Seminera
Fizarana 16: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80


Fizarana 16: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80

Fampidirana

Taorian’ny nahitany ny voninahitry ny Zanaka, ny nahalavo an’i Losifera ary ny toetry ny zanaky ny fahaverezana dia nampisehoana ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny momba ireo izay handray anjara amin’ny fitsanganana amin’ny matin’ireo olo-marina: ireo mponin’ny fanjakana selestialy sy terestrialy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70

Manambara ny fepetra ilaina sy ny fitahiana amin’ny fandraisana ny voninahitra selestialy ny Tompo

Sary
tranon’i John Johnson

Ilay efitra nandraisana an-tsoratra ny fahitana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

Nandritra ny fotoana niasany tamin’ny fandikana ny Baiboly tamin’ny 16 febroary 1832, no nanaovan’ny Mpaminany fanovana nentanim-panahy momba ny teny ampiasana ao amin’ny Jaona 5:29 izay mikasika ny fitsanganan’ny olo-marina sy ny olona tsy marina amin’ny maty (jereo F&F 76:15–17). Teo am-pandinihana ny famaritan’i Jaona ny fitsanganan’ny olo-marina sy ny fitsanganan’ny olona tsy marina amin’ny maty izy sy i Sidney Rigdon no nandray ny fanambarana izay hita ihany koa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50, mba hahafantarana ny zavatra hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon taorian’ny fahitan’izy ireo momba ny zanaky ny fahaverezana. (Rehefa mamaky ianao, dia mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe olo-marina ao amin’io andininy io dia milaza ireo izay niaina tamim-pahamarinana. Azonao atao ny manoratra io famaritana io eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:70 ary asio marika ny momba an’ireo izay hitan’i Joseph sy i Sidney hoe hitsangana amin’ny fitsanganana amin’ny matin’ireo olo-marina ka tafiditra ao amin’ilay vondron’olona voalohany. Ny Tompo dia nilaza tao amin’io fanambarana io, ireo toetra tsara ananan’ny olona izay handova ny fanjakana selestialy.

  1. Soraty ny hoe Ho tonga ho olona selestialy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–53 ary manaova lisitra, eo ambanin’ny lohatenin’ny soratra masinao, ny toetran’ny mpandova ny fanjakana selestialy izay voafaritra ao amin’ireo andininy ireo. Mitadiava farafahakeliny toetra efatra.

Manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny andian-teny sasany izay mety ho hitanao ny fahafantarana fa ny “mandray ny tenivavolombelon’i Jesoa” (F&F 76:51) dia ny fandraisana fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tena manokana fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy ny fananana fiainana mifanaraka amin’izany fijoroana ho vavolombelona izany. Ny “mandresy amin’ny finoana” (F&F 76:53) dia ny mandresy ireo fakam-panahy sy fahotana amin’ny fampisehoana finoana an’i Jesoa Kristy. Ny olona iray dia “fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana” (F&F 76:53; jereo ihany koa ny F&F 132:7) rehefa manamafy ny Fanahy Masina fa ny ôrdônansin’ny fisoronana natao sy ny fanekempihavanana natao dia eken’ Andriamanitra. Io fanekena io dia miankina amin’ny fahatokian’ilay olona.

  1. Manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny toetry ny olona selestialy iray ny famaliana ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

    1. Inona no zavatra nataonao mba handraisana ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy sy mba hahatonga izany hatanjaka hatrany?

    2. Inona no azonao atao mba handraisana izany tenivavolombelon’i Jesoa Kristy izany tsaratsara kokoa?

    3. Ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy sy ny fitandremana ny didiny manampy ny olona iray ho mendrika handray ny fanjakana selestialy?

Sary
Jesoa Kristy

Ankoatra ny fanambarana ny toetra sasany ananan’ireo izay handova ny fanjakana selestialy, dia namariparitra ny fitahiana sasany horaisin’ireo izay miaina ao amin’ny fanjakana selestialy ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:54–68 ary fantaro ireo fitahiana ireo. Asio marika ireo fitahiana izay manan-danja aminao manokana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69–70 ary fantaro ny zavatra hitranga amin’ireo izay mendrika ny handray ny fanjakana selestialy. Rehefa mamaky ianao dia mety manampy ny mahafantatra fa ny teny hoe fanaperana ao amin’nyandininy 69 dia tsy midika hoe tsy misy kilema; manambara fahafenoana izany. (Ao amin’ny Matio 5:48 amin’ny Baiboly king James ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b dia manazava fa ny dikan-teny hafa avy amin’ny teny grika dia “feno, vita, nivoatra tanteraka.”)

Raha toa ka tsy mahatonga antsika ho tanteraka ny ezaka tsara indrindra ataontsika mba hitandrina ny didy rehetra, dia mahatonga izany ho azo tanterahina kosa ny ezaka rehetra azontsika atao mba handraisantsika ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ho voadio amin’ny alalan’ny “sorompanavotana fanaperana tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany” (F&F 76:69). Isika tsirairay dia afaka ny ho tanteraka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ary hisandratra miaraka amin’ny fianakaviantsika any amin’ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Môrônia 10:32–33). Io fahamarinana io dia manome herim-po antsika ny hitandrina ny didy sy handray ny ôrdônansin’ny famonjena mba hahafahantsika mahazo fitahiana lehibe. Araka izany dia, afaka ho tonga tanteraka isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ho Tonga Olona Selestialy” ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba ahafahan’ireo fitsipika hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69–70 mankahery ny finoanao sy manome aingam-panahy anao ny hikatsaka ny fanjakana selestialy?

    2. Ahoana no mety hanampian’ny fitsipika ao amin’ireo andininy ireo antsika handresy ny fahakiviana rehefa miezaka ny handova ny fanjakana selestialy isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–80

Nahita tamin’ny fahitana ny fanjakana terestrialy i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Raha hanontany ny namanao ianao raha toa izy ireo ka mino fa afaka handova ny fanjakana selestialy—mba hiverina hiaina mandrakizay any amin’ny Ray any An-danitra miaraka amin’ny fianakaviany—mety ho firy eo no hilaza fa afaka hanao izany? Mino ve ianaofa afaka handova ny fanjakana selestialy?

Ny Eveka Joseph L. Wirthlin izay tao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nijoro ho vavolombelona fa “Isika rehetra dia mirotsaka ho mpifaninana handova ny fanjakana selestialy” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1952, 118). Azonao atao ny manoratra io fanambarana io ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao.

Na dia mirotsaka ho mpifaninana handova ny fanjakana selestialy daholo aza ny olon-drehetra, dia misy ireo izay tsy te hiezaka amin’izany fahafahana hivoatra izany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71, ary asio marika ny zavatra hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon manaraka tao anaty fahitana.

Jereo fa mampiasa ny maha-samy hafa ny tara-pahazavana izay hoentin’ny volana amin’ny fahazavana mivantana hoentin’ny masoandro ny soratra masina mba hanaovana fanoharana ny maha-samy hafa ny voninahitry ny fanjakana terestrialy sy ny fanjakana selestialy. Na dia samy hitsangana amin’ny fitsanganan’ny olo-marina amin’ny maty daholo aza ny mponin’ny fanjakana selestialy sy ny mponin’ny fanjakana terestrialy dia hitsangana miaraka amin’ny voninahitra sy fitahiana lehibe kokoa ireo izay handray vatana selestialy noho ireo izay handray vatana terestrialy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:72–80 ary jereo ny maha-samy hafa ny mponin’ny fanjakana terestrialy amin’ny mponin’ny fanjakana selestialy.

Manaova famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–79 ary asio marika ny zavatra hitanao mikasika ireo izay handova ny fanjakana terestrialy. “Tsarovy fa Andriamanitra irery ihany, izay mahafantatra ny ao am-pon’ny tsirairay, no afaka mitsara farany ny olona tsirairay (jereo ny Apokalypsy 20:12; 3 Nefia 27:14; F&F 137:9)” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004]). Ny Tompo irery ihany no afaka mahafantatra ny ao am-pontsika; tokony hitandrina mba tsy hitsara ny hafa amin’izay fanjakana holovany isika.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no mahajamba ny olona sasany amin’izao fotoana izao vokatry ny hafetsen’ny olona?

Ny zavatra lehibe iray izay maha-samy hafa ny olona handova ny fanjakana selestialy sy ny fanjakana terestrialy dia ny zavatra ataon’izy ireo amin’ny tenivavolombelon’i Kristy izay ananany. Ireo izay handova ny fanjakana terestrialy dia “ tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” (F&F 76:79). Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Inona no dikan’ny hoe “mahery fo amin’ny fijoroana ho vavolombelona an’i Jesoa”?

“Manana herim-po sy sahy; mampiasa ny tanjaka, ny hery ary ny fahafaha-manao rehetra hanoherana an’izao tontolo izao, hiady ho an’ny ady tsaran’ny finoana. … “Ny vato fehizoro lehiben’ny herim-po ho an’ny tombontsoan’ny fahamarinana dia ny fankatoavana ny lalàna rehetra ao amin’ny filazantsara iray manontolo. …

“Ny hoe maherifo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa dia ny finoana an’i Kristy sy ny filazantsarany miaraka amin’ny fiovam-po tsy voahozongozona. Izany dia ny fahafantarana ny [fahamarinana] sy ny fahamasinan’ny asan’ny Tompo ety an-tany.

“Saingy tsy izay fotsiny. Mihoatra noho ny finoana sy fahafantarana fotsiny izany. Tsy maintsy manatanteraka ny teny isika fa tsy mpihaino fotsiny. Mihoatra noho ny eo am-bava fotsiny izany; tsy hoe mibaboka tsotra fotsiny eo am-bava ny maha-Zanakalahin’ Andriamanitra ny Mpamonjy. Fankatoavana sy fanarahana ary fahamarinan’ny tena manokana izany. …

“Ny hoe mahery fo amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa dia ny … ‘maharitra hatramin’ny farany.’ (2 Ne. 31:20.) Izany dia fiainana ny fivavahantsika, fampiharana ny zavatra toriantsika, fitandremana ny didy”(“Be Valiant in the Fight of Faith,” Ensign, nôv. 1974, 35).

Isika tsirairay avy dia afaka handray ny fanjakana selestialy amin’ny alalan’ny safidy izay ataontsika. Araka ny nampianarina tao amin’ny soratra masina izay nohalalinina tao amin’ity lesona ity, raha maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa isika, dia afaka handray ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra. Ataovy eo ambanin’ilay lohateny manao hoe “Ho Tonga Olona Selestialy” ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika ity.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Eritrereto ny olona iray izay heverinao fa maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy. Inona ny toetra na zavatra ataony izay mahatonga azy ho maherifo?

    2. Inona no zavatra izay nanampy anao ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80 aho ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy