Seminera
Fizarana 28: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–33


Fizarana 28: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–33

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 dia mirakitra fanambarana iray mikasika ny fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana. Na dia noraketina an-tsoratra tamin’ny 12 jolay 1843 aza ity fanambarana ity dia efa fantatra ary nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith mialoha be tamin’ny taona 1831 ny sasany amin’ireo fahamarinana ao amin’ilay fanambarana. Hianatra mikasika ireo fepetra takina amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana sy ireo fampanantenana omena ireo izay manaja izany ianao ato amin’ity lesona ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–18

Mametraka ireo fepetra mifehy ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ny Tompo

Sary
tanana mifandray

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2 fa nanontany ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith hoe nahoana i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary ireo olona hafa ao amin’ny Testamenta Taloha no nanana vady maro. Io fanontaniana io dia nitarika ho amin’ny fahazoana ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132, izay ahitana ireo fampianarana mikasika ny fampakarana vady maro. Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ny fenitr’ Andriamanitra ho an’ny fanambadiana dia ny lehilahy iray manambady vehivavy iray, raha tsy hoe milaza zavatra hafa ankoatra izany izy (jereo ny 2 Samoela 12:7–8; Jakôba 2:27, 30). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 dia mirakitra ilay fanambarana izay nametraka ny fampakarana vady maro teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana nanomboka tamin’ny fiandohan’ny 1840 ka hatramin’ny taona 1890, rehefa nanambara ny Tompo fa tsy tokony hampakatra vady maro intsony ny Olomasina.

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 ianao dia tadiavo ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no hitahian’ny fanambadiana mandrakizay anao eto amin’ity fiainana ity sy mandrakizay?

  • Nahoana no tena zava-dehbe tokoa ny fanekempihavanan’ny fanambadiana any amin’ny tempoly?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–6 mba hitadiavana ny vokatry ny fanaovana ilay fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana sy ny vokatry ny fandavana izany fanekempihavanana izany. Ny teny hoe voaheloka, izay hita ao amin’ny andininy 4 sy 6, dia midika fa atsahatra amin’ny fivoarany mandrakizay ny olona iray.

Araka ny voalazan’ny andininy 6, dia inona no fitahiana raisin’ny olona rehefa manaiky ny lalan’ny Tompo momba ny fanambadiana izy ireo?

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia niresaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7 rehefa nampianatra mikasika ny dikan’ny hoe “ilay fanekempihavanana vaovao sy mandrakizay” izy: “Ankehitriny dia misy [ao amin’ny F&F 132:7] famaritana mazava tsara sy amin’ny antsipiriany an’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay. Izany no zavatra rehetra—ny fahafenoan’ny filazantsara. Koa ny fanambadiana natao araka ny tokony ho izy, ny batisa, ny fanendrena ao amin’ny fisoronana, ny zavatra hafa rehetra—ny fifanekena rehetra, ny adidy rehetra, ny zavatra atao rehetra izay mifandraika amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana araka ny lalàny izay omena etoana, dia ampahan’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 1:158).

Matetika ny olona no manao fifanarahana eo amin’izy samy izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7, mba hitadiavana ny zavatra mitranga amin’ireo fifanarahana ataon’ny olombelona rehefa maty isika. Tadiavo ihany koa ireo fepetra roa izay tsy maintsy apetraka mba hahafahan’ny fanekempihavanana iray hamatotra aorian’ny hahafatesantsika.

Ianarantsika avy amin’ny andininy 7 ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana izy ireo dia haharitra mandrakizay doria izany.

Mety hanontany tena ianao hoe inona no tiana holazaina amin’ilay andian-teny hoe “fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana.” Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia manome ity fanazavana manaraka ity: “Ny Fanahy Masina no Fanahy Masin’ny Fampanantenana (Asan’ny Apostoly 2:33). Manamafy izy fa eken’ Andriamanitra ireo asa araka ny fahamarinana sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavanana ataon’ny olona. Mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana fa ireo ôrdônansin’ny fanavotana dia notanterahana araka ny tokony ho izy ary voatandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izy ireo” (Torolalana ho an’ny soratra masina, Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org).

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–18, mba hitadiavana fomba roa samy hafa ahafahan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miara-miditra ao anatin’ny fanambadiana. Dia eritrereto avy eo ireto ohatra manaraka ireto ka valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana araka ny fahatakaranao ireo andininy izay novakianao.

    1. Ohatra 1: Mifankatia ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo ary tanterahin’ny mpitarika governemanta eo an-toerana iray ny fanambadiany. Tsy fehezina any amin’ny tempoly izy ireo. Ahitana ireo teny hoe “lamban’akoho ka faty no hisarahana” ny fanambadiany. Taona vitsivitsy taty aoriana dia maty vokatry ny loza ilay lehilahy. Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–17 dia inona no mitranga amin’ilay fanambadiana rehefa maty ilay lehilahy?

    2. Ohatra 2: Mivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Mifanome fampanantenana izy ireo fa hifankatia mandrakariva ary hiaraka mandrakariva, kanefa tsy nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo. Mino izy ireo fa hamela azy ireo hiaraka mandrakizay doria Andriamanitra noho ny fifankatiavany. Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:18 dia inona no mitranga amin’ny fanambadian’izy ireo rehefa maty ny iray amin’izy ireo?

    Rehefa mieritreritra ireo ohatra ireo ianao dia tadidio fa manatanteraka ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly isika ho an’ireo olona izay nodimandry kanefa tsy nanana fahafahana handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ho famonjena. Mety natao batisa sy noraisina ho mpikambana ho an’ny maty ianao. Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahazo fanafiana masina dia afaka mahazo ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana amin’ny anaran’ireo olona izay maty kanefa tsy nandray ireo ôrdônansy ireo ho an’ny tenany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–33

Mampanantena fitahiana ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ny fanambadiana selestialy ny Tompo

Nizara ity zavatra niainana manaraka ity ny Loholona Enrique R. Falabella ao amin’ny Fitopololahy. Rehefa mamaky izany ianao dia asio marika ny antony nampalahelo azy sy ny vadiny sy ny antony nahafaly azy ireo.

Sary
Loholona Enrique R. Falabella

“Rehefa niverina avy any amin’ny asa fitoriana nataoko aho dia nifankafantatra tamin’ny zatovovavy iray tsara tarehy. … Nanintona ahy hatramin’ny fotoana voalohany nahitako azy izy.

“Nametraka tanjona ny hanambady any amin’ny tempoly ny vadiko na dia nitaky fanaovana dia lavitra tokony ho 6.400 km ny tempoly akaiky indrindra, tamin’izany fotoana izany.

“Ny fanatanterahana ny fanambadianay ara-panjakana dia sady nahafaly no nampalahelo satria lasa mpivady tao anatin’ny fotoana voafetra izahay. Nilaza ireto teny ireto ilay tompon’andraikitra hoe: “Izao aho dia manambara fa mpivady ianareo,” saingy taorian’izay avy hatrany dia nilaza izy hoe: “Faty no hisarahanareo.”

“Noho izany dia nanangom-bola sahaza izany tamin’ny fahafoizana izahay mba hividy tapakila ho an’ny dia mandroso nankany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona.

“Tao amin’ny tempoly, rehefa nandohalika teo amin’ny alitara izahay, dia nanambara ireo teny efa niriako ho re ny mpanompo iray nahazo lalana, izay nanambara fa mpivady amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay izahay (“Ny tokantrano: ny sekolin’ny fiainana,” Ensign na Liahona, mey 2013, 102).

Sary
Loholona sy rahavavy Falabella

Naninona ry Falabella no tsy afapo tamin’ny fanambadian’izy ireo ara-panjakana?

  1. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–21, mba hitadiavana ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mahatoky amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritra mikasika ireo andininy ireo.

Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao dia mety hanampy anao ity fampahalalana manaraka ity: Ny teny hoe mitoetra sy mandray dia midika hoe manaiky na manohy, ka noho izany ireo andian-teny hoe “mitoetra amin’ny fanekempihavanako” (andininy 19) sy ny hoe “mandray ny lalàko” (andininy 21) dia midika hoe mijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana sy ny lalàn’ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ireo.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19 dia mirakitra ny fampanantenana hoe raha toa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ka mivady ao anatin’“ilay fanekempihavanana vaovao sy mandrakizay, ary izany dia fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ho azy ireo”, dia “hivoaka amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty izy ireo, ary … handova ireo fiandrianana, fanjakana, fanapahana sy hery,” raha mbola “mitoetra ao amin’ilay fanekempihavanana … ary tsy mamono olona handatsahana ra tsy manan-tsiny” (jereo koa ny F&F132:27).

Ny andian-teny hoe “fitohizan’ny taranaka mandrakizay mandrakizay” (andininy 19) sy “mitohy … izy ireo” (andininy 20) dia entina ilazana ilay fampanantenana fa afaka mitohy mandritra ny mandrakizay ny fianakaviantsika sy ny taranatsika.

Mianatra ireto fitsipika manaraka ireto isika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–21:

  • Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia hahazo ny fisandratana sy ny voninahitra izy ireo.

  • Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia hahazo ny fitomboan’ny taranaka mandrakizay izy ireo.

  • Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia hanan-kery hatrany amin’ny mandrakizay ny fanambadiany.

  • Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia ho lasa tahaka an’ Andriamanitra izy ireo.

Diniho ity ohatra manaraka ity. Valio araka ny fahatakaranao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–21 ny fanontaniana.

Sary
tanana mifandray manoloana ny Tempolin’i Salt Lake

Ohatra 3: Fehezina any amin’ny tempoly masina amin’ny alalan’ny fahefan’ ny fisoronana ny zatovolahy iray sy ny zatovovavy iray. Samy miaina amim-pahatokiana sy mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo. Inona no hitranga amin’ny fanambadian’izy ireo aorian’ny fahafatesan’izy ireo?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny eritreritrao dia inona no tsy maintsy ataon’ny mpivady mba hitoeran’izy ireo ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ianao dia eritrereto ny fifandraisana misy eo amin’izy roa sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ Andriamanitra.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:22–25, ka mifantoha tsara amin’ny famaritan’ny Tompo ilay “vavahady” sy ilay “lalana” izay mitondra mankany amin’ny fisandratana faratampony. Ny teny hoe ety ao amin’ny andininy 22 dia midika hoe tery, ary tsy misy toerana ahafahana mirenireny.

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina ny sarin’ireo vavahady sy lalana voafariparitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:22–25, ary avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny sarin’ny vavahady malalaka sy ny lalana migodàna an’ireo hevitry ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao momba ny fifandraisan’ny mpivady sy ny fanambadiana?

    2. Inona no mampifanohitra an’ireo hevitra ireo amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana?

Araka ny voalazan’ny andininy 22 sy 25 dia maro ireo izay tsy tafiditra teo amin’ilay lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fisandratana faratampony satria tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy izy ireo ary tsy nanaiky ny lalàny, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanambadiana mandrakizay.

Sary
Tempolin’i Rexburg Idaho

Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa mba hahazoana ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy tonga tahaka Azy ireo, ary manaiky ny lalàn’Izy ireo. Mahita ohatra amin’io fitsipika io isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:29–33. Hitantsika ao fa nahatoky sy nankatò ny lalàn’ny Tompo mikasika ny fanambadiana mandrakizay i Abrahama ary nahazo ilay fampanantenana ny fitomboan’ny taranaka mandrakizay izy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no manan-danja aminao ny lalàn’ny fanambadiana mandrakizay?

    2. Inona no hataonao, manomboka androany, mba hiomananao handeha mankany amin’ny tempoly sy hanambady amin’izao fotoana izao sy mandrakizay?

    3. Inona no fitahiana afaka ho tonga eo amin’izao fiainana izao ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ Andriamanitra mikasika ny famehezana any amin’ny tempoly?

Miomana dieny izao mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly sy hanambady mandrakizay mba hahafahanao mahazo ireo fitahiana izay omanin’ny Ray any An-danitra ho anao.

Amin’ity herinandro ity ianao dia handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–66 miaraka amin’ny mpampianatrao. Ireo andininy ireo dia miresaka ny Fotopampianarana momba ny fampakarana vady maro. Hianatra miaraka amin’ny mpampianatrareo ny fenitry ny fanambadian’ny Tompo ianareo androany—fa ny “fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ianareo koa dia hiresaka mikasika ny didin’ny Tompo tamin’ny fotoana vitsivitsy izay niainan’ny vahoakany ny lalàn’ny fampakarana vady maro (jereo ny Jakôba 2:27, 30). Ianareo dia hahafantatra mikasika ny didin’ny Tompo mba hiaina ny lalàn’ny fampakarana vady maro tamin’ny andro farany ho isan’ny “fampodiana ny zavatra rehetra” (Asan’ny Apostoly 3:21), ary mikasika ny didiny taty aoriana mba hampitsahatra izany fomba amam-panao izany (jereo ny Fanambarana Ôfisialy 1).

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–33 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy