Seminera
Fizarana 4: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9


Fizarana 4: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9

Fampidirana

Nanomboka nanampy ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fandikana ireo takela-bolamena i Oliver Cowdery tamin’ny Aprily 1829 tamin’ny naha-mpitantsoratra azy. Satria notoloran’ny Tompo ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny i Oliver raha niriany izany (jereo ny F&F 6:25), dia “lasa tsy andrin’i Oliver mihitsy ny hanomezana azy ilay hery handikana teny” (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 1:36). Ho setrin’izany dia niteny ny Tompo fa hanome an’i Oliver ny fahafahana mandika teny araka ny finoan’i Oliver.

Rehefa nanandrana nandika i Oliver, dia toa nanomboka izany tsara izy saingy “tsy nanohy izany toy ny nanomboha[ny] izy” (F&F 9:5). Nahazo ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9 ny Mpaminany, izay manazava ny anton’ny tsy fahombiazan’ny ezaka nataon’i Oliver tamin’ny fandikana. Nanome torolalana an’i Oliver ny Tompo fa tsy ilaina intsony ny hanaovany fandikana. Fa i Oliver dia tokony hifantoka amin’ny andraikiny amin’ny maha-mpitantsoratr’i Joseph azy. NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9, miaraka amin’ny fizarana 6 dia fanambarana fototra mikasika ny Fanahy Masina sy ireo fomba izay azontsika hikatsahana sy hamantarana ny fanambarana avy amin’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8

Nampianatra an’i Oliver Cowdery mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana ny Tompo

Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no fomba ahafantarana rehefa miresaka aminao Andriamanitra na rehefa mamaly ny vavaka ataonao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1 mba hahitana ny fomba nanomezan’ny Tompo torolalana an’i Oliver Cowdery mba hivavaka. Avy eo dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3, ary asio marika ireo teny izay manambara ny fomba nolazain’ny Tompo fa hamaliany ny vavaka nataon’i Oliver. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny ho avy.

  1. Manaova tabilao misy tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Ny tsanganana voalohany dia asio lohateny hoe Mikatsaka Fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Ary ny tsanganana faharoa dia asio lohateny hoe Mandray Fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Manorata eo amin’ny tsanganana voalohany, fitsipika iray farafahakeliny izay nianaranao avy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1 mikasika ireo fomba hikatsahana fanambarana. Eo amin’ny tsanganana faharoa, manorata fahamarinana iray izay nampianarin’ny Tompo ao amin’ny andininy 2–3 mikasika ny fomba hifampiresahan’ny Tompo amintsika.

Sary
Ny fiampitana ny Ranomasina Mena

Tsaroanao ve ny tantaran’i Mosesy nanasaraka ny Ranomasina Mena? Nandidy an’i Mosesy ny Tompo mba hanafaka ireo zanak’Isiraely izay nandevozina. Taty aoriana rehefa nenjehin’ireo miaramila Egyptiana dia hitan’i Mosesy fa tapi-dalan-kaleha teo amoron’ny Ranomasina Mena izy sy ny vahoakany. Araka ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3, ahoana no fomba nitaoman’ny Tompo an’i Mosesy hanasaraka ny Ranomasina Mena?

Ny fahamarinana iray izay hianarantsika avy amin’ireo andininy ireo dia hoe miteny ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny Tompo. Eritrereto ny fotoana izay nifampiresahan’ny Tompo taminao tamin’io fomba io.

Ao amin’ireto teny nambara manaraka ireto ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ifampiresahan’ny Tompo amin’izy ireo.

Hoy ny Filoha Packer hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Afaka mianatra ianareo izao, ao amin’ny fahatanoranareo, mba hotarihin’ny Fanahy Masina.

“Amin’ny maha-Apôstôly ahy dia mihaino izany fitaomam-panahy izany aho ankehitriny, avy amin’io loharano io ihany aho, amin’ny fomba mitovy tamin’ny nihainoko izany fony aho zazalahy. Mazava kokoa ny fifandraisana ankehitriny” (Prayers and Answers,” Ensign, Nov. 1979, 21).

Nampianatra ny Loholona Scott hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Tena miavaka ny fahatsapana ao an-tsaina.

“Afaka maheno na mahatsapa sy manoratra ireo teny amin’ny antsipiriany toy ireny hoe tononina mafy ireny ilay torolalana.

“Fahatsapana amin’ny ankapobeny kokoa ny fifandraisana ao am-po. Matetika ny Tompo no manomboka izany amin’ny fanomezana fahatsapana. Rehefa misy ny fanekena ny maha-manan-danja azy ireny ary rehefa ankatoavina ireny dia mahazo fahafahana hahazo torolalana amin’ny antsipiriany kokoa ao an-tsaina ny olona iray. Hamafisin’ny torolalana miavaka kokoa ao an-tsaina ny fahatsapana ao am-po, raha manaraka izany” (“Helping Others to Be Spiritually Led” [lahateny ho an’ireo mpampianatra filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 11 aog. 1998], 3–4; si.lds.org).

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3

Mba hanampiana anao hitadidy ny fomba hiresahan’ny Tompo ao an-tsainao sy ao am-ponao dia soraty amin’ny baoritra na taratasy ny andininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3. Ataovy izay hitadidiana ireo andininy ireo amin’ny famerimberenana ilay andininy isa-maraina na isan-kariva mialohan’ny vavaka manokana izay fanaonao. Raha vao hainao tsianjery izany, dia azonao zaraina amin’ny namana iray na olona ao amin’ny fianakavianao, ka hazavao ny dikan’izany aminao izany aminao.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nitenenan’ny Ray any An-danitra tao an-tsainao sy tao am-ponao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9

Nanazava ny antony nahatonga an’i Oliver Cowdery ho sahirana tamin’ny fandikan-teny ny Tompo

Inona avy ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay ho raisinao amin’ny taona ho avy? Ao anatin’ny 5 na 10 taona ho avy? Saintsaino hoe nahoana ianao no mila fitarihana avy amin’ny Tompo eo amin’ny fandraisana ireo fanapahan-kevitra manan-danja ireo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9 ny Tompo dia nanazava ny antony nahatonga an’i Oliver Cowdery ho sahirana teo amin’ny fandikana ireo takelaka. Ny fanazavana nomen’ny Tompo dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba hikatsahana sy handraisana fitarihana amin’ny fanapahan-kevitra izay horaisinao eo amin’ny fiainanao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:1–4, ary tadiavo ny asa izay nasain’ny Tompo nifantohan’i Oliver ho solon’ny fandikan-teny. Avy eo dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:5–6, 11, ka asio marika ireo antony tsy nampahomby an’i Oliver rehefa nanandrana nandika teny.

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Tonga ny tsy fahombiazan’i Oliver satria tsy nanohy toy ny nanombohany izy, ary satria asa sarotra ilay asa dia nandao azy ny finoany” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:51).

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Oliver Cowdery mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana fanambarana avy amin’ Andriamanitra? Inona ny sasany amin’ireo fomba ahafahan’ny tahotra na ny tsy fahampiam-pinoana manakana antsika tsy hahazo fanambarana avy amin’ny Tompo na hanao asa mifanaraka amin’izany?

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ao anatin’ny dingan’ny fanambarana sy fandraisana fanapahan-kevitra manan-danja dia manana anjara asa mandringana ary matetika mampalemy tsy afa-mihetsika izay ny tahotra. Ho an’i Oliver Cowdery, izay tsy nanararaotra ilay fahafahana tokana teo amin’ny fiainany, satria izy tsy nanao izany tamin’ny fotoana nampety izany, dia hoy ny Tompo, ‘Tsy nanohy tamin’ny nanombohanao ianao.’ Moa ve izany tsy mahazatra an’ireo izay nisy fotoana nomena fahazavana, ary avy eo nilavo lefona noho ny fiovan-kevitra sy ny ahiahy? …

“… Rehefa avy nandray ilay hafatra ianao, rehefa avy nanefa ny sarany mba hahatsapana ny Fitiavany sy hahenoana ny tenin’ny Tompo, dia mirosoa. Aza matahotra, aza miahiahy, aza mifantoka amin’ireo tanjona madinika, aza mitaraina. … Reseo ny tahotrareo ka mandraisa andraikitra amim-pahasahiana sy amim-panolorantena eo anatrehan’ny fanambarana nomena anareo” (“Cast Not Away Therefore Your Confidence,” Ensign, Mar. 2000, 10).

Mieritrereta fotoana iray izay nilanao nampiasa finoana mba hahafahanao mikatsaka valim-bavaka na manao zavatra mifanaraka amin’ny valim-bavaka avy amin’ny Tompo. Inona no azonao atao rehefa mikatsaka valiny?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8, ary mitadiava antony iray hafa nahatonga an’i Oliver nanana olana tamin’ny fandraisana fanampiana avy amin’ny Tompo teo amin’ny fiezahany handika teny. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “handinika izany ao an-tsainao”?

Ny lesona iray azontsika hianarana avy amin’ireto andininy ireto dia hoe mitaky ezaka avy aty amintsika ny fandraisana fanambarana sy ny fahafantarana izany. Azonao atao ny manampy an’io fahamarinana io ao amin’ilay lisitr’ireo fomba hikatsahana fanambarana avy amin’ny Tompo izay nataonao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina tamin’ny asa nampanaovina 1. Tadidio fa tokony hanontany ny Tompo isika raha toa marina ny tsoakevitra hitantsika rehefa avy nandinika ny fanampahan-kevitra horaisintsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ny Tompo no mangataka antsika handinika sy handalina manokana ny zavatra iray, dia hitondra ny fanapahan-kevitra noraisintsika ho eo anatrehany avy eo mba ho fanamafisana, fa tsy hoe mangataka Azy fotsiny handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toerantsika?

Diniho ny fomba tokony ho azon’ireto olona voalaza etsy ambany ireto nampiasana ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8 mba handraisan’izy ireo fanambarana mikasika ny toe-javatra nisy azy ireo.

  • Tsy azon’ity tovolahy iray ity antoka raha toa ka tokony hanohy hianatra eny amin’ny oniversite izy na tokony hitady asa sy hiofana amin’ny asa matihanina iray.

  • Misy zatovovavy iray izay miezaka manapa-kevitra ny amin’ny fomba hihatahana amin’ireo namany izay mitaona azy amin’ny ratsy.

  • Mieritreritra fanambadiana ny tovolahy iray niverina avy nanao asa fitoriana ary manontany tena raha toa ka mendrika ny ho mpiara-dia aminy amin’ny fanambadiana ilay olona eritreretiny.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8–9, ary tadiavo ny fomba nahafahan’i Oliver Cowdery mahafantatra raha toa ka diso na marina ny fanapahan-kevitra noraisiny. Inona no azontsika ianarana ao amin’ny andininy 8 mikasika ny fomba hamalian’ Andriamanitra antsika rehefa manontany isika raha toa ka mety ny fanapahan-kevitra raisin-tsika?

Ilay hafanana ao an-tratra izay nampanantenaina an’i Oliver Cowdery dia fomba iray fotsiny ihany ahafahan’ny Fanahy Masina manamafy ny safidy tsara iray. Ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina dia afaka tonga amin’ny fomba samihafa izay lalina sy natao ho an’ny tena manokana.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Ny Loholona Richard G. Scott dia niresaka mikasika ny fomba iray ahafahan’ny Tompo manao izay “ahatsapantsika fa marina izany” (F&F 9:8): “Ny fahatsapana fiadanana no vavolombelona manamafy mahazatra indrindra izay niainako manokana. Rehefa sahiran-tsaina be momba ny olana manan-danja iray aho, sahirana namaha izany nefa tsy nahita fahombiazana dia nanohy ireo ezaka ireo tamim-pinoana aho. Taty aoriana dia nisy fiadanana nanenika ny tena tanteraka, namaha ny olako, araka ny nampanantenainy” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign or Liahona, May 2007, 10).

Nohazavain’ny Loholona Scott ihany koa ny mikasika ny fahatsapany ny valin’ny fanapahan-kevitra izay tsy mety: “Izany [fahadontoan’ny saina] izany ho ahy dia fahatsapana ho toy ny mihotakotaka sy tsy mahazo aina” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” 10).

Azonao atao ny manoratra io fanazavana faharoa nomen’ny Loholona Scott io eo an-tsisin’ny soratra masinao eo anilan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:9 na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:10–14, dia nanome antoka an’i Oliver ny Tompo fa tsy nanameloka azy Izy tamin’ny tsy nahavitany nandika teny. Nanome torolalana an’i Oliver ny Tompo mba hanohy hanoratra ho an’ny Mpaminany ary “hitomoetra tsara ao amin’ny asa” izay niantsoan’ny Tompo an’i Oliver mba ho ataony (F&F 9:14). Nampanantena an’i Oliver ny Tompo fa ny fahazotoana sy ny fankatoavana tsy tapaka dia hitondra fiainana mandrakizay.

  1. Ampiasao izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9, ary manaova drafitra ho an’ny lahateny iray maharitra roa na telo minitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Tompo. Ataovy tafiditra ao anatin’izany ny torohevitra mikasika izay tsy maintsy ataontsika mba hikatsahana fanambarana avy amin’ny Tompo, ary ny torolalana mikasika ny fomba hifandraisany amintsika.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy