Seminera
Fizarana 17: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81


Fizarana 17: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81

Fampidirana

Nantsoin’ny Tompo ho mpanolotsain’i Joseph Smith i Jesse Gause sy i Sidney Rigdon ny 08 martsa 1832. Herinandro taorian’izay, ny 15 martsa 1832, ny Tompo dia nanome ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81. Lazalazainy ao amin’io fanambarana io ny andraikitry ny mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary nampanantena fiainana mandrakizay an’i Jesse Gause Izy raha toa izy ka mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany. Tsy nitoetra ho mahatoky i Jesse Gause, hany ka ilay antso mba ho mpanolotsaina ao Fiadidiana Voalohany dia lasa nomen’ny Tompo an’i Frederick G. Williams, izay nampiarahana ato anatin’ity fanambarana ity ny anarany taty aoriana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81

Nanoritsoritra ny anjara asan’ny mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Tompo

Nahoana isika no omen’ny Tompo antso ao amin’ny Fiangonany? Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ny antso? Inona no mitranga raha misy olona iray misafidy ny tsy hanatanteraka amim-pahatokiana ny antsony? Na dia mety hahazo fitaomam-panahy hiantso mpikamban’ny Fiangonana iray hiantsoroka andraikitra iray aza ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana dia miankina amin’ny olona izay mandray ny antso ihany ny fanatanterahana izany amim-pahatokiana na tsia.

Vakio ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 81, ka tadiavo ilay olona nantsoina voalohany ho mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo (ny Fiadidiana Voalohany) ary inona no zava-nitranga taminy.

Nantsoina ho mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo (ny Fiadidiana Voalohany) tamin’ny volana martsa 1832 i Jesse Gause. Enim-bolana taty aoriana, ny 01 aogositra 1832, dia lasa nandeha nanao asa fitoriana niaraka tamin’i Zebedee Coltrin izy. Namangy ny vadiny i Jesse ary niezaka nandresy lahatra azy mikasika ny fahamarinan’ny Fiangonana tafaverina tamin’ny laoniny saingy nandà ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy. Fotoana fohy taorian’izany dia narary be ka tsy maintsy niverina tany Kirtland, Ohio i Zebedee, izay misiônera mpiara-mitory taminy. Rehefa tavela irery i Jesse dia tsy nahavita ny asa fanompoany ary tsy nitoetra ho mahatoky tao amin’ny Fiangonana. Nesorina tsy ho mpikambana intsony izy tamin’ny desambra 1832.

Araka ny voalaza ao amin’ny sasin-teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 81, iza no nantsoin’ny Tompo hisolo an’i Jesse?

Azonao atao ny manisy marika ity andian-teny manaraka izay hita ao amin’ny fampidirana ny fizarana ity: “Ny fanambarana … dia tokony horaisina ho toy ny dingana mankany amin’ny fananganana ny Fiadidiana Voalohany.” Tsy tao anatin’ny indray mandeha no nanambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany ny firafitry ny Fiangonana iray manontolo. Fa nambarany kosa ny ampahany samihafa tamin’ilay rafitra rehefa niseho ny filana izany ary rehefa vonona handray izany ny Olomasina. Nanambara ny Tompo ny volana martsa 1832 fa tonga ny fotoana hananganana ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo.

Nanazava andraikitra iray manan-danja sahanin’ny Fiadidiana Voalohany ny Tompo ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:1–2, dia asio marika ny teny izay mampianatra fa ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo no mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

Tadidio fa ny fanalahidin’ny fisoronana no fahefana miahy ny Fiangonana sy mitarika ny fampiasana ny herin’ny fisoronana. Taty aoriana dia nitsangana ny Fiadidiana Voalohany. Ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia hazonin’ny Fiadidiana Voalohany foana izay tarihin’ny Filohan’ny Fiangonana.

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanazava ny zavatra azon’ny Fiadidiana voalohany atao amin’izao fotoana izao noho ny fihazonany ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra: “Ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra ireo no zo ahafahan’ny fiadidiana miahy. Ireo no hery sy fahefana hitondrana sy hitarihana ny asan’ny Tompo rehetra eto an-tany. Ireo izay mihazona izany no manana ny fahefana hitantana sy hifehy ny fomba fanompoan’ny hafa rehetra ao amin’ny fisoronana” (“Eternal Keys and the Right to Preside,” Ensign, jolay 1972, 87).

Sary
Fiadidiana Voalohany

Ny Fiadidiana Voalohany, 2013

Ny fomba iray hitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy hitantanany ny Fiangonana dia amin’ny alalan’ny fampianaran’izy ireo.

  1. Manorata ohatra iray maneho ny fomba nitahian’ny fampianaran’ny Fiadidiana Voalohany anao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3, ka tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’i Frederick G. Williams amin’ny maha-mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany azy.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lohateny hoe Mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Tanisao eo ambanin’io lohateny io ireo andraikitra hitanao ao amin’ny andininy faha 3. Ankoatra izany, dia soraty araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “mahatoky amin’ny torohevitra” omen’ny filohany ho an’ny mpanolotsaina lahy na vavy iray.

Ho fanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe “mahatoky amin’ny torohevitra” omen’ny filohany ho an’ny mpanolotsaina iray, dia diniho ny zavatra nampianarin’ny Filoha Gordon B. Hinckley momba ny tokony hiarahan’ny mpanolotsaina iray mivory amin’ny filohany.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“[Ny mpanolotsaina] dia mpanampy ny filohany. …

“Amin’ny maha-mpanampy azy dia tsy filoha ny mpanolotsaina. Tsy miantsoroka andraikitra sy tsy mandeha alohan’ny filohany izy.

“Afaka manambara malalaka izay ao an-tsainy mikasika ny olana rehetra tonga eo anatrehan’ny fiadidiana ny mpanolotsaina tsirairay avy mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana. Kanefa, zon’ny filoha ny manapa-kevitra, ary adidin’ny mpanolotsaina ny manohana azy amin’izany fanapahan-kevitra izany. Lasa fanapahan-kevitr’izy ireo ny fanapahan-keviny, na inona na inona hevitr’izy ireo tany aloha” (“In … Counsellors There Is Safety,” Ensign, nôv. 1990, 49).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahatakarana ireo adidin’ny mpanolotsaina ny olona iray izay mpanolotsaina ao anatin’ny amin’ny fiadidiana izay misy ato amin’ny Fiangonana?

    2. Fa maninona ireo mpanolotsaina ao amina fiadidiana iray no tokony hanohana sy hankahery ny filohany?

    3. Inona no azonao atao mba hanompoana amim-pahombiazana ao amina fiadidiana iray raha toa ka na rehefa manana izany fahafahana izany ianao?

Nomen’ny Tompo fampanantenana lehibe i Frederick G. Williams raha toa ka mahatoky ao amin’ny antsony izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:4, ka tadiavo ilay fampanantenana.

Ilay andian-tsoratra hoe “hampitombo ny voninahitry ny … Tomponao” ao amin’ity sahan-kevitra ity dia midika fa isika dia afaka manampy amin’ny fitarihana ny olona hanaja sy hankato ny Tompo rehefa mahatoky amin’ny antsontsika isika. Miantefa amintsika ihany koa io fampanantenana io. Azonao atao ny manoratra ireto fitsipika manaraka ireto eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao: Raha toa ka mahatoky amin’ny antsontsika isika dia afaka manao soa lehibe amin’ny hafa sy mampitombo ny voninahitr’ Andriamanitra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no mety ahafahan’ny fanompoantsika amim-pahatokiana amin’ny antsontsika ato am-piangonana manampy antsika hanao soa lehibe amin’olon-kafa?

    2. Oviana ianao no nahita mpikamban’ny Fiangonana nanao soa lehibe tamin’ny hafa noho izy ireo mahatoky amin’ny antsony? Soraty ny zavatra hitanao.

    3. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanompoanao amim-pahatokiana amin’ny antsonao ao am-piangonana hanampy anao hampitombo ny voninahitr’ Andriamanitra?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5, ka tadiavo ny torohevitra fanampiny nomen’ny Tompo an’i Frederick G. Williams.

Araka ny notenenin’ny Tompo an’i Frederick ao amin’ny andininy faha 5, inona ny zavatra azontsika ianarana mikasika ny hoe mahatoky amin’ny antsontsika rehetra ato am-piangonana na ny hoe mpikambana mahatokin’ny Fiangonana?

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

Ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny torohevitry ny Tompo: “Ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5 dia azo adika ho toy ny famporisihan’ny Tompo an’i Frederick G. Williams hanatanjaka ny osa (‘vonjeo ny osa’), hanome famporisihana ireo izay trotraka na kivy (‘akaro ny tanana izay miraviravy’), ary hanome hery sy tanjaka ny malemy lohalika sy ny matahotra ao am-pony”(“Strengthen the Feeble Knees,” Ensign, nôv. 1991, 70).

Sary
vehivavy iray eo ambony seza misy kodiarana sy zatovovavy iray
  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra iray niainanao izay nahitana ny fanampian’ny olona iray hafa anao sy nampaherezany anao. Avy eo dia mitanisà zavatra telo izay azonao atao “hamonjena ny osa, hampiakarana ny tanana izay miraviravy, ary hanatanjahana ny malemy lohalika”. Manorata tanjona iray hanampy olona iray hafa amin’ity herinandro ity amin’ny alalan’ny fanaovana ny iray amin’ireo zavatra voalaza ao amin’ny zavatra notanisainao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:6–7, ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Frederick G. Williams raha toa izy ka mahatoky hatramin’ny farany.

Mahazo izany fampanantenana izany ihany koa ianao. Raha misafidy ny ho mahatoky amin’ny Tompo ianao, anisan’izany ny mahatoky amin’ny antso rehetra ary amin’ny fanampiana ireo rehetra manodidina anao, dia ho mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny Tompo ihany koa ianao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampinarana sy Fanekempihavanana 81 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy