Seminera
Fizarana 26: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46


Fizarana 26: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 dia ampahany amin’ny taratasy nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith avy amin’ny fitaomam-panahy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Ao amin’io ampahany amin’ilay taratasy io ny Mpaminany dia mampianatra ireo fitsipika mikasika ny hery sy ny fahefan’ny Fisoronana. Manazava izy hoe nahoana no maro no voantso kanefa vitsy no voafidy ary ahoana no fomba ahafahan’ireo mpihazona ny fisoronana mampiasa ny herin’ny lanitra mba hanompoana ny hafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–40

Mampianatra i Joseph Smith fa ny zon’ny fisoronana dia mifamatotra amin’ny herin’ny lanitra

Sary
jiro misy tariby mpitondra herinaratra

Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no hitovian’ny fampiasana ny fisoronana amin’ny fandrehetana jiro?

Manorata hoe Mpihazona ny fisoronana eo akaikin’ilay jiro eo amin’ny sary. Ny hazavana avy amin’ilay jiro ato amin’ity lesona ity dia maneho ireo fitahiana afaka ho azon’ny olona avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoan’ireo mpihazona ny fisoronana.

Mandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 androany, dia eritrereto ny fiantraikan’ny fahamarinan’ny mpihazona ny fisoronana iray eo amin’ny fahafahany manampy ny olona hafa handray ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana. Na dia navantana tamin’ireo mpihazona ny fisoronana aza ireo andininy ireo dia mirakitra fitsipika mihatra amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34, ka mifantoha tsara amin’ilay fanontaniana ao amin’io andininy io. Azonao atao ny manisy marika ilay fanontaniana.

Sary
Filoha James E. Faust

Mba hampitomboana ny fahatakaranao ny dikan’ny hoe “voantso” sy “voafidy” ho an’ny mpihazona ny fisoronana iray dia vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ho an’ireo mpihazona ny fisoronana: “Voantso isika rehefa apetraka eo ambonin’ny lohantsika ny tanana ka omena ny fisoronana isika, saingy tsy voafidy isika ambara-panehoantsika amin’ Andriamanitra ny fahamarinantsika sy ny fahatokiantsika ary ny fanoloran-tenantsika” (“Called and Chosen,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 55).

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35–39 isika dia mianatra ny antony tsy maha-voafidy ireo olona sasany mpihazona ny fisoronana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35–36, mba hijerena lesona iray tokony hianaran’ny mpihazona ny fisoronana rehetra. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Manorata hoe Herin’ny lanitra eo akaikin’ilay tsaidrianaratra eo amin’ilay sary. Ao anatin’io fifanahafana io dia maneho ny herin’ny lanitra ny herinaratra.

Jereo ilay andian-teny hoe “zon’ny fisoronana” ao amin’ny andininy 36. Mahazo ny zo hampiasa ny fisoronana ny lehilahy iray rehefa omena azy amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny fahefan’ny fisoronana. Ny zo hanao asa amin’io fahefana io dia miankina amin’ny fahamendrehan’ny lehilahy iray. Asio anarana hoe Fahefan’ny fisoronana ilay tariby mpitondra herinaratra eo amin’ilay sary.

Alaivo sary an-tsaina hoe natsatokao teo amin’ny loharano fisintonana herinaratra ny taribian’ny jiro iray, saingy tsy nirehitra ilay jiro. Mandinika ilay jiro ianao dia mahita fa tsy voatsindry ilay bokotra fandrehetana ilay jiro. Manorata hoe Ireo fitsipiky ny fahamarinana eo akaikin’ilay bokotra fandrehetana jiro (eo amin’ilay tariby ao amin’ny sary).

  1. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Inona no mampitovy ny fanindriana ilay bokotra fandrehetana eo amin’ny jiro iray amin’ny fanarahana ireo “fitsipiky ny fahamarinana” ao amin’io fifanahafana io?

    2. Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36 ity fehezan-teny manaraka ity: Tsy afaka mampiasa ireo herin’ny lanitra ireo mpihazona ny fisoronana raha …

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:37–38, mba hitadiavana izay zavatra mitranga amin’ny fahafahan’ny mpihazona ny fisoronana iray mampiasa ny herin’ny lanitra raha tsy miaina amim-pahamarinana izy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao. (Ao amin’ny andininy 38, ilay andian-teny hoe “hanipaka ireo fanindronana” dia entina hilazana ny biby iray izay manohitra ny hazo maranitra iray izay ampiasaina mba hitarihana azy handeha ho any amin’ny toerana iray tiana hahatongavana. Io andian-teny io ho antsika dia entina ilazana ny fanoherantsika ny fitarihana avy amin’ny Tompo sy ireo mpanompony.)

Avereno jerena ny andininy 35 sy 37, mba hijerena ireo fihetsika sy asa tsy mendrika izay mampihena ny fahafahan’ny mpihazona ny fisoronana iray mifandray amin’ny herin’ny lanitra. Azonao atao ny manisy marina ireo zavatra hitanao. Dia vakio avy eo ireto ohatra manaraka ireto. Tadiavo ireo fihetsika sy asa izay voalaza ao amin’ny andininy 35 sy 37. Ataovy lisitra eo amin’ny toerana banga omena eto ambany ireo fihetsika sy asa ireo.

  • Mba haneken’ireo namany malaza azy dia manantevin-daharana azy ireo amin’ny fandrabirabiana mpiara-mianatra iray any am-pianarana ny mpihazona ny fisoronana iray.

  • Tia fanatanjahantena ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra iray, ka dia mandà ny handray anjara amin’ny fandaminana izay mety ho zavatra ataon’ny kôlejy izay tsy misy hidiran’ny baolina kitra na ny basketball izy. Isak’izay misy asa atao na manao asa fanompoana ilay kôlejy dia mangataka izy ny hanaovan’ireo zatovolahy hafa izay asainy hatao satria izy no filohan’ny kôlejy.

Mifandray amin’ilay fampitandremana mikasika ireo mpihazona ny fisoronana izay “miezaka ny hanafina ny fahotany” (F&F 121:37), dia saintsaino ilay tantaran’i Davida Mpanjaka ao amin’ny 2 Samoela 11. Rehefa avy nijangajanga niaraka tamin’i Batseba i Davida ka lasa bevohoka izy dia niezaka ny nanafina ny fahotany izy, ka tamin’ny farany dia nanao izay hahafatesan’i Oria vadin’i Batseba. Afaka mieritreritra toe-javatra hafa izay niezahan’ny olona nanafina ny fahotany ve ianareo?

Inona no maha-zava-doza ny fametrahanao ny fonao amin’ny zavatr’izao tontolo izao sy ny fikatsahana ny fanomezan’ny olona voninahitra ny tena?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no manakana ireo mpihazona ny fisoronana tsy hampiasa ny herin’ny lanitra ireo fihetsika sy asa atao voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35, 37?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:39–40, mba hitadiavana ny antony nanombohan’ny olona sasany nampihatra fitondrana tsy marina (fifehezana ny hafa).

  1. Fintino ao amin’ny diary fandalinana soratra masina, miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–40 ireo antony nahatonga ny hoe “maro no voantso fa vitsy no voafidy” (F&F 121:40).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–46

Mampianatra ny fomba tokony hitondran’ireo mpihazona ny fisoronana ny tenany i Joseph Smith

Rehefa avy nampianatra mikasika ireo fihetsika sy asa izay mampihena ny fifandraisan’ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny herin’ny lanitra ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra mikasika ireo asa izay mampatanjaka izany fifandraisana izany izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–45, mba hitadiavana ireo fihetsika sy asa izay manampy ireo mpihazona ny fisoronana hampiasa ny herin’ny lanitra. Asio marika ireo fihetsika sy asa ireo rehefa hitanao .

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina ny antony mahatonga ireo toetra tsara voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–45 ho manan-danja ho an’ireo mpihazona ny fisoronana. Dia valio ihany koa ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no zava-dehibe ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra ny manana ireo toetra tsara ireo? Misafidiana fitsipiky ny fahamarinana iray voalaza ao amin’ireo andininy ireo, ary mametraha tanjona mba hiaina bebe kokoa izany fitsipika izany.

Ao amin’ny andininy 43, ilay teny hoe manitsy dia hilazana ny fitenenana olona iray fa manao ny tsy mety izy, ka mazàna izany no atao amin’ny fomba feno hatsaram-panahy. Ireo andian-teny hoe eo no ho eo dia midika hoe “mialoha” na “amin’iny fotoana iny.” Ny teny hoe henjana dia mety hilazana ny filantsika milaza hevitra mazava tsara. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana ny manitsy mazava tsara, amin’ny fotoana mety hanaovana izany, sy araka ny fitarihan’ny Fanahy masina? Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mampiseho fitiavana sesehena aorian’ny fanitsiana olona iray? Oviana ianao no nahazo tombony famin’ny fahazoana fanitsina toy izany?

Sary
ray sy zanakalahy
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ireo mpihazona ny fisoronana ny maneho hatsaram-panahy amin’ny fomba fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy” (F&F 121:45)? Inona avy ireo zavatra azonao atao mba hihazonana ny eritreritrao ho madio?

    3. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–45 antsika rehetra rehefa mifanerasera isika?

Ny fiainana ireo fitsipiky ny fahamarinana ireo dia manampy antsika ho tonga bebe kokoa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ho afaka bebe kokoa ny hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46, mba hitadiavana ireo fitahiana izay tonga amin’ireo mpihazona ny fisoronana izay mampiasa ny herin’ny lanitra amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamarinana. Asio marika izay hitanao.

Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny tehim-piandrianana dia tehina fitondran’ny mpanjakalahy na mpanjakavavy. Tandindon’ny fahefana sy ny hery izany.

Rehefa saintsaininao ilay didy hoe “aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy” (F&F 121:45) dia mety hanampy ny mahafantatra fa tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity dia hevitra iray nofonosin’ny teny hoe mandravaka ny hoe mifandray akaiky kokoa. Heviny iray hafa ny hoe “mamehy amin’ny rojo vy”—izany hoe “mamehy.” (Jereo ny Noah Webster, An American Dictionary of the English Language, tahadika mitovy amin’ilay fanontana voalohany [1828; repr., 1967], “garnish.”) Mianatra isika avy amin’ireo famaritana ireo fa tokony hamela ny hatsaram-panahy hanjohy sy hifehy ny eritreritsika isika.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny olona iray mpihazona ny fisoronana izay fantatrao fa miaina araka ny fomba izay manampy azy hampiasa ny herin’ny lanitra. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fanompoany?

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36, 41–42

  1. Mandania fotoana vitsivitsy hamerenana amin’ny feo mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36 mandra-pahavitanao tsianjery izany. Dia tanisao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izany. Mba hanampiana anao hampihatra ireo fitsipika ao amin’ny andininy 41–42, dia ataovy lisitra ireo toetra voafariparitra ao amin’ireo andininy ireo. Apetraho amin’ny toerana ahafahanao mamaky azy ilay lisitra.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy