Seminera
Fizarana 20: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–92


Fizarana 20: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–92

Fampidirana

Ny 8 Marsa 1833, ny Tompo dia nanome ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90, izay ahitana ireo torolalana ho an’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo. “Ity fanambarana ity dia fanohizana ny dingana ho fametrahana ny Fiadidiana Voalohany” (sasin-teny ho an’ny fizarana F&F 90). Nanontany ny Mpaminany Joseph Smith ny ampitson’io raha toa izy ka tokony handika na tsia ny Apôkrifa ho anisan’ny fanitsiana mazava tsara nentina ao amin’ny Baiboly. Namaly ny fanontaniany ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91 ary niteny tamin’i Joseph fa tsy ilaina ny handikany izany. Andro vitsivitsy taorian’izay, ny 15 marsa 1833, no nandraisan’ny Mpaminany ny fanambarana iray (F&F 92) izay manome torolalana an’i G. Williams, iray amin’ireo mpanolotsaina ny Mpaminany, ny amin’ny andraikiny ao amin’ny United Firm, izay natsangana mba hisahanana ny fikarakarana ny mahantra sy ny raharahan’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–18

Mampianatra ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo mikasika ny andraikiny ny Tompo

Inona no fanomezana sarobidy indrindra azonao hatramin’izay? Nahoana no sarobidy izany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–3, ka tadiavo ireo zavatra sarobidy nomena ny Mpaminany Joseph Smith. Araka ireo andininy ireo, inona no zavatra hazonin’ny Mpaminany?

Ny andian-teny hoe “fanalahidin’ny fanjakana” dia ilazana ny zon’ny fiadidiana, na ny fahefana omen’ Andriamanitra ny lehilahy iray hiahiana sy hitantanana, ary hitarihana ny fanjakany eto an-tany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:4–5, ka tadiavo ny fampitandremana nomen’ny Tompo ny olomasina. Ilay teny hoe fanambarana voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia ilazana ireo fanambarana omen’Andriaminatra ireo mpaminaniny.

Sary
Filoha Thomas S. Monson eo amin’ny polpitra

Azonao atao ny manoratra izao fitsipika manaraka izao eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andinin’ny faha 5: Raha toa ka hamaivanintsika ireo fanambarana omen’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia ho solafaka sy hianjera isika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Aminao, inona no dikan’ny hoe mihevitra “ho zava-maivana” ireo fanambarana omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny (F&F 90:5)?

    2. Manomeza ohatra vitsivitsy mikasika ireo fanambarana izay mety halaim-panahy ny olona hanamaivana azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:6, ka tadiavo ireo olona hafa lazain’ny Tompo fa mihazona ihany koa ireo fanalahidin’ny fanjakana. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao anatin’io andininy io izay mampianatra ny fahamarinana fa ny Fiadidiana voalohany no mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana. (Nomena ireo fanalahidin’ny fanjakana ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny nitsanganan’ny kôlejy ny taona 1835. Eo ambanin’ny fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana no ampiasan’izy ireo ireo fanalahidy ireo.)

Ny 18 marsa 1833, 10 andro taorian’ny nanomezana ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90 no nanokanan’i Joseph Smith an’i Sidney Rigdon sy i Frederick G. Williams ho mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo, izay fantatra tamin’ny hoe ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana taty aoriana.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:7–10 dia ahitana ny torolalana nomena ny Fiadidiana Voalohany ny amin’ny hanomanana ireo izay manatrika ny sekolin’ny mpaminany hitory ny filazantsara maneran-tany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:11 ka eritrereto hoe ahoana no maha-efa tanteraka sahady an’io andininy io amin’izao fotoana izao.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:12–18 dia milazalaza ny sasany amin’ireo andraikitry ny Fiadidiana Voalohany, anisan’izany ny fandaminana ny raharahan’ny Fiangonana. Satria mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana ny Fiadidiana Voalohany dia hotahiana ianao rehefa manaraka ny fampianarana omen’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:19–37

Mampianatra ny olomasina ao Ziona ny Tompo

Inona no ataonao rehefa lasa tena sarotra ireo toe-javatra misy eo amin’ny fiainanao?

Tamin’ny Mpaminany Joseph Smith nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90 dia tao anatina toe-javatra sarotra iray izy sy ireo mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana noho ny tsy fahampian’ny fidiram-bolan’ny Fiangonana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:19–37 dia ahitana ny torolalana nomen’ny Tompo ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana mikasika ny fomba handraisana an-tanana ilay toe-javatra sarotra niainan’izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24, ka mitadiava torohevitra izay mety hankahery olona iray mety mandalo fotoan-tsarotra.

Fenoy avy amin’ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny andininy faha 24 ity fitsipika manaraka ity: Raha toa isika amim-pahazotoana, mandrakariva,sy , ary mahatsiaro ny , dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoantsika.

Mitaky mihoatra ny famakiana ny soratra masina ny fitadiavana amim-pahazotoana. Hoy ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Midika hoe miasa mafy ny fahazotoana, mifanohitra amin’ny fahakamoana na fanaovana an-tsirambina na tsy firaharahiana. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy maintsy mikaroka izy ireo mba hahafantarany ny fotopampianaran’ny Fiangonana” (Stand Ye in Holy Places: Selected Sermons and Writings of President Harold B. Lee [1974], 198).

Aminao, inona no dikan’ny hoe “hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombotsoanareo” (F&F 90:24)?

Tsy midika izany akory fa tsy hisy zavatra ratsy hanjo antsika mihitsy. Raha ny marina, izy io dia midika fa hampatanjaka antsika mandritra ny fotoan-tsarotra Andriamanitra raha toa isika mahatoky ary ireo fotoan-tsarotra lalovantsika dia afaka ny hitondra traikefa ilaintsika ary koa fitahiana maro.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny zavatra iray niainanao na nitranga tamin’ny fiainana olona iray hafa izay mampiseho ny fahamarinan’io fitsipika io.

Nisy mpikamban’ny Fiangonana iray nantsoina hoe Vienne Jaques naneho fahatokiana lehibe tao anatina fotoan-tsarotra. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:28–31 ka tadiavo ireo torolalana mazava nomen’ny Tompo azy. Diniho ity fampahalalana momban-drahavavy Jaques manaraka ity, ka tadiavo hoe ahoana no nanehoany fahatokiana tamin’ireo torolalan’ny Tompo. Rehefa mandinika izany ianao dia azonao atao ny manipika ny sasany amin’ireo toe-javatra sarotra niainan’i Vienna (miezaha mitady telo farafahakeliny).

Sary
Vienna Jaques

Vienna Jaques

Ohatra iray maneho ny fahatokian’ireo Olomasina tany am-piandohana i Vienna Jaques. Teraka tamin’ny 10 Jona 1787 izy. Rehefa nihaona tamin’ireo misiônera tany Boston, Massachussetts, Etazonia izy dia nandeha nankany Kirtland, Ohio tamin’ny taona 1831. Nitoetra tao nandritra ny enina herinandro izy ka natao batisa. Rehefa niverina tany Boston i Vienna dia nanampy ny fianakaviany maro hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Avy eo dia “namidiny avokoa ny fananany rehetra ary nefainy avokoa ireo adidiny ara-bola rehetra tao Boston ka niverina tany Kirtland izy nampifantoka ireo ezaka sy asa maro nataony tamin’ny Fiangonana” (“Home Affairs,” Woman’s Exponent, 1 jolay 1878, 21). Tamin’ny 1833 dia nanokana ny fananany rehetra ho an’ny Fiangonana i Vienna tamin’ny fotoana iray izay tena nilan’ny Fiangonana vola mafy ka tao anatin’izany ny lelavola 1.400 dôlara nomeny. Avy eo dia nandeha nankany Missouri izy mba handray ny lovany tao Ziona. Kanefa, tsy ela akory taorian’ny fahatongavany dia niaritra fanenjehana niaraka tamin’ireo Olomasina izy. Nikarakara ireo narary tao amin’ny Zion’s Camp ihany izy taorian’ny fandroahana azy hiala tao amin’ny fonenany tao Missouri. Nanoratra i Heber C. Kimball hoe, “Nandray hatsaram-panahy lehibe … tamin- drahavavy Vienna Jaques aho, ilay olona nikarakara izay nilaiko sy ny an’ireo rahalahiko—ny Tompo anie hamaly soa azy noho ny hatsaram-panahiny” (“Sombiny tamin’ny H. C. Kimball’s Journal,” Times and Seasons, 15 mar. 1845, 839–40).

Nanambady an’i Daniel Shearer i Vienna Jaques tamin’izy tao Missouri. Nandeha tany Utah andrefana izy tamin’ny 1847 nitondra ny saretiny namakivaky ireo tany lemak’i Utah ary 60 taona izy tamin’izany. Nonina tao Salt Lake City izy ka nandritra ny andro sisa niainany dia niasa mafy mba hamelomana ny tenany ary nandalina tamim-pahazotoana ny soratra masina. Maty ny 7 febroary 1884 rehefa feno 96 taona rahavavy Jaques. Toy izao no nambara tamin’ny fitantarana an-tsoratra ny nahafatesany: “Nahatoky tamin’ireo fanekempihavanana nataony izy ary toy ny harena sarobidy taminy ny famerenana tamin’ny laoniny ny Filazantsara” (“In Memoriam,” Woman’s Exponent, 1 mar. 1884, 152; jereo koa ny Susan Easton Black, “Happiness in Womanhood,” Ensign, mar. 2002, 12, 14).

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny zavatra nianaranao momba ny fiaretana zava-tsarotra sy ny fahatokiana nasehon’i Vienna Jaques.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91

Mampianatra an’i Joseph Smith ny Mpamonjy mba tsy handika ireo Apôkrifa

Ahoana no ahafahtaranao fa marina ny zavatra vakinao any amin’ny Internet na ao anaty gazety na anaty gazetiboky? Ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91 dia nanome torolalana ny Mpaminany Joseph Smith ny fomba hamantarany raha toa ka marina ny zavatra izay vakiny. Vakio ny teny fampidirana ny fizarana ka tadiavo ny zavatra nataon’i Joseph Smith tamin’izy nandray io fanambarana io.

Ny Apôkrifa dia fitambaran’ireo boky masin’ny vahoaka Jiosy. Tsy tafiditra tao amin’ny Baiboly Hebreo izy ireo taloha fa hita kosa tao amin’ny Baiboly amin’ny dikanteny Grika tamin’ny andron’i Kristy. Ny sasany amin’ireo boky ireo dia ahitana tantara nosoratana teo anelanelan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Taonjato maro taty aoriana, rehefa nanangona ireo bokin’ny Baiboly ireo Kristiana dia natsofony tao ny bokin’ny Apôkrifa, kanefa nipetraka ny fanontaniana raha toa ka tokony hampidirina ho ampahany amin’ny soratra masina izy ireo na tsia. Nahitana Apôkrifa tao anatin’ny Baiboly nampiasain’i Joseph Smith tamin’izy nanao ny fandikanteny nampanaovina azy. Kanefa, noho ny fisalasalana mikasika ny fahamarinan’ny Apôkrifa dia nanontany ny Tompo i Joseph raha toa ka tokony hampidirina ao amin’ny fandikany ny Baiboly ireo boky ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:1–3, ka tadiavo ao ny zavatra nianaran’ny Mpaminany Joseph Smith momba ny Apôkrifa. Ny hoe soratra mifangaro dia ireo fampitomboana atao amina rakitsoratra iray izay manova sy mandiso ny lahatsoratra niandohana indraindray.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:4–6, ka fantaro hoe ahoana no amantaran’ireo izay mandalina io ny zavatra marina ao amin’ny Apôkrifa.

Izao fahamarinana manaraka izao no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo: Afaka manampy antsika hahafantatra ny fahamarinan’ny zavatra rehetra vakintsika ny Fanahy Masina.

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoana ahafahantsika, tahaka ny amin’izao fotoana izao, mahazo mora foana ireo karazam-baovao rehetra—misy marina ny sasany amin’izy ireny, ny sasany diso, ary betsaka no tsy dia tena marina tanteraka.

“Ka noho izany, tsy mbola nanan-danja toy izany hatrizay ny fianarana ny fomba hanavahana tsara ny fahamarinana sy ny fahadisoana. …

“Mpanambara ny Fanahy Masina. Izy no Mpampionona izay mampianatra antsika ‘ny fahamarinan’ny zava-drehetra.’ …

“Ny tenivavolombelon’ny fahamarinana avy amin’ny Fanahy Masina dia omena ny olon-drehetra, na aiza na aiza, manerana izao tontolo izao. Ny olona rehetra izay mikatsaka ny hahafantra ny fahamarinana, izay mandinika izany ao an-tsainy, sy ireo izay ‘manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, [dia hahafantatra] ny fahamarinana … amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.’ [Môrônia 10:4.]” “What Is Truth?” [Lahateny natao tamin’ny fampaherezam-panahy ho an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013], 3, 6; speeches.byu.edu).

  1. Manorata traikefa iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay nahatsapanao ny Fanahy Masina nanamafy taminao hoe marina ny zavatra novakinao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92

Nilaina ny nandraisana an’i Frederick G. Williams ho isan’ny mpikambana ao amin’ny United Firm

Ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92 dia nanome torolalana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mpikambana tao amin’ny United Firm (izay nantsoina ihany koa hoe United Order) mba handray an’i Frederick G. Williams ao amin’ny orinasa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92:1–2 ka tadiavo hoe inona no zavatra nirin’ny Tompo mba hataon-drahalahy Williams amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny orinasa azy.

  1. Ny hoe “mpikambana mavitrika” ao amina vondrona iray dia olona izay mazoto sy manolo-tena. Misafidiana roa na mihoatra amin’ireto toe-javatra manaraka ireto ka soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny zavatra mety hataon’ny “mpikambana mavitrika” iray ato amin’ny Fiangonana amin’ny toe-javatra tahaka ireo.

    1. Nisy tovolahy iray nantsoina ho mpampianatra isan-tokantrano.

    2. Nisy zatovo iray nantsoina ho filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy na filohan’ny kôlejin’ny fisoronana.

    3. Misy zatovo iray mpianatra ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady.

    4. Misy zatovo iray mpifanolobodirindrina amina mpivady efa antitra iray.

Saintsaino ny zavatra azonao atao mba ho mpikamban’ny Fiangonana mavitrika amin’izao fotoana izao.

Ny Tompo dia nampianatra ihany koa an’i Frederick G. Williams ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92:2ny amin’ny zavatra tsy maintsy ataony mba “hotahiana mandrakizay.” Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ity fampanantenana ity.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–92 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy