Seminera
Fizarana 25: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–14


Fizarana 25: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–14

Fampidirana

Naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113 ny Mpaminany Joseph Smith taorian’ny fahatongavana tao Far West, Missouri, tamin’ny volana martsa 1838. Namaly ireo fanontaniana mikasika ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny bokin’i Isaia ny Tompo ao amin’ilay fanambarana. Naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114 i Joseph Smith tamin’ny 17 aprily 1838. Ny Tompo dia nanome torolalana an’i David W. Patten, izay mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ao amin’io fanambarana io mba hiomana handeha hitory ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113

Mamaly ireo fanontaniana mikasika ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny bokin’i Isaia ny Tompo

Efa nanana olana ve ianao tamin’ny fahatakarana ny zavatra novakinao tao amin’ny soratra masina?

Ireo faminaniana sasany ao amin’ny soratra masina dia mampiasa tandindona izay sarotra takarina. Nangataka ny Mpaminany Joseph Smith hanazava andinin-tsoratra masina maromaro tao amin’ny bokin’i Isaia ny rahalahy sasany tao Far West, Missouri. Ny valinteny nomen’ny Tompo ho an’ireo fanontaniana ireo dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113.

Sary
Sarin’i Isaia manoratra

Isaia

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113 ary fintino ireo valinteny nomen’ny Tompo.

Mazava tsara ny dikan’ilay vatana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–2. Ity fampahalalana manaraka ity dia mety manampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaranao an’izay tandindona izany: i Jesoa Kristy izay taranaka avy amin’ny tranon’i Jese, izay rain’i Davida. Ilay teny hoe vatana ao amin’ny Isaia 11:1 dia nadika avy amin’ny teny Hebreo iray izay entina ilazana ny vatan’ny hazo iray—na izany hazo nokapaina na hazo novolena.

Saintsaino ny dikan’ilay solofo sy ilay faka izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:3–6. Eritrereto ity fanazavana manaraka nozarain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Diso ve isika raha milaza fa ilay mpaminany voalaza eto dia i Joseph Smith, izay nahazo ny fisoronana, izay nandray ireo fanalahidin’ny fanjakana, ary nanangana ny faneva mba hanangonana ny vahoakan’ny Tompo amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao? Ary moa ve tsy izy ihany koa no ilay ‘mpanompo eo an-tanan’ i Kristy, izay tamingan’ i Jese ary koa Efraima ny ampahany, na avy amin’ ny tranon’ i Josefa izay ametrahana hery lehibe’? (F&F 113:4–6.) Ireo olona izay manome lanja lehibe an’ireo zavatr’ Andriamanitra dia hahalala ny dikan’ireo zavatra ireo” (The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 339–40).

Sary
vatan-kazo

Inona ireo zavatra vitsivitsy nataon’i Joseph Smith amin’ny maha-“mpanompo eo an-tanan’i Kristy” azy (F&F 113:4)?

Rehefa mieritreritra ny dikan’ireo faka ianao dia halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:5–6.

Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ireo faka an’i Joseph Smith?

Fenoy miainga avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 6 ity fehezan-teny milaza Fotopampianarana ity: Nahazo ireo fanalahidin’ny fanjakana i Joseph Smith ho sy ho amin’ny andro farany. Azonao atao ny mampifandray ny andininy 6 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11.

Taorian’ny nanambaran’ny Tompo ny valin’ireo fanontaniana mikasika ny Isaia 11, dia nametraka fanontaniana mikasika ny Isaia 52 i Elias Higbee.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:7–10, dia fenoy ity tabilao manaraka ity:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:7–8

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:9–10

Inona no tokony “hotafiantsika”?

Inona no ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay miverina any Aminy?

Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao?

Inona araka ny eritreritrareo no dikan’izany ho an’ireo vahoakan’i Isiraely izay naely patrana?

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba azon’ny Tompo hanomezana fitarihana sy tanjaka ho an’ny olona izay miezaka miverina any Aminy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114

Nandidy an’i David W. Patten hiomana hanao asa fitoriana ny filazantsara ny Tompo

Ny olona iray izay nofidian’ny Tompo mba hanampy tamin’ny fampatanjahana an’i Ziona dia ny lehilahy iray nantsoina hoe David W. Patten.

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 15 jona 1832 i David W. Patten. Notendrena ho Apôstôly izy tamin’ny taona 1835. Nanana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranana izy ary lehilahy iray nanana herimpo sy hery lehibe. Tsy natahotra izy tamin’ny fiarovany ny finoany sy ny Mpaminany Joseph Smith. Fantatra tamin’ny anarana hoe “Captain Fear Not” (Kapiteny Aza matahotra) i David Patten rehefa niaro ny Olomasina tamin’ireo andian’olona tao Missouri. (Jereo ny Lycurgus A. Wilson, Life of David W. Patten: The First Apostolic Martyr [1900], 5–8, 14–17, 48–49, 62.)

Nangataka ny Mpaminany Joseph Smith hikatsaka fanambarana ho azy teo amin’ny toerany ny Loholona Patten. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114:1, mba hitadiavana ny zavatra tian’ny Tompo ho ataon’ny Loholona Patten.

Tamin’ny fararanon’ny taona 1838, izay enim-bolana taorian’ny nahazoana ilay fanambarana izay nandidiana ny Loholona Patten hiomana hanao asa fitoriana, dia nandray anjara tamin’ilay ady natao tao amin’ny Reniranon’i Crooked izy, izay teo akaikin’ny toerana nipetrahan’ireo Olomasina tao Missouri afovoany andrefana. Tamin’ny 25 ôktôbra 1838, dia notafihan’ny andian’olona ny tokantranon’ny Olomasina sasany, ka nandidy ireo mpikambana hiala tao amin’ilay faritany izy ireo ary naka lehilahy telo mba hogadraina. Taorian’ny nandrenesana ilay tatitra izay nilaza fa nanam-pikasana ny hamono ireo gadra tamin’io alina io ilay andian’olona, dia nandrafitra vondrona roa ireo milisin’ny Olomasina mba hanavotra ireo gadra. Notarihin’ny Loholona David W. Patten ny iray tamin’ireo vondrona ireo. Rehefa akaiky maraina, rehefa nanakaiky ny Renirano Crooked ny vondron-tafika notarihin’ny Loholona Patten mba hiampita izany, dia nanomboka nitifitra ireo olona tao amin’ilay andian’olona izay niafina teo akaiky teo. Poa toy izay dia nanomboka ny ady iray, ary maro ireo lehilahy naratra avy amin’ny andaniny sy ny an-kilany, ka anisan’izany ny Loholona Patten.

Sary
sary maneho ny ady

Ilay ady tao amin’ny Reniranon’i Crooked, Missouri

Maty afaka ora maromaro taorian’izay ny Loholona Patten. Lehibe tokoa ny finoany ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny satria indray mandeha izy dia efa niteny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa manana faniriana ny ho faty ho maritiora. “Ny Mpaminany, izay niontampo tokoa, dia nalahelo mafy ‘satria’ hoy izy tamin’i David hoe: ‘Amin’ny ankapobeny, rehefa mangataka zavatra amin’ny Tompo ny lehilahy manana finoana lehibe toy ny anao dia mahazo izany na inona izany na inona.’” Tamin’ny fandevenana ny Loholona Patten, roa andro taorian’ilay ady, dia niresaka mikasika azy i Joseph Smith nanao hoe: “Mandry ato ny lehilahy iray izay nanao ny zavatra nolazainy fa ho ataony—nanolotra ny ainy ho an’ireo sakaizany izy.” (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 199–200; mitanisa izay voalaza ao amin’ny Life of David W. Patten, 53; History of the Church, 3:175).

Tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Loholona Patten dia nanomana ny tenany tamin’ny alalan’ny fahatokiany izy ny handeha hanao asa fitoriana ny filazantsara. Nanahy ny amin’ireo Olomasina namany izay tsy nahatoky ihany koa izy, ka anisan’izany ny mpikambana sasany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa nandry teo amin’ny fandriany talohan’ny nahafatesany izy dia nihiaka hoe “Enga anie izy ireo ka mba hiaina toe-javatra toy izay iainako! Satria tsapako fa nitahiry ny finoana aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, ka noho izany dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitra iray, izay homen’ny Tompo, Ilay Mpitsara marina ho ahy [jereo ny 2 Timoty 4:7–8].” Hoy izy tamin’ny vadiny: “Na inona na inona zavatra hafa ataonao, dia aza mandà ny finoana” (notanisain’i Heber C. Kimball, ao amin’ny Life of David W. Patten, 69).

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i David Patten ny hoe raha manaraka ny toromariky ny Tompo isika dia ho vonona amin’izay rehetra kasainy ho antsika.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no nanaraka ny torohevitry ny Tompo ka nahita fa nanomana anao tamin’ny zavatra izay tsy nampoizinao izany? Raha tsy mbola niaina izany zavatra izany ianao dia resaho amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray ilay fanontaniana. Soraty ny zavatra nianaranao avy aminy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114:2, mba hitadiavana ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga rehefa mandà ny Anarany ny olona sasany. (Ilay teny hoe episkôpà ao amin’io andininy io dia entina ilazana ny andraikitry ny olona iray, fa tsy eveka iray miaraka amin’ireo mpanolotsaina azy. Jereo ny Salamo 109:9; Asan’ny Apôstôly 1:20; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Eveka.”)

Rehefa tsy nijanona ho nahatoky ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nisy olona hafa nantsoina mba hanompo teo amin’ny toeran’izy ireo. Ireo Apôstôly vaovao ireo dia nahitana an’i John Taylor sy i Wilford Woodruff, izay nanao asa fitoriana ny filazantsara tamim-pahatokiana tany Angletera ary nampianatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny olona an’arivony.

  1. Manoràta andiam-pehezan-teny fohy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay mamariparitra ny zavatra azonao atao mba hanarahana ny torohevitry ny Tompo sy hanatanterahana ireo zavatra andrasany aminao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–14 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy