Fizarana 26: Andro 1
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10; 122
Fampidirana
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23 dia mirakitra ireo ampahany notsongaina manokana tao amin’ny taratasy iray nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny Fiangonana, tamin’ny 20 martsa 1839. Notononin’i Joseph Smith mba hosoratana ilay taratasy raha mbola voafonja tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy sy ireo namany vitsivitsy. Nampidirin’i Joseph tao anatin’ilay taratasy ny vavaka sasany nataony ho an’ireo Olomasina izay nijaly noho ny nataon’ireo fahavalon’izy ireo. Nampidiriny tao ihany koa ireo valiny azony tamin’ireo vavaka ireo. (Jereo ny History of the Church, 3:289–305.) Ianao dia handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23 ao anatin’ireo lesona efatra atao isan’andro mandritra ity herinandro ity.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6
Mivavaka ho an’ireo Olomasina nijaly i Joseph Smith
Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray miaina zava-tsarotra iray. Milaza aminao ilay namana fa tsy takany hoe nahoana izy no miaina fahoriana lehibe toy izany ary mahatsapa izy fa toa namela azy ho irery Andriamanitra. Inona no holazainao amin’ilay namanao?
Inona no ho ataonao fa ianao ilay olona miaina ireo fahoriana ireo?
Rehefa mandalina ireo vavaka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty sy ny torohevitra nomen’ny Tompo azy ianao dia tadiavo ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy anao haharitra amim-pahatokiana ireo fitsapana sy fahoriana.
Tamin’ny 31 ôktôbra 1838 dia namadika an’i Joseph Smith i George Hinkle, izay mpikambana iray tao amin’ny Fiangonana ary kôlônely tao amin’ny milisin’ny fanjakan’i Missouri. Nilaza tamin’i Joseph i Hinkle fa naniry ny hanao fivoriana mba hanaovana dinidinika amim-pilaminana ireo olona izay nanafika ny Olomasina tao Far West, Missouri mba handaminana ny tsy fitovian-kevitra. Rehefa tonga hanao ilay dinidinika i Joseph sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nalain’ireo milisy an-keriny izy ireo ka nataon’izy ireo toy ny babo an’ady. Nandritra ilay volana manaraka dia nampiharana herisetra sy notsiratsiraina i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana rehefa nihazona azy ireo tao anatin’ny fonja maro manerana ilay faritra ireo fahavalony ary nitondra azy ireo teo anatrehan’ny mpitsara marobe.
Raha mbola notazonina tsy ara-drariny tao amin’ny fonja iray tao Richmond, Missouri ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Loholona Parley P. Pratt, ary ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, dia nahare ireo mpiambina ny fonja nitantara, tamin’ny fiteny maloto ireo fangalarana sy ny fanolanana ary ny famonoana mahatsiravina natao tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Rehefa namariparitra ny zavatra niainany ny Loholona Pratt dia nanoratra hoe:
“Tao anatin’ny iray tamin’ireo alina nankaleo ireo dia nidaboka toy ny hoe resitory izahay mandra-pidifin’ny misasak’alina, ary narary tokoa ny sofinay sy ny fonay rehefa nihaino nandritra ny ora maro ireo hanihany mamoafady, ireo ozona mahatsiravina, faniratsirana mampatahotra ary ireo fiteny maloto nataon’ireo mpiambina anay. …
“Nihaino izany aho mandra-paharikoriko sy tohina ahy ary nahafeno fahatezerana ny foko mba hampanjaka ny rariny ka dia zara aho raha afaka nanakana ny tenako tsy hifoha ka hijoro dia hiteny mafy ireo mpiambina; saingy tsy niteny na inona na inona tamin’i Joseph, … na dia nidaboka teo akaikiny aza aho ary fantatro fa tsy natory izy. Tampoka teo dia nitsangana izy ka dia niteny tamin’ny feon’ny kotro-baratra, na tahaka ny liona miherona, ka nilaza ireto teny manaraka ireto, araka ny fitadidiako azy:
“‘MANGINA, ianareo izay naman’ny lavaka mangitsokitsoky ny helo. Mandidy anareo amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy aho mba hangina. Tsy afaka ny hiaina minitra iray fanampiny intsony aho raha hihaino fiteny toy izany. Atsaharo ny fitenenana toy izany, fa raha tsy izany dia na izaho na ianao maty IZAO DIENY IZAO!’
“Tsy niteny intsony izy. Nijoro mahitsy tsara tamim-boninahitra izy. Nifatotra tamin’ny rojo sy tsy nanana fiadiana izy. Nijery ireo mpiambina nitankemotra sy niady lohalika tamim-pahatoniana sy tamim-pilaminana ary tamin’ny fomba mendri-piderana izy, ka niangavy azy hamela azy ireo ny mpiambina izay nihemotra ka nitampify teo amin’ny zoron-trano, na niforitra teo an-tongony, ary dia tsy niteny intsony mandra-pisolon’ny mpiambina.
“Efa nahita ireo tompon’andraikitry ny fitsarana aho, izay nitafy ny akanjo maha-mpitsara azy ireo, … raha efa an-tenda ny aina tao amin’ny Tribonalin’i Angletera; Nahita Antenimiera iray aho izay nanao fivoriana ôfisialy mba hanome lalàna ho an’ireo firenena; niezaka naka sary an-tsaina ireo mpanjaka aho, ireo fitsaran’ny mpanjaka, ireo fiketrahana sy ireo satro-boninahitra; ary ireo amperora miara-mivory mba hanapa-kevitra ny amin’izay hiafaran’ireo fanjakana; kanefa tsy nahita ny fahamendrehana sy ny voninahitra aho raha tsy indray mandeha, rehefa nijoro nifatotra tamin’ny rojo vy izy, tamin’ny misasak’alina, tao amin’ny fonja iray tao amin’ny tanàna kely maizina tao Missouri” (Autobiography of Parley P. Pratt,, natontan’i Parley P. Pratt Zanany. [1938], 210–11).
Raha mbola niandry ny fitsarana izay nifototra tamin’ny endrikendrika, ary tsy nisy fitsarana ara-drariny, i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nentina tao amin’ny fonja iray tao Liberty, Missouri, izy ireo tamin’ny 30 nôvambra. (Jereo ny History of the Church, 3:188–89, 215.)
Nandritra ireo efa-bolana manaraka dia notazonina tao amin’ny tranomaizina tao ambany tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany, i Hyrum rahalahiny, i Alexander McRae, i Lyman Wight, ary i Caleb Baldwin nandritra ny ririnina iray tena mamanala. Niaraka tamin’izy ireo nandritra ny fotoana fohy ihany koa i Sidney Rigdon, kanefa nohafahana izy tamin’ny fiandohan’ny volana febroary. Nirefy 4,3 metatra toradroa ny haben’ilay tranomaizina. Teo anelanelan’ny 1,8 metatra sy 2 metatra ny haavon’ilay valindrihana. Misy varavarankely roa kely dia kely misy bara vy izay zara raha mampiditra hazavana, ary naneso sy nanompa ireo gadra avy eo ivelan’ireo varavarankely ireo ny olona. Natory teo ambony mololo maloto teo amin’ny tany ireo gadra ary nisy fotoana sasantsasany izay tsy nananan’i Joseph bodofotsy. Indraindray ny sakafo dia nasiana poizina, ary tamin’ny fotoana hafa dia tena nankandoa izany ka dia tsy nahahinana izany izy ireo raha tsy noho ny hanoanana mafy. Zara izy ireo raha navela hisy hitsidika ary tena nijaly mafy rehefa nahare mikasika ny fijalian’ireo Olomasina izay noterena hiala tao Missouri tao anatin’ny ririnina.
Ilay taratasy izay nakana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23 dia mirakitra ny sasany amin’ireo vavaka nataon’i Joseph Smith tamin’ny Tompo. Raha ianao no teo amin’ny toerana nisy ny Mpaminany dia inona no ho nangatahinao tamin’ny alalan’ny vavaka?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6, ary jereo ny zavatra nangatahin’ny Mpaminany tamin’ny alalan’ny vavaka, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fanontaniana napetrany. Mety ho tianao asiana marika ireo andian-teny izay manan-danja manokana ho anao. (Rehefa mamaky ny andininy 1 sy 4 ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny lay dia trano na fotodrafitrasa hafa izay manome fialofana.)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10; 122
Mampahery an’i Joseph Smith ny Tompo
Ny valimbavaka nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–46 sy ny 122:1–9. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9, mba hitadiavana ireo fahamarinana izay mety nanampy an’i Joseph sy ireo namany nandritra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao amin’ny Fonjan’i Liberty.
-
Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9 ianao dia fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
-
Manorata farafahakeliny fahamarinana roa izay hitanao ao amin’ireo andininy ireo. Hazavao no fomba mety nanampian’ireo fitsipika na Fotopampianarana ireo an’i Joseph sy ireo namany.
-
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona araka ny eritreritrao no maha-samihafa ny miaritra fitsapana iray amin’ny miaritra tsara ny fitsapana iray? Nilaza ny Tompo fa ny fahoriana sy ny fijalian’i Joseph Smith dia “tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy” (F&F 121:7). Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao? Ahoana no hanampian’izany fomba fahitana ny zava-misy izany antsika hiaritra tsara ireo fitsapana lalovantsika?
-
Soraty ao anatin’ny fehezan-teny roa na telo ny mikasika ny olona iray fantatrao izay ohatra amin’ny fiaretana tsara ny fitsapana iray.
-
-
Ataovy jery todika ilay toe-javatra niainana voafariparitra any am-piandohan’ity lesona ity—namana iray izay mijaly ka mieritreritra fa namela azy ho irery Andriamanitra. Manorata taratasy fampiononana ho an’io namana io amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fahamarinana izay hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9. Hazavao ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy azy. Azonao atao ny mamerina milaza ny sasany amin’ny andininy 9 ao amin’ilay taratasy na izy rehetra.
Saintsaino ny tanjaka voarainao avy amin’ny fahalalanao fa rehefa mangataka fanampiana amin’ny Tompo isika mandritra ireo zava-tsarotra sy fahoriana dia afaka mahazo ny fiadanany, ary raha miaritra tsara ireo fitsapana isika amin’ny fiainana an-tany dia hitahy antsika Andriamanitra amin’izao fotoana izao sy amin’ny mandrakizay.
Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122 ireo torohevitra sy fampiononana fanampiny nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–4 mba hitadiavana ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Joseph. Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety nanampian’ireo fampanantenana ireo ny Mpaminany nandritra io fotoan-tsarotra io?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–7 mba hitadiavana fitsipika iray izay nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith mikasika ny antony hiainantsika fahoriana. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny manan-danja aminao.
Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny tanjona iray mahatonga ny fahoriana? Fenoy ity fehezan-teny manaraka ity: Ny fijaliana dia afaka manome antsika ary ho ho antsika.
Ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba hanomezan’ny fahoriana traikefa antsika sy ho soa ho antsika.
“Mety hahatsapa manirery ianao rehefa miditra eo amin’ny fiainanao ny fahoriana. Manivingivina ny lohanao ianao ary manontany tena hoe: ‘Fa nahoana no mitranga amiko izao?’
“Kanefa ny fahoriana dia tonga amintsika tsirairay avy. Na rahoviana na rahoviana dia tsy maintsy handalo fahoriana ny olona rehetra. Tsy misy afaka miala amin’izany. …
“Ny fianarana miaritra ny fotoan’ny fahadisoam-panantenana, fijaliana, ary fahoriana dia anisan’ny zavatra miseho ianarantsika avy amin’ny fiainana. Ireny traikefa ireny, na dia matetika aza sarotra zakaina amin’izay fotoana izay, no ireo karazana traikefa izay mampivelatra ny fahatakarantsika, mamolavola ny toetrantsika, ary mampitombo ny fangorahantsika ny hafa”(Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany,”Ensign na Liahona, nôv. 2008, 27).
Ny Loholona Orson F. Whitney tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ihany koa fa ny fahoriana dia afaka ny hitondra soa ho antsika: “Tsy misy very ny fijaliana izay iaretantsika sy ny fitsapana izay lalovantsika. Mampianatra antsika izany mba hampitomboantsika ny toetra toy ny faharetana, finoana, risi-po, ary fanetrentena. Ny zavatra rehetra mihatra amintsika sy ny zavatra rehetra iaretantsika, indrindra fa rehefa miaritra izany amim-paharetana isika, dia manefy ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika, ary mahatonga antsika ho be fitavana kokoa sy tia miantra, mendrika kokoa ny ho antsoina ho zanak’ Andriamanitra … ary amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny zava-tsarotra sy ny fahoriana no hahazoantsika ny fanabeazana izay nahatongavantsika ety mba ho azo” (ao amin’ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 98).
Mbola betsaka ny fahoriana niainan’ny Mpaminany Joseph Smith taorian’ny nijaliany tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Hoy ny Filoha Brigham Young: “Tsy afaka natao tanteraka i Joseph, na dia niaina arivo taona aza izy, raha tsy nisy fanenjehana nihatra taminy mihitsy. Raha niaina arivo taona izy, ary nitarika io vahoaka io, dia nitory ny filazantsara tsy nisy fanenjehana, dia tsy ho lasa tanteraka tahaka ny naha-tanteraka azy teo amin’ny faha [valo amby telopolo] taonany” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 264).
-
Manorata mikasika ny zava-tsarotra niainana iray izay nahasoa anao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Ianao ve efa nahareo olona nilaza hoe tsy misy mahazo an-tsaina ireo fitsapana iainan’izy ireo? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8, mba hitadiavana ny zavatra mety holazain’ny Tompo hamaliana io fanamarihana io. Mba hampitomboana ny fahatakaranao an’ilay andian-teny hoe “nidina tambanin’izany rehetra izany,” dia Vakio ny 2 Nefia 9:20–21; Almà 7:11; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:5–6. Azonao atao ny manoratra ity Fotopampianarana manaraka ity eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8: Niaritra ireo fanaintainana sy fahorian’ny olon-drehetra ny Mpamonjy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety nanampian’io Fotopampianarana io ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo namany tao amin’ny Fonjan’i Liberty?
-
Ahoana no hanampian’io Fotopampianarana io anao rehefa miatrika fitsapana ianao?
-
Nampianatra ny Loholona Wirthlin hoe:
“Satria nijaly izaitsizy i Jesoa Kristy dia mahatakatra ny fijaliantsika Izy. Mahatakatra ny alahelontsika Izy. Misedra zava-tsarotra isika mba hahafahantsika manana fangorahana sy fahatakarana bebe kokoa ho an’ny hafa.
“Tsarovy ireo teny mamin’ny Mpamonjy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fony izy nijaly niaraka tamin’ireo namany tao anatin’ny haizim-piton’ny Fonjan’i Liberty:
“‘Anaka, fiadanana anie ho an’ ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;
“‘Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ ny avo Andriamanitra; ary ho resinao avokoa ny fahavalonao.’ (F&F 121:7–8.)
“Noho ny fananany izany fomba fijery mandrakizay izany dia nahazo fampaherezana avy amin’ireo teny ireo i Joseph, ary afaka manao toraka izany koa isika” (“Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany,” 27).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9, ary eritrereto ny fomba ifandraisan’io andininy io amin’ny fiainana sy ny asa fanompoana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9 mampatanjaka anao mandritra ireo zava-tsarotra iainanao?
Fotoana fohy taorian’ny nanoratana io taratasy io dia nanokatra nanome fomba ho an’i Joseph Smith sy ireo namany ny Tompo mba hiarahan’izy ireo mivondrona tamin’ireo Olomasina tao Illinois. Niaraka tamin’i Joseph Smith mpanompony Andriamanitra nandritra ny fiainan’i Joseph. Taty aoriana, afaka herin-taona sy tapany talohan’ny namonoana azy ho maritiora, dia nanambara i Joseph Smith hoe: “Andriamanitra Tsitoha no ampingako; koa inona no azon’ny olombelona atao raha Andriamanitra no namako?” (Ao amin’ny History of the Church, 5:259). Raha mitoetra ho mahatoky isika ao anatin’ny fahoriantsika dia hiaraka amintsika koa Andriamanitra mba hampahery sy hanampy antsika mandrakizay.
-
Soraty ao anatin’ny diarin’ny soratra masinao eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10; 122:1–9 ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: