatin’ilay boribory miendrika atody ao amin’ny kisarisary miaraka aminy ny fitsipika iray izay manambara ireo antony mahatonga antsika hamoy fahazavana sy fahamarinana.

  1. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny ohatra sasany amin’ireo fomban-drazana, na zavatra fanaon’ny ankamaroan’ny olona, izay mety hahatonga antsika hamery fahazavana sy fahamarinana. Manorata fehezan-teny vitsivitsy manazava ny mety ho fiantraikan’ny fandraisana anjara amin’ireny fomban-drazana ireny amin’ny fahafahantsika mandray fahazavana sy fahamarinana avy any amin’ny Raintsika any An-danitra.

Ity tantara manaraka ity dia afaka manampy mba hampisehoana hoe ny safidintsika manokana mba hankato na tsy hankato ireo didin’ Andriamanitra dia misy fiantraikany ka na mandray fahazavana sy fahamarinana isika na hamoy izany. Vakio ity tantara manaraka ity ka fantaro hoe inona no fiantraikan’ireo safidy nataon’i Maria teo amin’ny fahafahany mandray fahazavana sy fahamarinana. Miatoa isaky ny mahavita andiam-pehezan-teny iray, ary eritrereto ny antony nampiova ny toe-javatra niainan’i Maria.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny maha-zava-dehibe ireo fanapahan-kevitra raisinao isan’andro sy ny fiantraikan’izany amin’ny fahazavana sy fahamarinana raisinao sy hazoninao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–53

Manoro hevitra ny mpanompony ny Tompo mba handamina ny tokantranony

Sary
fiaraha-mivavaky ny mpianakavy

Eritrereto ny fomba hanampian’ny fifandraisanao amin’ireo ray aman-dreninao na olona hafa ao amin’ny fianakaviana anao hitombo ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40, ka fantaro ny andraikitra nomen’ Andriamanitra ireo ray aman-dreny.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:41–48 ny Tompo dia mampianatra an’i Frederick G. Williams sy i Sidney Rigdon ary i Joseph Smith zanany mba hanao izay tsaratsara kokoa amin’ny fampianarana ny fahazavana sy ny fahamarinana ny zanak’izy ireo ary hanao izany amin’ny fomba izay hampilamina ny tokantranon’izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:49–50, ka tadiavo ny fampitandremana nataon’ny Tompo izay miantefa amin’ny fianakaviana rehetra. Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao dia azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Tsy maintsy mivavaka mandrakariva sy mazoto ary mikarakara ny ao an-tokantrano isika raha tsy izany dia hanana hery amintsika ilay ratsy.

Mihatra amin’ny fianakaviana iray manontolo io fampitandremana io na dia ny ray aza no nomena azy io. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ireo fomba ahafahantsika ho “mazoto kokoa sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano”:

“Torohevitra Voalohany: Ambarao ny Fitiavana—ary Asehoy Izany

“Afaka miantomboka ny ho tonga mazoto kokoa sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano isika amin’ny alalan’ny filazana amin’ireo olon-tiantsika fa tiantsika izy ireo. Tsy mila haingon-teny na teny lava ny fitenenana izany. Tokony haneho fitiavana amin-kitsimpo sy matetika fotsiny isika. …

“… Ry zanaka, oviana ianareo no niteny farany tamin’ny ray aman-dreninareo fa tianareo izy ireo? …

“Tokony hotsaroantsika fa ny fitenenana hoe ‘tiako ianao’ dia fanombohana ihany. Mila milaza izany isika ary manao izany amin’ny fo ary ny zava-dehibe indrindra dia ny fanehoantsika tsy tapaka izany. Mila ambarantsika sy porofointsika ny fitiavana. …

“Torohevitra Faharoa: Mijoroa ho vavolombelona—ary iaino izany

“ Afaka ny ho tonga mazoto kokoa sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano isika rehefa mijoro ho vavolombelona amin’ireo olon-tiantsika momba ireo zavatra fantatsika fa marina amin’ny alalan’ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina. Tsy ilaina atao lava be na atao tsara lahatra ny fijoroana ho vavolombelona. …

“… Ry zanaka, oviana no fotoana farany nizaranareo ny fijoroana ho vavolombelona anananareo tamin’ny ray aman-dreninareo sy ny fianakavianareo? …

“Tokony hotsaroantsika fa ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny fo dia fanombohana fotsiny ihany. Mila mijoro ho vavolombelona isika ary manao izany amin’ny fo ary ny zava-dehibe indrindra dia ny fiainantsika tsy tapaka izany. Mila manambara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika ary mila miaina mifanaraka amin’izany. …

“Torohevitra Fahatelo: Aza Miovaova

“Ny vavaky tsirairay fanaon’ny mpianakavy, ny fotoana tsirairay handalinan’ny fianakaviana soratra masina, ary ny takarivan’ny mpianakavy tsirairay dia mandehan’ny borosindoko eo amin’ny sary hosodokon’ny fanahintsika. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo zavatra ireo no hoe manaitra be na miavaka be. Saingy … ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra bitika ireo dia afaka ny hitondra vokany ara-panahy lehibe. … Ny tsy fiovaovana dia fitsipika iray manan-danja ilaina rehefa mametraka ny fototry ny asa iray lehibe eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy isika ary rehefa lasa mazoto kokoa sy mikarakara kokoa ao an-tokantranontsika” (“Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 17–20).

  1. Aminao, inona no dikan’ny hoe “mazoto sy mikarakara ao an-tokantrano” (F&F 93:50)? Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny zavatra iray hataonao mba ho mazoto kokoa sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy