Seminera
Fizarana 28: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–21


Fizarana 28: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–21

Fampidirana

Ity lesona ity dia ahitana ireo Fotopampianarana nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny fivorian’ny Fiangonana tao Ramus, Illinois, tamin’ny 2 aprily 1843. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 ireo fampianarana ireo. Ny Mpaminany da nampianatra momba ireo tranga ho avy, ka anisan’izany ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nampianatra momba ny fahafahantsika mitazona fahalalana sy faharanitan-tsaina aorian’ny fahafatesantsika ihany koa izy ary nanazava ny fomba ahafahantsika mandray ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–17

Mampianatra mikasika ny Fiaviana Fanindroany i Joseph Smith

Efa naniry ny hahafantatra ve ianao hoe raoviana marina no hitranga ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Maro ireo olona hafa nanontany tena mikasika izany. Tamin’ny andron’i Joseph Smith dia nisy mpitory teny Kristianina malaza nantsoina hoe William Miller izay nilaza fa hitranga ny 3 aprily 1843 ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindro. Iray andro alohan’ilay daty nolazain’i Miller ho Fiaviana Fanindroany dia niresaka tamin’ireo Olomasina tao Ramus, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith ka nilaza fa nivavaka izy mba hahalalana ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:14–17, mba hitadiavana ny zavatra fantatr’i Joseph Smith rehefa nivavaka mikasika ny fotoana hisehoan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy.

Jereo fa tsy nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ny fotoana marina hitrangan’ny Fiaviana Fanindroany. Ankoatra izany dia nanome toromarika an’i Joseph izy hoe: “Aza manelingelina Ahy intsony momba izany raharaha izany” (F&F 130:15) .

Tsipiho ny zavatra nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny olona mahalala ny fotoana hitrangan’ny Fiaviana Fanindroany ao anatin’ity fanambarana manaraka ity:

Loholona M. Russell Ballard

“Nantsoina ho iray amin’ireo Apôstôly aho mba ho vavolombelona manokan’i Kristy ao anatin’izao fotoana mampientanentana sy feno fitsapana izao, ary tsy fantatro ny fotoana hahatongavany indray. Raha ny fahalalako hatreto dia tsy misy mahafantatra na iza na izao ao amin’ireo rahalahiko ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo na ny ao amin’ny Fiadidiany Voalohany aza. Ary te-hanoro hevitra amim-panetrentena aho hoe raha tsy mahalala izahay dia tsy misy na iza na iza mahalala, na dia mahatsiriritra manao ahoana na voasaintsaina tsara manao ahoana aza ny kajikajy ataon’izy ireo. Hoy ny Mpamonjy: ‘Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala; tsia, na dia ny anjelin’ Andriamanitra any an-danitra aza, afa-tsy ny Raiko ihany’ [Joseph Smith—Matio 1:40].

“Mino aho fa rehefa milaza ny Tompo hoe ‘tsy misy’ mahalala, ny tena tiany hambara marina dia hoe tena tsy misy mahalala tokoa. Tokony hiahiahy mafy ny olona izay mitonona ho miavaka ka mahazo fanambarana manokana avy amin’ Andriamanitra isika” (“When Shall These Things Be?” Ensign, des. 1996, 56).

Ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:14–17 sy ny teny nambaran’ny Loholona Ballard fa Andriamanitra irery no mahalala ny fotoana marina hitrangan’ny Fiaviana Fanindroany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahatsiarovana io fahamarinana io anao tsy ho voafitak’ireo filazana zavatra diso?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–19

Nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fahalalana sy ny faharanitan-tsaina eto amin’ity fiainana ity i Joseph Smith

Alaivo sary an-tsaina hoe miala ny tranonao ianao mba handeha ho any amin’ny toerana iray tsy mbola nalehanao mihitsy. Izay zavatra antonona valizy iray ihany no azonao entina. Inona no hoentinao ao anatin’ny valizinao?

valizy

Ary raha any amin’ny tontolon’ny fanahy no toerana halehanao (toerana alehan’ny fanahintsika rehefa maty isika)? Inona amin’ireo zavatra nofidinao mba hoentina ao anatin’ny valizinao no ho azonao entina manaraka anao rehefa maty ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–19, mba hitadiavana ny zavatra azontsika entina miaraka amintsika avy eto amin’ity fiainana ity rehefa maty isika.

Araka ny voalazan’ny andininy 18–19, dia inona no hiaraka amintsika rehefa maty isika? Mba hamalianao io fanontaniana io dia fenoy ity fitsipika manaraka ity: Ny sy izay azontsika eto amin’izao fiainana izao dia hiara-hitsangana amintsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty.

Loholona Neal A. Maxwell

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanampy antsika hahatakatra ny dikan’ny teny hoe faharanitan-tsaina ao amin’ireo andininy ireo: “Raha misaintsaina fotsiny ny zavatra izay hiara-hitsangana amintsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty isika dia toa hita miharihary fa hiara-hitsangana amintsika ny faharanitan-tsaintsika, izay midika hoe tsy ny fahatakarantsika zavatra fotsiny fa ny fahafahantsika mandray sy mampihatra ny fahamarinana ihany koa. Hiara-hitsangana amintsika ny talentantsika sy ny toetrantsika ary ny fahaiza-manaontsika; ary azo antoka koa ny fahaizantsika mianatra sy ny haavon’ny fifehezantsika tena ary ny fahaizantsika miasa” (We Will Prove Them Herewith [1982], 12).

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:19 dia amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa?

    2. Oviana ianao no nahazo fahalalana na faharanitan-tsaina tamin’ny alalan’ny fahazotoana sy ny fankatoavanao? Inona no zavatra niainanao tao anatin’izany?

Jereo fa araka ny voalazan’ny andininy 19 dia hanana tombony any amin’ny tontolo ho avy ireo izay mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa eto amin’ity fiainana ity. Midika izany fa hanampy antsika mandritra ny mandrakizay ny zavatra ianarantsika eto amin’ity fiainana ity, na ara-nofo izany na ara-panahy. Ho afaka ny hampiorina ny fiainantsika eo amin’ny fahalalana izay azontsika eto amin’ity fiainana ity isika mba hitovy bebe kokoa amin’ny Ray any An-danitra.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjona iray izay afaka hanampy anao hahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21

Manazava ny fomba hahazoantsika fitahiana i Joseph Smith

Alaivo sary an-tsaina hoe te-hampivoatra ny sora-tananao ianao, koa dia manapa-kevitra ny hihazakazaka dimy kilaometatra isan’andro, mandritra ny dimy andro isan-kerinandro, mandritra ny iray volana. Inona no ho fiantraikan’io fanazaran-tena io eo amin’ny sora-tananao?

penina sy taratasy

Raha te hanatsara ny sora-tananao ianao dia inona no ilainao atao?

Tahaka ny ilantsika mahatakatra ny fomba hahazoana ny vokatra irintsika ihany no ilantsika mahatakatra ny fomba hahazoana ireo fitahiana irin’ny Ray any An-danitra omena antsika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21, mba hitadiavana ny fomba ahafahantsika mahazo ireo fitahiana irin’ny Ray any An-danitra omena antsika. Mety hanampy ny fahafantarana fa ilay teny hoe ifotorana dia midika hoe “iaingana” ary ilay andian-teny hoe “navoaka tsy azo novana” dia midika fa nisy lalana izay mitoetra ary tsy azo ovana.

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 20–21 ity fitsipika manaraka ity: Raha te hahazo , dia tsy maintsy .

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io dia fenoy ity tabilao manaraka ity. Vakio ireo andinin-tsoratra masina ireo ary avy eo dia tadiavo ilay lalàna sy ny fitahiana miaraka amin’izany izay voafariparitra ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.

Andinin-tsoratra masina

Lalàna

Tsodrano

F&F 10:5

2 Nefia 32:3

Malakia 3:8–10; F&F 64:23

F&F 89:18–21

  1. journal iconVitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Valio ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo fitahiana voarainao satria nankatò lalàna iray ianao?

    2. Eritrereto ireo fitahiana tianao ho azo. Soraty izay lalàna na ireo lalàna ilainao hankatoavina mba hahafahanao mandray ireo fitahiana ireo. (Azonao atao ny mampiasa ireo fitaovana hoenti-manampy amin’ny fandalinana soratra masina toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hanampy anao hitady ireo lalàna izay manampy amin’ny fitondrana ireo fitahiana ireo. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa mahakasika zavatra voafaritra manokana ny lalàna sy fitahiana sasany raha toa kosa ka mahakasika zavatra amin’ny ankapobeny kokoa ny hafa. Zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa mety ho tonga aorian’ny fiainana an-tany ireo fitahiana sasany nampanantenaina.)

Avereno dinihina ireo Fotopampianarana sy fitsipika hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130. Saintsaino ireo Fotopampianarana sy fitsipika ireo eo am-pamakianao ity teny manaraka ity, izay nambaran’ny Filoha Brigham Young mikasika ny fahaizan’ny Mpaminany Joseph Smith manazava ireo zavatr’ Andriamanitra: “Ny zavatra tena mampiavaka tanteraka ny toetran’ny Rahalahy Joseph Smith dia ny hoe afaka manazava ireo zavatry ny lanitra izy mba ho takatry ny olona mety maty. Rehefa nitory teny tamin’ny olona izy—nanambara ireo zavatr’ Andriamanitra, ny sitrapon’ Andriamanitra, ny drafitry ny famonjena, ireo tanjon’i Jehovah, ny fifandraisantsika aminy sy amin’ireo olon’ny lanitra rehetra—dia nanazava ny fampianarany araka ny fahazoan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay izy ka nahatonga izany ho mazava tsara tahaka ny lala-masaka. Izany dia tokony handresy lahatra ny olona tsirairay izay nandre azy ny amin’ny fahefana sy hery avy any an-danitra nananany, satria tsy nisy olona hafa afaka nampianatra tahaka ny nataony, ary tsy misy olona afaka nanambara ireo zavatr’ Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ireo fanambaran’i Jesoa Kristy” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 347).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hampatanjahan’ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–30 ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny antson’i Joseph Smith?

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–21 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: