Seminera
Fizarana 29: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–74


Fizarana 29: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–74.

Fampidirana

Ity no lesona faharoa izay miresaka ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133. Nahazo ity fanambarana ity ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 3 nôvambra 1831. Mamaly ireo fanontaniana izay nananan’ireo misiônera mikasika ny filazantsara sy ny fanangonana an’i Isiraely izany. Izy io dia mamariparitra ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany ihany koa sy ny zavatra ilaintsika atao mba hiomanana ho amin’izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–40.

Manambara ny Tompo fa hotoriana amin’izao tontolo izao manontolo ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny

Sary
vehivavy misiônera
  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo zavatra tsapanao rehefa misaintsaina momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ianao. Mahatsapa ho faly na feno fanantenana ve ianao ny amin’ny fahitana ny Mpamonjy amin’ny fotoan’ny Fiaviany Fanindroany? Ahoana no ahafahan’ny fiomanantsika amin’ny Fiaviana Fanindroany manampy antsika handresy ny tahotra?

Ho zavatra iainana mamy sy mahafinaritra ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ho an’ny olona sasany ary ho zavatra iainana mampihoron-koditra izany ho an’ny hafa—miankina amin’ny fiomanan’izy ireo sy ny fahamendrehany manokana.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–39 ka tadiavo ny porofo fa maniry ny olona rehetra mba ho vonona ho amin’ny Fiaviany Fanindroany ny Mpamonjy.

Manana anjara asa isika amin’ny fanampiana mba hanomanana ny tany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:37–38 zao fahamarinana manaraka izao: Amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra antsika dia afaka manampy amin’ny fanomanana ny hafa ho amin’ny Fiaviana Fanindroany isika amin’ny alalan’ny .

Tokony hitory ny filazantsara “amin’ny feo mahery” isika araka ny andininy 38. Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:40 ka mitadiava zavatra hafa izay ho ataon’ireo mpanompon’ Andriamanitra mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Inona no torohevitra aroson’izany andinin-tsoratra masina izany mikasika ny fahatsapan’ny olo-marina momba ny fiavin’ny Mpamonjy?

Teny inona ao amin’ny andininy 40 no mampiseho ny fanirian’ny olo-marina mba hahita ny Tompo amin’ny Fiaviany Fanindroany? Azonao atao ny manisy marika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masinao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–56

Namariparitra ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–45 ka tadiavo ireo fitahiana izay ho tonga amin’ireo izay mivavaka sy miandry ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ianarantsika avy amin’ny andininy 45 fa efa nanomana fitahiana lehibe ho an’ireo izay miandry Azy ny Tompo. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao ity fitsipika ity.

Eo am-pamakianao izao teny manaraka nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao dia tsipiho zavatra izay ilaintsika hatao mba hiandrasana amim-pahatokiana ny Tompo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Tsy tokony hamela ny tahotra sy ny rain’ny tahotra (i Satana izy tenany mihitsy) hampiala antsika amin’ny finoantsika sy ny fiainana feno fahatokiana ananantsika na oviana na oviana isika na inona na inona sokajin-taona na toe-javatra misy. Efa nisy hatrany ireo fanontaniana momba ny hoavy. Ny tanora rehetra na ny mpivady vao rehetra tamin’ny vanim-potoana rehetra dia tsy maintsy efa nandeha tamim-pinoanatao anatin’ny zavatra izay tsy fantatra efa hatrizay izay mety hiafarany—nanomboka tamin’i Adama sy Eva tao anatin’ireo dingana voalohany nampiahotrahotra tao ivelan’ny Sahan’i Edena. Saingy tsy maninona izany. Izany no ilay drafitra. Hilamina izany. Mahatokia fotsiny. Mandray andraikitra Andriamanitra. Fantany ny anaranao ary fantany izay ilainao. …

“Manantena anao Andriamanitra mba hanana finoana sy fahavononana ampy ary fahatokiana Azy ampy mba handrosoana hatrany, hiainana hatrany, hifaliana hatrany. Izany hoe: Izy dia tsy miandry anao hiatrika ny ho avy fotsiny (toa masiaka sy tsy dia maha te ho tia izany). Miandry anao Izy ny hanaiky ary handrafitra ny ho avy—ny hitiavanao izany sy ny hifalianao ao amin’izany ary ny hankamamianao ireo fahafahana ao amin’izany.

“Andriamanitra dia miandry amim-pitebitebena ny fahafahana hamaly ireo vavaka ataonao sy hanatanteraka ireo nofinao, toy ny efa nataony hatramin’izay. Fa tsy afaka ny hanao izany Izy raha tsy mivavaka ianao, ary tsy afaka hanao izany Izy raha tsy manonofy ianao. Raha fintinina dia tsy afaka manao izany izy raha tsy mino ianao” (“Terror, Triumph, and a Wedding Feast” [lahateny nandritra ny takariva amorom-patana natao tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 12 sept. 2004], 3; speeches.byu.edu).

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Hahafantatra avokoa ve ny olona rehetra hoe iza i Jesoa Kristy amin’ny fotoan’ny Fiaviany Fanindroany? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–47 ka tadiavo ny valin’izany fanontaniana izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:48–49 ka mitadiava famaritana iray momba ny endrika isehoan’i Jesoa Kristy amin’ny fotoan’ny Fiaviany Fanindroany.

Mba hahatakarana ny tandindon’ny akanjo menan’ny Mpamonjy dia manampy ny mahafantatra ny dikan’ilay voambolana hoe “famiazam-boaloboka” ao amin’ny andininy 48. Ny famiazam-boaloboka dia antsoina ihany koa hoe fanapotseram-boaloboka, izay koveta lehibe iray nofenoina voaloboka. Itsakitsahin’ny olona ny voaloboka, manapotsitra ny ranony mba hanangonana izany ao anatin’ny fitaovana fasiana azy. Rehefa nanitsakitsaka ny voaloboka ny olona dia matetika voapentimpentin’ny ranony amin’ny loko mena marevaka ny akanjon’izy ireo.

Sary
olona manitsakitsaka voaloboka

Hitsakitsahina ao anatin’ny famiazam-boaloboka na fanapotseram-boaloboka ny voaloboka.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:48–51. Ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fahamarinan’ny Tompo sy ny valifatiny amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Ao amin’ny famantarana momba ny famiazam-boaloboka, ireo voaloboka dia maneho ny ratsy fanahy, izay ho ringana amin’ny fotoan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ny akanjo menany dia azo raisina ho toy ny tandindon’ny fahamarinany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:52–53, ka tadiavo ny zavatra izay ho tsaroan’ireo olo-marina sy hambarany amin’ny “taonan’ny voavotro” (F&F 133:52). Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ireo fotoana izay nahatsapanao ny hatsaram-panahy ombam-pitiavan’ny Tompo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:54–56 ka tadiavo izay zavatra hitranga amin’ireo Olomasina marina izay maty alohan’ny Fiaviana Fanindroany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:57–74

Nalefa ny filazantsara mba hanomanana ny tany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Zahao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:57–62, ka tadiavo ireo fahamarinana mikasika ny antony ilàna ny handehanan’ny filazantsara alohan’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Rehefa mianatra ny filazantsara sy miaina izany ianao dia ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroany ianao. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:62 dia milaza fitahiana iray hafa izay azonao raisina. Ampiasao izany andinin-tsoratra masina izany mba hamenoana izao teny manaraka izao: Ireo izay sy manamasina ny tenany dia hahazo .

Mety hahita fifampitohizana eo amin’ny fitsipika ao amin’ny andininy 62 sy ilay fitsipika izay hitanao teo aloha tao amin’ny andininy 45—ianao fa ny Tompo dia nanomana fitahiana lehibe ho an’ireo izay miandry Azy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no ifandraisan’ilay fitsipika ao amin’ny andininy 62 amin’ilay fitsipika izay hitanao tao amin’ny andininy 45?

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:63–74 ireo voka-dratsy ho azon’ireo izay tsy hibebaka sy hiomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany. Ny sasany amin’ireo voka-dratsy ireo dia ahitana ny hoe esorina hiala eo amin’ny Tompo ary “[h]atolotra ho ao amin’ny haizina” (F&F 133:72).

  1. Avereno vakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:66–67, 70–71, izay ahitana ireo tenin’ny Tompo amin’ireo olona izay tsy mandray Azy. Dia fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ireo safidin’ireo olona izay voafaritra ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Ho fotoan’ny alahelo ny Fiaviana Fanindroany ho an’ireo izay nanana fahafahana handray ny Tompo kanefa tsy nandray Azy. Kanefa raha manaiky ny fanasan’ny Tompo mba handray Azy isika sy hankatò ny feony ary hino sy handray ireo mpanompony dia ho andro feno voninahitra ho antsika ny Fiaviana Fanindroany.

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe niverina teto an-tany ny Mpamonjy androany. Hifaly ve ianao eo anatrehany miaraka amin’ireo izay niandry Azy? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra iray izay hataonao mba ho zavatra iananana feno fifaliana ho anao ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

  2. Soraty ao anatin’ny diarin’ny soratra masinao eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–74 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy