Fizarana 30: Andro 4
Ireo Mpisava Lalana Mitarika Sarety, 1856–60
Fampidirana
Ireo Olomasina izay tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake tamin’ny 1847 dia niasa mba hampiroboroaboana ireo loharano ara-pambolena sy ireo hafa ho amin’ny fifindra-monina hoavy. Tamin’ny septambra 1851 dia namerina ny antso ho an’ny Olomasina rehetra izay nipetraka tany Iowa sy manerana an’izao tontolo izao mba hivondrona tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny Filoha Brigham Young sy ireo mpanolotsaina azy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Maro ireo Olomasin’ny Andro Farany no namaly ny antson’ny Filoha Young tamin’ny fahafoizan-tena lehibe. Nirahina ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanara-maso ny fifindrana, ary tamin’ny 1852 dia betsaka kokoa ireo Olomasina izay nandeha tamin’ilay lalan-tsarety mankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake mihoatra ny tamin’ny taona hafa rehetra. Ankoatra izany dia Olomasina maro no nandeha nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake niaraka tamin’ny vondron-tsarety tarihin-tanana teo anelanelan’ny 1856 sy 1860.
Mankatò ny torohevitra mba hivondrona any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ireo Olomasina
Alao sary an-tsaina hoe angatahina ianao mba handeha an-tongotra eo amin’ny 2090 kilaometatra eo sady mitarika sarety no tsy avela hitondra afa-tsy 7,7 kilaograma amin’ny fananan’ny tena manokana. Hilatsaka amin’izany dia izany ve ianao?
Teo anelanelan’ny 1856 sy 1860 dia saika ho Olomasina 3.000 no nisafidy ny handeha niankandrefana namakivaky ireo lemak’i Etazonia nankany Utah ka nitarika ny fananan’izy ireo tao anaty sarety tarihin-tanana. Ny ankamaroan’ireo andiana sarety tarihin-tanana dia nitondra vatsy, fananana manokana, ary sakafo tao anatin’ny sarety tarihin-tanana ary nandeha an-tongotra avy any Iowa City mankany Salt Lake City, Utah. Ireo andiany telo farany dia nanomboka ny dian’izy ireo tany Florence, Nebraska.
Raha azo atao dia angòny ireo fitaovana sasantsasany ao an-tranonao izay eritreretinao fa hoentinao miaraka aminao raha toa ka anisan’ireo mpamaky lay nandeha sarety tarihin-tanana ianao. Lanjao amin’ny fandanjana ireo zavatra ireo mba hamantarana izay azonao entina miaraka amin’ny lanja voafetra ho 7,7 kilaograma.
Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no vonona ny hahafoy betsaka ny Olomasina mba hahatongavana tany Utah?
Naniry ny hivondrona tany Utah niaraka tamin’ireo Olomasina ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana, anisan’izany ireo izay nipetraka ivelan’i Etazonia. Tsy nanam-bola na fitaovana ampy mba hahatongavana tany anefa ny maro. Noho izany antony izany no nananganan’ny Filoha Brigham Young ny Petra-bola ho an’ny mpifindra-monina tamin’ny 1849. Nanome fampindramam-bola ho an’ny mpifindra monina ilay petra-bola mba hanampiana azy ireo handoa ny saran’ny dia sy ireo fitaovana. Noho ny olana ara-bola isan-karazany dia nihena ilay vola tamin’ny 1855 ary niahiahy ny Filoha Young fa tsy ho ampy hanampiana ny Olomasina izay te hifindra tamin’ny izany 1856. Nanolo-kevitra izy fa ireo mpifindra-monina izay nila fanampiana avy tamin’ilay vola dia tokony handeha ka hampiasa sarety tarihin-tanana fa tsy sarety tarihim-biby. Tena mora lavitra ny sarety tarihin-tanana ary nanome fahafahana ny Olomasina maro kokoa mba hifindra monina.
Na dia sarotra aza ny dia dia nahavita izany tamim-pahombiazana ny andian-tsarety tarihin-tanana 8 tamin’ny 10 teo anelanelan’ny taona 1856 sy 1860 ka teo amin’ny 3 isan-jato teo ny tahan’ny fahafatesana, izay nitovy tamin’ny andian-tsarety tsotra. Kanefa ny taona 1856, dia tara ny niaingan’ ny sarety tarihin-tanana fahefatra sy fahadimy ary niaina fisedrana mahery izy ireo. Izany dia ny sarety tarihin-tanana an’i Willie, izay notarihan’i James G. Willie, sy ny sarety tarihin-tanana an’i Martin, izay notarihan’i Edward Martin. Rehefa avy nandeha teo amin’ny 1.600 km avy any andrefan’i Iowa izy ireo dia nampidi-doza ny saika tsy nananana sakafo sy vatsy intsony. Samy tratran’ny oram-panalan’ny ririnina izay nampijanona ny fivoarany ireo andian-tsarety tarihin-tanana ireo. Ireo Olomasina ireo dia nijaly fatratra tao anatin’ny hatsiaka sy oram-panala mamirifiry.
Nila niampita renirano mivelatra be iray nandritra ny oram-panalan’ny ririnina ireo olona tao amin’ny andian-tsarety tarihin-tanana Martin tamin’ny 19 ôktôbra 1856. Maro tamin’ireo mpikambana, ka anisan’izany i Aaron Jackson no nalemy sy narary ary ny fiampitàna ny renirano dia tsy moramora hany ka niteraka takaitra mahatsiravina ho azy ireo. I Elizabeth Jackson dia namariparitra ny zava-nitranga tamin’ny vadiny andro vitsivitsy taty aoriana:
“Niala sasatra aho tokony ho tamin’ny sivy teo ho eo. … Natory aho hatramin’ny sasak’alina teo ho eo. Tena nangatsiaka loatra ny toetrandro. Ny toetrandro dia nahatsiravina. Nihaino aho mba handre raha mbola miaina ny vadiko—satria tsy nihetsika firy izy. Tsy afaka nahare azy aho. Dia nanomboka natahotra aho. Napetrako teo amin’ny vatany ny tanako ary tamin’ny horohoro no nahitako fa voamarina ny tahotra ratsy indrindra nananako. Maty ny vadiko. … Niantso vonjy tamin’ireo mpiray lay amiko aho. Tsy afaka nitondra fanampiana ho ahy anefa izy ireo. … Rehefa niposaka ny masoandro dia nikarakara ilay vata-mangatsiaka mba ho alevina ny sasany tamin’ireo lehilahy mpiray dia. … Nofonosin’izy ireo bodofotsy izy ary napetraka nilahatra teo akaikin’ireo maty hafa telo ambin’ny folo isa, ary avy eo dia nototofana tao anatin’ny oram-panala. Nivaingana tokoa ny tany ka tsy afaka nangady fasana izy ireo” (Leaves from the Life of Elizabeth Horrocks Jackson Kingsford [1908], 6–7; jereo koa ny history.lds.org).
-
Raha toa ka afaka nanoratra taratasy tamin’i Elizabeth Jackson ianao mba hovakiany nandritra ity fotoan-tsarotra ity dia inona no mety ho nolazainao taminy mba hankaherezana azy tsy hilavo lefona? Manorata taratasy fohy ho an’i Elizabeth ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Tadiavo ireo porofon’ny finoan’i Elizabeth ao anatin’ny sisa amin’ny tantarany:
“Navela nandry tamim-piadanana teo izy mandra-panenon’ny anjomaran’ny Tompo ka hifoha sy hitsangana amin’ny marainan’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany ireo izay maty tao amin’i Kristy. Dia hampiray ny fontsika sy ny fiainantsika indray isika avy eo ary hanome antsika fiainana tsy misy fiafarany ny mandrakizay.
“Tsy hivalampatra aho hitantara ny zavatra tsapako tamin’ny nahatonga ahy ho mananotena miaraka amin’ny zaza telo, eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany. Tsy vitako izany. Saingy mino aho fa ilay Anjely mpirakitra an-tsoratra dia nanoratra tao anatin’ireo rakitra any ambony, ary hohamasinina ho tombontsoa ho ahy ny fijaliako noho ny amin’ny Filazantsara” (Leaves, 7; jereo koa ny history.lds.org)
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Araka ny tantaran’i Elizabeth, inona no antony iray amin’ny fijaliantsika sy fahafoizana ataontsika noho ny amin’ny filazantsara?
-
Ilay andian-teny hoe “hohamasinina ho tombontsoa ho ahy” dia midika fa ho atao masina ho tombontsoa ho azy ny fijalian’i Elizabeth. Na dia tsy hijaly tahaka azy aza ianao dia ahoana no mety hijalianao noho ny amin’ny filazantsara? Ahoana no mety hitahiana anao avy amin’ireo zavatra iainanao ireo?
-
Nandritra ireo andro vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Aaron Jackson dia nanohy nandroso teo amin’ny 16 kilaometatra teo ny andian-tsarety Martin. Maro ireo olona maty nandritra izany fotoana izany. Indray alina nandritra izany ampahan’ny dia izany dia tsy nisy olona natanjaka afaka nanangana lay intsony. I Elizabeth Jackson dia nipetraka teo ambony vato, nitrotro ny zanany iray izy ary ny zanany hafa dia teo anilany avy. Nijanona tamin’izany fitoerana izany izy hatramin’ny maraina. Nanjary kivy i Elizabeth. Avy eo dia niaina zavatra iray izay nanome fanantenana azy izy tamin’ny alin’ny 27 ôktôbra fa ho voavotra:
“Mora fantatra fa nanjary kivy aho tao anatin’ny toe-javatra sarotra toy izany. Lavitra teo amin’ny enina na fito arivo kilaometatra niala ny toerana nahaterahako aho, tao amin’ny tanàna haolo sy feno vato, tanànan’ny tendrombohitra, izay ratsy tokoa, ny tany dia rakotry ny oram-panala ary ny rano dia mandry, ary izaho sy ny zaza telo kamboty ray dia tsy nanana na inona iarovana azy ireo tamin’ny tafio-drivotra mahery vaika. Rehefa natory aho io alina io, ny 27 ôktôbra, dia nahita fahitana nampitolagaga ahy. Nijoro teo anilako ny vadiko tao anatin’ny nofiko ka niteny hoe:—‘Mifalia ry Elizabeth, efa akaiky ny fanafahana’” (Leaves, 8; jereo koa ny history.lds.org).
Tanteraka ny nofin’i Elizabeth. Tody teo amin’ny andian-tsarety Martin ireo mpamonjy aina voalohany avy tany Salt Lake ny ampitson’io.
Tamin’ny 4 ôktôbra 1856, herinandro maromaro mialoha ny nikapohan’ny oram-baratra ireo andian-tsarety tarihin-tanana dia nanao tatitra tany amin’ny Filoha Brigham Young ireo mpandeha fa mbola tany amin’ny lohasaha sy kilaometatra maro lavitra ireo andian-tsaretin’ny mpamaky lay. Niresaka momba ny fanavotana ireo mpamaky lay nandeha sarety tarihin-tanana ireo i Brigham Young ny ampitson’io.
“Maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika no any an-dohasaha miaraka amin’ny sarety tarihin-tanana, ary angamba ny ankamaroany dia eo amin’ny 1.000 kilaometatra miala eto amin’ity toerana ity no misy azy, ary tsy maintsy entina manketo izy ireo, tsy maintsy mandefa fanampiana ho azy ireo isika. …
“Izany no fivavahako; izany no baikon’ny Fanahy Masina izay ao amiko, dia ny hamonjena ny olona. … Ity no famonjena katsahako, dia ny hamonjy ny rahalahintsika izay eo am-bavahadin’ny fahafatesana, na izay mijaly fatratra raha tsy manampy azy ireo isika.
“Hiantso ireo Eveka aho anio, tsy hiandry hatramin’ny rahampitso, na hatramin’ny andro manaraka, ny ekipan’ny biby mpitarika miisa 60 mahavita azy sy ny sarety 12 na 15 aho … ary koa koba milanja 10,89 taonina sy mpandray anjara amin’ny vonjy voina mahavita azy miisa 40, ankoatra an’ireo izay mpitarika ny ekipa. …
“Holazaiko anareo rehetra fa ny finoanareo, ny fivavahanareo, ary ny fitorianareo ny fivavahanareo, dia tsy hanavotra na iray aza amin’ny fanahinareo any amin’ny Fanjakana selestialin’ilay Andriamanitsika, raha tsy mampihatra ny fitsipika marina izay ampianariko ankehitriny ianareo. Mandehana ary ento etoana ireo vahoaka any amin’ny lemaka ireo” (“Remarks,” Deseret News, 15 ôkt. 1856, 252).
Inona no fitsipika iray izay nampianarin’ny Filoha Young ny Olomasina?
Lehilahy sy vehivavy maro no namaly ny fanasan’ny mpaminany mba hanampy ireo Olomasina izay nijaly. Roa andro taorian’ny lahatenin’ny Filoha Young dia niainga mba hitady ireo mpifindra-monina ny lehilahy izay nitondra sarety feno fitaovana.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no fahafoizana ho an’ny Olomasina tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ity ezaka fanavotana ity?
-
Inona ireo fahafoizana sasany izay azontsika atao mba hanampiana ireo izay manana fahasahiranana eo amin’ny lafiny ara-nofo?
-
Inona ireo fahafoizana sasany izay azontsika atao mba hanampiana ireo manana fahasahiranana ara-panahy?
-
Tonga teo amin’ny andian-tsarety tarihin-tanana Willie ireo sarety enti-manavotra voalohany tamin’ny 21 ôktôbra 1856. Nijanona teo ny sasany tamin’ireo sarety ireo saingy nanohy mba hanampy ny andian-tsarety tarihin-tanana an’i Martin ny ankamaroan’izy ireo. Tamin’ny 23 ôktôbra, dia nandeha teo amin’ny 24 km teo ho eo ny andiany Willie, izay nandalo tamin’ny tafiotran’ny oram-panala mahery. Ny 5 km voalohany, izay nahitana 180 metatra natao an-tongotra dia fiakarana vohitra iray nantsoina hoe Rocky Ridge.
Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namariparitra ny herimpon’ireo ankizy tanora mpamaky lay tao amin’ny andiany Willie ireo.
“Mpikambana telo ambin’ny folo tao amin’ny Andiany Willie izay maty noho ny hatsiaka, ny harerahana ary ny hanoanana no milevina ao amin’ny fasana itambarana iray any Rock Creek Hollow. Ny roa tamin’ireo izay nalevina tao Rock Creek Hallow dia ankizy maherifo mbola kely: Bodil [Mortensen, iraika ambin’ny folo taona], avy any Danemark, sy i James Kirkwood, iraika ambin’ny folo taona avy any Ecosse.
“Araka ny fahafantarana azy dia nampandraiketina ny fikarakarana ny zazakely rehefa niampita ny Rocky Ridge i Bodil. Rehefa tonga teo amin’ny toby izy ireo dia tsy maintsy nirahina hanangona kitay izy. Hita maty efa nivaingana niankina tamin’ny kodiaran-tsarety iray izy, namihina kitay.
“Aoka aho hiresaka aminareo momba an’i James Kirkwood. I James dia avy any Glasgow, Ecosse. Tamin’ny dia niakandrefana, dia niaraka tamin’ny reniny nanano-tena sy ny rahalahiny telo i James, izay nahitana an’i Thomas, sivy ambin’ny folo taona sy malemy ary tsy maintsy nitaingina tao amin’ny sarety. Ny andraikitr’i James voalohany tamin’ny dian’izy ireo dia ny hikarakara ny rahalahy keliny efa-taona, i Joseph, raha ny reniny sy i Robert zokiny indrindra kosa no nitarika ny sarety. Raha nihanika ny Rocky Ridge izy ireo dia nisy oram-panala ary nisy rivotra nitsoka izay nangatsiaka be. Naharitra [roapolo] ora ny nanaovana ny dia 15 kilaometatra. Rehefa nanomboka reraky ny dia an-tongotra i Joseph kely dia tsy nanan-tsafidy i James zokiny fa tsy maintsy nibata azy. Raha tavela tany aoriana i James sy i Joseph dia nizotra moramora nankany amin’ny toby. Rehefa tonga teny amin’ny afon-dasy izy ireo ny farany, dia ‘nianjera sy maty noho ny hatsiaka sy noho ny ezaka mihoatra ny hery nananany i James, izay nanatanteraka tamim-pahatokisana ny asa nampanaovina azy’” (“A Priceless Heritage,” Ensign, nôv. 1992, 84–85).
Nanazava ny fomba ahafahantsika miaina ny fitsipiky ny fanampiana ireo izay sahirana amin’izao androntsika izao ny Filoha Thomas S. Monson. Rehefa mamaky izay nampianariny ianao dia tadiavo ireo fomba fanampiny izay ahafahantsika manampy ny hafa amin’izao fotoana izao.
“Nandritra ireo taona naha-Manampahefana Ambony ahy dia nanamafy ny ilàntsika ‘manavotra’ ireo rahalahintsika sy anabavintsika aho amin’ireo karazana toe-javatra misy izay mety tsy hahazoan’izy ireo ireo fitahiana rehetra izay atolotry ny filazantsara. Hatramin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana ahy dia nahatsapa fahamehana tsy mitsaha-mitombo aho mba hirotsahantsika ao anatin’izany ezaka fanavotana izany. Rehefa nanolo-tanana tamim-pitiavana sy fahatakarana ireo mpikambana mahatoky ato amin’ny Fiangonana dia maro ireo niverina mazoto tanteraka ka mankafy ireo fitahiana izay niampy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mbola maro anefa no ilaina atao mahakasika izany, ary mamporosika ny rehetra aho mba hanohy hanolo-tanana hanavotra. Hoy ny Tompo hoe: ‘Ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao’(Lioka 22:32)” (“Reach Out to Rescue”; LDS.org).
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny fotoana iray nahitanao olona iray izay nanampy ireo izay sahirana ara-panahy na ara-nofo. Ahoana no nanampian’io olona io tamin’izay? Tamin’ny fomba ahoana no sady fitahiana ho an’ilay olona no fitahiana ho an’ilay notompoina ilay asa fanompoana?
Makà fotoana kely hieritreretana ny olona manodidina anao izay mety mila fanampiana ara-panahy na ara-batana. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo?
Izao tantara manaraka izao dia afaka manampy anao hahafantatra ny sasany amin’ireo fitahiana izay azon’ireo Olomasina ireo satria niaritra tamim-pahatokiana ny fijaliany izy ireo:
Nanana vola ampy mba handehanany nankany Utah tamin’ny sarety i Francis sy Betsy Webster tamin’ny 1856 saingy nomeny ny Petra-bola ho an’ny mpifindra-monina ny volan’izy ireo. Ny fanomezana nataon’izy ireo dia namela olona sivy fanampiny mba handeha amin’ny sarety tarihin-tanana. Nandeha nankany Salt Lake City niaraka tamin’ny andian-tsarety tarihin-tanana an’i Martin Rahalahy sy Rahavavy Webster, izay bevohoka, ka nijaly niaraka tamin’ny sisa tao amin’ilay andian-tsarety.
Taona maro taty aoriana, rehefa nipetraka tao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny Rahalahy Webster dia nihaino ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nitsikera ireo mpitarika ny Fiangonana noho ny antambo niainan’ireo tao amin’ny andian-tsarety izy. Tsy afaka nanohitra ny tenany izy ka nitsangana sy nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana noho ny naha-tao amin’ny andian-tsarety tarihin-tanana Martin azy:
“Mangataka aminareo aho mba hampitsahatra izao fitsikerana izao satria ianareo dia miresaka zavatra izay tsy fantatrareo na inona na inona ny momba izany. Tsy midika na inona na inona eto ireo zava-nisy mampalahelo ara-tantara satria tsy manazava araka ny tokony ho izy ny zava-nitranga izany. Hadisoana ve ny nandefasana ilay andian-tsarety tany, manoloana ny toetrandro ratsy? Eny. Fa izaho kosa dia tao anatin’io andiany io ary ny vadiko ihany koa. … Nijaly nihoatra ny azonareo eritreretina izahay ary maro no maty noho ny hatsiaka sy ny hanoanana. Fa efa naheno olona tafavoaka velona tamin’io andian-tsarety io namoaka teny mitsikera na dia iray ve ianareo? … Ny tsirairay aminay dia nanjary nahafantatra ilay fahalalana tanteraka fa velona Andriamanitra satria nanjary nifankahafantatra Taminy izahay nandritra ireo [fotoam-pahasahinana lehibe] natrehinay.
“Nitarika ny saretiko aho rehefa tena marefo sy reraky ny aretina sy ny tsy fahampian-tsakafo ka sarotra tamiko ny namindra ny tongotra iray teo anoloan’ny tongotro ilany. Nijery tany aloha aho ka nahita fasika nivangongo na fiakarana ka niteny fa hatreo ihany no vitako dia tsy maintsy milavo lefona aho satria tsy afaka hitarika ny saretiko handalo izany. Nanohy hatreo amin’izany fasika izany aho ka rehefa tody teo aho dia nanomboka nanosika ahy ilay sarety. Niherika imbetsaka aho mba hijery izay nanosika ny saretiko saingy tsy nahita na iza na iza ny masoko. Fantatro tamin’izay fa teo ny anjelin’ Andriamanitra.
“Nanenina ny nandeha tamin’ny alalan’ny sarety tarihin-tanana ve aho? Tsia. Na tamin’izay na tamin’ny fotoana hafa teo amin’ny fiainako. Tombontsoa ny nanefa ny sarany izay nefainay mba hifankahafantatra amin’ Andriamanitra ary feno fankasitrahana aho fa nanana ny fahafahana ny ho tonga aty Ziona tao anatin’ilay Andian-tsarety tarihin-tanana Martin” (tao amin’ny William R. Palmer, “Pioneers of Southern Utah,” The Instructor, mey 1944, 217–18).
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Francis Webster ny hoe rehefa miaritra amim-pahatokiana ny fijaliana isika dia manjary mifankahafantatra amin’ Andriamanitra.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona ireo fihetsika na fitondrantena izay hitanao tamin’ireo izay niaritra tamim-pahatokiana ny fijaliana?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga anao ho nifankahafantatra tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo fitsapana izay natrehinao?
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny lesona momba ireo “ Ireo Mpisava Lalana Mitarika Sarety, 1856–60” ary nahavita izany ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: