Seminera
Fizarana 25: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–20


Fizarana 25: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–20

Fampidirana

Tamin’ny 8 jolay 1838, tao Far West, Missouri, dia naharay fanambarana efatra ny Mpaminany Joseph Smith, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–20 amin’izao fotoana izao. Ao amin’ny voalohany amin’ireo fanambarana ireo (F&F 117), dia nandidy an’i William Marks sy i Newel K. Whitney ny Tompo mba handamina ny raharahan’izy ireo tao Kirtland, Ohio, ka hanatevin-daharana ireo Olomasina mahatoky izay nivondrona tao Far West. Ny Tompo ihany koa dia nandidy an’i Oliver Granger mba handeha tany Kirtland hisolo tena ny Fiadidiana Voalohany. Ao amin’ilay fanambarana faharoa (F&F 118), dia niantso Apôstôly vaovao ny Tompo mba hameno ny toeran’ireo izay nihemotra, ary niantso ireo mpikambana rehetra tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo Izy mba hanao asa fitoriana ny filazantsara tany Grande Bretagne. Ao amin’ny fanambarana fahatelo sy fahefatra izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119 sy 120, dia nampianatra ny Fotopampianarana momba ny fahafolonkarena ny Tompo ary nampahafantatra ireo toromarika ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanapa-kevitra mikasika ny fampiasana ireo vola voangona amin’ny fahafolonkarena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–11

Nandidy an’i William Marks sy i Newel K. Whitney ny Tompo mba handamina faingana ny raharahan’izy ireo dia hiala tao Kirtland

Ao amin’ny ampahany voalohany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117, dia niresaka tamin’i William Marks sy i Newel K. Whitney ny Tompo. I William Marks no filohan’ny tsatòka tao Kirtland, Ohio. Nanana orinasa mpivarotra boky izy. I Newel K. Whitney no eveka tao Kirtland. Mpitantana orinasa nahomby izy, ary nanokana ampahany betsaka tamin’ny fananany ho an’ny Fiangonana.

Sary
Sarin’ny fivarotan’i Whitney avy eo anoloana

Tamin’ny 26 aprily 1838, dia nandidy ireo Olomasina ny Tompo mba hivondrona tao Far West, Missouri, sy tao amin’ireo toerana hafa (jereo ny F&F 115:17–18). Tamin’ny 6 jolay 1838 dia nanainga avy ao Missouri ny vondrona iray nantsoina hoe Tobin’i Kirtland, izay nahitana Olomasina maherin’ny 500 avy ao amin’ny faritr’i Kirtland (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 179). Nijanona tao Kirtland ny Filoha Marks sy ny Eveka Whitney.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–3 fa nandidy ny Filoha Marks sy ny Eveka Whitney ny Tompo mba handamina faingana ny raharahany ka hanainga avy ao Kirtland. Tsy maintsy nanao izay hahavitana izany dia izany izy ireo mialoha ny nandefasan’ny Tompo ranomandry tao amin’ilay faritra. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy maintsy niala tao amin’ilay toerana tao anatin’ny efe-bolana teo ho eo izy ireo.

Rehefa mamaky ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:4–5 ianao dia hahita fa diso nieritreritra be loatra mikasika ireo fananana tao Kirtland ireo olona ireo.

Jereo ity fanontaniana manaraka ao amin’ny andininy 4 ity: “Fa inona moa ny fananana Amiko?” Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:5–8, mba hitadiavana ireo antony nahatonga ny Tompo nilaza izany. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny andian-teny hoe “lemak’i Olaha Sinèha” dia entina ilazana ny faritra manodidina an’i Adama-ondia-Amàna ao Missouri.)

Alaivo sary an-tsaina hoe misy zinga iray lehibe feno ny zava-pisotro tianao indrindra sy vera iray lehibe tsy misy na inona na inona eo anoloanao. Dia alaivo sary an-tsaina indray hoe misy olona iray mandraraka piti-drano avy amin’ilay zava-pisotro ao amin’ny veranao. Iza no tianao hananana, vera feno sa piti-drano fotsiny ihany? Nahoana?

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[m]itsiriritra … izay piti-drano … ary [m]anao tsirambina ny tena ventin-javatra”? (F&F 117:8). Ny hoe mitsiriritra dia midika hoe maniry ny zavatra ananan’ny olona hafa. Amin’ny fomba ahoana no maha-“piti-drano” fotsiny ireo tombontsoa azo avy amin’ny fitazonana ireo fananana tao Kirtland raha ampitahaina amin’ireo tombontsoa azo avy amin’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba hivondrona tao Missouri?

  1. Fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’ireo lehilahy ireo mikasika ny fananana izay notsiriritin’izy ireo raha ampitahaina amin’ny hery ananany mba hitahy azy ireo.

Afaka mahita fitsipika iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:5–8 isika mikasika ny zavatra mitranga rehefa mitsiriritra ireo zavatra ara-nofo. Fomba iray hilazana io fitsipika io ny hoe Ny fitsiriritana ny zavatra ara-nofo dia mety hitarika antsika hanao tsirambina ny tena zava-baventy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo “piti-drano” ara-nofo sasantsasany eo amin’ny fiainanao izay mety hahatonga ano hanao tsirambina ireo zava-baventy ao amin’ny filazantsara?

    2. Inona no azonao atao mba hifantohana bebe kokoa amin’ireo zavatra izay manan-danja mandrakizay?

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:10 fa niantso an’i William Marks ny Tompo mba hanohy hanao ny antsony amin’ny maha-mpitarika azy tao amin’ny Fiangonana rehefa tonga tany Far West, Missouri izy. Nilaza ihany koa ny Tompo fa raha “nahatoky tamin’ny kely” ny Filoha Marks dia ho “mpanapaka ny be” izy (jereo koa ny Matio 25:23).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:11, mba hitadiavana ny zavatra nibedesan’ny Tompo an’i Newel K. Whitney. Ireo Nikôlaita voatonona ao amin’io andininy io dia mpikambana tao amin’ny fivavahana mpiendaka fahiny. Nilaza izy ireo fa Kristianina kanefa izy ireo dia nihemotra tamin’ny fanarahana ireo fitsipiky ny filazantsara ka nanaraka ireo fombafomban’izao tontolo izao. Ohatra, tafiditra tao anatin’ny fivavahan’izy ireo ny fanaovana fahavetavetana ara-nofo. ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, fanontana faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 290.)

Raha nisafidy ny hifantoka tamin’ny fananana tao Kirtland i Newel K. Whitney fa tsy hifantoka tamin’ny fiarahana mivondrona tamin’ny Olomasina dia inona no mety nampitovy ny zavatra nataony tamin’izay nataon’ireo Nikôlaita?

Noho ny fifantohan’izy ireo tamin’ireo fananan’ny Fiangonana tao Ohio sy noho ny fanenjehana nisy tao Missouri, dia tsy afaka niara-nivondrona tamin’ireo Olomasina tao Far West i William Marks sy i Newel K. Whitney. Na izany aza dia nanaraka ny torohevitry ny Tompo izy ireo ary nijanona ho mahatoky, ka dia niara-nivondrona tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois izy ireo taty aoriana, izay toerana naha-filohan’ny tsatòka an’i William Marks ary naha-eveka an’i Newel K. Whitney.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:12–16

Nandidy an’i Oliver Granger ny Tompo mba hisolo tena ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny fampandehanana ny raharaha ara-barotra tao Kirtland

Eritrereto ireo antso sy asa ampanaovina ao am-piangonana izay mety ho azonao. Ireo antso sy asa ampanaovina ireo dia mety ahitana ny fanompoana ao amin’ny kôlejy na ny fiadidiana iray ao amin’ny kilasy, ny fanaovana lahateny ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny fanaovana ny antso amin’ny maha-mpampianatra isan-tokantrano, ny finamanana amin’ny olona iray, na ny fanompoana amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana. Inona no mety ho karazana fahafoizan-tena takian’ireo antso ireo?

Sary
mpampianatra isan-tokantrano mandeha an-tongotra

Afaka manompo amin’ny maha-mpampianatra isan-tokantrano ireo zatovolahy mihazona ny Fisoronana Aharôna.

Nandidy ny lehilahy iray nantsoina hoe Oliver Granger ny Tompo mba hanainga avy ao Far West, Missouri, ka hiverina tany Kirtland, Ohio, mba “hiezaka amin-kafanam-po tokoa ho fanavotana ny Fiadidiana Voalohan’ ny Fiangonako” (F&F 117:13). Io asa nampanaovina io dia ahitana ny fivarotana ireo fananan’ny Fiangonana sy ny fampandehanana tsara ny raharaha ara-barotra nataon’i Joseph Smith. Izany dia hitaky an’i Oliver, izay efa akaiky ho jamba, hanana fahafoizan-tena. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:12–15, mba hitadiavana ireo fitahiana nolazain’ny Tompo fa horaisin’i Oliver rehefa manatanteraka io asa nampanaovina io izy.

Jereo ny teny nambaran’ny Tompo ao amin’ny andininy 13 fa “ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany.” Izany dia maneho fa miraharaha bebe kokoa mikasika ny fahafoizan-tenan’i Oliver ny Tompo fa tsy ny vola izay mety ho azon’i Oliver ao anatin’ny asa ampanaovina azy. Mianatra ity fitsipika manaraka ity isika avy amin’io andininy io: Ireo fahafoizan-tena izay ataontsika eo amin’ny fanompoana ny Tompo dia masina Aminy. Asio marika ireo teny ao amin’ny andininy 13 izay mampianatra io fitsipika io.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ny manao ny zavatra rehetra azonao atao mba hanatanterahana asa iray ampanaovina na antso iray ao amin’ny Fiangonana?

    2. Inona no tsapanao rehefa misaintsaina ianao fa masina amin’ny Tompo ireo fahafoizan-tena ataonao amin’ny fanompoana Azy?

Maty tao Kirtland tamin’ny 25 aogositra 1841 i Oliver Granger. Tamin’izany fotoana izany izy dia mbola nisolo tena ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny raharaha ara-barotra nataon’izy ireo, ary mbola nantsoina ihany koa mba hiahy ny Fiangonana tao Kirtland. Na dia tsy nahomby tanteraka aza izy tamin’ny fampandehanana tsara ireo raharaha ara-barotry ny Fiangonana dia niasa izy mba hihazona ny voninahitry ny Fiangonana sy ny laza tsara nananany. Tsy nivadika tamin’ny Tompo sy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy.

I Joseph Smith sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namariparitra an’i Oliver Granger, tao anatin’ny taratasy iray izay nanolorana ny anaran’i Oliver mba hanao asa iray, hoe “lehilahy iray manana fahamarinan-toetra sy toetra tsara ara-pitondrantena hentitra; ary farany, … dia lehilahin’ Andriamanitra” (ao amin’ny History of the Church, 3:350). Hoy ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Inona no nataon’i Oliver Granger ka nahatonga ny anarany ho notazonina ho toy ny fahatsiarovana sarobidy? Tsy dia nisy zavatra betsaka loatra. Tsy dia ny zavatra nataony tamin’ny naha-izy azy loatra izany. …

“Tsy niandry an’i Oliver ho tanteraka ny Tompo, ary mety tsy niandry azy hahomby mihitsy aza. …

“Tsy afaka miandrandra ny hahomby foana isika, kanefa tokony hiezaka hanao izay tsara indrindra azontsika atao isika” (“The Least of These,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 86).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118

Manendry Apôstôly vaovao ny Tompo ary miantso ireo Apôstôly hanao asa fitoriana ny filazantsara

Tamin’ny 8 jolay 1838 dia niantso Apôstôly vaovao ny Tompo mba hanolo an’ireo izay nihemotra. Niantso an’ireo Apôstôly Roambinifolo ihany koa ny Tompo mba hitory ny filazantsara.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118:4–5, mba hitadiavana ny toerana nanirahan’ny Tompo an’ireo Roambinifololahy hitory ny filazantsara. Ilay andian-teny hoe “hita ireo rano be” dia entina ilazana ny dia atao mba hiampitana ny Ranomasimbe Atlantika mankany Grande Bretagne. Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118:5 ny toerana izay nasaina nivorian’izy ireo mialoha ny handehanan’izy ireo hanao ny asa fitoriany. Jereo ihany koa ny daty izay nolazain’ny Tompo fa tokony hivorian’izy ireo ao amin’izany toerana izany.

Tao anatin’ireo volana taorian’ny nahazoana io fanambarana io dia nitombo ny fanenjehana tao Missouri. Tamin’ny farany dia noroahina hiala ilay fanjakana ireo Olomasina. Noho ireo toe-javatra ireo dia nanjary natahorana ny hanaovan’ireo Roambinifololahy fivoriana tao Far West. Maro ireo mponina tao Missouri no nieboebo ampahibemaso fa hanakana ny fahatanterahan’ilay fanambarana izy ireo. Saingy tapa-kevitra ny hankatò ny didin’ny Tompo ny Roambinifololahy.

Tamin’ny marainan’ny 26 aprily 1839 dia nivory tao amin’ny toerana nisy ny tempoly ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. (Tsy afaka nanatrika tao daholo ireo mpikambana mahatoky rehetra tao amin’ilay kôlejy. Nogadraina ny sasany.) Nanomboka nandatsaka indray ny fototry ny tempoly izy ireo (jereo ny F&F 115:11) tamin’ny alalan’ny fametrahana vato lehibe teo akaikin’ny sisiny atsimo atsinanan’ilay tany. Nanendry Apôstôly vaovao izy ireo mba hameno ny toerana banga tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Ary tsy tsikaritr’ireo fahavalony izy ireo rehefa niala tao amin’ilay toerana. (Mba hahazoana ny fitantarana feno ity zavatra niainana ity dia jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 139–41.)

Sary
vatofehizoron’ny tempoly

Napetraka tamin’ny volana jolay 1838 ireo vatofehizoron’ny tempoly iray tao Far West, Missouri.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–20

Mampahafantatra ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo

Sary
vola vy sivy, vola vy iray

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119 sy 120 dia mirakitra fanambarana roa mikasika ny lalàn’ny fahafolonkarena. Ny Tompo ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120 dia nanome didy ny hananganana filankevitra mba hitantana ny fampiasana ny fahafolonkarena ao amin’ny Fiangonana. Amin’izao fotoana izao ny vola voangona avy amin’ny fahafolonkarenan’ny mpikambana dia alefan’ny paroasy sy ny sampana tsirairay any amin’ny foiben’ny Fiangonana sy io filankevitra io, izay antsoina hoe ny Filankevitra Mpitantana ny Fahafolonkarena. Tsy manapa-kevitra mikasika ny fomba hampiasana ny fahafolonkarena ireo mpitarika eo an-toerana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:1–4. Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny andininy 4, ny andian-teny hoe izay rehetra miditra dia midika hoe tombom-barotra na vola miditra.

Sary
Filoha Howard W. Hunter

Nanazava ny Filoha Howard W. Hunter hoe: “Nambara tsotra fotsiny ilay lalàna hoe ‘ny iray ampahafolon’izay rehetra miditra aminy.’ Ny hoe izay rehetra miditra dia midika hoe tombom-barotra, vola miditra, fitomboana. Izany dia karaman’ny olona miasa iray, ny tombom-barotra avy amin’ny fandraharana, ny fitomboana azon’ny olona iray izay namboly na namokatra na ny fidiram-bolan’ny olona iray avy amin’ny loharano hafa. Nilaza ny Tompo fa lalàna manan-kery ‘maharitra mandrakizay’ izany tahaka ny tany aloha” (amin’ny Conference Report, apr. 1964, 35).

Rehefa mamaky ireto teny manaraka nolazain’ireo Filohan’ny Fiangonana ireto ianao dia tadiavo ireo fitahiana azonao raisina rehefa mandoa fahafolonkarena ianao:

Sary
Filoha Harold B. Lee

Ny Filoha Harold B. Lee dia niresaka mikasika ilay fampanantenan’ny Tompo mba “hamoha … ny varavaran’ny lanitra” mba hitahiana ireo mpandoa fahafolonkarena (jereo ny Malakia 3:8–11): “Ny fanokafana ny varavaran’ny lanitra, mazava ho azy, dia midika hoe fanambarana avy amin’ Andriamanitra homena ny olona iray izay vonona ny hanao fahafoizan-tena araka izany fomba izany” (“The Way to Eternal Life,” Ensign, nôv. 1971, 16).

Sary
Filoha Heber J. Grant

Ny Filoha Heber J. Grant dia niresaka mikasika ireo fitahiana ara-panahy izay tonga eo amintsika rehefa mandoa fahafolonkarena isika: “Tonga eo amin’ireo izay mankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena ny firoboroboana. “Rehefa milaza aho hoe firoboroboana dia tsy mieritreritra ny lafiny ara-bola fotsiny. … Fa ny tena isaiko ho toy ny firoboroboana marina sy zavatra iray ao anatin’ny zavatra maro izay manan-danja lehibe ho an’ny lehilahy sy vehivavy miaina tsirairay, dia ny fitomboan’ny fahalalana an’ Andriamanitra sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny fitomboan’ny hery hiainana ny filazantsara sy hanentanana ny fianakaviana hanao izany koa. Izany no karazana firoboroboana tena marina” (Teachings of Presidents of the Church: Heber J. Grant [2002], 124).

Nampianatra ny iray amin’ireo fomba ahafahantsika mahazo fitahiana ara-bola ihany koa ny Filoha Grant rehefa mandoa fahafolonkarena isika: “Rehefa manome araka izay misy eo am-pelatanantsika isika, raha mandoa ny fahafolonkarenantsika, na kely toy ahoana na toy ny ahoana ny vola miditra amintsika, … dia ho ampitomboin’ Andriamanitra ilay Raintsika any An-danitra ireo sivy dôlara amin’ireo folo dôlara, na ilay dimy amby efapolo sentima ambiny isaky ny dimampolo sentima ka dia hanana fahendrena ampy ianao mba hampiasa izany vola ambiny izany mba hahazoana tombony mba tsy hamerezanao na inona na inona rehefa mahitsy fo” (Teachings: Heber J. Grant, 124–25).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fitahiana voarainao satria nankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena ianao?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–20 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy