Seminera
Fizarana 7: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28


Fizarana 7: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28

Fampidirana

Teo anelanelan’ny volana aprily sy ny volana septambra 1830, dia nisy mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany izay tsy nahatakatra ny fitsipika izay mifehy ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana. Ireo tsy fahatakarana fitsipika ireo dia nahatonga fitsapana teo amin’ny fiainan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ao amin’ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, ny Tompo dia nanambara fahamarinana izay mitondra vahaolana amin’ireo fitsapana ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–7

Manazava ny Tompo fa ny fanambarana izay hitondrana ny Fiangonany dia omena amin’ny alalan’ny mpaminany voatendriny

Eo amin’izao tontolo izao dia betsaka ny zavatra hosoka izay maka tahaka fotsiny ny zavatra izay tena misy sy tsaratsara kokoa. Rehefa amin’ny fotoana manao ahoana no mety hampidi-doza ny tsy fahafantarana ny hosoka amin’ny tena izy?

Ny hosoka ara-panahy dia tena loza lehibe tokoa. Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina hoe: “ Ny devoly no rain’ny lainga, ary maniry foana ny hanakana ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fakan-tahaka ratsy ataony” (“Ireo Lalam-pifandraisana Roa,” Liahona, nôv. 2010, 84).

Vakio ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ao amin’ny soratra masinao. Rehefa mamaky izany ianao, dia jereo ny hosoka izay nampiasain’i Satana mba hamitahana ny sasatsasany tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Satria mety noheverina fa mitovy ny filazan’i Hiram Page fa mandray fanambarana amin’ny alalan’ny vato sy ny fomba noheverin’izy ireo ho fandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith fanambarana avy amin’ Andriamanitra, dia nisy mpikamban’ny Fiangonana, anisan’izany i Oliver Cowdery izay tena mety hino tokoa ny fanambarana diso izay nampitain’i Satana tamin’i Hiram Page. Rehefa mianatra ny tenin’ny Tompo ho an’i Oliver ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ianao, dia jereo ny fahamarinana manan-danja izay afaka manampy anao tsy ho voafitaky ny hosok’i Satana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–5. Ny fahamarinana lehibe iray izay ianarantsika dia ny hoe ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona iray izay mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andininy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no tsy hahavoafitaka ny mpikamban’ny Fiangonana rehefa mahafantatra io fitsipika io?

    2. Inona no nahasamihafa ny andraikitr’i Oliver Cowdery tamin’ny naha-loholona faharoa tao amin’ny Fiangonana azy sy ny andrikitr’i Joseph Smith tamin’ny naha-filohan’ny Fiangonana azy?

Tao aloha kelin’ny nanomezan’ny Tompo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, dia nisy zava-nitranga izay nampiseho fa mbola tsy nahatakatra tsara ny naha-samihafa ny andraikitra nosahaniny tao amin’ny Fiangonana sy ny anjara asan’i Joseph Smith amin’ny naha-mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana azy i Oliver Cowdery.

Nandritra ny fotoana nipetrahany tany Harmony, Pennsylvanie, dia nandray taratasy avy tamin’i Oliver Cowdery izay tany Fayette, New York i Joseph Smith. Izao no nosoratan’ny Mpaminany:

Sary
Rahalahy Joseph

“Nanoratra izy mba hampahafantatra ahy fa nahita zavatra diso iray tao amin’ny iray amin’ireo didy tao amin’ny fanambarana izay hita amin’izao fotoana izao ao amin’ny fizarana 20 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana] ary nanao hoe : ‘Mandidy anao aho amin’ny anaran’ Andriamanitra mba hamafa ireo teny ireo, mba tsy hisian’ny komiberaky ny mpisorona eto anivontsika!’

“Teo noho eo dia namaly ilay taratasy aho, nanontany azy ny fahefana noraisina mba handidiana ahy hanova, hamafa, hanampy na hanala zavatra avy amin’ny fanambarana na didin’ Andriamanitra Tsitoha.

“Andro vitsivitsy taty aoriana dia namangy azy sy ny fianakavian’Atoa Whitmer aho, ary nahita fa tao anatin’ny firehan-kevitra mikasika ny teny … izy ireo, ary tena tamin’ny ezaka mafy sy faharetana mafy tokoa no nahafahako nandresy lahatra azy ireo am-pahatoniana momba ilay lohahevitra. Kanefa… nony farany,… dia nahomby ihany tamin’ny fampahafantarana ny fianakaviana Whitmer sy i Oliver Cowdery mikasika ny naha-diso azy ireo aho” (ao amin’ny History of the Church,1:105).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:6–7, ary fantaro ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery. Ny andininy 6 dia manampy antsika hahatakatra fa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, ny mpikambana tsirairay dia tsy mandray fanambarana hoentina hitarihana olona iray izay miahy azy.

Sary
Joseph Smith

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tena mahafaty antoka an’ Andriamanitra ny mamela mpikamban’ny Fiangonana, na olona tsotra, handray torolalana ho an’ireo izay manam-pahefana, eo ambonin’izy ireo; noho izany, hitanao ny maha tsy ara-pomba ny mihaino azy ireny; fa raha manana fahitana na mandray famangian’ny anjely ny olona iray, dia ho tombontsoany manokana sy ho fampianarana azy manokana izany; satria ny fitsipika, fitantanana ary Fotopampianarana fototry ny Fiangonana dia hoentin’ny fanalahidin’ny fanjakana” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 197–98).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no hahafahan’ny fahatakarana sy fanarahana ny fitsipika mifehy ny fandraisana fanambarana ao amin’ny Fiangonana manampy antsika amin’ny fanampiana sy fanohanana ny mpitarika ny Fiangonana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–10

Miantso an’i Oliver Cowdery mba hitory ny filazantsara amin’ny Lamanita ny Tompo

Jereo ireo anjara asa sy antso natao lisitra eto ambany, ary ataovy ao anaty boribory izay heverinao fa hananan’ny olona zo handraisany fanambarana mba hanampiana azy amin’ny andraikiny.

Ray na reny

Manampahefana Ambony

Mpampianatra isan-tokantrano na mpamangy isan-tokantrano

Eveka na filohan’ny sampana

Mpampianatra Sekoly Alahady

Misiônera

Filohan’ny Farimbona na filohan’ny kolejin’ny mpampianatra

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana

Afaka mianatra isika hoe iza no olona manana zo handray fanambarana mba hanampiana azy amin’ny andraikiny avy amin’ny zavatra notenenin’ny Tompo tamin’i Oliver Cowdery tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–10. Vakio ireo andininy ireo, dia fantaro ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Oliver mba hataony.

Ny teny hoe Lamanita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia natokana ho an’ny vondron’olona iray, izay anisan’ny taranak’i Lamana, ilay zanaka lahimatoan’i Lehia. Ny teny hoe Lamanita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8 dia natokana ho an’ny Indiana any Amerika izay mipetraka eo amin’ny sisin-tany andrefan’ny Etazonia, izay mety ho anisan’ny taranak’io vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna io.

Asio marika ny fampanantenana sy torohevitra nomen’ny Tompo an’i Oliver ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8 izay hanampy antsika hahafantatra hoe iza no manana zo handray fanambarana mba hanampiana azy amin’ny andraikiny.

Niteny tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo fa afaka mandray fanambarana mba hanampy azy amin’ny asa fitoriana izay sahaniny izy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8 dia manampy antsika hahatakatra fa afaka mandray fanambarana ho tombontsoantsika manokana sy mba hanampiana antsika amin’ny antso sy andraikitra nomena antsika isika.

Tokony nataonao tao anaty boribory ireo anjara asa sy antso rehetra natao lisitra tany amin’ny fiandohan’ity fizarana ity satria ny tsirairay amin’ireo olona ireo dia manana zo handray fanambarana ho an’ny andraikitra izay sahaniny. Araka ny hevitrao, mety hanampy an’iza ny fandraisan’ireo olona ireo fanambarana? Nahoana no hanampy azy ireo ny fandraisany fanambarana ho an’ireo olona izay hananany andraikitra?

Eritrereto ny fomba hahafahan’ny fanambarana manampy anao amin’ny fiainanao manokana na amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana na amin’ny asa izay sahaninao.

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina fa ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia tsy mamela olona iray handray fanambarana hoentina hitondra olona iray izay miahy azy ary nanome torohevitra momba ny fanambarana manokana izy hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Amin’ny fomba milamina no hahatongavan’ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana. Manan-jo hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana isika. Kanefa, tsy afaka ny handray fanambarana mikasika ny zavatra tokony hataon’ny hafa isika, raha tsy hoe angamba, natokana tamin’ny anjara fanompoana mpiahy iray.

“Ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana dia natao ho an’ireo izay efa voantso, izay efa notohanana, izay efa notendrena na izay efa natokana tamin’ny fomba tokony ho izy. …

“Ny zavatra niainana ara-panahy iray izay miavaka amin’ny mahazatra dia tsy tokony horaisina ho toy ny fiantsoana ny tena hitarika ny hafa. Resy lahatra aho fa ireo zavatra niainana izay manana toetra miavaka sy masina dia natao ho an’ny tsirairay ka tokony hotazonina ho an’ny tena samirery.

“Ny zavatra tena mahomby indrindra amin’ny fanakorontanana ny lalan’ny fanambarana dia ireo izay diso lalana sy mieritreritra fa voafidy hitarika ny hafa nefa tsy voafidy amin’izany” (“Revelation in a Changing World,” Ensign, Nov. 1989, 14–15).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11–16

Nandidy an’i Oliver Cowdery ny Tompo mba hanitsy an’i Hiram Page sy mba hanampy amin’ny fananganana ny Fiangonana

Manaova famerenana ny lohatenin’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28. Rehefa izany dia vakio ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11–14. Inona no zavatra nasaina nataon’i Oliver mba hamahana ny olana tamin’i Hiram Page?

Mianatra isika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11–14 fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manana andraikitra ny hanitsy ireo izay mampivily lalana ny hafa. Jereo ilay fehezan-teny manao hoe “haka an’i Hiram Page rahalahinao ianao, mitokàna ianao sy izy” (F&F 28:11). Mampianatra izany fa rehefa manitsy dia tokony raisina mitokana ilay olona ary tokony hitandrina tsara amin’ny fanatanterahana izany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:13 ihany koa dia mampianatra fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana, ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:15–16 mba hahitana ny torohevitra farany nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery. Taoriana kelin’ny fotoana nandraisan’i Joseph Smith fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, dia nisy fihaonambe natao. Nanoratra izao i Joseph Smith, “Ilay vato voalaza teo aloha no lohahevitra, ary tao aorian’ny fanadihadiana lalina, dia, Rahalahy [Hiram] Page, sy ny Fiangonana iray manontolo izay nanatrika io fotoana io, no nandà ilay vato sy izay zavatra rehetra mikasika an’izany, izay nitondra fiadanana sy fifaliana ho anay tokoa” (ao amin’ny History of the Church, 1:115).

  1. Manampy anao hampihatra ireo fitsipika sy Fotopampianarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ny mamaky ireto toe-javatra mety hitranga manaraka ireto, ary rehefa izany, manoratra ny fahamarinana iray izay amin’ny endrika soratra matevina notsoahina tamin’ny lesona anio izay tsapanao fa tena tokony ampiharina tokoa. Efa misy valiny ny voalohany, mba ataonao ohatra amin’ny fomba fanatanterahana azy.

    1. Eo am-panomanana lahateny atao amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ianao ary mahita soratra masina maro, teny nalaina maro ary tantara maro izay azonao ampiasana amin’ilay lahateny. Tsy azonao antoka ny zavatra izay tokony hampiasana na ny zavatra izay tokony tenenina.

      Fitsipika: Afaka mandray fanambarana ho tombontsoantsika manokana sy mba hanampiana antsika amin’ny antso na andraikitra izay omena antsika isika.

    2. Nahazo mailaka ianao izay momba ny olona milaza fa mahafantatra mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Kanefa, izany dia tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny mpaminany velona amin’izao fotoana.

    3. Sorena ny namanao iray noho ny evekany izay vao niantso filohan’ny Zatovovavy vaovao ao amin’ny paroasy misy azy. Mieritreritra ny namanao fa tokony ho rahavavy hafa no nantsoina.

    4. Mampiaraka amin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray ny zokinao vavy. Nilaza taminy ilay lehilahy, fa amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana azy, dia nandray fanambarana izy fa tokony hanambady azy ny zokinao vavy. Kanefa, nivavaka mikasika io fanapahan-kevitra io ny zokinao vavy dia tsy mbola nandray valiny mazava tsara fa nahatsapa tsy fitoniana sy faneriterena.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy