Seminera
Fizarana 7: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27


Fizarana 7: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27

Fampidirana

Natao batisa tamin’ny 28 jona , 1830, tany Colesville, New York i Emma Smith sy olona 12 hafa, anisan’izany Newel Knight sy ny vadiny Sally. Kanefa, tsy noraisina ho mpikambana izy ireo tamin’izany fotoana izany noho ny fanapahan’ny mpihetraketraka ny fotoam-pivavahana sy ny fisamborana ny Mpaminany Joseph Smith “noho izy voampanga ho mpanakorotana, ho mamporisika ny vahoaka hifamaly nohon’ny fitoriana ny Bokin’i Môrmôna, sns.” (jereo ny History of the Church, 1:87–88). Afaka tamin’ny fiampangana rehetra i Joseph, fa mbola tsy navelan’ny mpihetraketraka hanakaiky an’i Colesville hatramin’ny volana aôgôsitra 1830 izy, izay fotoana nahafahany nandray ho mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroanan’ireo niova fo. Avy eo dia niverina tany an-tranony tany Harmony, Pennsylvanie i Joseph Smith.

Nandeha nankany Harmony mba hamangy an’i Joseph sy Emma i Newel Knight sy ny vadiny tamin’ny fiandohan’ny volana aôgôsitra 1830. Satria mbola tsy noraisina ho mpikambana i Sally Knight sy i Emma, dia tapaka fa tokony horaisina ho mpikambana izy ireo ary tokony hiaraka handray ny fanasan’ny Tompo ireo mpiangona. Rehefa lasa nitady ny divay hampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph, dia nisehoan’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra ary nandray ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 (jereo ny History of the Church,1:106).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–4

Manome torolalana mikasika ny marika ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo ny Tompo

Ahoana no eritreritrao raha mahita hoditra ovy ianao ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo?

Namangy ny tananan’ i Eorôpa izay potiky ny ady tao aorianan’ny Ady Lehibe II ny Filoha Ezra Taft Benson. Tena zara raha nisy sakafo tamin’izany fotoana izany, ary betsaka ny olona no sahirana vao nahita izay hivelomany. Ny tsy fisian’ny sakafo no nahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana hampifanaraka amin’ny toe-java-misy ny zavatra nampiasainy tamin’ny fanasan’ny Tompo. Nitantara ny Filoha Benson hoe: “Tsy haiko adinoina ireo Olomasina Frantsay izay nampiasa hoditra ovy mba ho marika ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo satria tsy nanana mofo izy ireo” (“Prepare for the Days of Tribulation,” Ensign, nôv. 1980, 33–34)

  1. Vakio ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2, ary fantaro ny zavatra notenenin’ilay anjely tamin’i Joseph Smith momba ny marika ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, fa maninona no nekena ny fampiasana zavatra hafa ankoatra ny mofo ho marika ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo raha ny toe-javatra niainan’ireo Olomasina Frantsay no jerena?

    2. Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2, inona no tokony hifantohantsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Fenoy amin’ny famenoana ny banga ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandray ny isika, dia tokony ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no dikan’ny hoe mandray ny fanasan’ny Tompo “amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny [voninahitr’ Andriamanitra?]

    2. Ahoana ny fomba ahafahanao mahatsiaro bebe kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:3–4 ,ny Tompo dia mampitandrina an’i Joseph Smith mba tsy hampiasa divay na zava-pisotro mahery (ny zava-pisotro mahamamo rehetra) ho fampiasa amin’ny fanasan’ny Tompo raha novidiana avy amin’ny fahavalo izany. Ny divay izay namboarin’ny Olomasina ihany no azo ampiasaina (teo ho eo amin’ny roa taona mahery talohan’ny nanambarana ny Tenin’ny Fahendrena F&F 89 izany). Rano no ampiasaina amin’izao fotoana izao fa tsy divay intsony.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5–14

Mbola handray ny fanasan’ny Tompo eto ambonin’ny tany indray ny Tompo

Diniho ny mety hahasamihafa ny fandraisanao ny fanasan’ny Tompo raha toa ka miaraka amin’ny Mpamonjy izany.

Rehefa nampianatra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo Apôstôly nandritra ny Fiaraha-misakafo Farany ny Mpamonjy, dia naminany ny fotoana iray hafa izay hiverenany eto ambonin’ny tany indray sy handraisany ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ireo mpianany Izy (jereo ny Matio 26:26–29).

Teo amin’ny tantara dia hita fa nanome ny fahefan’ny fisoronana ho an’ny lehilahy miaina am-pahamarinana mba hitantanan’izy ireo ny ôrdônansin’ny Filazantsara ny Mpamonjy. Nanome ny fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ihany koa Izy mba ahafahan’izy ireo mitarika, mifehy ary mitantana ny fampiasana ny fisoronany eto ambonin’ny tany.

  1. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5–12 dia mianatra momba ireo izay handray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny Mpamonjy isika. Vakio ireo andininy ireo, ary ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny olona izay ho avy amin’io fivoriana io sy ny fanalahidy na andraikitra sahaniny raha voalaza izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:13, ary fantaro ireo fanalahidy izay nomena ny Mpaminany Joseph Smith. Azonao atao ny manisy marika ilay fehezan-teny hoe “fotoampitantanan’ny filazantsara ho an’ny andro farany, ary ho an’ny fotoam-pahafenoana.” Araka io andininy io dia mianatra isika fa ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana dia manangona miaraka ireo fanalahidin’ny filazantsara rehetra sy ireo ôrdônansy rehetra ary ireo fahamarinana rehetra tao anatin’ireo fotoampitantanana teo aloha.

Ny fotoampitantanana dia vanimpotoana iray izay hanambaran’ny Tompo ny Fotopampianarana sy ny ôrdônansin’ny filazatsarany, ary ny fisoronana. Izany dia vanimpotoana iray izay ananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray eto an-tany ombam-pahefana sady mihazona ny fisoronana masina ary notendren’ Andriamanitra hizara ny filazantsara eo anivon’ny mponina eto an-tany. Rehefa mitranga izany, dia ambara amin’ny fomba vaovao indray ny filazantsara ka tsy voatery hiantehitra amin’ireo fotoampitantanana efa lasa ny olon’izany fotoampitantanana izany raha ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena” (Bible Dictionary, Dispensations”

Ny fotoampitantanantsika no fotoampitantanana farany. Izany dia antsoina matetika hoe “ny fotoampitantanan’ny fotoam-pahafenoana” satria naverina tamin’ny laoniny daholo ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra izay nambaran’ny Tompo ho fitahiana ny zanany (jereo ao amin’ny Efesiana 1:10). Ny Mpaminany Joseph Smith no loha, na mpitarika ity fotoampitantanan’ny filazantsara ity, raha Adama, Enoka, Noa ary Mosesy no lohan’ny fotoampitantanan’ny filazantsara hafa taloha.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:14, ary fantaro ireo olona hafa izay hanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny Mpamonjy.

Inona no tian’ny Mpamonjy hambara amin’ny hoe “ireo rehetra izay efa nomen’ny Ray Ahy avy tamin’izao tontolo izao”?

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie dia niteny hoe: “Ny olona rehetra izay nahatoky hatramin’izay nisian’izao tontolo izao, ny olona rehetra izay niaina mba ho mendrika ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakan’ny Ray dia hanatrika ary handray, miaraka amin’ny Tompo, ny fanasan’ny Tompo” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 595).

  1. Soraty ao amin’ilay lisitry ny anarana izay efa nosoratanao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaranao. Rehefa izany, dia valio ity fanontaniana manaraka ity: Inona no tsapanao rehefa mahafantatra fa afaka hanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny Mpamonjy ianao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18

Mandidy ny vahoakany ny Tompo mba hitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 dia mitahiry torohevitra izay hanampy antsika ho mendrika ny fitahian’ny Tompo, anisan’izany ny fahafahana manatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo izay voalaza ao amin’ny andininy 4–14.

Raha mahafantatra ianao fa hiatrika ady, inona no zavatra tianao hoentina amin’izany?

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15, ary valio ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Inona no torohevitra omen’ny Tompo antsika mba hiomanana amin’ny ady ara-panahy hatrehantsika?

    2. Nampanantena ny Tompo fa raha mitafy ny fiarovan-tena rehetra avy amin’ Andriamanitra isika dia afaka hahatanty ny andro mahory. Araka ny hevitrao, manambara inona ny teny hoe “andro mahory”? Inona araka ny eritreritrao no mety ho dikan’ny hoe “mahatohitra” amin’io fotoana io?

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18, ary asio marika ny fiarovana rehetra ao amin’ny kisary miaraka eto, amin’ny alalan’ny teny na fehezan-teny notsoahina avy amin’ireo andininy ireo.

Sary
fiarovan-tenan’ Andriamanitra
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no manasa antsika hitafy ny fiarovan-tena rehetra avy amin’ Andriamanitra ny Tompo?

    2. Ahoana no ahafahan’ireo toetra mifanaraka amin’ny fiarovan-tena tsirairay miaro antsika amin’ny fakampanahy sy amin’ny ratsy?

    3. Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao fiarovana teo amin’ny fiainanao rehefa nikatsaka ny hitafy ny fiarovan-tena rehetra avy amin’ Andriamanitra ianao?

Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hitafianao misimisy kokoa ny fiarovan-tena rehetra avy amin’ Andriamanitra amin’ny fandinihana ny zavatra tokony hatsarainao eo amin’ny fiainanao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy