Seminera
Fizarana 11: Andro 4,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47–48


Fizarana 11: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47–48

Fampidirana

Tamin’ny volana martsa 1831 dia nahazo ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47 sy 48 i Joseph Smith. Ny Tompo dia nanendry an’i John Whitmer, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47 mba hisolo an’i Oliver Cowdery amin’ny maha-mpahay tantaran’ny Fiangonana sy mpitantsoratra azy. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48, ny Tompo dia nananatra ny Olomasina tany Ohio mba hanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tonga avy any New York. Nandidy ny mpikamban’ny Fiangonana ihany koa ny Tompo mba hiomana hividy tany ho fananganana ny tanànan’i Ziona ao Missouri.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47

Nanendry an’i John Whitmer mba hihazona firaketana misy ny tantaran’ny Fiangonana ny Tompo

Mieritrereta momba ny zava-nitranga tany aloha tany izay manana lanjany ara-panahy lehibe ka nandraisanao anjara sy tsapanao fa mendrika hotsaroana (ohatra hoe: fanokanana tempoly iray, fivoriam-piangonana iray, na raharaham-pianakaviana toy ny fanambadiana na fandevenana).

Raha azo atao dia lazao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao izany zava-nitranga izany ary zarao ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Raha toa ka tsy misy olona ao amin’ny fianakaviana afaka manao izany dia eritrereto fotsiny ireto fanontaniana ireto.)

  • Inona no nanaitra anao indrindra mikasika ity zava-nitranga ity?

  • Inona no zava-tsarobidy noraketin’izany zava-nitranga izany ka mendrika hotsarovana?

  • Ahoana no hitahiana ny taranakao manomboka eto ka hatrany amin’ny 100 taona hoavy noho ny fahafantarana izany zava-nitranga izany?

Vakio ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47 sy ny andininy 1–3 ao amin’ity fizarana ity mba hahitana ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’i John Whitmer. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny olona iray ny manoratra ny tantaran’ny Fiangonana?

Sary
Bokin’ny fanambarana I

I John Whitmer dia nandika ireo fanambarana izay azon’i Joseph Smith teo aloha tao anatin’ny boky iray izay antsoina ankehitriny hoe Bokin’ny fanambarana I. Ity boky ity dia ahitana ny ankamaroan’ireo rakitsoratra voalohany indrindra tamin’ireo fanambarana ireo.

Mieritrereta momba ny zava-nitranga iray teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay tena nahasarika ny fanahinao hanao zava-tsoa. Ahoana no nahafantaranao momba izany zava-nitranga izany?

Mahafantatra momba ireo zava-nitranga tany aloha isika satria manao sy nitahiry rakitsoratra momba izany ny olona iray mba hotehirizana ho amin’ny androntsika sy amin’ny taranaka ho avy. Tsarovy fa tao amin’ny fanambarana iray teo aloha dia hoy ny Tompo hoe: “Hisy rakitsoratra hotanana eo anivonareo” (F&F 21:1). Misy mpahay tantara sy mpitana rakitsoratra izay notendren’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Tsy afaka mahita sy mandrakitra ny zavatra rehetra izay mitranga eo amin’ny Fiangonana anefa ilay mpahay tantara, koa nasaina hanangona tantara avy amin’ny hafa izy. Amin’ny ankapobeny dia ampahany amin’ny tantaran’ny Fiangonana ny zavatra iainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ary afaka mampianatra ireo taranaka ho avy hanao zava-tsoa izany.

Ny Lolohona Marlin K. Jensen ao amin’ny Fitopololahy, izay nanompo tamin’ny naha-mpahay tantaran’ny Fiangonana azy nanomboka tamin’ny 2005–12 dia nampianatra hoe: “Maro amin’ireo tantara tsara indrindran’ny Fiangonana no hita ao amin’ireo tantara mahakasika ny tenan’ny olona manokana sy an’ny fianakaviana, ary ireny dia ampahany amin’ny lovantsika mivantana sy an’ny fianakaviantsika” (“There Shall Be a Record Kept among You,” Ensign na Liahona, des. 2007, 31).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana no manan-danja ny tantaranao manokana?

  2. Eritrereto ireo zava-nitranga ara-panahy manan-danja teo amin’ny fiainanao ka tsapanao fa mendrika ny hotsaroana. Alaivo sary an-tsaina hoe hamaky ny tantara noraketinao momba ny iray amin’ireo zava-nitranga ireo ny zanakao na ny zafikelinao. Lazao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe inona ilay zava-nitranga ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona amin’ilay zava-nitranga no ampahany hosoratanao?

    2. Inona no tianao ho tsapa sy ho fantatry ny taranakao momba ilay zava-nitranga?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:4 mba hahafantarana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i John Whitmer fa omeny azy amin’ny ezaka ataony “hanoratra lalandava ny rakitsoratra sy ny tantaran’ny fiangonana” (F&F 47:3).

Fenoy avy amin’izay novakianao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:4 izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika , dia afaka manampy antsika ny Fanahy mba .

Ny Fanahy Masina dia afaka mitondra zavatra ao amin’ny fitadidiantsika (jereo ny Jaona 14:26) sy manampy antsika hanoratra ireo zava-nitranga na zava-nisy amin’ny fomba izay hitahy ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny hafa amin’ny taranaka hoavy. Mangataha ary aoka ianao hiaina amim-pahamendrehana ny fanampian’ny Fanahy rehefa manao ezaka hirakitra ny tantaranao manokana.

Saintsaino ireo fomba hafa ahafahanao mivoatra amin’ny ezaka ataonao mba hirakitra diary ho anao manokana na hanoratra ny tantaranao manokana momba ireo zava-mitranga sy ireo ôrdônansy ary olona manan-danja eo amin’ny fiainanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48

Natao hanampy ireo Olomasina tonga avy any New York ireo Olomasina tao Ohio ary hikarakara ny lovan’izy ireo any Ziona

Alaivo sary an-tsaina hoe misy mpikamban’ny Fiangonanan avy amin’ny toerana lavitra tratran’ny loza voajanahary ka nila nesorina tao amin’ny tranony. Nangataka anao sy ny fianakavianao ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hampiantrano ny sasany amin’ireo olona nesorina tamin’ny tranony ireo mandritra ny volana maromaro. Inona no fanontaniana na olana mety hanananao sy ny fianakavianao? Inona avy araka ny eritreritrareo ireo ahiahy sy fahatsapana mety hananan’ireo olona mifindra ao an-tokantranonareo?

Jereo ny sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana 3 ao amin’ny soratra masinao: Ny faritr’i New York, Pennsylvanie, ary ny Faritr’i Ohio any Etazonia.” Tadiavo ny toerana misy an’i Palmyra, New York, ary Kirtland, Ohio. Firy kilaometatra eo ho eo no manasaraka ireo tanàna ireo?

Tamin’ny volana febroary 1831, dia nifindra avy tany Palmyra, New York nankany Kirtland, Ohio ny Mpaminany Joseph Smith. Nanaraka azy tao anatin’ny volana vitsivitsy ny mpikambana marobe tao amin’ny Fiangonana. Nandao ireo haren’ny tany sy loharanon-karena marobe ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo mba hanarahana ny didin’ Andriamanitra ka nandeha tany Ohio ary nila fanampiana izy ireo tany. Inona araka ny eritreritrao no mety takian’ny Tompo aminao raha toa ka nipetraka tany Ohio ary nanatri-maso ny fifindran’ny sasany tamin’ireo Olomasina tamin’ny faritra nisy anao ianao, izay tsy nanana tokantrano ary kely monja ny teo am-pelatanany mba ivelomany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:1–3 mba hahafantarana ny nolazain’ny Tompo tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Ohio mba hataony amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana nifindra tao amin’ilay faritra. Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny hoe mandidy ny Olomasin’ny Andro Farany ny Tompo mba hizara ny zavatra ananan’izy ireo amin’ireo izay sahirana. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo akaikin’ny andininy 2.

Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:3 fa nanantena ireo olona izay nifindra tany Ohio ka nanana loharanon-karena sy fahafahana ny Tompo fa hividy tany tao izy ireo. Toy izany koa, ny Tompo dia manantena mba hampiasa ny loharanon-karentsika rehefa manana izany ka tsy hiantehitra amin’ny hafa mba hanome antsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika mizara ny zavatra ananantsika amin’ny hafa ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao?

Saintsaino ny fomba anatanterahan’ny zatovolahy iray ny didy mba hizara amin’ireo izay sahirana eo am-pamakiana izao tantara manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao:

Sary
Filoha James E. Faust

“Taona vitsivitsy lasa izay dia nisy kôlejin’ny mpisorona iray nanapa-kevitra hanangona sakafo ho an’ny sahirana ho tetikasa iray hanaovana asa fanompoana. Tsindrin-daona handray anjara i Jim, iray tamin’ireo mpisorona ary tapa-kevitra hanangona sakafo mihoatra noho ny an’ny olona hafa rehetra izy. Tonga ny fotoana nihaonan’ireo mpisorona tao amin’ny trano fiangonana. Niara-nivoaka izy ireo ary niverina tamin’ny fotoana voatondro tamin’io hariva io. Nahagaga ny rehetra fa foana ny sarety kely fasian’i Jim entana. Toa [nangingina] anefa izy ary nananihany azy ny zazalahy sasany. Raha nahita izany ilay mpanoro-hevitra izay nahalala fa liana amin’ny resaka fiara i Jim dia niteny izy hoe: ‘Jim, andao hivoaka kely. Tiako hijery ny fiarako ianao. Somary manome fahasahiranana ahy izy io.’

“Rehefa tafavoaka izy ireo dia nanontany an’i Jim ilay mpanoro-hevitra raha toa ka tezitra izy. Niteny i Jim hoe: ‘Tsia, tsy izany loatra. Rehefa nivoaka nanangona ny sakafo aho dia tena nahazo betsaka. Feno ny sarety kely fasiako entana. Rehefa hiverina taty am-piangonana iny aho dia nijanona tamin’ny tranon’ny vehivavy tsy mpikamban’ny Fiangonana iray izay nisara-panambadiana ary mipetraka ao anatin’ny faritry ny paroantsika. Nandondona ilay varavarana aho ary nanazava ny zavatra ataontsika, ka nampandrosoany. Nanomboka nitady zavatra omena ahy izy. Nanokatra ny vata fampangatsiahana izy ary hitako fa zara raha nisy zavatra tao anatin’izany. Foana ny talantalana. Farany dia nahita paiso ambifotsy kely izy.

“‘Saika tsy nampino ahy izany. Nisy ireto ankizy madinika nihazakazaka nanerana ny trano izay nila nomena sakafo kanefa natolony ahy ity paiso ambifotsy ity. Noraisiko izany dia nataoko tao anatin’ny saretiko ary nanohy ny lalako aho. Teo amin’ny antsasan-dalana mialoha ny fiolanana manaraka teo dia nahatsapa hafanana nanenika ahy aho ka fantatro fa mila miverina tamin’izany trano izany. Nomeko azy avokoa ny sakafo rehetra.’

“Niteny ilay mpanoro-hevitra hoe: ‘Jim, aza adinoina na oviana na oviana ny fahatsapana nanananao androany hariva, satria izany tokoa no tanjon’ny zavatra rehetra’” (“Spiritual Nutrients,” Ensign or Liahona, Nov. 2006, 54).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no nitranga tamin’i Jim rehefa nahatsapa izy fa tokony hiverina?

    2. Inona araka ny eritreritrao no tian’ilay mpanoro-hevitra hambara rehefa niteny izy fa ny fahatsapana nananan’i Jim no “tanjon’ny zavatra rehetra”?

  2. Mitadiava fomba iray ahafahanao manome izay ilain’ny olona iray, mety ho amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra anananao izany. Ohatra, azonao atao ny manampy olona iray ao amin’ny fianakavianao, namana iray, olona iray ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao any am-piangonana, na olona iray ao amin’ny fiarahamonina na sekoly misy anao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay hataonao mba hanampiana ilay olona noeritreretinao dia tontosao ny drafitra nataonao avy eo.

Nanazava ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:4–6 fa tiany hiomana hividy tany ny Olomasina rehefa hambarany ny toerana hisy ny tanànan’i Ziona, na Jerosalema Vaovao. Nangataka azy ireo mba hanangona ny vola azon’ireo hangonina ny Tompo ho fanomanana ny fametrahana ny fototr’ilay tanàna.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47–48 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy