Seminera
Fizarana 16: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75


Fizarana 16: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75

Fampidirana

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana iray izay natao tamin’ny 25 Janoary 1832, dia nahazo fanambarana roa ny Mpaminany Joseph Smith, izay samy hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75. Ny fanambarana voalohany izay voarakitra ao amin’ny andininy 1–22, dia nomena vondrona loholona iray izay nisoratra anarana mba hanao asa fitoriana. Nanome toromarika ireo loholona ireo momba ny andraikiny amin’ny maha-misiônera azy ny Tompo sy nanome mpiara-mitory aminy. Ny fanambarana faharoa izay voarakitra ao amin’ny andininy 23–36 dia nomena vondrona loholona iray faharoa izay naniry ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo mikasika azy ireo. Nanome torolalana azy ireo ny Tompo mba hanao izay hahazoan’ny fianakaviany izay zavatra ilainy sy mba hanaiky ny antso hitory ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1–5

Miresaka amin’ireo maniry hitory ny filazantsara ny Tompo

Misy firy taona sisa dia ho afaka hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ianao? Rehefa mieritreritra momba ny mety hanaovanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ianao, inona ireo fitahiana izay fantatrao mialoha fa ho azonao amin’ny alalan’ny fizaranao ny filazantsara amin’ny hafa? Soraty eo amin’ny toerana malalaka voatokana ho amin’izany ny sasantsasany amin’ireo fitahiana ireo:

Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75, ny Tompo dia nampanantena fitahiana maro ho an’ireo izay nantsoiny hitory ny filazantsara. Nanome torolalana ho azy ireo koa Izy mba hahombiazan’izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1–4 ka tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo hataon’ireo loholona mandritra ny fotoana hitoriany ny filazantsara. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny hitorian’ireo misiônera ny filazantsara amin’ny fomba izay nolazain’ny Tompo tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:5 ka tadiavo ny zavatra nampanantenan’ny Tompo tamin’ireo loholona raha toa izy ireo mitory amim-pahatokiana ny Filazantsarany. Mety hanampy anao ny mahafantatra fa ny teny hoe amboara dia milaza fitambarana ketsa izay notapahina sy natambatra ho fatorana. Ny manana “amboara maro” dia midika hoe nahazo vokatra betsaka. Maneho inona araka ny eritreritrao ny “amboara” amin’ny asa fitoriana?

Sary
amboara eo amin’ny saha iray

Amboara eo amin’ny saha iray

Ankoatra ny fandraisana ny vokatry ny asantsika rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika, dia nampanantena fitahiana mandrakizay ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:5. Ahoana no fomba hanomezan’ireo fampanantenana ao amin’ny andininy 5 famporisihana ho anao mba hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

  1. Ampiasao ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 5 mba hamenoana ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina: Raha mahatoky isika amin’ny fitoriana ny filazantsara, dia hitahy antsika ny Tompo amin’ny fanomezana antsika …

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:6–22

Niantso sy nanome torolalana mikasika ny misiônera hiara-mitory ny Tompo

Taorian’ny nanomezan’ny Tompo torolalana sy fampanantenana ho an’ireo loholona izay handeha hanao asa fitoriana, dia nampivondrona azy ireo ho andiana mpiara-miasa Izy ary nanome torolalana manokana ho an’ny andiany tsirairay.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:6–12 mba hianaranao momba ny andiana mpiara-mitory voalohany sy ny fampanantenana nomen’ny Tompo azy ireo raha toa izy ireo mitory amim-pahatokiana ny filazantsara.

Mety hanampy anao ny mahafantatra fa tamin’ny 29 Ôktôbra 1831 dia naharay antso hitory filazantsara any atsinanan’i Etazonia i William E. McLellin ary i Samuel H. Smith dia nantsoina hiara-hitory aminy (jereo ny F&F 66:5–8). Tamin’ny voalohany dia nankato io antso io i William. Tapitra vetivety ny asa fitoriana nataony ary niverina tany Kirtland Ohio izy tamin’ny faran’ny volana desambra 1831. Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:6–12, dia nanarin’ny Tompo i William E. McLellin noho ny fimonomononany ary nesoriny taminy ny antsony hanompo any atsinanan’i Etazonia ka niantso an’i Orson Hyde izy hisolo ny toerany amin’ny maha mpiara-mitory amin’i Samuel Smith azy. Na izany aza anefa, tamin’ny famindram-pony dia nanome antso hafa ho an’i William ny Tompo mba hitory ny filazantsara any atsimon’i Etazonia miaraka amin’i Luke Johnson izay ho mpiara-mitory aminy. Nanaiky ilay antso hanompo i William, saingy tsy nanohy tamim-pahatokiana izy. Tsy ela taorian’izay dia nilaza izy fa narary loatra ka tsy afaka nanohy ny misiônany. Rehefa avy nandao ny misiônany izy dia nandeha nankany Hiram, Ohio ary nanambady an’i Emiline Miller.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:11, 13–14 ka tadiavo ny fampanantenana naverin’ny Tompo tamin’ireo andiana misiônera mpiara-miasa raha toy izy ireo mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay manome toky fa raha mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara isika, dia hiaraka amintsika ny Tompo.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny zavatra niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao ka manome toky anao fa hiaraka amintsika ny Tompo rehefa mizara amim-pahatokiana ny Filazantsarany amin’ny hafa isika.

  2. Alaivo sary an-tsaina hoe misy namanao iray na olona iray ao amin’ny fianakavianao manana olana amin’ny fanaovany asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Manorata taratasy hamporisihana io olona io ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ka ampiasao ireo fitsipika izay nianaranao tao amin’ny lesona natao androany. Zarao ao amin’ilay taratasy soratanao ny zavatra azon’ireo misiônera hatao mba hitoriana amim-pahatokiana bebe kokoa ny filazantsara sy ireo fitahiana sasantsasany izay hirotsaka amin’ireo izay manao izany. (Raha mahafantatra misiônera amin’ny fotoana feno ianao dia azonao atao ny manoratra ilay taratasy ho azy. Avy eo manorata fanamarihana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay milaza fa nanao izany ianao.)

Sary
Gordon B. Hinckley fony izy misiônera tanora

Gordon B. Hinckley misiônera tany Angletera, mitory eo amin’ny Hyde Park any Londres

Mety hiatrika olana isika amin’ny ezaka ataontsika ho mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara. Ao amin’ny lahatsoratra iray mikasika an’i Gordon B. Hinckley, dia izao no nosoratan’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ireo olana natrehan’ny Filoha Hinckley fony izy misiônera tanora tany Angeletera:

“Nandalo ampahany amin’ilay fahakiviana izay miseho matetika amin’ny misiônera manoloana toe-javatra vaovao any amin’ny firenena vaovao i Elder Hinckley. Tsy natanjaka tsara izy ara-batana, ka rehefa nandeha ho amin’ny famoriana olona teny an-dalana voalohany izy … , dia izao no tsaroany: ‘Natahotra mafy aho. Nankeo amin’ilay latabatra kely aho ary nijery ireo vahoaka izay nivory teo. … Toa nampatahotra sy nasiaka ny fijeriko azy ireo, kanefa niboredika aho tamin’ny zavatra rehetra tokony noteneniko.’

“Kivy ara-panahy ary tsy nahita fahombiazana tamin’ny ezaka nataony hitory ny filazantsara i Gordon ka nanoratra taratasy ho an’ny rainy, manao hoe: ‘Lany fotsiny ny androko sy ny volanao. Tsy hitako izay antony hijanonako aty.’ Rehefa tonga ny fotoana dia nisy valiny malefaka nefa fohy tonga avy amin’ny rainy. Toy izao no vakin’ilay taratasy: ‘Ry Gordon malala! Voaraiko ilay taratasinao [tamin’izao daty izao sy izao daty izao.] Torohevitra iray ihany no homeko. Adinoy ny tenanao dia mandehana miasa. Amim-pitiavana, ny rainao.’

“Izao no nolazain’ny Filoha Hinckley tamin’izay fotoana izay: ‘Nisaintsaina ny valinteniny aho ary ny ampitso marainan’iny tao amin’ny kilasy fianarana ny soratra masina aho dia namaky ilay tenin’ny Tompo manan-danja manao hoe: Fa na iza na iza ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany” (Marka 8:35).

“‘Izany teny tsotra izany, izany fampanantenana izany, dia nahakasika ny foko. Nandohalika aho ary nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo fa hiezaka ny hanadino ny tenako aho ary handeha hanao ny asa. Raisiko ho andro lehibe nandraisako fanapahan-kevitra izany. Ny zavatra tsara rehetra izay nitranga tamiko nanomboka teo dia azoko ampifandraisana amin’ilay fanapahan-kevitra nataoko tamin’io fotoana io’” ((“President Gordon B. Hinckley: Stalwart and Brave He Stands,” Ensign, jona 1995, 8.)

Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:15–22, dia nanome torolalana ireo misiônera ny Tompo mba hitsodrano ireo tokantranon’ireo izay mandray azy ireo. Nampianariny azy ireo ihany koa ny tokony hataony rehefa mandà azy ireo ny olona izay hizarany ny filazantsara. Ny manitsana ny vovoka hiala amin’ny tongotr’izy ireo mba ho tenivavolombelona manohitra ireo izay mandà azy dia tsy ataon’ny misiônera ankehitriny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:23–29

Nanazava ny fomba tokony hiahiana ny fianakavian’ireo izay nantsoina hitory ny filazantsara ny Tompo

Ny fanambarana faharoa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75, izay voarakitra ao amin’ny andininy 23–36, dia nomena vondrona loholona iray hafa. Tamin’ny fiandohan’ny Fiangonana, dia maro ny lehilahy manam-bady aman-janaka velomina no nantsoina hitory ny filazantsara. Fahafoizan-tena lehibe tokoa ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fanekena ny antso mba hanompo. Nanahirana ny sain’ireo loholona maro mazava ho azy ny momba izay hanjo ny fianakaviany raha manaiky ny antso hitory ny filazantsara lavitry ny tokantranony izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:24–28 ka tadiavo ny torolalana nomen’ny Tompo ireo loholona izay nilaina mba hitory ny filazantsara kanefa nanana fianakaviana tokony hokarakaraina.

Nilaza ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ny Fiangonana dia tokony hanampy ny fianakaviana rehefa manaiky ny antso handeha hanao asa fitoriana ny raim-pianakaviana na ny vady. Jereo ao amin’ny andininy 26 ny torolalana nomen’ny Tompo ireo loholona mba hataon’izy ireo raha toa izy ireo afaka mahita toerana afaka ametrahany ny fianakaviany mba hisy hiahy izy ireo.

Ao amin’ny andininy 28 dia niteny tamin’ireo loholona izay tsy afaka mahita fanohanana any an-kafa ny Tompo fa afa-tsiny izy ireo raha tsy handeha ary nanome toky azy ireo Izy fa tsy ho very ny fahafahany mahazo ny fiainana mandrakizay. Ireo loholona ireo dia mbola antenaina hiasa ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:29 ka tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo ho an’ireo lehilahy rehetra ireo. Mety hanampy anao ny mahafantatra fa ny midonana-poana dia olona izay tsy vonona ny hiasa ary ny “mazoto amin’ny zava-drehetra” dia midika hoe tsy miovaova, tsy mihemotra, mitandrina tsara ary miasa mafy.

Azonao atao ny manisy marika ilay torolalana nomen’ny Tompo ao amin’ny andininy 29 izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Mandidy antsika mba hazoto amin’ny zava-drehetra ny Tompo.

  1. Saintsaino ny lafiny sasantsasany amin’ny fiainanao izay tsapanao fa mbola afaka hanehoana fahazotoana bebe kokoa. Soraty amin’ny taratasy iray mitokana ny tanjona hanao zavatra iray mba ho tonga mazoto kokoa. Apetaho amin’ny toerana izay ahitanao azy isan’andro io tanjona io. Rehefa vitanao izany, dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe: Nanoratra ny tanjoko aho ary nametraka izany amin’ny toerana ahafahako mahita izany isan’andro.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:30–36

Nanendry ireo loholona ho misiônera mpiara-miasa ny Tompo

Amin’ny faran’ilay fanambarana faharoa voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75, ny Tompo dia manendry io vondrona loholona io mba ho andiana misiônera mpiara-miasa.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy