Fizarana 29: Andro 4
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135
Fampidirana
Novonoina tao Carthage, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny, izay Filoha lefitra sy Patriarikan’ny Fiangonana, tamin’ny 27 jona 1844. Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanaiky ny filazana ny fahafatesana ho maritiora mba ampidirina ao amin’ny edisiônan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ny 1844, izay efa akaiky havoaka tamin’izany fotoana. Ny filazana dia niainga avy tamin’ny tantaran’ireo vavolombelona nahita maso, dia ny Loholona John Taylor sy i Willard Richards izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 izany amin’izao.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135
Nampahafantarina ny famonoana an’i Joseph sy Hyrum Smith ho maritiora
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1. Alaivo sary an-tsaina hoe mpikamban’ny Fiangonana izay nipetraka tany Nauvoo, Illinois ianao tamin’ny taona 1844, ary eritrereto izay mety ho tsapanao rehefa naheno izany vaovao mampivarahontsana izany ianao.
Maro tamin’ireo Olomasina no heniky ny alahelo rehefa naheno ny fahafatesan’i Joseph sy Hyrum Smith. Saintsaino ireo fahatsapana sy fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith rehefa mianatra momba ireo andro farany teo amin’ny fiainany ianao.
Niaina tao anatin’ny fandriampahalemana i Joseph Smith sy ireo Olomasina nandritra ny telo taona teo ho eo tao Illinois. Na izany aza, dia nanomboka niaina fanoherana indray izy ireo rehefa tonga ny taona 1842. Nanambatra ny ezaka nataon’izy ireo hanohitra ny Mpaminany sy ny Fiangonana ireo mpiendaka avy tao anatin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra tany ivelany. Nanomboka natahotra sy nankahala ny fitaomana ara-pôlitika nataon’ny Olomasina ny olom-pirenena sasany tao Illinois. Ny sasany dia lasa nitsiriritra ny fivoarana ara-toekarenan’i Nauvoo ary lasa nitsikera fatratra ny herin’ny governemanta sy ny miaramila tao an-tananan’i Nauvoo. Nanomboka nankahala ny Olomasina ny sasany noho ny tsy fahatakarana ny momba ireo Fotopampianarana sy fomba fanao miavaka ananan’ny Môrmôna, toy ny fanambadiana maro, ny sasany tamin’izany dia nasehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nihemotra tamin’ny fomba diso. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual [Church Educational System manual, 2003], 263–66, 270–71.)
Tamin’ny volana jona 1844, dia nitombo izay tsy izy ny fankahalana ny Fiangonana. Nifanakalo hevitra momba ny handroahana ireo Olomasina avy tao amin’ny faritany ny olom-pirenena sasany tao Illinois, raha toa ka nanao tsikombakomba hamono an’i Joseph Smith ny sasany. Ny sasany tamin’ireo izay nioko tamin’ny Mpaminany sy ny Fiangonana dia mpikamban’ny Fiangonana teo aloha izay nihemotra. Tamin’ny 7 jona 1844, ireo olona nihemotra sy i William Law, izay efa mpanolotsaina faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanonta ny laharana an-gazety voalohany nantsoina hoe Nauvoo Expositor. Niezaka ny hampirehitra ny vahoaka hanohitra ny Mpaminany sy ny Fiangonana ireo lehilahy ireo ka nampiasa ity gazety ity hanendrikendrehana an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Niaky i Joseph Smith sy ny filankevitry ny tanànan’i Nauvoo fa hitarika amin’ny herisetran’ny mpanakorontana hanohitra ny tanàna ilay gazety nilaza zavatra mampiady. Nanambara izy ireo fa sorisory ho an’ny vahoaka izany ka nandidy izy ireo ny handravana ny gazety Nauvoo Expositor.
Nampitombo ny fankahalan’ireo mpanohitra ny Môrmôna ny zavatra tao anatin’ny Nauvoo Expositor, sy ny fandravana ilay trano printy. Ny tompon’ny trano printy dia nitory an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika ny tanàna sasany tany amin’ny fitsarana, niampanga azy ireo hoe mitarika ho amin’ny fikomiana. Nafahan’ireo mpitsara Olomasin’ny Andro Farany sy tsy Olomasin’ny Andro madiodio tamin’ireo fiampangana azy i Joseph Smith, saingy nampahatezitra kokoa ireo fahavalony izany. Rehefa niely ny tatitra fa nisy mpihetraketraka niangona mba hanafika ny tanànan’i Nauvoo dia nanambara i Joseph Smith, tamin’ny naha-ben’ny tanàna azy, fa teo ambanin’ny lalàna miaramila (fitondrana miaramila vonjimaika) i Nauvoo ary niaraka tamin’ny fitarihan’ny Governora Thomas Ford avy tao Illinois, dia nandidy ny tafika tao Nauvoo mba hiaro ny tanàna i Joseph.
Nitombo fatratra ny fientanentanana tao amin’ny faritra ka nandeha nankany Carthage, izay ivontoeran’ny governemantan’ilay faritany, ny Governora Ford, mba hampitoniana ilay toe-draharaha nikorontana. Nanoratra tany amin’i Joseph Smith izy, izay nilazany fa ny fitsarana ny Mpaminany sy ireo mpitarika hafa eo anoloan’ny mpitsara tsy Môrmôna any Carthage ihany no hanome fahafaham-po ny vahoaka. Nampanantena azy ireo fiarovana tanteraka sy fitsarana ara-drariny ihany koa ny Governora Ford raha toa ka tonga an-tsitrapo izy ireo. Namaly i Joseph fa ho tandindomin-doza ny ainy mandritra izany dia izany ka tsy ho avy izy.
Nandritra ity fotoan-tsarotra ity sy taorian’ny fikaonan-doha miaraka dia nahatsapa ny Mpaminany fa raha toa ka mandao an’i Nauvoo izy sy Hyrum ka handeha ho any Andrefana dia tsy haratra ny Olomasina tao Nauvoo. Niampita ny Reniranon’i Mississipi nankany Iowa i Joseph sy i Hyrum rehefa nentanin’izany fitaomam-panahy izany. Na izany aza, dia nanana ahiahy mikasika ny drafitry ny Mpaminany ny sasany tamin’ireo mpikambana tao Nauvoo. Nanatona azy ny olona vitsivitsy ka niampanga azy ho kanosa, niteny fa nandao ny Olomasina izy ary namela azy ireo hiatrika samirery ny fanenjehana. Namaly ny Mpaminany hoe: “Raha tsy misy vidiny amin’ny namako ny aiko dia tsy misy vidiny amiko koa izany” (ao amin’ny History of the Church, 6:549). Rehefa avy nifanoro hevitra i Joseph sy i Hyrum, dia niverina tao Nauvoo izy ireo. Niainga ho any Carthage izy ireo ny vao marainan’ny 24 jona 1844.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4, ka tadiavo ilay faminaniana izay nataon’i Joseph Smith teo akaikin’i Carthage.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Araka ny eritreritrao, nanao ahoana tamin’i Joseph Smith izany handao ny fianakaviany izany rehefa fantany fa tsy hiverina amin’izy ireo izy?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no “tony toy ny marainam-pahavaratra” ny Mpaminany rehefa fantany fa nandeha “toy ny zanak’ondry ho any amin’ny mpamono azy” izy?
-
Fantatry ny Mpaminany fa hiaro ny ain’ireo Olomasina ny fahafatesany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:5, dia jereo ny zavatra novakian’i Hyrum sy izay nasiany marika mialoha ny niaingany ho any Carthage.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho nanan-danja manokana tamin’i Hyrum ny namaky ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny bokin’i Etera ireo (Etera 12:36–38) tamin’izay fotoana izay?
Nandoa ny onitra mba tsy hidirana am-ponja i Joseph sy Hyrum ary ireo mpitarika hafa tamin’ny 25 jona 1844 mandrapanaovana fitsarana ara-dalàna hiresahana momba ny fiampangana ho nitarika rotaka. Tamin’io alina io anefa dia nosamborina sy naiditra tao amin’ny Fonjan’i Carthage i Joseph sy i Hyrum fa voampanga ho mpamadika, izay notoherin’i Joseph sy ireo mpisolovava azy fa tsy ara-dalàna satria tsy voatonona tao amin’ny fandrenesana ny onitra ho fanafahana vonjimaika izany fiampangana izany ary tsy misy onitra azo napetraka noho ny famitahana, ka voatery nijanona tao Carthage izy ireo ary ho tandindomin-doza.
Nihaona tamin’ny Governora Ford tao amin’ilay fonja i Joseph tamin’ny 26 jona 1844. Ny Governora Ford dia nieritreritra ny handeha any Nauvoo, ary i Joseph dia nangataka mba handeha koa, satria nahatsapa izy fa tsy voaro ny ainy tao Carthage. Nampanantena ny Governora Ford fa raha mandao an’i Carthage izy dia hitondra an’i Joseph sy Hyrum miaraka aminy. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo mpiambina momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny Mpaminany tamin’izay hariva izay.
Nanoratra taratasy ho an’i Emma vadiny i Joesph ny marainan’ny 27 jona 1844: “Tena manaiky tokoa ny anjarako aho, sady mahafantatra fa hamarinina aho sy efa nanao ny tsara indrindra izay azoko natao. Ilazao ny ankizy sy ireo namako fa tiako izy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 6:605). Nandao an’i Carthage mba hiresaka tamin’ireo olom-pirenena tao Nauvoo ny Governora Ford ny harivan’io na dia nampitandremana momba ireo drafitra hanafihana ny fonja sy hamonoana ireo gadra aza. Tsy nitàna ny fampanantenany izy ary tsy nitondra an’i Joseph sy i Hyrum niaraka taminy. Talohan’ny nialany, dia nametraka ny Carthage Greys—izay milisy mpankahala mivantana indrindra niangona tao Carthage—mba hiambina ny fonja ny Governora Ford ary nandefa nody ireo milisy hafa koa izy.
Niaraka tamin’i Joseph sy Hyrum tao amin’ny Fonjan’i Carthage ny apôstôly isany John Taylor sy Willard Richards tamin’ny tolakandro mafana sy mandon’ny 27 jona. Heniky ny fanahin’ny fahakiviana ny amin’izay zavatra hitranga ny Mpaminany sy ireo izay niaraka taminy rehefa nipetraka tao amin’ny efitrano fandrian’ny gadra tao amin’ny rihana voalohan’ny fonja izy ireo. Nangatahin’ny Mpaminany i John Taylor mba hihira ny “Je rencontrais sur mon chemin” (jereo ny Cantiques, no. 17). Raha toa ka afaka mahazo izany fihirana izany ianao (na raha toa ka afaka miditra ao amin’ny lds.org/music/text/hymns/a-poor-wayfaring-man-of-grief ianao), dia henoy, hirao na Vakio ny tonony ary mieritrereta momba ny antony naha-nanan-danja izany teo amin’ny Mpaminany tamin’izay fotoana teo amin’ny fiainany izay.
Ezaho alaina sary an-tsaina ireto zava-mitranga manaraka ireto toy ny hoe niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ianao tao amin’ny Fonjan’i Carthage:
Fotoana fohy taorian’ny tamin’ny 5 ora hariva tamin’ny 27 jona 1844, dia nisy mpihetraketraka tokony ho lehilahy 150–200 nanodidina ny fonja, niaraka tamin’ny tarehy niloko mba hanafenana ny endrik’izy ireo. Zara raha nanohitra ireo mpihetraketraka marobe izay nirongatra niakatra ny tohatra nankany amin’ilay efitrano izay nisy ny Mpaminany sy i Hyrum rahalahiny ary ireo namany ireo mpiambina.
Nanohitra ny varavarana i Joseph sy ireo hafa mba hanakanana ny mpihetraketraka amin’ny fanerena azy io hisokatra. Ny iray tamin’ireo mpihetraketraka dia nitifitra teo amin’ny faritra somary ambony kelin’ny tolanan’ny varavarana, ka nahavoa ny ilany havia tamin’ny oron’i Hyrum. Nilofika izy, sady niteny hoe: “Maty aho!” (ao amin’ny History of the Church, 6:617). Nanoratra i John Taylor taty aoriana hoe: “Tsy hohadinoiko velively ilay fahatsapana fitserana sy fanajana lalina nisoritra teny amin’ny endrik’i Rahalahy Joseph rehefa nanatona akaiky an’i Hyrum ka niondrika teo aminy sy nihiaka hoe: ‘Andray! ry Hyrum rahalahiko malala!’” (tao amin’ny B. H. Roberts, The Rise and Fall of Nauvoo [1965], 443).
Nisy mpitsidika iray nanome basy poleta an’i Joseph ny marainan’io. Raha niaro ireo rehetra izay tao amin’ny efitra i Joseph, dia nankeo amin’ny varavarana haingana izy ary nihazo ny sisim-baravarana mba hitifitra amin’ny basy ny tao an-dalantsara. Bala telo monja tamin’ny enina no nipoaka ka nandratra ny telo tamin’ireo mpihetraketraka. Noteren’ireo mpihetraketraka hiditra ilay varavarana nitanila ny basin’izy ireo, ary nanohy nikapoka sady nanosika ny vatam-basin’izy ireo tamin’ny tehina i John Taylor.
Rehefa nitombo ny fifandonana teo am-baravarana dia niezaka ny hitsoaka tamin’ny varavarankely iray i John Taylor. Raha niezaka ny hihoatra ny varavarankely izy, dia voatifitry avy teo amin’ny varavarana ny feny ary voatifitra avy tany ivelany koa izy. Nianjera teo amin’ny gorodona izy ary raha saika nisitrika tao ambanin’ilay fandriana teo akaikik’ilay varavarankely dia naratran’ny tifitra telo fanampiny. Tetsy andaniny dia nanomboka nikapoka ireo basy izay tafiditra teo amin’ny varavarana tamin’ny tehiny i Willard Richards.
Dia nanapa-kevitra ny hitsoaka tamin’ny varavarankely iray i Joseph Smith, izay fanapahan-kevitra ninoan’i Willard Richards fa nataony mba hanavotana ny ainy sy ny an’i John Taylor. Raha nanohy nanosika ny mpihetraketraka teo am-baravarana i Willard Richards dia nankeny amin’ny varavarankely nivoha iray ny Mpaminany ka nihiaka hoe: “Tompo Andriamanitro ô!” (ao amin’ny History of the Church, 6:618). Rehefa nanao izany izy, ireo bala avy ao anatin’ny fonja sy avy tany ambany dia nahavoa ny Mpaminany, izay nianjera avy teny am-baravarankely ka nidaraboka tany ambany. Nihazakazaka tany ivelany ireo mpihetraketraka tao anatin’ny fonja mba hakan’izy ireo manokana antoka fa maty i Joseph. Na dia tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana aza teo akaiky teo dia nisy olona nihiaka hoe: “Ireny ny Môrmôna!” (Jereo ny History of the Church, 6:618, 620–21; jereo ihany koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, 283.)
-
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo hevitra na fahatsapana anananao taorian’ny famakianao ity tantara momba ny nahafaty an’i Joseph sy i Hyrum Smith ho maritiora ity.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:2, ka diniho ny famaritana izay niafaran’i John Taylor sy i Willard Richards.
Ny sofin’i Willard Richards havia ihany no nandalovan’ny bala, izay nahatanteraka ny faminaniana iray izay nataon’i Joseph iray taona mahery talohan’izany “fa ho avy ny andro izay hisidinan’ny bala manodidina azy tahaka ny tadio, ary hahita ny namany hianjera eo ankavanana sy eo ankavia izy, fa tsy hisy loaka ny akanjony” (ao amin’ny History of the Church, 6:619).
Diniho ilay andian-teny hoe: “ho famehezana ny tenivavolombelon’ity boky ity sy ny bokin’i Môrmôna” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1. Eto amin’ity sahan-kevitra ity, ilay andian-teny hoe “ho famehezana” dia midika hoe manangana maharitra ny zavatra iray, toy ny fijoroana ho vavolombelona. Soraty ao anatin’ny soratra masinao izany fanazavana izany. Azonao atao ihany koa ny manisy marika ilay andian-teny hoe maty maritiora ao amin’ny andininy 1. Ny maritiora dia olona iray izay miaritra fahafatesana ho vavolombelon’ny fahamarinan’ny finoana na ny hevitra voiziny. Ny teny hoe maritiora dia “avy amin’ny teny Grika izay midika hoe ‘vavolombelona’” (Bible Dictionary, “Martyr”).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:7 ka tadiavo hoe vavolombelon’ny inona ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith ho maritiora.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Rehefa mahafantatra fa namehy ny tenivavolombelon’izy ireo momba ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny ainy i Joseph sy i Hyrum Smith dia inona no fiatraikan’izany eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny?
-
Soraty ao anatin’ny diarin’ny soratra masinao eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 ary nahavita io lesona io ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: